Lioka

Toko faha-20

27 Ireo Tsadoseanina, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty ho velona, dia mba nisy koa nanatona an'i Jesoa, ka nanontany Azy

28 hoe: Mpampianatra o, izao no didy voasoratra nomen'i Mosesy antsika: Raha misy lehilahy maty mbola velom-bady nefa tsy nanan-taranaka, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy, ka hiteraka hamela solofo ho an'ny maty.

29 Koa nisy ary olona fito mirahalahy. Nampaka-bady ny lahimatoa, kanjo maty tsy nanan-taranaka.

30 Nampakatra an-dravehivavy ny faharoa,

31 ary koa ny fahatelo; torak'izany avokoa izy fito mirahalahy, samy maty tsy namela taranaka.

32 Farany maty koa ravehivavy.

33 Amin'ny fitsanganan'ny maty ho velona ary, mba ho vadin'iza ravehivavy fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?

34 Dia hoy i Jesoa tamin'ireo Tsadoseanina: Ny olona amin'izao fiaina-mandalo izao no mampakatra sy ampakarina.

35 Fa ireo nataon'Andriamanitra mendrika hitsangana velona avy any amin'ny maty sy handray anjara amin'ny fiainan-ko avy dia tsy mba mampakatra na ampakarina:

36 tsy mety maty intsony manko fa tahaka ny anjely; sady zanak'Andriamanitra satria olona efa nataony mendrika hitsangana velona.

37 Ny amin'ny hoe hitsangana velona ny maty dia efa nambaran'i Mosesy ao amin'ny toko momba ny Roimemy izany, fony izy niantso ny Tompo hoe: Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Itsehaka ary Andriamanitr'i Jakoba.

38 Ny Tompo dia tsy Andriamanitry ny maty fa Andriamanitry ny velona, satria ny Tompo no ahaveloman'izy rehetra.

39 Dia niteny ny sasany tamin'ny mpahay lalana nanao hoe: Mpampianatra o, marina ny filazanao!

40 Ary tsy nisy olona sahy nanontany an'i Jesoa intsony.

41 Hoy kosa i Jesoa tamin'ireto mpahay lalana: Ahoana no ilazana fa hoe Zanak'i Davida ny Mesia?

42 Ny tenan'i Davida manko no milaza ao amin'ny bokin'ny Salamo hoe: Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra tamin'ny Mpanjaka Tompoko hoe: Mipetraha amin'ny sezafiandrianana eto ankavanako;

43 Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.

44 Antsoin'i Davida hoe Tompoko ny Mesia araka izany, ka ahoana no maha Zanany Azy?

45 Raha mbola mihaino Azy eo ny vahoaka rehetra, dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:

46 Mitandrema amin'ireo mpahay lalana. Ny tiany dia ny mandehandeha eny amin'ny lala-mitafon'ny tempoly, ny ankamamiany dia ny arahabaina eny an-kianja sy ny mipetraka eny aloha ao amin'ny sinagoga ary ny maka ny toeram-boninahitra any amin'ny fanasana.

47 Ataony tapitra ny fananan'ny mpitondratena ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa.

Toko faha-21

1 Ary nanopy ny masony i Jesoa ka nahita ireo mpanankarena nandrotsa-bola teo amin'ny vata fitoeran-drakitra.

2 Ary hitany koa ity vehivavy mpitondratena mahantra nandrotsaka ariary anankiroa.

3 Ka hoy i Jesoa hoe: Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena io no nandrotsaka be indrindra tamin'izy rehetra.

4 Satria ireo rehetra ireo dia nandrotsaka ny ambim-bavany ho fanatitra; fa ravehivavy io kosa, na fadiranovana toy inona aza, dia ny fivelomany manontolo no narotsany.

5 Nisy mpianatra niresaka momba ny tempoly, amin'izy voaravaka vato saro-bidy sy fanatitra fanalam-boady. Ka hoy i Jesoa:

6 Ho avy ny andro handravana ireo zavatra banjininareo ireo ary tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana.

7 Ary nanontanian'ireo indray i Jesoa hoe: Mpampianatra o, oviana no hahatongavan'izany ary inona no hamantarana fa madiva ho avy izany?

8 Dia novaliany hoe: Tandremo sao voafitaka ianareo. Fa maro no ho avy hisandoka ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Mesia, ary Tonga ny fotoana! Aza mba manaraka an'ireny.

9 Raha mandre ady sy korontana ianareo, aza taitra; eny, tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin'izay akory ny farandro.

10 Ary hoy koa i Jesoa taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena ary koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana.

11 Amin'ny toerana samihafa, hisy horohorontany mahery vaika mbamin'ny mosary sy areti-mandringana; ary avy eny amin'ny habakabaka dia hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe.

12 Kanefa alohan'izany rehetra izany, dia hosamborina sy hoenjehina ianareo, hatolotra hotsaraina any amin'ny sinagoga ary hatao am-ponja, hoentina eo anatrehan'ireo mpanjaka sy mpifehy noho ianareo miandany amiko.

13 Ho tonga aminareo izany mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy.

14 Koa ataovy latsaka ao am-ponareo fa tsy tokony hihevitra mialoha izay hiarovanareo tena ianareo;

15 satria Izaho ihany no hampiteny anareo sy hanome fahendrena anareo, ka tsy hahatohitra sady tsy haharesy lahatra anareo izay rehetra miampanga anareo.

16 Hanolotra anareo na dia ny ray aman-dreny sy ny mpiray tampo ary ny havana aman-tsakaiza aza, ka hovonoin'olona ny sasany aminareo.

17 Ho halan'ny olon-drehetra ianareo satria miandany amiko,

18 nefa tsy hisy very na dia singam-bolo iray amin'ny lohanareo aza.

19 Aoka ho amim-paharetana no hahazoanareo famonjena ny ainareo.

20 Rehefa hitanareo voahodidina miaramila i Jerosalema, dia fantaro fa antomotra ny fandravana azy.

21 Amin'izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra; izay ao an-tananan'i Jerosalema aoka hilefa any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina ao an-tanana.

22 Satria andro nataon'Andriamanitra ho famaizana izany andro izany, mba hahatanterahan'izay rehetra voalazan'ny Soratra Masina.

23 Loza no hanjo ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany, satria hisy fahoriana lehibe amin'ity tany ity ary hihatra amin'ity vahoaka ity ny fahatezeran'Andriamanitra.

24 Ny mponina haringan'ny lelan-tsabatra na hoentin-ko babo any amin'ny firenena rehetra any, ary i Jerosalema hohitsakitsahin'ny hafa firenena mandrapahafenon'ny andro natao hanjakan'ny hafa firenena.

25 Hisy famantarana koa eny amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana; ary ety an-tany dia ho ory sy ho very hevitra ny firenena noho ny ranomasina hikotrokotroka sy hanonja izaitsizy.

26 Hisy olona ho fatin'ny tahotra sy ny fanahiana izay hanjo ny tany tontolo, satria hihozongozona ny herin'ny habakabaka.

27 Amin'izay no hahitana ny Zanak'olona tamy voahodidin-drahona sady omban-kery sy voninahitra lehibe.

28 Raha vao miantomboka anefa izany zavatra izany, dia mitraka ianareo ary andrandrao ny lohanareo fa efa antomotra ny fanavotana anareo.

29 Dia nilaza fanoharana tamin'ny mpihaino Azy i Jesoa nanao hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9503