Lioka
Toko faha-23
22 Dia niteny fanintelony indray i Pilato nanao hoe: Inona ary no ratsy nataony? Tsy hitako velively izay heloka tokony hahafaty Azy; noho izany, hasaiko hokapohina Izy dia halefako.23 Fa nikiry niantsoantso mafy ny vahoaka nitaky ny hanombohana an'i Jesoa amin'ny hazofijaliana, ary nandresy ny horakoraka nataony.
24 Dia namoaka didim-pitsarana i Pilato nampanao izay notakiny.
25 Ilay natao am-ponja satria nanao fikomiana sady nahafaty olona moa nalefany araka ny notakin-dry zareo, fa i Jesoa kosa natolony azy hanaovany izay sitrapony.
26 Ary raha nitondra an'i Jesoa hovonoina ireo miaramila, dia sendra an'i Simona lehilahy sireneanina nody avy tany an-tsaha; notanany ralehilahy ka notereny hankeo aorian'i Jesoa, hanampy Azy hitondra ny hazofijaliana.
27 Vahoaka betsaka no nanaraka an'i Jesoa ary anisan'izany vehivavy maro izay nandona tratra sady nitomany Azy.
28 Nitodika azy ireto i Jesoa ka nanao hoe: Ry vehivavy eto Jerosalema, aoka izay ny fitomaniana Ahy, fa ny tenanareo sy ny zanakareo itomaniana!
29 Eny, ho avy ny andro hilazana hoe: Sambatra ny vehivavy momba, tsy niteraka sady tsy nampinono!
30 Amin'izay ny tendrombohitra hilazan'ny olona hoe: Ianjerao izahay; ary ny havoana hilazany hoe: Sarony izahay!
31 Fa raha izao no hatao amin'ny hazo maitso, inona no hihatra amin'ny hazo maina?
32 Ary nisy koa olon-dratsy roa lahy nentina hiara-kovonoina amin'i Jesoa.
33 Rehefa tonga tany amin'ny toerana atao hoe Ikarandoha, dia nohomboana tamin'ny hazofijaliana i Jesoa mbamin'ireo olon-dratsy, ka ny iray teo ankavanany, ny iray teo ankaviany.
34 Ary i Jesoa namerimberina hoe: Ray o, avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony! Dia nifampizaran'ireo miaramila ny fitafian'i Jesoa ka nanaovany loka.
35 Ny vahoaka tamin'izany nijanona teo nijery. Ny manampahefana jiosy kosa nandatsa nanao hoe: Namonjy olon-kafa Izy, ka aoka hamonjy ny tenany, raha Izy tokoa no ilay Mesia avy amin'Andriamanitra!
36 Ny miaramila koa naneso an'i Jesoa ka nanatona hanome vinaingitra Azy
37 sady niteny hoe: Raha Ianao tokoa no Mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tenanao!
38 Ary teo ambonin'ny lohan'i Jesoa dia nasiana soratra hoe: Ity no Mpanjakan'ny Jiosy!
39 Ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nihantona teo dia nanevateva Azy ka nanao hoe: Tsy Ianao tokoa ve no ilay Mesia? Vonjeo ny tenanao ary vonjeo koa izahay.
40 Fa niteny azy mafy kosa ilay faharoa nanao hoe: Tsy matahotra an'Andriamanitra mihitsy ve ianao, na dia voaheloka miaraka amin'ity olona ity aza?
41 Ny antsika roa lahy dia rariny izao, satria valin'ny natao no raisina; fa ny Azy kosa, tsy mba nisy ratsy nataony na inona na inona.
42 Dia izao no naverimberiny: Jesoa o, mba tsarovy aho rahatrizay ho avy indray Ianao amin'ny maha Mpanjaka Anao.
43 Ka hoy i Jesoa taminy: Lazaiko marina aminao fa anio ihany dia ho tafaraka amiko any am-paradisa ianao.
44 Tamin'ny mitataovovonana teo ho eo, dia takona ny masoandro ka rakotra haizina ny faritany manontolo ary naharitra hatramin'ny telo tolakandro izany. Nitriatra nizara roa kosa ny efitra lamba tao amin'ny Toeramasina tao an-tempoly.
