Marka
Toko faha-12
30 Koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo, amin'ny fanahinao manontolo, amin'ny sainao manontolo, ary amin'ny herinao manontolo.31 Ary izao no faharoa: Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
32 Ka hoy ilay mpahay lalana tamin'i Jesoa: Mpampianatra o, tsara izany ary marina ny filazanao fa tokana Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy.
33 Ka ny mitia Azy amin'ny fo manontolo sy amin'ny saina manontolo ary amin'ny hery manontolo, sy ny mitia namana tahaka ny itiavana ny tena dia manoatra lavitra noho ny biby dorana eo amin'ny alitara sy ny sorona isan-karazany.
34 Nony hitan'i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena ilay mpahay lalana, dia nilazany hoe: Tsy lavitra ny Fanjakan'Andriamanitra ianao! Ary dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
35 Raha ilay nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly iny i Jesoa, dia niteny hoe: Ahoana no ilazan'ny mpahay lalana fa hoe Zanak'i Davida ny Mesia?
36 Kanefa tenan'i Davida, rehefa nohazavain'ny Fanahy Masina, no nanao hoe: Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra tamin'ny Mpanjaka Tompoko hoe: Mipetraha amin'ny sezafiandrianana eto an-kavanako; Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
37 Tenan'i Davida izany no manao ny Mesia hoe Tompoko, ka ahoana no maha Zanak'i Davida Azy? Ary faly ny vahoaka maro nihaino an'i Jesoa.
38 Hoy koa i Jesoa tamin'ny fampianarany hoe: Mitandrema amin'ireo mpahay lalana. Ny tiany dia ny mandehandeha eny amin'ny lala-mitafon'ny tempoly sy ny arahabaina eny an-kianja,
39 ny mipetraka eny aloha ao amin'ny sinagoga ary ny maka toeram-boninahitra any amin'ny fanasana.
40 Ataony tapitra ny fananan'ny mpitondratena, ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa.
41 Nipetraka nanandrify ny vata fitoeran-drakitra i Jesoa nandinika ny fomba fandrotsahan'ny vahoaka vola tao; ary maro ny mpanankarena nandrotsaka betsaka.
42 Dia tonga ity vehivavy mpitondratena mahantra, nandrotsaka vola madinika roa ankevitry ny ariary anankiroa.
43 Dia nantsoin'i Jesoa ireo mpianany ka nilazany hoe: Lazaiko marina aminareo fa io vehivavy mpitondratena mahantra io no nandrotsaka be indrindra tamin'ny olona nandrotsa-bola tao amin'ny vata fitoeran-drakitra.
44 Satria ireo rehetra ireo dia nandrotsaka ny ambim-bavany; fa ravehivavy io kosa, na fadiranovana toy inona aza, dia nandrotsaka izay rehetra nananany, izany hoe ny fivelomany manontolo.
Toko faha-13
1 Nony niala teo an-kianjan'ny tempoly i Jesoa, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra o, jereo ange! Endrey ireto vato, endrey ireto rafitra!2 Dia hoy i Jesoa taminy: Hitanao ve ireo rafitra miezinezina ireo? Tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana.
3 Ary nony nipetraka teo amin'ny tendrombohitra Analanoliva tandrifin'ny tempoly i Jesoa, dia nanontany Azy manokana i Petera sy i Jakoba ary i Johany sy i Andrea nanao hoe:
4 Lazao anay: oviana no hahatongavan'izany ary inona no famantarana fa hoe madiva ho tonga ny fiafaran'ireo rehetra ireo?
5 Ka hoy i Jesoa taminy: Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo.
6 Maro no ho avy hisandoka ny anarako ary hiteny hoe: Izaho no ilay Mesia; ary maro ny olona ho voafitany.
7 Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra fa tsy maintsy ho tonga izany, kanefa tsy mbola izany no ho farany.
8 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana; hisy horohorontany amin'ny toerana samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana.
9 Tandremo ny amin'ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin'ny mpitsara isan-tanana ianareo ka hokapohiny any amin'ny sinagoga; ary hitsangana eo anoloan'ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany.
10 Kanefa tsy maintsy hotorina amin'ny firenena rehetra aloha ny Vaovao Mahafaly.
11 Rehefa hoentina hatolotra amin'ny mpitsara ianareo, dia aza manahy hoe inona no holazainareo; fa izay teny homena anareo amin'izay fotoana izay, lazaina; satria tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin'ny Fanahy Masina.
12 Hisy olona hanolotra ny iray tampo aminy hovonoina; hisy ray hanolotra ny zanany hovonoina; ary hisy zanaka hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hampanameloka azy ho faty.
13 Hankahalain'ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; kanefa izay maharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy.
14 Ho hitanareo eo amin'izay tsy tokony hisy azy ilay fanimbazimbana mahatsiravina. (Aoka hahazo tsara izay mamaky).
15 Koa amin'izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra; izay any an-tampon-trano aoka tsy hidina ary aoka tsy hiditra haka zavatra ao an-tranony;
16 izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
17 Loza no hanjo ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany.
18 Mivavaha mba tsy ho amin'ny ririnina no hahatongavan'izany.
19 Fa ho andro fijaliana izany, dia fijaliana tsy mbola nisy toa azy hatramin'ny niandohan'ny zavaboaary, ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy toa azy intsony koa.
20 Raha tsy efa nanapa-kevitra hanafohy ireo andro ireo ny Tompo, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ireo olom-boafidiny, dia nohafohezin'ny Tompo ireo andro ireo.
21 Ary amin'izany, raha misy olona milaza aminareo hoe: Indro aty ny Mesia na hoe Indro ary Izy, dia aza mino.
22 Fa olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany no hijoro, ka hanao famantarana sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin'Andriamanitra aza raha azony natao.
23 Koa mitandrema, fa efa voalazako mialoha taminareo ny zavatra rehetra.
24 Fa amin'ireo andro ireo, raha vao afaka izany fijaliana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana,
25 hiraraka avy eny amin'ny habakabaka ny kintana ary ho voahozongozona ireo herin'ny habakabaka.
26 Amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita voahodidin-drahona, sady tamy omban-kery lehibe sy ombam-boninahitra;
27 ary dia haniraka ny anjeliny Izy ka hanangona ny olom-boafidiny avy any amin'ny vazantany efatra, manomboka amin'ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin'ny faravodilanitra andaniny.
28 Raiso ho anatra ity fanoharana avy amin'ny aviavy ity: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky izay ny fahavaratra.
29 Toy izany koa, raha vao hitanareo tonga izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky ny Zanak'olona ary mby eo am-baravarana.
30 Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tonga izany rehetra izany.
31 Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona.
32 Fa ny amin'izay andro sy ora hahatongavan'izany, dia tsy misy mahalala na ny anjely any an-danitra na ny Zanak'olona, fa Izy Ray ihany.
33 Mitandrema sy miareta tory ary mivavaha fa tsy fantatrareo izay hahatongavan'izany fotoanandro izany.
34 Ho tahaka ny amin'ity lehilahy handeha any an-tany hafa izany: nandao ny tranony ralehilahy ary nizara fahefana tamin'ireo mpiasany ka samy notolorany ny raharahany avy, dia nanafatrafatra ny mpiandry vavahady hiambina.
35 Koa miambena ary fa tsy fantatrareo ny fotoana hiavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina.