Levitîka

Toko faha-2

8 Hoentinao any amin'ny TOMPO ilay fanatitra voavoatra tamin'ireo karazan-javatra ireo; ary rehefa voatolotra ny mpisorona izany, dia harosony eo ambonin'ny alitara.

9 Hanavaka ny fanati-pahatsiarovana avy amin'izany izy ka handoro azy hanetona eo ambonin'ny alitara. Fanatitra levonina amin'ny afo izany ho hanitra ankasitrahina ho an'ny TOMPO.

10 Ny sisa amin'ny fanatitra kosa dia ho an'i Aharona sy ny taranany; zava-masina dia masina izany sisa izany, satria ambin'ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin'ny afo ho an'ny TOMPO.

11 Ny fanatitra rehetra, izay atolotrao ho an'ny TOMPO, dia aza misy haroina leviora; fa ny leviora sy ny tantely dia samy tsy ho azonareo dorana hanetona, ho fanatitra levonina amin'ny afo ho an'ny TOMPO.

12 Ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manolotra leviora na tantely ho an'ny TOMPO; kanefa tsy mba hakarina eo ambonin'ny alitara hanetona ho hanitra ankasitrahina izany.

13 Samy asio sira ny fanatitra rehetra atolotrao. Ny sira dia famantarana ny fanekempihavanana nataon'ilay Andriamanitrao; ka aza avela tsy hisy sira ny fanatitrao, fa manolora sira miaraka amin'ny fanatitrao rehetra.

14 Rehefa manolotra fanatitra voaloham-bokatra ho an'ny TOMPO ianao, dia salohim-bary no endaso amin'ny afo, ary totoy ho lango ny voam-bary voaendy; ka io lango io no hatolotrao ho fanatitra voaloham-bokatrao. Alohan'ny hanolorana azy,

15 dia handrarahanao menaka sady hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny: fanatitra vokatry ny tany izany.

16 Ary hodoran'ny mpisorona hanetona ny fanati-pahatsiarovana, dia ny ampahan'ny lango voararaka menaka sy ny ditin-kazo manitra manontolo. Fanatitra levonina amin'ny afo ho an'ny TOMPO izany.

Toko faha-3

1 Rehefa misy manolotra sorom-pihavanana ka ombilahy na ombivavy no atolony, dia izay tsy misy kilema no aoka hatolony eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO.

2 Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin'ny lohan'ilay omby hatao sorona, ka hamono azy eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana; ireo mpisorona taranak'i Aharona kosa hamafy ny ra manodidina amin'ny rindrin'ny alitara.

3 Amin'io omby sorom-pihavanana io, dia halain'izy mpanolotra mba holevonina amin'ny afo ho an'ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy;

4 ny voany roa mbamin'ny tavy miraikitra amin'ny voany sy amin'ny takibany; ary ny tavy saron'atiny izay atao indray manala amin'ny voany.

5 Ireo taranak'i Aharona kosa handoro izany hanetona eo ambonin'ny alitara, miaraka amin'ireo sorona dorana manontolo eo ambonin'ny kitay mirehitra. Sakafo levonina amin'ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an'ny TOMPO izany.

6 Rehefa ondry na osy no atolotra amin'ny TOMPO ho sorom-pihavanana, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no aoka hatolotra.

7 Rehefa ondry no atolotra ho fanatitra, dia hoentina eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO izany.

8 Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin'ny lohan'ilay zanakondry ka hamono azy eo anoloan'ny Tranolay fihaonana; ireo taranak'i Aharona kosa hamafy ny ra manodidina amin'ny rindrin'ny alitara.

9 Amin'io ondry sorom-pihavanana io, dia halain'ny mpanolotra mba holevonina amin'ny afo ho an'ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny hofany manontolo esorina amin'ny hazon-damosiny; ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy;

10 ny voany roa mbamin'ny tavy miraikitra amin'ny voany sy amin'ny takibany; ary ny tavy saron'atiny izay atao indray manala amin'ny voany.

11 Ny anankiray amin'ny mpisorona kosa handoro izany hanetona eo ambonin'ny alitara. Sakafo levonina amin'ny afo ho an'ny TOMPO izany.

12 Rehefa osy no atolotra, dia hoentina eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO izany.

13 Ny mpanolotra no hametra-tanana amin'ny lohan'ilay osy ka hamono azy eo anoloan'ny Tranolay fihaonana; ireo taranak'i Aharona kosa hamafy ny ra manodidina amin'ny rindrin'ny alitara.

14 Amin'io osy io, dia halain'ny mpanolotra mba holevonina amin'ny afo ho an'ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy;

15 ny voany roa mbamin'ny tavy miraikitra amin'ny voany sy amin'ny takibany; ary ny tavy saron'atiny izay atao indray manala amin'ny voany.

