EksĂ´dy
Toko faha-37
13 Nisy haba volamena efatra koa notefena, dia napetaka teo amin'ny zorony efatra, nifanila tamin'ny tongony efatra.14 Natao teo akaikin'ny fehivavany ny haba ka nampidirana bao mba hitondrana ny latabatra.
15 Hazo mimoza no nanaovana ny bao roa, izay norakofana takela-bolamena; ary ireo no nilanjana ny latabatra.
16 Namboarina koa ny fitaovana fametraka eo ambonin'io latabatra io: dia lovia fisaka lehibe, kaopy, tavoara, tsatokaty ho an'ny fanatitra divay; ka samy natao tamin'ny volamena madio avokoa izy rehetra.
17 Namboarina ny fitoeran-jiro volamena madio; voasana no nanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia nitambatra ho tena iray ihany.
18 Nasiana rantsana enina nivoaka avy amin'ny tahobeny, ka samy telo an-daniny avy.
19 Isaky ny rantsana tsirairay dia nisy felam-boninkazo telo miendrika felam-paiso miaraka amin'ny bokony sy ny voniny.
20 Teo amin'ilay tahobeny kosa dia nisy felam-boninkazo efatra miendrika felam-paiso miaraka amin'ny bokony sy ny voniny.
21 Ary teo ambanin'ny rantsana enina izay niainga avy amin'ny tahobeny dia nisy boko iray isaky ny rantsana tsiroaroa.
22 Nitambatra ho iray ihany tamin'ny sisa rehetra ny boko sy ny rantsana, ary samy volamena madio avokoa izy rehetra.
23 Namboarina ny jiro fito sy ny tandra ary ny fitoeran-davenon-jiro, ka samy natao volamena madio avokoa.
24 Vongam-bolamena madio telopolo kilao no nampiasaina nanaovana ny fitoeran-jiro sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy.
25 Namboarina tamin'ny hazo mimoza ny alitara iray ho fandoroana vovo-javamanitra. Efamira izy io, ka nirefy dimampolo santimetatra avy ny lafiny tsirairay, ary iray metatra ny haavony. Nisy tandrony avy teo amin'ny zorony efatra ambony ary natao miray aminy.
26 Norakofana takela-bolamena madio ny tampony sy ny lafiny manodidina mbamin'ny tandrony, sady nasiana sisiny volamena manodidina.
27 Haba volamena roa avy no napetany teo ambanin'ny sisiny sady nataony tamin'ny zorony efatra, ka nampidirana bao mba hilanjana ny alitara.
28 Namboarina tamin'ny hazo mimoza ireo bao roa ireo, ary norakofana takela-bolamena.
29 Mpamboatra zava-manitra no nanao ny ilomasina fampiasa amin'ny fanokanana mbamin'ny vovo-javamanitra hodorana eo amin'ny alitara.
Toko faha-38
1 Ny alitara fisoronana dia namboarina tamin'ny hazo mimoza. Efamira izy io, ka nirefy roa metatra sy sasany ny lafiny tsirairay ary iray metatra sy sasany ny haavony.2 Natao miendrika tandroka ny zorony efatra ambony sady narafitra niaraka tamin'ny tenan'ny alitara, izay norakofana takelaka halimo.
3 Halimo koa no nanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.
4 Namboarina ny makarakara halimo miendrika harato, ka napetraka teo akaikin'ny fisasahan'ny aty alitara, teo ambanin'ny fehivavany.
5 Natao ny haba halimo efatra ka napetaka teo amin'ny zoro efatry ny makarakara halimo mba hitsofohan'ny bao.
6 Namboarina tamin'ny hazo mimoza ireo bao roa ireo, dia norakofana takelaka halimo,
7 ary natsofoka tao anatin'ny haba izay manatrika ny lafiny roa amin'ny alitara mba hilanjana ny makarakara. Hazo fisaka no nandrafetana ny alitara, ka natao holoka aty izany.
8 Avy eo, dia namboarina koa ny kovetabe halimo sy ny faladiany halimo; ny fitaratra halimo izay an'ireo vehivavy niasa teo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana no nampiasaina tamin'izany.
9 Ny fonena-masina dia nohodidinina kianja izay nofefena temitra vita amin'ny kiran-drongony mafy. Tamin'ny lafiny atsimo, dia nivelatra dimampolo metatra ny halavan'ny temitra;
10 farango sy anjaka volafotsy no nanantonana azy teo amin'ny andry halimo roapolo, izay nitsatoka tamin'ny faladia halimo roapolo.
