Levitîka

Toko faha-4

26 Avy eo ny tavin-kena rehetra dia hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara tahaka ny fanao azy amin'ny sorom-pihavanana. Ary rehefa nataon'ny mpisorona tamin'ilay mpanapaka ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.

27 Raha olona iray anisan'ny vahoaka israelita no nanota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin'ny didin'ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy.

28 Vantany vao fantatr'ilay olona ny ota vitany, dia osivavy tsy misy kilema no aoka ho sorona hoentiny noho ny ota vitany.

29 Hametra-tanana amin'ny lohan'ilay osivavy izy, dia hamono azy eo amin'ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo.

30 Hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ra, ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo ampototr'io alitara io ihany.

31 Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra, tahaka ny fanesorana azy amin'ny sorom-pihavanana, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahina ho an'ny TOMPO. Ary rehefa nataon'ny mpisorona tamin'ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.

32 Raha ondry no entin'ilay olona mba ho sorona fanalana ny ota, dia aoka ny vavy tsy misy kilema no hoentiny.

33 Hametra-tanana amin'ny lohan'ilay ondry izy, dia hamono azy eo amin'ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo.

34 Hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ilay ondry ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-pototr'io alitara io ihany.

35 Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra toy ny fanesorana azy amin'ny ondry atao sorom-pihavanana; dia hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara izany, miaraka amin'ny sorona levonina amin'ny afo mba ho an'ny TOMPO. Ary rehefa nataon'ny mpisorona tamin'ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.

Toko faha-5

1 Raha misy olona mandre ny antso avo ataon'ny fampanoavana ho an'ireo vavolombelona ka ny tenany dia vavolombelona nahita na nahalala nefa tsy manambara, dia manota izy ary itambesaran'ny heloka.

2 Raha misy olona mahakasika tsy nahy zavatra maloto, toy ny fatim-biby maloto rehetra na bibidia na biby fiompy na biby mandady, dia manjary voaloto izy ary meloka.

3 Raha misy olona mahakasika tsy nahy olona maloto na inona na inona fahalotoana, ka mahafantatra izy avy eo, dia manjary meloka.

4 Raha misy olona manao vava latsaka mianiana hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona vava latsaka nombany fianianana, ka mahafantatra izy avy eo, dia manjary meloka.

5 Izay olona meloka tamin'ny anankiray amin'ireo karazan-javatra ireo, dia aoka izy hiaiky ampahibemaso ny zavatra nanotany.

6 Ary hitondra fanonerana amin'ny TOMPO izy noho ny ota vitany, dia ondrivavy na osivavy mba ho sorona fanalana ny ota; dia hataon'ny mpisorona amin'ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, noho ny ota vitany.

7 Raha tsy takatry ny fananan'ny olona kosa ny ondrivavy na osivavy iray, dia domohina roa na voromahailala roa no hoentiny amin'ny TOMPO ho fanonerana ny ota vitany ka ny anankiray ho sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray kosa ho sorona dorana manontolo.

8 Hoentin'ilay olona ireo vorona ireo ho eo amin'ny mpisorona. Ka ny hatolotry ny mpisorona aloha dia ilay sorona fanalana ny ota: hofolahiny amin'ny hoho ny lohany, eo akaikin'ny hatony, saingy tsy hataony tangarana;

9 hamafazany eo amin'ny rindrin'ny alitara ny ran'ilay vorona, ary ny ra sisa dia hofiaziny eo am-pototr'io alitara io ihany: sorona fanalana ny ota izany.

10 Ny vorona anankiray kosa dia sorona dorana manontolo araka ny fomba fanao; ary rehefa nataon'ny mpisorona tamin'ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.

11 Raha tsy takatry ny fananan'ny olona indray ny domohina na voromahailala roa, dia koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, no hoentiny ho fanatitra fanalana ny ota; tsy handrarahany menaka sady tsy hasiany vovoka zava-manitra izany, satria fanatitra fanalana ny ota.

12 Hoentin'ilay olona izany koba izany ho eo amin'ny mpisorona ka handraofan'ny mpisorona eran-tanana ila mba ho fanati-pahatsiarovana; dia hodorany hanetona eo amin'ny alitara io fanati-pahatsiarovana io, miaraka amin'ny sorona levonina amin'ny afo ho an'ny TOMPO: fanatitra fanalana ny ota izany.

13 Ary rehefa nataon'ny mpisorona tamin'ilay olona ny fombam-pivavahana famelana noho ny ota vitany momba ny anankiray amin'ireo lafin-javatra ireo, dia voavela ny otany. Araka ny fanao amin'ny fanatitra vokatry ny tany no hataon'ny mpisorona amin'izany.

14 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:

15 Raha misy olona manao fanazimbana ny zavatra voatokana ho an'ny TOMPO ka manota tsy nahy momba izany, dia hitondra sorom-panonerana amin'ny TOMPO izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, tombanana sekela volafotsy vitsivitsy araka ny sekela fampiasa ao amin'ny Toeramasina: sorom-panonerana izany.

