Marka

Toko faha-8

3 ary raha alefako mody tsy misakafo ireo, dia ho reraka eny an-dalana satria avy lavitra ny sasany.

4 Dia hoy ny navalin'ny mpianatra Azy: Aiza no hahitana mofo hahavoky an'ireo olona ireo aty an-taniefitra aty.

5 Dia nanontany i Jesoa hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ka hoy ireo mpianany hoe: Fito!

6 Dia nasain'i Jesoa nipetraka tamin'ny tany ireto vahoaka. Ary noraisin'i Jesoa ny mofo fito; ka rehefa avy nisaotra an'Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianany harosony; ary dia naroson'ireo tamin'ny vahoaka.

7 Nisy trondro vitsivitsy koa tao, ka rehefa avy nisaoran'i Jesoa an'Andriamanitra, dia nasainy naroso.

8 Dia nihinana ny olona ka voky; ary nangonina ny tapa-mofo aman-trondro ambiny, ka nisy fito harona.

9 Tokony ho efatra arivo anefa ny vatan-dehilahy teo. Dia nalefan'i Jesoa hody ny olona rehetra;

10 ary raha vao vita izany, dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin'ny mpianany ary lasa nankany amin'ny faritany atao hoe Dalmanota.

11 Dia tonga ny Farisianina hiady hevitra amin'i Jesoa. Te hamandrika Azy ry zareo ka nangataka Azy hanao famantarana ho porofo fa avy amin'Andriamanitra ny fahefany.

12 Dia nisento lalina i Jesoa ka niteny hoe: Nahoana ny olona ankehitriny no mitady famantarana? Lazaiko marina aminareo fa tsy homena famantarana akory izy.

13 Dia nandao azy ireo i Jesoa ary niondrana indray nankeny ampita.

14 Ary hadinon'ny mpianatra ny nitondra mofo, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo aminy tao an-tsambokely.

15 Dia namepetra azy ireo i Jesoa nanao hoe: Mba malina ka mitandrema tsy ho voan'ny levioran'ny Farisianina sy ny levioran'i Heroda.

16 Fa iretsy mpianany kosa niady hevitra nifampilaza hoe: Noho isika tsy nitondra mofo angaha izany!

17 Tsikaritr'i Jesoa izany ka hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no miady hevitra ny amin'ny tsy nitondranareo mofo? Mbola tsy takatrareo ary tsy fantatrareo foana ve? Fa dia mafy fo ve ianareo?

18 Mana-maso ianareo ka no tsy mahita, ary manan-tsofina ka no tsy mandre? Tsy tsaroanareo angaha?

19 Fony Aho nanapaka ireo mofo dimy haroso amin'ny vatan-dehilahy dimy arivo, sobika firy no voaangonareo feno ny tapa-mofo ambiny? Hoy ny navalin'ireo hoe: Sobika 12.

20 Dia hoy i Jesoa taminy: Ary fony Aho nanapaka ireo mofo fito haroso amin'ny vatan-dehilahy efatra arivo, harona firy no voaangonareo feno ny tapa-mofo ambiny? Hoy ny navalin'ireo hoe: Harona fito!

21 Dia hoy i Jesoa taminy: Mbola tsy fantatrareo foana ve?

22 Ary tonga tao Betsaida i Jesoa sy ny mpianany. Dia indreo nisy olona nitondra lehilahy jamba teo amin'i Jesoa, ka niangavy Azy hikasika ilay jamba.

23 Dia notantanan'i Jesoa ilay jamba, ka nentiny nankany ivelan'ny tanana; dia nasiany rora ny mason'ilay jamba ary rehefa nametrahany tanana izy, dia nanontaniany hoe: Mahita ve ianao?

24 Nitraka ralehilahy sady namaly hoe: Mahita aho, indreny ny olona fa tahaka ny hazo no ahitako azy, saingy izy mandehandeha.

25 Dia nametrahan'i Jesoa tanana fanindroany ny masony; ary nahiratry ralehilahy ny masony ka sitrana, ary dia nazava tsara no nahitany ny zavatra rehetra.

26 Nalefan'i Jesoa hody any an-tranony ralehilahy sady nilazany hoe: Aza mankao an-tanana!

27 Dia niainga i Jesoa sy ny mpianany nankany amin'ireo tanana kely manodidina an'i Kesaria-Filipo; ary teny an-dalana, dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe: Iza moa Aho, araka ny filazan'ny olona Ahy?

28 Dia hoy ny mpianany namaly Azy: Misy manao hoe i Johany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elia; ary ny hafa indray manao hoe anankiray amin'ireo mpaminanin'Andriamanitra.

