Marka
Toko faha-9
15 Raha vao nahita an'i Jesoa ny vahoaka rehetra, dia talanjona sady faly ka nirohotra niarahaba Azy.16 Dia nanontany ireto mpianatra i Jesoa nanao hoe: Inona izato iadianareo hevitra amin'ny mpahay lalana?
17 Fa nisy olona iray tamin'ny vahoaka namaly Azy hoe: Mpampianatra o, nentiko eto aminao ny zanako lahy fa azon'ny fanahy mampahamoana.
18 Ary na aiza na aiza ahazoany azy, dia alavony amin'ny tany ilay zaza ary ataony mandoa vory sy mikitro-nify dia mihinjitra eo. Niangaviako ny mpianatrao handroaka ilay fanahy, kanefa tsy vitany.
19 Dia hoy i Jesoa tamin'ny vahoaka: Karazan'olona tsy mino ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento aty amiko ny zaza!
20 Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an'i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin'ny tany ary niolanolana sy nandoa vory.
21 Ary nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa hoe: Hatramin'ny oviana izao? Dia hoy ny rainy: Hatramin'ny fahakeliny.
22 Ary matetika izy no nazeran'io fanahy io tany anaty afo sy tany anaty rano hamonoana azy; koa raha misy efanao re, dia mamindra fo aminay ka vonjeo izahay!
23 Fa hoy ny navalin'i Jesoa azy: Raha misy efako hoe? Tsy misy tsy efan'izay mino!
24 Avy hatrany ilay rain'ilay zaza dia niantsoantso mafy nanao hoe: Mino aho, nefa vonjeo fa tsy ampy finoana.
25 Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe: Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, miala amin'io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!
26 Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon'ny maro hoe maty.
27 Fa noraisin'i Jesoa ny tanan'ilay zaza hanarenany azy; dia tafatsangana tokoa izy.
28 Rehefa tonga tao an-trano i Jesoa, dia nanontany Azy manokana ny mpianany nanao hoe: Nahoana izahay no tsy naharoaka azy iny?
29 Dia hoy i Jesoa taminy: Iny karazana iny dia tsy misy fomba azo amoahana azy afa-tsy ny fivavahana ihany.
30 Dia niala teo i Jesoa sy ny mpianany ka namakivaky ny faritany Galilea, ary tsy tian'i Jesoa hisy hahalala izany;
31 fa nampianatra ny mpianany Izy ary nilaza taminy hoe: Hatolotra eo an-tanan'ny olona ny Zanak'olona ka hovonoiny ho faty, ary andro fahatelo aorian'ny hahafatesany dia hitsangana velona.
32 Tsy azon'ny mpianany anefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana an'i Jesoa.
33 Dia niditra tao Kafarnahoma i Jesoa sy ny mpianany. Ary rehefa mby tao an-trano i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana teo iny?
34 Tsy niteny tsy nivolana ireo, satria ny niadiany hevitra teny an-dalana dia ny hoe iza no lehibe indrindra amin'izy samy izy.
35 Dia nipetraka i Jesoa ary niantso ny 12 lahy ka nanao taminy hoe: Raha misy te ho voalohany, aoka izy ho farany amin'ny olona rehetra ary ho mpanompon'ny olona rehetra.
36 Dia nandray zazakely i Jesoa, napetrany teo ampovoan'izy rehetra ary dia notrotroiny ka hoy Izy:
37 Na iza na iza mandray ny anankiray amin'itony zaza itony amin'ny anarako, dia Izaho no raisiny; ary na iza na iza mandray Ahy, dia tsy Izaho ihany no raisiny fa Ilay naniraka Ahy koa.
38 Fa hoy i Johany tamin'i Jesoa: Mpampianatra o, nahita olona nandroaka demony tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay satria tsy namantsika.
39 Dia hoy i Jesoa taminy: Aza rarana; fa tsy misy olona hanao asa mahagaga amin'ny anarako, ka hahateny ratsy Ahy eo no ho eo.