46 Ary niantso tamin'ny feo mahery i Jesoa nanao hoe: Ray o, apetrako eo am-pelatananao ny aiko! Avy nilaza izany Izy, dia niala aina.
47 Nahita ny zava-nitranga ilay kapiteny romanina ka nanome voninahitra an'Andriamanitra sady niteny hoe: Tena olo-marina tokoa io Lehilahy io!
48 Ary ny vahoaka rehetra vory teo mba hizaha dia nanatri-maso ny zava-nitranga, ka lasa niverina nandondon-tratra noho ny alahelo.
49 Fa ny olom-pantatr'i Jesoa rehetra mbamin'ireo vehivavy nanaraka Azy hatrany Galilea kosa nijanona teny lavidavitra teny ka nahita izany.
50 Ary indro nisy lehilahy atao hoe Josefa, avy any Harimatia tanana ao Jodea. Olona tsara fanahy sady marina ary fatra-piandry ny Fanjakan'Andriamanitra izany lehilahy izany, anisan'ny mpitsara ambony amin'ny Jiosy saingy tsy mba niombon-kevitra sy tetika tamin'ireo namany.
52 Nanatona an'i Pilato izy nangataka ny vatan'i Jesoa.
53 Dia nampidinin'i Josefa avy teo amin'ny hazofijaliana ny vatan'i Jesoa, nofonosiny lamba sarobidy, ary napetrany tao amin'ny fasana nolavahana tamin'ny vatolampy, mbola tsy nandevenana olona.
54 Zoma hariva fiomanana tamin'izay ary efa hanomboka ny sabata.
55 Ireo vehivavy nomba an'i Jesoa hatrany Galilea dia niaraka tamin'i Josefa, ka nandinika ny fasana sy ny fomba nametrahana ny vatan'i Jesoa.
56 Avy eo dia nody izy ireo ary nanomana zava-manitra sy ilomanitra, fa tamin'ny sabata dia niala sasatra araka ny lalana.
Toko faha-24
1 Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin'ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany.2 Tazany ilay vatobe fa voakodia lavitry ny vavafasana;
3 nefa nony niditra izy ireo, dia tsy nahita ny vatan'i Jesoa Tompo.
4 Raha mbola very hevitra ny amin'izany teo ireto vehivavy, dia indreo nisy roa lahy nanao fitafiana manelatrelatra niseho taminy.
5 Natahotra mafy ireto vehivavy ka nitanondrika, fa hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no aty amin'ny toeran'ny maty no itadiavanareo ny velona?
6 Tsy eto Izy, fa efa nitsangana velona. Tsarovy ny voalazany taminareo, fony Izy mbola tany Galilea, hoe:
7 Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazofijaliana; nefa hitsangana velona amin'ny andro fahatelo.
8 Izay ireto vehivavy vao nahatsiaro ny tenin'i Jesoa,
9 ka niverina avy tany amin'ny fasana ary nitantara izany rehetra izany tamin'ny 11 lahy sy ny namany rehetra:
10 ireo vehivavy ireo dia i Maria avy any Magdala sy i Johanina ary koa i Maria renin'i Jakoba; ireo vehivavy niaraka tamin'izy telo vavy dia samy nilaza izany koa tamin'ny apostoly.
11 Saingy noheverin'ny apostoly ho arirarira foana ny tenin'izy rehetra ka tsy ninoany.
12 Fa nitsangana kosa i Petera, nihazakazaka nankany amin'ny fasana, niondrika nijery ka tsy nahita afa-tsy ny tapa-damba namehezana ny vatan'i Jesoa, ary lasa nody sady sanganehana tokoa tamin'ny zava-nitranga.
13 Iny andro alahady iny ihany, dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin'ny tanana kely atao hoe Emaosy, tokony ho 11 kilaometatra avy ao Jerosalema.
14 Ary teny an-dalana izy roa lahy dia niresaka ireny zava-nitranga rehetra ireny.
15 Raha mbola niresaka sy niady hevitra iny izy roa lahy, dia inty i Jesoa nanatona niara-dalana taminy;
16 saingy voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason'ireto mpianatra.
17 Dia hoy i Jesoa taminy: Inona izao iadianareo hevitra ety an-dalana izao? Dia niato kely izy roa lahy sady maloka endrika ery.