Lioka

Toko faha-24

18 Ary namaly Azy ny anankiray atao hoe Kleopasy ka nanao hoe: Ianao irery ve no vahiny mandalo eto Jerosalema tsy mahalala ny zava-nitranga tao, tato ho ato?

19 Dia hoy i Jesoa taminy: Zavatra inona moa izany? Ka novalian'izy roa lahy hoe: Ny amin'i Jesoa avy any Nazareta, Izay mpaminany mahery tamin'ny asany sy tamin'ny teniny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka manontolo;

20 kanjo natolotry ny lohandoha-mpisorona sy ny manampahefana eto amintsika mba hohelohina ho faty ary nasainy nohomboana tamin'ny hazofijaliana.

21 Nanantena izahay fa Izy no Ilay hanavotra an'i Israely, ary tsy izany ihany fa androany izao no andro fahatelo hatramin'ny nitrangan'izany.

22 Nisy ihany anefa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra: tany amin'ny fasana vao maraina be ry zareo,

23 saingy tsy nahita ny vatan'i Jesoa, ary niverina nitantara taminay fa nisehoan'ny anjely anankiroa, ka ireo anjely, hono, nilaza fa velona Izy.

24 Dia nisy tamin'ny lehilahy namanay mba nankany amin'ny fasana ka nahita araka ny filazan'ireo vehivavy, fa Izy tsy hitany.

25 Dia hoy i Jesoa tamin'izy roa lahy: Olona votsa saina ianareo ary ela vao mino izay rehetra voalazan'ny mpaminany!

26 Moa tsy tokony ho niaritra izany ve ny Mesia, alohan'ny hidirany any amin'ny voninahiny?

27 Dia nohazavain'i Jesoa tamin'ireto mpianatra ny momba Azy ao amin'ny Soratra Masina manontolo, nanomboka tamin'ny bokin'i Mosesy ka nitohy tamin'ny bokin'ny mpaminany rehetra.

28 Nony injay izy telo mianaka efa akaiky ny tanana halehan'ireto mpianatra roa lahy, dia mody nanohy ny diany hatrany i Jesoa,

29 fa notazonin'ireo nataony hoe: Mijanona re miaraka aminay, fa efa hariva izao ary efa mandrorona ny andro! Dia niantrano Izy ka niara-nijanona taminy.

30 Raha nipetraka hiara-misakafo iny izy telo mianaka, dia nandray ny mofo i Jesoa; ary nisaorany an'Andriamanitra izany ka nozarainy sy nomeny azy roa lahy.

31 Izay vao nisokatra ny mason'ireto mpianatra, ka nahafantatra Azy; fa i Jesoa kosa nanjary tsy hitany intsony.

32 Dia nifampilaza izy roa lahy hoe: Tsy nirehidrehitra ve ny fontsika tamin'Izy niresaka tamintsika teny an-dalana sy nivaofy ny Soratra Masina?

33 Teo no ho eo ihany, dia niainga niverina nankany Jerosalema izy roa lahy ka nahita ny 11 lahy sy ny namany tafavory

34 nilaza hoe: Efa nitsangana velona tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin'i Simona!

35 Izy roa lahy koa mba nitantara ny zava-niseho teny an-dalana sy ny nahafantarany an'i Jesoa fony Izy nizara ny mofo.

36 Raha mbola miresaka nilaza izany izy roa lahy, dia nijoro teo afovoan'izy rehetra i Jesoa ka nanao taminy hoe: Ho ao aminareo anie ny fiadanana!

37 Taitra sady natahotra izy rehetra satria noheveriny ho matoatoa no hitany.

38 Fa hoy i Jesoa taminy: Nahoana no mitebiteby ianareo ary nahoana no misalasala ao am-ponareo?

39 Jereo ny tanako sy ny tongotro fa Izaho mihitsy ity. Kasiho Aho ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo aman-taolana, tahaka ny ahitanareo Ahy izao.

