Marka
Toko faha-14
49 Teo aminareo isan'andro aho ary nampianatra tao an-kianjan'ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo. Eny ary, fa dia aoka ho tanteraka ny Soratra Masina!50 Dia nandao an'i Jesoa ny mpianatra rehetra ka nandositra.
51 Ary nisy zatovolahy iray nanaraka an'i Jesoa, tsy nanana afa-tsy akanjo manolo-koditra. Nosamborin'ny olona koa izy;
52 fa nafoin'ilay zatovo ny akanjony ka lasa izy nandositra niboridana.
53 Nentina tao an-tranon'ny mpisorombe i Jesoa. Tonga tao avokoa ireo lohandoha-mpisorona sy loholona ary mpahay lalana.
54 Fa i Petera kosa nanaraka an'i Jesoa teny lavidavitra teny mandra-pahatonga tao an-tokotanin'ny tranon'ny mpisorombe, dia niara-nipetraka tamin'ireo mpiandry raharaha ka namindro teo anilan'ny afo.
55 Nokarohin'ireo lohandoha-mpisorona sy ireo rehetra anisan'ny Fitsarana ambony teo amin'ny Jiosy izay mety hiampangana an'i Jesoa hanamelohana Azy ho faty, saingy tsy nahita ry zareo.
56 Eny, maro ireo niampanga lainga an'i Jesoa, nefa tsy nifanaraka ny fiampangana nataony.
57 Dia nisy nitsangana niampanga lainga an'i Jesoa toy izao:
58 Renay ilay io nanao hoe: Horavako ity tempoly nataon-tanan'olombelona ity, ary ao anatin'ny telo andro, dia hanorina hafa tsy nataon-tanan'olombelona Aho.
59 Fa tsy nifanaraka akory ny filazan'ireo mpiampanga na dia tamin'izany aza.
60 Dia nitsangana nankeo afovoan'ny mpivory ny mpisorombe ary nanontany an'i Jesoa hoe: Tsy mamaly akory ve Ianao? Inona no iampangan'ireo Anao?
61 Fa nangina i Jesoa ary tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisorombe nanao hoe: Ianao ve no Kristy, Zanak'ilay Andriamanitra ankalazaintsika lalandava?
62 Ka novalian'i Jesoa hoe: Izaho no Izy, ary ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'ilay Andriamanitra mahery ary koa tamy eo amin'ny rahon'ny habakabaka.
63 Tamin'izay ny mpisorombe dia nandriatra ny fitafiany sady niteny hoe: Inona indray no ilantsika vavolombelona hiampanga?
64 Renareo teo ny fanevatevany an'Andriamanitra, ka ahoana ianareo amin'izany? Dia samy nanameloka an'i Jesoa izy rehetra ka nilaza fa mendrika Azy ny ho faty.
65 Tamin'ny olona teo dia nisy sasany nandrora an'i Jesoa, nanarona ny tavany, namely totohondry Azy sady nanao taminy hoe: Vinanio hoe! Dia nalain'ny mpiandry raharaha i Jesoa ary nasian'ireo tahamaina.
66 Raha mbola tao ambany tao an-tokotany i Petera, dia avy ny anankiray tamin'ireo vehivavy mpiasan'ny mpisorombe.
67 Nahita an'i Petera namindro teo ravehivavy, dia nijery azy tsara ka nanao hoe: Ianao koa niaraka tamin'ilay Jesoa avy any Nazareta iny?
68 Fa nanda i Petera ka nanao hoe: Tsy fantatro sady tsy azoko izay lazainao. Dia nivoaka ny tokotany izy, ary nisy akoho naneno.
69 Fa nahatazana an'i Petera ilay vehivavy mpiasa, ka nilazany indray ny olona teo hoe: Anisan'ireny koa io rangahy io!
70 Fa mbola nanda indray i Petera. Nony afaka kelikely, dia hoy indray ny olona teo amin'i Petera: Tena anisan'ireny tokoa ianao sady Galileanina rahateo.
71 Fa niozona sy nianiana i Petera ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.
72 Ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno fanindroany; ka tsaroan'i Petera ilay tenin'i Jesoa fony Izy nilaza taminy hoe: Raha mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handa Ahy intelo ianao. Dia nigogogogo nitomany i Petera.
