Eksôdy

Toko faha-40

12 Hoentinao i Aharona sy ny zanany lahy hankeo amin'ny fidirana amin'ny Tranolay fihaonana, ary hampandroinao amin'ny rano.

13 Avy eo dia hampiakanjoinao an'i Aharona ireo fanamiana voatokana, ka hohosoranao ilomasina izy mba ho voatokana ho mpisorona ho Ahy.

14 Hampanatoninao ireo zanakalahin'i Aharona ka hampiakanjoinao azy ny fanamiany,

15 dia hohosoranao ilomasina toa an-drainy izy mba hanompo Ahy amin'ny maha mpisorona azy. Noho izany hosotra izany, dia ho voatokana ho mpisorona raikitra ho Ahy izy sy ny taranany mifandimby.

16 Notanterahin'i Mosesy an-tsakany sy an-davany ny baiko rehetra nomen'ny TOMPO,

17 ka ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany, taona faharoa taorian'ny nialany tany Ejipta, no nananganana ny fonena-masina.

18 Nasain'i Mosesy natsangana ny fonena-masina, ka napetraka ny faladiany sy ny hazo fisaka ary ny barany mbamin'ny andry.

19 Avy eo dia novelarina teo ambonin'ny fonena-masina ny lay, ary napetraka teo ambonin'io lay io ny sarona fiarovana, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

20 Nalain'i Mosesy ny vatofisaka misy ny didy folo ka napetrany tao amin'ny Vatamasina; dia natsofoka ny baon'ny Vatamasina sady narakotra azy ny sarony.

21 Naiditra tao amin'ilay fonena-masina ny Vatamasina, nahantona ny efitra lamba mba hanakonana ny Vatamasina, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

22 Ny latabatra voatokana dia napetraka tao amin'ny Tranolay fihaonana, tery amin'ny lafiny avaratra, teo anoloan'ny efitra lamba;

23 ary nalahatra teo amboniny ny mofo fanolotra ny TOMPO, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

24 Napetraka tao amin'ny Tranolay fihaonana tamin'ny lafiny atsimo, manoloana ny latabatra, ny fitoeran-jiro;

25 dia narehitra ny jiro teo anatrehan'ny TOMPO, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

26 Napetraka tao amin'ny Tranolay fihaonana, teo anoloan'ny efitra lamba ny alitara volamena;

27 ary nodorana teo amboniny ny vovo-javamanitra, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

28 Natsangana ny varavarana lamba teo am-pidirana mankao amin'ny fonena-masina;

29 avy eo dia napetraka teo anoloan'io fidirana io ny alitara fisoronana ary nodorana teo amboniny ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

30 Napetraka teo anelanelan'ny Tranolay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe ho an'ny fidiovana, ary nofenoina rano.

31 Nampiasain'i Mosesy sy i Aharona mbamin'ny zanany lahy izany mba hanasany ny tongony sy ny tanany.

32 Nisasa toy izany ireo isaky ny hiditra ao amin'ny Tranolay fihaonana sy hanatona ny alitara, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

33 Nasain'i Mosesy natsangana ny temitry ny kianja manodidina ny fonena-masina sy ny alitara, ary nahantona ny varavarana lamba teo am-pidirana ny kianja. Dia vitan'i Mosesy avokoa ny asa rehetra.

34 Nandrakotra ny Tranolay fihaonana ny rahona, ka nanenika ilay fonena-masina ny voninahitry ny TOMPO;

35 noho izany, dia tsy afaka niditra tao amin'ny Tranolay fihaonana i Mosesy.

36 Rehefa nifindrafindra toerana ny Israelita, dia tsy niainga hanohy ny diany raha tsy efa niakatra niala tamin'ny fonena-masina ny rahona.

37 Raha tsy nihetsika ny rahona, dia tsy nifindra ry zareo fa niandry ny andro hiakaran'ny rahona indray.

38 Nandritra ny dia rehetra nataon'ny Israelita, dia nandrakotra ny fonena-masina ilay rahona nony antoandro ary nisy afo mazava teo aminy nony alina; izany no nanehoan'ny TOMPO fa teo anatrehan'ny Israelita rehetra hatrany Izy.

Levitîka

Toko voalohany

1 Niantso an'i Mosesy ny TOMPO ka niteny taminy avy ao amin'ny Tranolay fihaonana

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Rehefa misy aminareo te hanolotra biby fiompy ho sorona amin'ny TOMPO, dia omby na ondry na osy no aoka hatolony ho sorona.