11 Tahaka izany koa ny lafiny avaratra, ka nivelatra dimampolo metatra ny halavan'ny temitra ary nitovy tamin'ny teo ihany ny fanantonana azy.
12 Tamin'ny lafiny andrefana dia nivelatra 25 metatra ny temitra ary nahantona tamin'ny andry folo nisy faladia folo.
13 Tamin'ny lafiny fidirana atsinanana dia 25 metatra koa ny velaran'ny kianja;
14 ka teo an-daniny roa amin'ny fidirana dia samy nisy temitra fito metatra sy sasany ny halavany, niaraka tamin'ny andry telo sy faladiany telo avy.
16 Ny temitra rehetra manodidina ny kianja dia samy vita tamin'ny kiran-drongony mafy avokoa.
17 Ny faladian'ny andry dia halimo, ny farango sy ny anjany dia volafotsy, ny lohan'ny andry dia norakofana takela-bolafotsy; ary ny andry rehetra dia natohin'ny anjaka volafotsy avokoa.
18 Ny efitra lamba eo am-bavahadin'ny kianja dia namboarin'ny mpanao peta-kofehy tamin'ny kiran-drongony mifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky; mirefy folo metatra ny halavany ary roa metatra sy sasany ny haavony, tahaka ireo temitra lamban'ny kianja.
19 Andry efatra misy faladiany halimo efatra no nametahana azy; volafotsy ny farangony sady norakofana volafotsy koa ny lohan'ny andry sy ny anjany.
20 Ny tsimatra rehetra momba ny fonena-masina sy ny momba ny fefin'ny kianja dia samy natao halimo avokoa.
21 Ireto no isan'ny fitaovana nampiasaina tamin'ny fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Araka ny baikon'i Mosesy, ny fanisana dia nataon'ny Levita notarihan'i Itamara, zanakalahin'i Aharona mpisorona.
22 I Betsalela, zanakalahin'i Ory sady zafikelin'i Hora, avy amin'ny fokon'i Joda, no nanatanteraka izay rehetra nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.
23 I Oholiaba, zanakalahin'i Ahisamaka avy amin'ny fokon'i Dana, izay mpandidy vatosoa sy mpanao sary ary mpanao peta-kofehy amin'ny volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky sady mpanao peta-kofehy amin'ny kiran-drongony, no nanampy azy tamin'izany.
24 Ny fitambaran'ny volamena izay nataon'ny Israelita fanatitra, ka nampiasaina tamin'ny fanaovana ny Toeramasina dia 877 kilao sy 300 grama araka ny lanja fampiasa tao amin'ny Toeramasina.
25 Ny fitambaran'ny volafotsy voarotsaka tamin'ny fanisam-bahoaka dia 3017 kilao sy 750 grama araka ny lanja fampiasa ao amin'ny Toeramasina.
26 Izany dia mitovy amin'ny dimy grama isan'olona ho an'ny 603550 lahy izay roapolo taona no ho miakatra tamin'ny fanisana.
27 Ny 3000 kilao dia narendrika nanaovana ny faladia zato ho an'ireo andrin'ny Toeramasina sy ny efitra lamba anatiny, izany hoe telopolo kilao isaky ny faladia iray.
28 Ny 17 kilao sisa kosa dia nanaovana ny farangon'ny andry sy nandrakofana ny lohan'ny andry mbamin'ireo anjaka nampitohy ny andry.
29 Ny fitambaran'ny halimo nataon'ny Israelita fanomezana dia 2124 kilao.
30 Io no nampiasaina nanamboarana ny faladian'ny andry teo amin'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana, ny alitara halimo sy ny makarakarany halimo, ny fitaovana rehetra teo amin'ny alitara,
31 ny faladian'ny fefy sy ny fidirana teo an-kianja ary ny tsimatra rehetra momba ny fonena-masina sy momba ny fefin'ny kianja.
Toko faha-39
1 Volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no nanaovana ny lamba fandrakofana ny fanaka fampiasa tao amin'ny Toeramasina sy ny fanamiana voatokana ho an'i Aharona, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.2 Kiran-dongony mafy, mifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, no nanaovana ny efoda, sady nasiana peta-kofehy volamena.
3 Nohetezana tamin'ny takela-bolamena nofisahina ny kofehy volamena madinika, dia nafangaron'ireo mpanao peta-kofehy tamin'ny volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky niampy kiran-drongony mafy.