Marka

Toko faha-15

27 Nisy jiolahy roa nohomboana tamin'ny hazofijaliana niaraka tamin'i Jesoa, ka ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. [

28 Koa tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Natao ho isan'ny mpanao ratsy Izy.]

29 Dia nanevateva an'i Jesoa ny mpandalo sady nanifikifi-doha ka nanao hoe: Sakoizay, ry Ilay hoe mandrava ny tempolin'Andriamanitra ary manangana azy ao anatin'ny telo andro!

30 Vonjeo ny tenanao, ka midina avy eo amin'ny hazofijaliana!

31 Naneso Azy toy izany koa ireo lohandoha-mpisorona mbamin'ny mpahay lalana ka nifampilaza hoe: Namonjy olon-kafa Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena!

32 Aoka ilay Mesia, Mpanjakan'i Israely, hidina avy eo amin'ny hazofijaliana ankehitriny, mba ho hitantsika ka hinoantsika! Dia naneso an'i Jesoa koa ireo niara-nohomboana taminy.

33 Tamin'ny mitataovovonana, dia rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin'ny telo tolakandro izany.

34 Ary tamin'ny telo tolakandro i Jesoa dia niantso tamin'ny feo mahery nanao hoe: Eloy, Eloy, lema sabaktany? (izany hoe raha adika: Andriamanitro o, Andriamanitro o, nahoana no dia nilaozanao Aho?)

35 Ny sasany tamin'ireo olona nijanona teo, raha nandre izany, dia niteny hoe: Indro fa niantso an'i Elia ny anao!

36 Tamin'izay dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatsoboka spaonjy tao anaty vinaingitra; dia notohiziny volotara ilay spaonjy ka natohony an'i Jesoa mba hotsentsefiny, sady hoy izy: Avelao hoe hojerentsika raha ho avy hampidina Azy tokoa i Elia!

37 Fa i Jesoa kosa niantso tamin'ny feo mahery, dia niala aina.

38 Ary nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin'ny Toeramasina.

39 Fa ilay kapiteny nijoro tandrifin'i Jesoa, raha nahita Azy niala aina toy izany, dia loa-bolana hoe: Tena Zanak'Andriamanitra tokoa io Lehilahy io!

40 Nisy vehivavy maromaro koa nitazana avy eny lavidavitra teny ka anisan'ireo i Maria avy any Magdala, sy i Salome ary i Maria renin-dry i Jakoba kely sy i Joseta mirahalahy.

41 Niaraka tamin'i Jesoa tany Galilea ireo vehivavy ireo, nanampy Azy tamin'izay nilainy; ary nisy vehivavy maro hafa koa izay niara-niakatra tamin'i Jesoa tany Jerosalema.

42 Efa hariva ny andro no tonga i Josefa avy any amin'ny tanana atao hoe Harimatia. Lehilahy manan-kaja tao amin'ny Fitsarana ambony izy sady fatra-piandry ny Fanjakan'Andriamanitra. Andro fiomanana tamin'io, izany hoe andro mialoha ny sabata; koa lasa i Josefa niditra tamim-pahasahiana tao an-tranon'i Pilato ary nangataka ny vatan'i Jesoa.

44 Fa gaga i Pilato raha hoe maty sahady i Jesoa, ka dia nampiantso ny kapiteny ary nanontany azy raha efa ela no nahafatesany.

45 Nony reny ny filazan'ilay kapiteny, dia navelany homena an'i Josefa ny faty.

46 Dia nividy lamba sarobidy i Josefa, ary nampidininy avy teo amin'ny hazofijaliana ny vatan'i Jesoa ka nofonosiny lamba sarobidy ary napetrany tao amin'ny fasana nolavahana tamin'ny vatolampy; dia nanakodiavany vato teo amin'ny vavafasana.

47 Ary nataon'i Maria avy any Magdala sy i Maria renin'i Joseta tsara jery ny toerana nametrahan'i Josefa an'i Jesoa.

Toko faha-16

1 Rehefa tapitra ny andro sabata, dia lasa i Maria ilay avy any Magdala sy i Salome ary i Maria renin'i Joseta nividy zava-manitra, fa nikasa handeha hanosotra an'i Jesoa.

2 Ka ny andro alahady vao maraina be, raha iny niposaka iny ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy telo vavy

3 ary nifampilaza hoe: Iza no hasaintsika hanakodia ny vato avy eo amin'ny vavafasana?