3 Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan'ny TOMPO.

4 Izay mpanolotra no hametra-tanana eo amin'ny lohan'ilay omby hatao sorona; dia hankasitrahina izany mba hahazoany famelan-keloka.

5 Izy ihany no hamono ilay omby eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO; fa ireo mpisorona taranak'i Aharona kosa hitondra ny ra ka hamafy azy manodidina eo amin'ny rindrin'ny alitara, dia ilay alitara izay eo anoloan'ny Tranolay fihaonana.

6 Izay mpanolotra no hanenda-koditra ilay omby sy hanao rasa vaventy azy;

7 fa ireo taranak'i Aharona mpisorona kosa hanisy vainafo eo ambonin'ny alitara ka handahatra kitay eo ambonin'ny vainafo;

8 ary mbola ny mpisorona taranak'i Aharona ihany no handahatra eo ambonin'ireo kitay ireo ny omby voarasa mbamin'ny lohany sy ny taviny.

9 Izay mpanolotra no hanasa amin'ny rano ny taovany sy tongony; fa mpisorona anankiray kosa no handoro azy rehetra hanetona eo ambonin'ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin'ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an'ny TOMPO.

10 Rehefa ondry na osy no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ondrilahy sy osilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra.

11 Izay mpanolotra no hamono azy eo avaratry ny alitara, eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO: fa ireo mpisorona taranak'i Aharona kosa hamafy ny ra manodidina eo amin'ny rindrin'ny alitara.

12 Izay mpanolotra no hanao rasa vaventy azy sy hanesotra ny lohany sy ny taviny; fa mpisorona anankiray kosa no handahatra ireny eo ambonin'ny kitay izay napetraka tambony vainafo eo amin'ny alitara.

13 Izay mpanolotra no hanasa ny taovany sy ny tongony; fa ilay mpisorona kosa no hitondra azy rehetra ka handoro azy hanetona eo ambonin'ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin'ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an'ny TOMPO.

14 Rehefa vorona no atolotra ho sorona dorana manontolo amin'ny TOMPO, dia domohina na voromahailala no aoka hatolotra.

15 Hoentin'ny mpisorona ho eo amin'ny alitara izany, ka hotapahiny ny lohany, dia hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara; ary hofiazany hiraraka eo amin'ny rindrin'ny alitara ny rany.

16 Dia hoesoriny ny takorobabony mbamin'ny ao anatiny, ka hararany eo atsinanan'ny alitara, eo amin'ny fitobian-davenona;

17 ary hosamahiny anelanelan'ny elany fa tsy hosarahiny roa tanteraka ilay vorona, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara, dia eo ambonin'ny kitay izay napetraka tambony vainafo. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin'ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an'ny TOMPO.

Toko faha-2

1 Raha misy te hanolotra fanatitra vokatry ny tany ho an'ny TOMPO, dia lafarinina tsara indrindra no aoka hatolony; ary handrarahany menaka sy hasiany vovoka zava-manitra eo amboniny.

2 Hoentiny ho amin'ireo mpisorona taranak'i Aharona izany; dia handraoka eran-tanan'ila amin'ny lafarinina voararaka menaka sy handraoka manontolo ny vovoka zava-manitra ireo, ka handoro izany fanati-pahatsiarovana izany hanetona eo ambonin'ny alitara. Fanatitra levonina amin'ny afo izany ho hanitra ankasitrahina ho an'ny TOMPO.

3 Ny sisa amin'ny fanatitra kosa dia ho an'i Aharona sy ny taranany; zava-masina dia masina izany sisa izany, satria ambin'ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin'ny afo ho an'ny TOMPO.

4 Raha fanatitra voaendy amin'ny lafaoro no atolotrao, dia aoka ho mofo vita amin'ny lafarinina tsara indrindra sady voaharo menaka no tsy misy leviora, na kosa mofo manify sady tsy misy leviora no voahoso-menaka.

5 Rehefa fanatitra voaendy amin'ny takela-by no atolotrao, dia aoka ho lafarinina tsara indrindra sady voahoso-menaka no tsy misy leviora. 6 Hovakivakinao izany ho tapatapany izay handrarahanao menaka: fanatitra vokatry ny tany izany.

7 Rehefa fanatitra voahandro amin'ny lapoaly no atolotrao, dia aoka ho lafarinina tsara indrindra voaharo menaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.922