Lioka

Toko faha-18

18 Ary nisy manampahefana jiosy nanontany an'i Jesoa hoe: Ry Mpampianatra tapitra ohatra o, inona no tokony hataoko hananako anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay?

19 Dia hoy i Jesoa taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tapitra ohatra? Tsy misy tapitra ohatra afa-tsy Andriamanitra irery ihany.

20 Fantatrao ny didy hoe: Aza maka vadin'olona; aza mamono olona; aza mangalatra; aza manao vavolombelona tsy marina; hajao ny rainao sy ny reninao!

21 Dia hoy ilay manampahefana hoe: Izany rehetra izany dia efa voatandriko hatramin'ny fahatanorako!

22 Nandre izany i Jesoa ka nanao taminy hoe: Zavatra iray no mbola tsy ampy aminao: amidio avokoa ny fanananao rehetra ka zarao amin'ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!

23 Vao nandre izany kosa ralehilahy, dia nanjary nalahelo ery, satria tena mpanankarena izy.

24 Ary nahita azy nalahelo toy izany i Jesoa ka nanao hoe: Sarotra mihitsy amin'ny mpanankarena ny miditra ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

25 Eny, moramora kokoa ny idiran'ny rameva amin'ny vodifanjaikely noho ny idiran'ny mpanankarena ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

26 Dia hoy ny olona nandre izany: Koa iza ary no mety ho voavonjy?

27 Fa novalian'i Jesoa hoe: Ny tsy vitan'olombelona, vitan'Andriamanitra.

28 Hoy kosa i Petera: Jereo ange! Izahay dia efa nahafoy izay mba anay ka niaraka taminao!

29 Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona nahafoy trano na vady na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka noho ny Fanjakan'Andriamanitra

30 ka tsy hahazo be lavitra amin'izao ety izao, ary ny fiaina-maharitra mandrakizay amin'ny andro ho avy.

31 Nalain'i Jesoa ho eo aminy kosa ny 12 lahy ka nilazany hoe: Miakatra ho any Jerosalema ary izao isika, ka ho tanteraka avokoa izay voalazan'ny Soratra Masina tamin'ny alalan'ny mpaminany momba ny Zanak'olona.

32 Eny, hatolotra ny hafa firenena Izy, ka hoesoiny, hisetrasetrany, hororany;

33 ary rehefa nokapohiny, dia hovonoiny ho faty; kanefa hitsangana velona amin'ny andro fahatelo.

34 Tsy misy azon'ireto mpianatra anefa izany, fa teny miafina taminy ka tsy fantany izay nolazain'i Jesoa.

35 Rehefa mby teo akaikin'i Jerikao i Jesoa, dia nisy jamba anankiray efa nitalapetraka teo an-tsisin-dalana nangataka.

36 Henony nihaohao ny vahoaka mitanjozotra ka nanontaniany hoe: Inona izany?

37 Nampahalalain'ny olona izy fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo.

38 Koa velona antso amin'izay izy nanao hoe: Ry Jesoa, Zanak'i Davida o, mamindra fo amiko!

39 Norahonan'ireo olona lohalalana ralehilahy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe: Ry Zanak'i Davida o, mamindra fo amiko!

40 Niato i Jesoa ary nasainy hoentina eo aminy izy, ka nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe:

41 Inona no tianao hataoko aminao? Ka novalian'ilay jamba hoe: Tompo o, ny hampahiratra ahy!

42 Dia hoy i Jesoa taminy: Mahirata, ny finoanao no nahasitrana anao!

43 Dia nahiratra teo no ho eo ihany izy, ary lasa nanaraka an'i Jesoa sady nanome voninahitra an'Andriamanitra. Ny vahoaka rehetra koa, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra.

Toko faha-19

1 Tafiditra tao Jerikao i Jesoa ary namakivaky ny tanana.

2 Ary indro nisy lehilahy atao hoe Zakeo, sady lehiben'ny mpamory hetra no mpanankarena.

3 Mba nitady hahita izany Jesoa izany izy, saingy fohy ka tsy afa-nanoatra satria nifanety ny vahoaka.

4 Dia nilomay nialoha izy ka nianika hazo amontana mba hitazana an'i Jesoa, fa akaikin'izany no efa handalovany.

5 Nony tonga teo i Jesoa, dia nitraka ary niteny tamin'i Zakeo hoe: Ry Zakeo, midina faingana fa any aminao Aho anio no tsy maintsy miantrano.

6 Nidina faingana i Zakeo ary nandray an'i Jesoa tamin-kafaliana.

7 Nimonomonona ny olona rehetra nanatrika teo ka nanao hoe: Any amin'ny mpanota indray re no amantanany!

8 Niato kosa i Zakeo ka niteny tamin'ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako afoiko ho an'ny mahantra; ary izay zavatr'olona azoko am-pitaka, dia honerako inefatra heny!

9 Ary hoy i Jesoa taminy: Anio ny famonjena dia tafiditra amin'ity trano ity; noho izany ity lehilahy ity koa dia zanak'i Abrahama!

10 Fa ny hitady sy hamonjy izay very no nahatongavan'ny Zanak'olona!

11 Raha mbola nihaino izany teo ny olona, dia nanaovan'i Jesoa fanoharana indray. Akaiky an'i Jerosalema manko Izy tamin'izay ka noheverin'ny olona fa efa nadiva hiseho ny Fanjakan'Andriamanitra.

12 Toy izao ary ny tenin'i Jesoa: Lasa tany an-tany lavitra ity andriandahy anankiray handray ny fahefana hanjaka, dia hiverina.

13 Niantsoany folo lahy ny mpanompony talohan'ny hiaingany, ka samy nomeny denary zato avy sady nataony hoe: Ampiasao ireny mandra-piveriko.

14 Halan'ny mpiray tanindrazana aminy kosa ilay andriandahy ka nandefasany iraka nanaraka azy hilaza hoe: Tsy mila iny lehilahy iny ho mpanjaka izahay.

15 Rehefa nahazo ny fahefana hanjaka izy, dia nody an-tanindrazana ary nampiantso an'ireo nomeny vola mba hahalalany izay tombony azony avy.

16 Niseho ilay voalohany ka nilaza hoe: Nahazo denary arivo, tompoko, ny denary zato nomenao ahy!

17 Dia hoy ny mpanjaka taminy: Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara; nahatoky tamin'ny zava-madinika ianao, ka dia tendreko hiandraikitra tanana folo.

18 Tonga ny faharoa ka nanao hoe: Namokatra denary dimanjato, tompoko, ny denary zato nomenao ahy!

19 Dia hoy ny mpanjaka taminy: Ianao indray dia tendreko hiandraikitra tanana dimy.

20 Tonga kosa ny anankiray hafa ka nanao hoe: Inty, tompoko, ny denary zato nomenao ahy, fa nataoko tsara tahiry tanaty mosara.

21 Natahotra anao manko aho, satria lehilahy sarotiny ianao, ka maka izay tsy napetrakao ary mijinja izay tsy nafafinao.

22 Dia hoy ny mpanjaka taminy: Mpanompo ratsy fanahy raha ianao! Ny teninao no itsarako anao: fantatrao fa lehilahy sarotiny aho, maka izay tsy napetrako ary mijinja izay tsy nafafiko;

23 koa nahoana ary no tsy napetrakao tany amin'ny banky ny volako, ka ho noraisiko mbamin'ny zana-bola rehefa tafaverina aho?

24 Ary hoy ny mpanjaka tamin'izay nanatrika teo: Alao ny denary zato eny aminy ka omeo an'ilay nahazo denary arivo!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0109