40 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
41 Ary na iza na iza manome rano eran'ny kaopy hosotroinareo noho ny maha an'i Kristy anareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho diso valisoa.
42 Na iza na iza mitarika ny anankiray amin'itony madinika mino Ahy itony hanao ratsy, dia aleo izy anantonana vatobe fikoseham-bary eo amin'ny vozony ka hatsipy any anaty ranomasina.
43 Raha mitarika anao amin'ny ratsy ny tananao ila, dia tapaho; fa aleo ianao tokan-tanana nefa tafiditra any amin'ny fiainana toy izay ary tanan-droa nefa mivarina any amin'ny lohasahan'afo, dia any amin'ny afo tsy mitsaha-mirehitra. [
44 Any, ny olitra mivoaka amin'ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.]
45 Raha mitarika anao amin'ny ratsy ny tongotrao ila, dia tapaho; fa aleo ianao tokan-tongotra nefa tafiditra any amin'ny fiainana toy izay ary tongotra roa nefa atsipy any amin'ny lohasahan'afo. [
46 Any, ny olitra mivoaka amin'ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.]
47 Ary raha mitarika anao amin'ny ratsy ny masonao ila, dia esory; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin'ny lohasahan'afo.
48 Any, ny olitra mivoaka amin'ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.
49 Eny, hodiovina amin'ny alalan'ny afo avokoa ny olona rehetra tahaka ny anadiovana ny sorona rehetra amin'ny alalan'ny sira.
50 Zava-tsoa manko ny sira; kanefa raha ny sira no tonga matsatso, hataonareo ahoana indray no hamerina ny tsirony? Aoka ianareo hanana sira ao aminareo, ary aoka hanjaka eo aminareo ny fihavanana.
Toko faha-10
1 Nony niala teo i Jesoa, dia nankany amin'ny faritra antsisin'i Jodea, eny andafin'ny ony Jordana. Ary tonga maro teo aminy indray ny olona, ka nampianariny toy ny fanaony.2 Dia nisy Farisianina nanatona an'i Jesoa mba hamandrika Azy ka nanontany Azy hoe: Azon'ny lehilahy atao ve ny manary vady?
3 Fa novalian'i Jesoa hoe: Inona no didy nomen'i Mosesy anareo?
4 Dia hoy iretsy hoe: Navelan'i Mosesy hanao taratasy fisaraham-panambadiana sy hanary vady ny lehilahy.
5 Hoy koa i Jesoa taminy: Noho ianareo mafy fo no nanoratan'i Mosesy izany didy izany ho anareo.
6 Fa hatrany am-piandohana, fony nahary izao tontolo izao Andriamanitra, dia nanao ny olona ho lahy sy vavy.
7 Noho izany, dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin'ny vadiny
8 ary dia ho tena iray ihany izy roroa. Koa tsy roa intsony rehefa mpivady, fa tena iray ihany;
9 noho izany, izay nakamban'Andriamanitra, aoka tsy hosarahin'olombelona.
10 Ary nony mby tao an-trano, dia nanontanian'ny mpianatra ny amin'izany indray i Jesoa;
11 ka hoy i Jesoa taminy: Na iza na iza lehilahy manary vady ka mampakatra vehivavy hafa dia manitsakitsaka ny vadiny teo aloha.
12 Ary raha ny vavy no manary ny vadiny ka manambady lehilahy hafa, dia manitsakitsaka ny vadiny teo aloha.
13 Nisy olona maro nitondra ankizy madinika nankeo amin'i Jesoa hametrahany tanana; nefa notenenin'ny mpianatra mafy ireo olona ireo.
14 Nahita izany i Jesoa ka tezitra ary nilaza tamin'ny mpianany hoe: Avelao ny ankizy madinika hanatona Ahy, fa aza rarana, satria an'ny toa azy ireny ny Fanjakan'Andriamanitra.