Jôhany

Toko voalohany

15 Vavolombelona manambara Azy i Johany ka niantso mafy hoe: Izy no Ilay voalazako hoe: Ilay tamy aoriako dia lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.

16 Feno harem-pahasoavana ilay Teny ka nandraisantsika rehetra fahasoavana tovozin-tsy ritra:

17 satria ny lalana dia nomen'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy.

18 Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin'ny Ray, no efa nanambara Azy.

19 Toy izao no fijoroan'i Johany ho vavolombelona. Nisy mpisorona sy levita nirahin'ny manampahefana jiosy avy any Jerosalema hankeo aminy, mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?

20 Tsy nanda ny hamaly izy fa nilaza mazava hoe: Tsy izaho no ilay Mesia!

21 Ary nanontany azy ry zareo hoe: Ahoana ary? I Elia ve ianao? Dia novaliany hoe: Tsy izy aho! Ka hoy ireo taminy: Ilay Mpaminany ve ianao? Fa novaliany hoe: Tsia!

22 Tamin'izay ry zareo dia niteny tamin'i Johany hoe: Iza ary ianao, mba hitondranay valin-teny any amin'izay naniraka anay? Lazainao ho iza ny tenanao!

23 Dia hoy izy: Izaho no feon'olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe: ahitsio ny lalan'ny Tompo, araka ny tenin'i Isaia mpaminanin'Andriamanitra.

24 Ary nisy avy amin'ny Farisianina ireto olona nirahina teo amin'i Johany,

25 ka nanontany azy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa, raha toa tsy ianao no ilay Mesia na i Elia na ilay Mpaminany?

26 Ka novalian'i Johany hoe: Ny ahy, ao amin'ny rano no anaovako batisa; fa eo anivonareo misy olona anankiray tsy fantatrareo,

27 dia Ilay tamy aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho!

28 Izany zavatra izany dia niseho tany Betania, andafy atsinanan'ny ony Jordana, teo amin'ny fanaovan'i Johany batisa.

29 Nony ampitso, dia nahita an'i Jesoa avy nanatona azy i Johany ka hoy izy: Indro ny Zanakondrin'Andriamanitra, Ilay manala ny fahotan'izao tontolo izao!

30 Izy indrindra Ilay nolazaiko hoe: Misy lehilahy tamy aoriako, Izay lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.

31 Ary izaho dia tsy nahalala Azy; fa mba hampisehoana Azy amin'ny vahoaka Israely no nahatongavako hanao batisa ao amin'ny rano.

32 I Johany no vavolombelona nanambara hoe: Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala, ka nitoetra teo amboniny.

33 Ary izaho dia tsy nahalala Azy; fa Andriamanitra, Izay naniraka ahy hanao batisa ao amin'ny rano, no nilaza tamiko hoe: Ilay ho hitanao idinan'ny Fanahy Masina sy itoerany eo amboniny, dia Izy no Mpanao batisa ao amin'ny Fanahy Masina.

34 Ary nahita aho, ka dia vavolombelona manambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra.

35 Ny ampitson'iny indray, dia mbola teo ihany i Johany sy ny mpianany roa lahy;

36 ary nahatazana an'i Jesoa nandalo i Johany ka hoy izy hoe: Indro ny Zanakondrin'Andriamanitra!

37 Nandre an'i Johany niteny izany ireto mpianany roa lahy ka lasa nanaraka an'i Jesoa.

38 Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy roa lahy nanaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo izay? Ka novalian'izy roa lahy hoe: Raby o, (izany hoe Mpampianatra o, raha adika), aiza ianao no mitoetra?

39 Dia hoy i Jesoa taminy: Avia, fa ho hitanareo! Koa dia nandeha izy roa lahy ka nahita izay nitoeran'i Jesoa ary nitoetra teo aminy tamin'io andro io. (Tokony ho tamin'ny efatra tolakandro tamin'izay).

40 I Andrea, rahalahin'i Simona Petera, no anankiray tamin'izy roa lahy nandre ny tenin'i Johany, ka nanaraka an'i Jesoa.