29 Dia nanontany azy ireo indray i Jesoa hoe: Fa ianareo kosa, iza moa Aho aminareo? Namaly i Petera ka nanao taminy hoe: Ianao no ilay Mesia!

30 Dia nofeperan'i Jesoa ireo mpianany tsy hilazalaza momba Azy na amin'iza na amin'iza.

31 Dia nanomboka nilaza tamin'ny mpianatra i Jesoa hoe: Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak'olona, ka holavin'ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalana, dia hovonoina ho faty; nefa andro fahatelo aorian'izany, dia hitsangana velona.

32 Ary mazava tsara no nanaovan'i Jesoa izany teny izany. Fa i Petera kosa nitondra Azy hihataka kely sady niteny Azy mafy.

33 Dia nitodika i Jesoa nijery ny mpianatra ary niteny mafy an'i Petera nanao hoe: Miala amiko, ry Satana, satria tsy hevitr'Andriamanitra no ao an-tsainao fa hevitr'olombelona.

34 Dia nantsoin'i Jesoa niaraka tamin'ny mpianatra ny vahoaka hankeo aminy ka nilazany hoe: Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handa ny tenany, ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.

35 Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy, noho ny fitiavany Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly, no hahavonjy azy.

36 Fa inona no soa azon'ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana?

37 Ary inona no azon'ny olona omena ho takalon'ny ainy?

38 Mpivadika amin'Andriamanitra sy mpanota ny olona ankehitriny! Ka na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko eo afovoan'ireo, dia ho menatra azy koa ny Zanak'olona, rehefa ho avy otronin'ny anjely masina sady omban'ny voninahitra homen'ny Rainy.

Toko faha-9

1 Dia hoy koa i Jesoa taminy: Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin'izay manatrika eto dia tsy ho faty, raha tsy efa mahita ny Fanjakan'Andriamanitra tonga amin-kery mahagaga.

2 Enina andro taorian'izay, dia nalain'i Jesoa niaraka taminy ry i Petera sy i Jakoba ary i Johany, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo. Dia niova tarehy teo anatrehan'izy telo lahy i Jesoa:

3 ny fitafiany niova namirapiratra sady fotsy nangatsakatsaka, ary tsy misy mpanasa lamba mahadio sy mahafotsy lamba toy izany ety ambonin'ny tany.

4 Hitan'ireto mpianatra koa i Elia sy i Mosesy; ary niresaka tamin'i Jesoa izy roa lahy.

5 Dia hoy i Petera tamin'i Jesoa: Mpampianatra o, tsara ho antsika ny mitoetra eto; koa hanao lay telo izahay; ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy ary ny anankiray ho an'i Elia.

6 Fa tsy hitan'i Petera izay holazaina satria samy raiki-tahotra ireto mpianatra telo lahy.

7 Tamin'izay dia nisy rahona nanarona azy rehetra, ary nisy feo avy tao amin'io rahona io nanao hoe: Ity no Zanako, ilay Malalako; henoy Izy!

8 Ary niaraka tamin'izay ireo mpianatra telo lahy dia nanopy maso manodidina, ka tsy nahita olona intsony teo aminy afa-tsy i Jesoa irery ihany.

9 Fony izy efa-mianaka nidina avy any an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen'i Jesoa azy telo lahy: Aza mitantara na amin'iza na amin'iza ny zavatra vao hitanareo, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona ho velona avy any amin'ny maty.

10 Notanan'izy telo lahy izany hafatra izany, kanefa nifampidinihany izay hevitry ny hoe mitsangana velona avy any amin'ny maty.

11 Dia nanontany an'i Jesoa izy telo lahy nanao hoe: Nahoana no lazain'ny mpahay lalana fa hoe tsy maintsy ho avy i Elia, alohan'ny hahatongavan'ny Mesia?

12 Ary hoy i Jesoa taminy: Tsy maintsy ho avy i Elia hampody ny zavatra rehetra amin'ny laoniny, alohan'ny hahatongavan'ny Mesia; fa ahoana kosa no ilazan'ny Soratra Masina momba ny Zanak'olona fa hoe tsy maintsy hijaly mafy Izy ary hatao tsinontsinona?

13 Eny, hoy Aho aminareo, efa tonga tokoa i Elia sady nanaovan'ny sasany izay fampijaliana rehetra tiany hatao taminy araka ny voalazan'ny Soratra Masina momba azy.

14 Nony tafaverina teo amin'ny mpianatra hafa ry i Jesoa efa-mianaka, dia nahita vahoaka maro nanodidina ireto mpianatra ary koa mpahay lalana niady hevitra taminy teo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9483