40 Avy niteny izany Izy, dia nasehony azy rehetra ny tanany sy ny tongony.

41 Mbola tsy nino ihany anefa ireto mpianatra satria faly loatra sady gaga, ka hoy i Jesoa taminy: Misy zavatra azo hanina ve eto aminareo?

42 Dia norosoana tapa-trondro natono Izy,

43 ka nandray sy nihinana teo anatrehan'ny mpianany.

44 Avy eo i Jesoa dia nilaza taminy hoe: Izao no efa nambarako taminareo fony Izaho mbola teo aminareo: tsy maintsy tanteraka izay rehetra voalazan'ny Soratra Masina momba Ahy ao amin'ny lalanan'i Mosesy sy ny bokin'ny mpaminany ary ny salamo.

45 Tamin'izay dia nosokafan'i Jesoa ny sain'ireo mpianatra mba hahafantatra ny Soratra Masina,

46 sady hoy Izy taminy: Izao no voalazan'ny Soratra Masina: tsy maintsy hijaly ny Mesia, nefa tsy maintsy hitsangana velona avy any amin'ny maty, amin'ny andro fahatelo;

47 ary ny anarany no tsy maintsy hotorina hatao antso avo amin'ny firenen-drehetra miantomboka eto Jerosalema, mba hanainga ny olona hiala amin'ny toetra ratsiny sy handray famelan-keloka.

48 Ianareo no vavolombelona hanambara izany!

49 Indro hirahiko ho eo aminareo Ilay nampanantenain'ny Raiko; ianareo kosa mitoera eto an-tanana mandra-pahahenika anareo ny hery avy any ambony.

50 Dia nentin'i Jesoa ivelan'ny tanana hatrany akaikin'i Betania ireo mpianany, ary nasandrany ny tanany hitso-drano azy rehetra.

51 Raha mbola nitsodrano Izy, dia nisaraka taminy sy nakarina ho any an-danitra.

52 Ireto mpianany kosa, rehefa nitsaoka Azy, dia niverina tany Jerosalema tamin-kafaliana lehibe,

53 ary tsy tapaka nankalaza an' Andriamanitra tao an-kianjan'ny tempoly.

Jôhany

Toko voalohany

1 Tamin'ny voalohany, fony nahary an'izao tontolo izao Andriamanitra, dia efa nisy ilay Teny; ilay Teny dia nitodika tany amin'Andriamanitra hatrany, ary ilay Teny dia Andriamanitra.

2 Tamin'ny voalohany, dia nitodika tany amin'Andriamanitra ilay Teny;

3 Izy no naharian'Andriamanitra ny zavatra rehetra, ka raha tsy teo Izy dia tsy nisy ary ny zavatra noarina.

4 Ilay Teny no nirakitra ny aina, ary io aina io no nitondra fahazavana ho an'ny olombelona.

5 Ary ny fahazavana dia mamirapiratra anatin'ny haizina, ka tsy nahasakana azy ny haizina.

6 Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra: i Johany no anarany.

7 Tonga hijoro ho vavolombelona i Johany, dia vavolombelona hanambara ilay fahazavana; ka ny hafatra nampitain'i Johany no hampino ny olona rehetra.

8 Tsy hoe i Johany no fahazavana, fa izy no ho vavolombelona hanambara ny fahazavana.

9 Ilay Teny no tena fahazavana tonga amin'izao tontolo izao sady manazava ny olombelona rehetra.

10 Teo amin'izao tontolo izao ilay Teny; ary Izy no nahariana an'izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao dia tsy nahalala Azy.

11 Tonga teo amin'ny taniny Izy, fa tsy noraisin'ny mpiray firenena aminy.

12 Kanefa izay rehetra nandray Azy ary nino Azy, dia nomeny fahefana ho tonga zanak'Andriamanitra:

13 izy ireo dia nateraka tsy araka ny fomban'olombelona miankina amin'ny sitrapon-dehilahy, fa araka ny fomban'Andriamanitra.

14 Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin'ny Ray ho an'ny Zanaka lahitokana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9853