41 Ny nihaonan'i Andrea voalohany dia i Simona rahalahiny ka nilazany hoe: Efa hitanay ny Mesia (izany hoe i Kristy na hoe Voahosotra, raha adika)!

42 Dia nentin'i Andrea nankany amin'i Jesoa i Simona; ary nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe: Ianao no Simona, zanakalahin'i Jona! Hantsoina hoe Kefasy ianao (izany hoe Petera na hoe Vato, raha adika)!

43 Ny ampitson'iny, dia niroso nankany amin'ny faritany Galilea i Jesoa; tafahaona tamin'i Filipo Izy ary nanao taminy hoe: Avia hiaraka amiko!

44 I Filipo dia avy any Betsaida, tanana fiavian-dry i Andrea sy i Petera.

45 Tafahaona tamin'i Natanaela kosa i Filipo ka niteny taminy hoe: Efa hitanay Ilay voalazan'i Mosesy tao amin'ny bokin'ny Lalana sy voalazan'ireo mpaminany, dia i Jesoa zanak'i Josefa, Ilay avy any Nazareta.

46 Ary hoy i Natanaela taminy: Moa mba mety hisy zava-tsoa ve avy any Nazareta? Dia novalian'i Filipo hoe: Ndao ianao hizaha!

47 Nahita an'i Natanaela tamy nanatona Azy i Jesoa ka izao no teniny momba an'i Natanaela: Izany ka tena Israelita tsy misy fitaka!

48 Dia hoy i Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Ka novalian'i Jesoa hoe: Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, dia hitako teo ambany aviavy ianao!

49 Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe: Mpampianatra o, Ianao no Zanak'Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan'i Israely!

50 Ary novalian'i Jesoa hoe: Mino ve ianao satria nilazako fa hitako teo ambany aviavy? Zavatra lehibe noho izany no mbola ho hitanao!

51 Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela: Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin'ny anjelin'Andriamanitra miaka-midina eo ambonin'ny Zanak'olona!

Toko faha-2

1 Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tany Kana any Galilea; ary tao ny renin'i Jesoa.

2 Nasaina ho amin'io fampakaram-bady io koa i Jesoa mbamin'ny mpianany.

3 Ary satria efa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesoa taminy: Tapitra ny divain-dry zareo!

4 Ary hoy i Jesoa tamin'ny reniny: Ravehivavy, inona no tadiavinao amiko? Moa tsy efa tonga ve ny fotoanandroko?

5 Dia hoy ny renin'i Jesoa tamin'ireo mpanompo: Na inona na inona lazainy aminareo dia ataovy!

6 Ary nisy siny vato enina nipetraka teo, ho fidiovana araka ny fanaon'ny Jiosy. Samy nahalany zato litatra eo ho eo ny siny tsirairay avy.

7 Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpanompo: Fenoy rano ireto siny ireto. Dia nofenoiny hatramin'ny molony.

8 Ary hoy i Jesoa tamin'ny mpanompo: Tovozy amin'izao ka ento any amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentin'ireo mpanompo.

9 Ary nanandrana ny rano nanjary divay ity mpandahatra ny fanasana, nefa tsy fantany izay niaviany (fa ireo mpanompo nanovo ny rano no nahafantatra). Dia niantso ny mpampakatra kosa ity mpandahatra ny fanasana

10 ka nilaza taminy hoe: Ny an'ny olona rehetra dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa mamomamo ny nasaina, vao arosony izay ratsiratsy kokoa. Fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara hatramin'izao!

11 Izany nataon'i Jesoa tao Kana any Galilea izany no santatr'ireo famantarana narosony. Ary nasehon'i Jesoa ny voninahiny, ka nino Azy ny mpianany.

12 Taorian'izany, dia nidina nankany amin'ny tanana Kafarnahoma i Jesoa mbamin'ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa andro vitsivitsy ihany no nitoeran'izy mianakavy tao.

13 Ary efa akaiky ny Paska fankalazan'ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema i Jesoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9537