Toko faha-15
1 Raha vao maraina ny andro, dia nivory hanapa-kevitra ny lohandoha-mpisorona niaraka tamin'ny loholona sy ny mpahay lalana, izany hoe ny Fitsarana ambony manontolo; dia nampamatotra an'i Jesoa ry zareo sy nitondra Azy ary nanolotra Azy an'i Pilato.2 Dia nanontany an'i Jesoa i Pilato hoe: Ianao ve no Mpanjakan'ny Jiosy? Fa novalian'i Jesoa hoe: Anao izany teny izany!
3 Ary nisy zavatra maro niampangan'ireo lohandoha-mpisorona Azy;
4 ka nanontany Azy indray i Pilato nanao hoe: Tsy mamaly akory ve Ianao? He ireto zavatra maro iampangany Anao!
5 Fa tsy namaly na inona na inona intsony i Jesoa, ka gaga i Pilato.
6 Isaky ny fankalazana ny Paska dia fomban'i Pilato ny mandefa mpigadra anankiray, izay angatahin'ny olona.
7 Ary nisy lehilahy atao hoe Barabasy, niara-nigadra tamin'ireo mpikomy nahafaty olona tamin'ny fikomiana nataony.
8 Dia niakatra ny vahoaka, nangataka an'i Pilato hanao araka ny fanaony aminy.
9 Fa novalian'i Pilato hoe: Tianareo ve raha ny Mpanjakan'ny Jiosy no alefako ho anareo?
10 Fantatr'i Pilato manko fa fialonana no nanoloran'ireo lohandoha-mpisorona an'i Jesoa,
11 kanefa nampirisihin'ireo lohandoha-mpisorona ny vahoaka hangataka ny handefasana an'i Barabasy toy izay i Jesoa.
12 Ary dia niteny tamin'ny vahoaka indray i Pilato nanao hoe: Inona ary no tianareo hataoko an'Ilay antsoinareo hoe Mpanjakan'ny Jiosy?
13 Fa hoy indray ny antsoantson'ny vahoaka hoe: Homboy amin'ny hazofijaliana ilay iny!
14 Dia hoy i Pilato tamin'ny vahoaka: Fa inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka koa niantsoantso mafy ny vahoaka nanao hoe: Homboy amin'ny hazofijaliana ilay iny!
15 Te hanome fahafaham-po ny vahoaka i Pilato, ka dia i Barabasy no nalefany ho azy; fa i Jesoa kosa nasainy nokapohina sy natolony hohomboana amin'ny hazofijaliana.
16 Nentin'ireo miaramila teo an-tokotany i Jesoa, izany hoe tao amin'ny lapan'ny governora, ary nantsoiny hankeo ny miaramila tarika iray manontolo.
17 Dia nampitafin-dry zareo lamba jaky Izy ary nasiany fehiloha tsilo norandranina ny lohany,
18 dia noarahabainy Izy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!
19 Ary nokapohiny tamin'ny volotara ny lohany sady nororany Izy, dia nandohalihany sy niankohofany teo anatrehany.
20 Rehefa avy nanao Azy toy izany ry zareo, dia nesoriny ilay lamba jaky teny aminy ary nampanaoviny Azy indray ny akanjony; dia nentiny nivoaka ny lapa Izy hohomboana amin'ny hazofijaliana.
21 Sendra nandalo avy any an-tsaha ity olona atao hoe Simona, lehilahy sireneanina, rain-dry i Aleksandra sy i Rofosy, ka noteren'ireo miaramila hitondra ny hazofijalian'i Jesoa.
22 Tao amin'ny toerana atao hoe Golgota, izay midika hoe toerana sahala amin'ny karandoha, no nitondrany an'i Jesoa.
23 Nomeny divay mifangaro miora i Jesoa fa tsy nety nisotro.
24 Dia nohomboany tamin'ny hazofijaliana Izy; ary nifampizarany ny fitafiany, ka nanaovany loka hahitana izay anjaran'ny tsirairay.
25 Tamin'ny sivy maraina no nanomboana an'i Jesoa tamin'ny hazofijaliana.
26 Ary ny soratra napetraka hilaza ny nanamelohana Azy dia ny hoe: Mpanjakan'ny Jiosy.