16 Ny anankiray amin'ny mpisorona kosa handoro izany hanetona eo ambonin'ny alitara. Sakafo levonina amin'ny afo ho hanitra ankasitrahina izany. Ny faritra matavy rehetra dia atokana ho an'ny TOMPO.

17 Lalana raikitra ho anareo izany hatrany hatrany, ary na aiza na aiza onenanareo: tsy hihinana jabora na ra akory ianareo!

Toko faha-4

1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ireny didin'ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao ireny, dia sorona fanalana ny ota no aoka hataony.

3 Rehefa ilay mpisorombe no manota, dia mahameloka ny vahoaka rehetra izy; ka noho ny ota vitany, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolony amin'ny TOMPO mba ho sorona fanalana ny ota.

4 Izy mpisorombe no hitondra ny ombilahy ho eo akaikin'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana, ho eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO; dia hametra-tanana eo amin'ny lohan'ilay ombilahy izy ka hamono azy eo anoloan'ny Toeramasina.

5 Ary hangalan'ny mpisorombe ny ran'ny ombilahy ka hoentiny ho ao amin'ny Tranolay fihaonana;

6 dia hatsobony ao amin'ny ra ny fanondrony, ka eo anoloan'ny Toeramasina Indrindra izy no hamafy ra impito ny lafin'ilay efitra lamba atrehiny.

7 Hotentenany ra koa ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anoloan'ny Toeramasina Indrindra, alitara izay ao anatin'ny Tranolay fihaonana; ary ny ra sisa rehetra, avy amin'ilay ombilahy, dia haidiny eo am-pototry ny alitara fanaovan-tsorona dorana, alitara izay eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana.

8 Halain'ny mpisorombe avokoa ny tavin-kenan'ilay ombilahy atao sorona ho fanalana ny ota, dia ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy, 9 ny voany roa mbamin'ny jabora izay miraikitra amin'ny voany sy amin'ny takibany, ary koa ny ila-atiny izay hataony indray manala amin'ny voany:

10 mitovy amin'ny tavin-kena alaina amin'ny ombilahy atao sorom-pihavanana izany. Avy eo dia hodoran'ny mpisorombe hanetona eo ambonin'ny alitara fanaovan-tsorona dorana ireo tavin-kena ireo.

11 Fa ny hoditry ny ombalahy sy ny henany rehetra mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny dikin-drorohany,

12 izany hoe ny sisa rehetra amin'ilay ombilahy, dia hasainy hoentina any ivelan'ny toby, ho any amin'izay toerana madio fanariana ny lavenona, ka hodorana eo ambony kitay hazo mirehitra izany; eo amin'ny toerana fanariana ny lavenona no handoroana azy.

13 Raha ny Fiangonan'ny Israelita tsivakivolo no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin'ny didin'ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy na tsy misy mahatsikaritra izany aza ny Fiangonany.

14 Vao fantany kosa ny ota vitany, dia ombilahy no aoka hatolony ho fanalana izany ka hoentiny eo anoloan'ny Tranolay fihaonana.

15 Ireo loholon'ny Fiangonana dia hametra-tanana amin'ny lohan'ilay ombilahy, eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO; ary loholona anankiray no hamono azy eo anoloan'ny Toeramasina.

16 Hangalan'ny mpisorombe ny ran'ilay ombilahy ka hoentiny ho ao amin'ny Tranolay fihaonana;

17 dia hatsobony ao amin'ny ra ny fanondrony, ka eo anoloan'ny Toeramasina Indrindra izy no hamafy ra impito ny lafin'ilay efitra lamba atrehiny.

18 Hakany koa io ra io hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara eo anoloan'ny Toeramasina Indrindra, alitara izay ao anatin'ny Tranolay fihaonana. Ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-pototry ny alitara fanaovan-tsorona dorana, alitara izay eo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana.

19 Halainy avokoa ny tavin-kenan'ilay ombilahy, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara.

20 Toy ny nataon'izy mpisorombe tamin'ny ombilahy natolony ho fanalana ny otany no hataony ihany koa amin'ity ombilahy ity. Ary rehefa nataon'ny mpisorombe tamin'ireo Israelita ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.

21 Ny sisa amin'ilay ombilahy kosa hasain'ny mpisorombe hoentina any ivelan'ny toby, dia hodorana tahaka ny sisa tamin'ilay ombilahy natao sorona ho azy mpisorombe. Izany no sorona fanalana ny ota ho an'ny fiangonan'ny Israelita.

22 Raha manampahefana no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin'ny didin'ny TOMPO Andriamanitra momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy.

23 Vantany vao fantatr'ilay manampahefana ny ota vitany, dia osilahy tsy misy kilema no aoka ho sorona hoentiny.

24 Hametra-tanana amin'ny lohan'ilay osilahy izy, dia hamono azy eo amin'ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo, eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO; sorona fanalana ny ota izany.

25 Hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ilay osilahy ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa dia haidiny eo am-pototr'io alitara io ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.937