Marka

Toko faha-11

13 Nahatazana aviavy anankiray nandrobona Izy; ka lasa nankeo nizaha raha sendra nisy voany; kanjo nony tonga teo Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy raviny fotsiny, satria tsy fotoanan'ny aviavy.

14 Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin'ilay aviavy hoe: Tsy hisy olona hihinana voa avy aminao intsony na oviana na oviana! Ary ren'ny mpianany izany.

15 Dia tonga tao Jerosalema ry zareo. Ary namantana tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo noroahiny, ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny sezan'ireo mpivaro-boromahailala nazerany,

16 ary tsy nisy olona navelany hitondra fitaovana hamakivaky ny kianjan'ny tempoly.

17 Dia nampianatra ny olona i Jesoa ary nanao taminy hoe: Tsy izao ve no voalazan'ny Soratra Masina: Ny tranoko dia hantsoina hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? Nefa he ity izy ataonareo zohy fieren'ny mpangalatra!

18 Ary nahare izany ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalana, ka nitady izay fomba hamonoana an'i Jesoa; fa natahotra Azy manko ry zareo satria nahatalanjona ny vahoaka rehetra ny fampianarany.

19 Ary nony hariva ny andro, dia niala tao an-tanana i Jesoa sy ny mpianany.

20 Nandalo teo amin'ilay aviavy ry zareo ny ampitso maraina, ka nahita ity hazo maina hatramin'ny fakany.

21 Dia nahatsiahy i Petera ka nanao tamin'i Jesoa hoe: Mpampianatra o, jereo fa maina ilay aviavy nozoninao!

22 Namaly i Jesoa ka nanao tamin'ireo mpianany hoe: Manana finoana an'Andriamanitra!

23 Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Miala eo, ary mianjera any an-dranomasina, ka tsy misalasala ao am-po, fa mino hoe ho tonga izay lazainy, dia ho tanteraka aminy tokoa.

24 Koa izao no teniko aminareo: na inona na inona hangatahinareo amin'ny vavaka ataonareo, inoy fa efa azonareo, dia hotanteraka aminareo tokoa.

25 Ary raha mijoro mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo dia mamela ny hadisoany mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra koa ny hadisoanareo. [

26 Fa raha tsy mamela ianareo, dia tsy havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra koa ny hadisoanareo.]

27 Dia tonga tao Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany. Ary nandehandeha teo an-kianjan'ny tempoly i Jesoa no nanatona Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalana ary ny loholona.

28 Dia hoy ireo taminy: Fahefana ahoana moa no anaovanao an'izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany, ka ahazoanao manao an'izao?

29 Fa novalian'i Jesoa hoe: Hanontany anareo zavatra anankiray monja aho ka valio, dia holazaiko anareo koa ny fahefana anaovako an'izao zavatra izao.

30 Iza no naniraka an'i Johany hanao batisa, Andriamanitra sa olombelona? Valio Aho!

31 Dia velona ady hevitra ry zareo ka nifampiresaka hoe: Raha lazaintsika hoe: Andriamanitra no naniraka azy, dia hanontany Izy hoe: Koa nahoana no tsy ninoanareo i Johany?

32 Raha lazaintsika hoe: Olombelona no naniraka azy... (Natahotra ny vahoaka ry zareo satria neken'ny olona rehetra fa mpaminanin'Andriamanitra tokoa i Johany).

33 Koa dia izao no navaliny an'i Jesoa: Tsy hitanay izay holazaina! Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho koa tsy hilaza aminareo ny fahefana anaovako an'izao zavatra izao.

Toko faha-12

1 Ary dia fanoharana indray no nitenenan'i Jesoa tamin'ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalana ary loholona, ka hoy Izy: Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana, dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa.

2 Nony tonga ny taom-piotazana, dia nanirahany mpiasa ireo mpamboly handray ny ampaham-bokatry ny tanimboaloboka.

3 Fa nosamborin'ireo ilay mpiasa dia nokapohiny ary nalefany nody maina.

4 Dia nanirahany mpiasa iray hafa indray ireo mpamboly; fa io koa nokapohin'ireo ny lohany sady nalany baraka.

5 Dia mbola nanirahany iray hafa indray; fa io kosa novonoiny ho faty. Ary nisy mpiasa maro hafa koa nirahiny, fa ny sasany nokapohin-dry zareo, ary ny sasany novonoiny ho faty.