4 Kanjo nony nitraka izy telo vavy, dia tazany ny vato satria goavambe ary hitany efa voakodia.

5 Dia niditra tao am-pasana izy telo vavy ka raiki-tahotra nahita tovolahy niakanjo fotsy nipetraka teo ankavanam-pasana.

6 Fa hoy ilay tovolahy taminy: Aoka izay ny tahotra. Mitady an'i Jesoa avy any Nazareta, Ilay nohomboana tamin'ny hazofijaliana, ianareo; efa nitsangana velona Izy ka tsy eto intsony. Jereo fa teo ny toerana nametrahana Azy.

7 Fa mandehana lazao amin'ny mpianany sy amin'i Petera hoe: Mialoha lalana anareo any Galilea, hono, Izy; any no hahitanareo Azy, araka ny voalazany taminareo.

8 Dia nivoaka ny fasana izy telo vavy, ka lasa nandositra niala teo fa tora-kovitra sady talanjona; nefa tsy nilaza na inona na inona tamin'olona, satria natahotra.

9 [Rehefa nitsangana velona i Jesoa ny alahady vao maraina be, dia tamin'i Maria avy any Magdala, ilay nandroahany demony fito, no nisehoany voalohany.

10 Io indray lasa nitantara tamin'ireo mpomba an'i Jesoa, izay mbola nisaona sy nitomany.

11 Ireo anefa, nony nandre ny voalazan-dravehivavy fa hoe velona i Jesoa ary hitany, dia tsy nino.

12 Taorian'izany, dia roa lahy tamin'ireo mpianatra no nisehoan'i Jesoa tamin'ny fomba hafa indray, raha ilay nandeha nankany ambanivohitra iny izy roa lahy.

13 Ireo koa niverin-dalana nitantara tamin'ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa.

14 Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan'i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona.

15 Dia hoy koa i Jesoa taminy: Mandehana eran'izao tontolo izao, torio amin'ny olombelona rehetra ny Vaovao Mahafaly.

16 Izay hino ka hatao batisa, dia ho voavonjy; fa izay tsy hino, dia hohelohina.

17 Ary ireto no famantarana homba izay mino: handroaka demony amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny vaovao;

18 handray menarana sy hisotro poizina mahafaty, nefa tsy haninon-tsy haninona; ary hametra-tanana amin'ny marary, dia ho sitrana ireny.

19 Ary i Jesoa Tompo, rehefa avy niteny tamin'ny 11 lahy toy izany, dia nakarina any an-danitra ary mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra.

20 Ireo mpianany kosa lasa nitory ny Vaovao Mahafaly hatraiza haraiza; ary ny Tompo dia niara-niasa taminy sy nanome hery ny teny notoriny tamin'ny alalan'ny famantarana nampombany azy.]

Lioka

Toko voalohany

1 Any ianao ry Teofily hajaina, Olona maro no efa nilofo nirakitra an-tsoratra ny tantaran'ireo zavatra notanterahin'Andriamanitra teto anivontsika.

2 Ny nanovozan'ireo mpanoratra dia ny vavolombelona nahita maso hatrany am-boalohany sady niandraikitra ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra ka nampita izany tamintsika.

3 Izaho koa mba namotopototra ny zavatra rehetra hatrany am-piandohana, ka sitrako ny manoratra ireny ho anao rehefa nalahatro tsara.

4 Enga anie izany hahalalanao fa azo antoka ny fampianarana noraisinao!

5 Tamin'ny andron'i Heroda mpanjakan'i Jodea, dia nisy mpisorona natao hoe Zakaria, isan'ny antoko-mpisoron'i Abia. Taranak'i Aharona mpisorombe ny vadiny ary i Elizabeta no anarany.

6 Olo-marina teo anatrehan'Andriamanitra izy mivady ary nanaraka ny didy amam-pitsipiky ny Tompo an-tsakany sy an-davany.

7 Tsy nanan-janaka anefa izy roa satria momba i Elizabeta sady efa samy zokiolona izy mivady.

8 Indray andro dia nanao fisoronana teo anatrehan'Andriamanitra tao an-tempoly i Zakaria, satria tonga ny anjaran'ny antokony.

9 Naroso ny antsapaka araka ny fanaon'ny mpisorona ka izy no voatendry handoro ny ditin-kazo manitra ao amin'ny Toeramasin'ny Tompo.

10 Nivavaka teo ivelany kosa ny vahoaka rehetra nandritra ny fotoana nandoroana ny ditin-kazo manitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9278