Lioka
Toko faha-19
25 Dia hoy ireo tamin'ny mpanjaka: Ka efa manana denary arivo anie izy, tompoko!26 Fa novaliany hoe: Lazaiko aminareo fa izay rehetra manana no homena hatrany; ary izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halana aminy.
27 Fa iretsy fahavaloko tsy nanaiky hanjakako iretsy, dia ento aty ka vonoy eto anatrehako!
28 Nony avy niteny izany i Jesoa, dia nitarika ny dia hiakatra ho any Jerosalema.
29 Rehefa nanakaiky an'i Betifage sy i Betania izay eo amin'ny tendrombohitra atao hoe Analanoliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany
30 ka nanao hoe: Mankanesa amin'itsy tanana manoloana itsy. Rehefa tafiditra ny tanana ianareo, dia hahita zana-boriky mifatotra mbola tsy nitaingenan'olona; vahao izy ka ento aty.
31 Ary raha misy olona manontany anareo hoe: Nahoana io no vahanareo?, dia valio hoe: Misy ilan'ny Tompo azy.
32 Nony lasa ireo nirahina, dia nahita araka izay voalazan'i Jesoa taminy.
33 Raha namaha ny zana-boriky iny izy, dia hoy ny tompom-boriky hoe: Nahoana io no vahanareo?
34 Dia novalian'izy roa lahy hoe: Misy ilan'ny Tompo azy!
35 Nentin'ireto iraka nankeo amin'i Jesoa ilay zana-boriky; ary ny lamban'izy roa lahy no napetrany teo amboniny, vao nasainy nitaingina i Jesoa.
36 Nony nandroso i Jesoa, dia namelaran'ny olona lamba teny amin'ny lalan-kalehany.
37 Rehefa nanakaiky an'i Jerosalema Izy ka handray ilay fidinana eo amin'ny tendrombohitra Analanoliva, dia nisy mpianatra marobe indray nientan-kafaliana sady nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery, noho ny asa mahagaga rehetra efa hitany;
38 hoy ny antsoantsony hoe: Hombam-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie ny Mpanjaka izay avy! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie ho an'Andriamanitra!
39 Nisy kosa Farisianina avy teo anivon'ny vahoaka niteny tamin'i Jesoa hoe: Mpampianatra o, mba teneno ny mpianatrao hangina!
40 Fa novalian'i Jesoa hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso!
41 Ary nanakaiky an'i Jerosalema hatrany i Jesoa ka nony nahatazana ny tanana, dia nitomany azy
42 sady nanao hoe: Raha mba fantatrao amin'ity andro ity manko izay hanananao fiadanana! Nefa indrisy, takona ny masonao izany!
43 Fa ho avy aminao ny andro hananganan'ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, ka hanaovany fahirano anao sy hanereny anao hatraiza hatraiza.
44 Hofongorana tanteraka ianao sy ny mponina ao anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, noho ianao tsy nahalala ny andro notendren'Andriamanitra hamangiana anao!
45 Nony tafiditra tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa, dia nandroaka ireo mpivarotra
46 sady nanao taminy hoe: izao no voalazan'ny Soratra Masina: Ny tranoko dia trano fivavahana. Nefa he ity izy ataonareo zohy fieren'ny mpangalatra!
47 Ary nampianatra isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly i Jesoa; fa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalana mbamin'ny loholom-bahoaka kosa nitady hahafaty Azy.
48 Saingy tsy hitan-dry zareo izay hatao satria liana fatratra ny vahoaka rehetra mihaino Azy.
Toko faha-20
1 Indray andro, dia nampianatra ny vahoaka teo an-kianjan'ny tempoly i Jesoa sady nanambara ny Vaovao Mahafaly taminy. Tonga kosa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalana mbamin'ny loholona2 ka nanao taminy hoe: Mba lazao kely hoe: fahefana ahoana moa no anaovanao an'izao zavatra izao? Iza no nanome Anao izao fahefana izao?
3 Dia novalian'i Jesoa hoe: Izaho koa mba hanontany anareo zavatra anankiray, ka lazao kely hoe:
4 iza no naniraka an'i Johany hanao batisa, Andriamanitra sa olombelona?