6 Olona iray sisa teo amin'ilay tompon'ny tanimboaloboka, dia ny zanany malalany; ka nirahiny tany koa io nony farany, fa hoy ilay tompon'ny tanimboaloboka hoe: Hananan'ireo hena-maso ny zanako!

7 Saingy nifampiresaka ireo mpamboly nanao hoe: Ny mpandova ity, ka ndeha hovonoina, dia ho antsika ny lova.

8 Dia nosamborin'ireo mpamboly izy ka novonoiny ho faty ary natsipiny tany ivelan'ny tanimboaloboka.

9 Dia nofaranan'i Jesoa hoe: Inona ary no hataon'ilay tompon'ny tanimboaloboka? Ho avy izy ka ny mpamboly haringany ary ny tanimboaloboka homeny olon-kafa.

10 Tsy novakinareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: Ny vato nolavin'ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro;

11 Avy amin'ny Tompo izao, ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika?

12 Ary nitady hisambotra an'i Jesoa ry zareo, satria nahatsapa ho niantefan'izany fanoharana nataony izany; saingy ny vahoaka no natahorany ka navelany teo i Jesoa fa lasa ry zareo nandeha.

13 Nisy iraka sasantsasany avy amin'ny Farisianina sy ny Herodianina nankeo amin'i Jesoa hamandrika Azy amin'ny fanontaniana;

14 ka nony tonga teo ry zareo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra o, fantatray fa milaza ny marina Ianao sady tsy mampaninona anao izay mety ho hevitry ny hafa, ary tsy mizaha tavan'olona Ianao fa mampianatra tsotra ny lalana soritan'Andriamanitra. Koa azonay atao ve ny mandoa hetra ho an'ny amperora romanina sa tsia? Tokony handoa izahay sa tsy handoa?

15 Fantatr'i Jesoa anefa ny fihatsarambelatsihin'ireo, ka hoy Izy taminy: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray vola denary anankiray Aho hojereko.

16 Dia nitondrany, ka hoy i Jesoa taminy: Sarin'iza io ary anaran'iza? Dia novalian'ireo hoe: An'ny amperora romanina!

17 Ka hoy i Jesoa taminy: Avereno amin'ny amperora romanina izay an'ny amperora romanina ary amin'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Dia gaga tamin'i Jesoa ireto iraka.

18 Ireo Tsadoseanina, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty ho velona, dia mba nisy nanatona an'i Jesoa ka nanontany Azy hoe:

19 Mpampianatra o, izao no didy voasoratra nomen'i Mosesy antsika: Raha misy lehilahy maty namela vady nefa tsy namela taranaka, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy, mba hiteraka hamela solofo ho an'ny maty.

20 Koa nisy ary olona fito mirahalahy. Nampaka-bady ny lahimatoa, kanjo maty tsy namela solofo.

21 Dia nampakatra an-dravehivavy ny faharoa, kanjo maty tsy namela solofo; dia toy izany koa ny fahatelo.

22 Dia samy tsy nisy namela solofo izy fito mirahalahy. Taorian'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.

23 Amin'ny fitsanganan'ny maty ary, [raha hitsangana velona tokoa ny maty], mba ho vadin'iza ravehivavy fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?

24 Dia hoy i Jesoa tamin'ireo Tsadoseanina: Tsy izany tokoa ve no mahadiso hevitra anareo, fa tsy misy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra?

25 Rehefa hitsangana velona ny maty, dia tsy hisy olona hampaka-bady na hampakarina intsony, fa samy hitovy amin'ny anjely any an-danitra avokoa.

26 Ary ny amin'ny hoe hitsangana ho velona ny maty, moa tsy novakinareo ao amin'ny bokin'i Mosesy ve ny toko momba ny Roimemy? Fa ao no nitenenan'Andriamanitra tamin'i Mosesy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Itsehaka ary Andriamanitr'i Jakoba!

27 Tsy Andriamanitry ny maty Izy fa Andriamanitry ny velona. Koa tena diso hevitra ianareo.

28 Ary nisy mpahay lalana anankiray nahare izany ady hevitra izany sady nahita fa namaly tsara an'ireo Tsadoseanina i Jesoa. Dia nanatona an'i Jesoa ity mpahay lalana ka nanontany Azy hoe: Inona no voalohany amin'ny didy rehetra?

29 Dia novalian'i Jesoa hoe: Izao no voalohany: Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no Tompo tokana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0048