16 Ny zavatra namonoany antoka ny Toeramasina dia honerany sady hampiany ny ampahadimin-tombany, ka homeny ny mpisorona. Ary rehefa voatolotry ny mpisorona ilay ondrilahy sorom-panonerana ka nataony tamin'ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.

17 Raha misy olona manota satria manao tsy nahy ny anankiray amin'ny zavatra noraran'ny TOMPO, dia manjary manan-tsiny izy sady itambesaran'ota.

18 Ondrilahy, tsy misy kilema, avy amin'ny andian'ondriny sady tombanana araka ny maha sorom-panonerana azy, no hoentiny ho eo amin'ny mpisorona. Ary rehefa nataon'ny mpisorona tamin'ilay olona ny fombam-pivavahana famelana noho ny ota tsy tandrina sady tsy nahy nahavoa azy, dia voavela ny otany.

19 Sorom-panonerana izany, satria meloka tamin'ny TOMPO tokoa izy.

20 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:

21 Mety misy olona manota ka diso tamin'ny TOMPO satria mandainga amin'ny namany momba ny zavatra nampitahirizina azy, na zavatra nindraminy, na zavatra nangalariny, na zavatra nalainy an-keriny,

22 na zava-bery hitany, na koa manao fianianana tsy marina momba izay mety ho fahotana fanaon'ny olona.

23 Noho izy nanota ka meloka, dia haveriny ny zavatra nangalariny na nalainy an-keriny, na nampitahirizany azy, na zava-bery hitany,

24 na izay rehetra nanaovany fianianana tsy marina. Haveriny manontolo izany sady hampiany ny ampahadimin-tombany, ka homeny an'ilay tompon-javatra, vantany vao tsapany fa meloka izy.

25 Ho sorom-panonerana amin'ny TOMPO, dia ondrilahy no hoentiny ho eo amin'ny mpisorona: ondrilahy tsy misy kilema, avy amin'ny andian'ondriny sady tombanana araka ny maha sorom-panonerana azy.

26 Ary rehefa nataon'ny mpisorona teo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO kosa ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otan'ilay olona na inona na inona hadisoana vitany.

Toko faha-6

1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

2 mba handidy an'i Aharona sy ireo zanany hoe: Izao no lalana momba ny sorona dorana manontolo: Ny sorona dorana manontolo dia hajanona eo am-patan'ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ka andrehetana afo tsy miato eo amin'ny alitara.

3 Avy eo dia hiakanjoan'ny mpisorona ny akanjony sy ny kalisaoniny samy vita amin'ny lamba rongony; ary handraoka ny lavenona avy amin'ny sorona dorana levon'ny afo teo ambonin'ny alitara izy, ka hametraka azy eo anilan'ny alitara.

4 Dia hanala ny fanamiany teo ilay mpisorona ka hitafy fanamiana hafa, ary hamoaka ny lavenona ho eny ivelan'ny toby, amina toerana madio.

5 Harehitra tsy avela ho faty ny afo eo ambonin'ny alitara, fa hisy kitay hazo hatohoky ny mpisorona eo isa-maraina; dia halahany eo ambonin'ireo kitay ireo ny sorona dorana manontolo ary hodorany hanetona eo koa ny tavin-kenan'ny sorom-pihavanana.

6 Ka afo tsy maty no hirehitra lalandava eo ambonin'ny alitara.

7 Izao no lalana momba ny fanatitra vokatry ny tany: Ireo zanakalahin'i Aharona no hanolotra azy eo anatrehan'ny TOMPO, eo anoloan'ny alitara.

8 Dia hangalan'ny mpisorona anankiray eran-tanan'ila ilay koba lafarinina voararaka menaka mbamin'ny vovoka zava-manitra rehetra eo amboniny, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany mba ho hanitra ankasitrahin'ny TOMPO.

9 Ny sisa amin'ny fanatitra kosa dia hohanin'i Aharona sy ny taranany; kanefa hataony mofo tsy misy leviora izany, vao hohaniny eo amina faritra voatokana, dia eo amin'ny kianjan'ny Tranolay fihaonana.

10 Tsy hasiana leviora no hanendasana azy; satria izany anjara omeko ny mpisorona izany, dia ambin'ilay fanatitra nolevonina tamin'ny afo ho Ahy. Zava-masina dia masina izany, tahaka ny amin'ny sorona fanalana ny ota sy tahaka ny ambin'ny sorom-panonerana.

11 Ny lehilahy rehetra taranak'i Aharona ihany no mihinana izany: anjara raikitra ho azy hatrany hatrany izany ambin'ny fanatitra nolevonina tamin'ny afo ho an'ny TOMPO izany. Ny olon-kafa rehetra, izay mikasika izany mofo izany, dia hofaizin'ny fahamasinan'Andriamanitra.

12 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:

13 Izao no fanatitra fanaon'i Aharona sy ireo taranany amiko TOMPO, rehefa voahosotra ho mpisorona izy: koba lafarinina telo kilao isan'andro, ka ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.

14 Haroana menaka izany koba izany, dia hendasina amin'ny lapoaly; ary rehefa voaendy izy, dia vakivakina, vao atao fanatitra ho hanitra ankasitrahina ho Ahy Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9284