5 Dia niara-niady hevitra ry zareo ka nifampiresaka hoe: Raha lazaintsika hoe: Andriamanitra no naniraka azy, dia hataony hoe: Koa nahoana no tsy ninoanareo i Johany?
6 Raha lazaintsika hoe: Olombelona no naniraka azy, dia indray hitora-bato hamono antsika ny vahoaka, satria nekeny ho mpaminanin'Andriamanitra i Johany.
7 Ka hoy ny navaliny an'i Jesoa hoe: Tsy hitanay izay holazaina ny amin'izany!
8 Dia hoy i Jesoa taminy: Izaho koa mba tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako an'izao zavatra izao.
9 Dia nitodika tamin'ny vahoaka kosa i Jesoa nanao izao fanoharana izao: Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka ka nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa niorim-ponenana any an-tany hafa.
10 Nony tonga ny taom-piotazana dia nanirahany mpiasa ireo mpamboly, hiangavy azy ireo hanome ampahany amin'ny vokatry ny tanimboaloboka; kanjo nokapohin'ireo mpamboly ilay mpiasa ary nalefany nody maina.
11 Dia nanirahany mpiasa fanindroany, fa io koa nokapohin'ireo mpamboly sy notevatevainy ary nalefany nody maina.
12 Dia mbola nanirahany mpiasa fanintelony; io indray koa nataon'ireo mpamboly naratra, izay vao noroahiny.
13 Ary hoy ny tompon'ny tanimboaloboka: Inona re no hataoko? Ndeha hirahiko ity zanako malalako, fa angamba izy hananan'ireo hena-maso!
14 Vao nahita azy kosa ireo mpamboly, dia niara-nidinika sady nifampiresaka hoe: Ny mpandova ity; aoka hovonointsika mba hahazoantsika ny lova.
15 Dia natosiny tany ivelan'ny tanimboaloboka ilay io ka novonoiny. Dia nofaranan'i Jesoa hoe: Inona ary no hataon'ny tompon'ny tanimboaloboka amin'ireo mpamboly?
16 Ho avy izy ka haringany ireo mpamboly ireo ary homeny olon-kafa ny tanimboaloboka. Raha nandre izany ireo mpanohitra an'i Jesoa, dia niteny hoe: Sanatria izany!
17 Fa nojeren'i Jesoa ry zareo sady nataony hoe: Inona ary no dikan'ity andinin'ny Soratra Masina ity: Ny vato nolavin'ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro?
18 Izay rehetra mianjera amin'izany vato izany dia ho torotoro, ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana.
19 Nitady hisambotra an'i Jesoa tamin'izay ireo mpahay lalana sy lohandoha-mpisorona, satria nahatsiaro tena ho niantefan'iny fanoharana nataony iny. Saingy natahotra ny vahoaka ry zareo.
20 Ary nataon'ireo mpanohitra Azy andrimaso i Jesoa. Olona mihatsaravelatsihy miseho ho olo-marina no nalefany hamandrika an'i Jesoa amin'ny teniny ka hanolorany Azy eo am-pelatanan'i Pilato governora, mba hotsaraina sy hohelohina.
21 Dia nanontanian'ireo iraka i Jesoa nataony hoe: Mpampianatra o, fantatray fa mahitsy fiteny sy fampianatra Ianao sady tsy mizaha tavan'olona fa mampianatra tsotra ny lalana soritan'Andriamanitra.
22 Koa azonay atao ve ny mandoa hetra ho an'ny amperora romanina sa tsia?
23 Takatr'i Jesoa anefa ny hafetsen-dratsin'ireo ka hoy Izy taminy:
24 Itondray vola denary anankiray aho! Sarin'iza ary anaran'iza no mipetaka eo? Dia novalian'ireo hoe: An'ny amperora romanina!
25 Ka hoy i Jesoa taminy: Avereno amin'ny amperora romanina izay an'ny amperora romanina ary amin'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.
26 Sady tsy afa-namandrika an'i Jesoa tamin'ny teny teo imason'ny vahoaka ireto iraka no gaga tamin'ny valin-teny nataony ka kepoka nangina.