2 Makabeo
Toko faha-6
28 ary ohatra mahafatra-po no havelako harahin'ny zatovo amin'ny fahafatesana an-tsitrapo sy am-pahasahiana noho ny lalana mendri-panajana sy masina. Vao avy niteny izany i Elehazara, dia nizotra tsy am-pisalasalana nankao amin'ny toeram-pamonoana azy.29 Noheverin'ireo mpitondra azy ho hadalana izany lahateny nataony izany, ka novany ho halozana ny fitiavana nasehony taminy.
30 Nony efa ho fatin'ny kapoka i Elehazara, dia nisento nanao hoe: -Ny TOMPO, Izay manana ny fahalalana masina, no mahita fa azoko natao ny nandositra ny fahafatesana; saingy ankehitriny dia velesina karavasy aho ka miaritra fampijaliana mafy amin'ny vatako, fa mandefitra izany an-kafaliana kosa aho amin'ny fanahiko noho ny fanajako ny TOMPO.
31 Toy izany no namoizan'i Elehazara ny ainy. Ka ny fahafatesany no namelany oha-kerimpo sy tsangambaton-katsaram-panahy, tsy ho an'ny zatovo ihany fa ho an'ny ankamaroan'ny mpiray firenena aminy koa.
Toko faha-7
1 Nisy koa olona fito mirahalahy nosamborina miaraka amin-dreniny. Notadiavin'ny mpanjaka ho terena hihinan-kena kisoa voararan'ny lalana izy valo mianaka, hany ka nokapohina tamin'ny karavasy aman-kozatr'omby.2 Niteny tamin'ny anaran'izy rehetra ny iray taminy nanao hoe:-Inona no tadiavinao ary inona no tianao ho fantatra avy aminay? Vonon-ko faty izahay toy izay handika ny lalanan'ny razanay.
3 Nisafoaka ny mpanjaka, ka nandidy ny hametrahana ambony afo sy vy makarakara amam-bilany.
4 Vantany vao nafana mahamay ireo, dia io niteny tamin'ny anaran'izy rehetra io no nasainy notapahin-doha sy nohodiran-doha, ary notapahina tongotra aman-tanana teo anatrehan'iretsy rahalahiny sisa sy ny reniny.
5 Nony voabory manontolo toy izany izy, dia nasain'ny mpanjaka nampanatonina ny afo iny mbola miaina iny ary nendasina teo amin'ny vy makarakara. Nihanaka manodidina ny fofon'ny nofo may avy eo amin'ny vy makarakara, fa izy mirahalahy sisa mbamin'ny reniny kosa nifampirisika mba samy ho faty amin-kerimpo koa niteny hoe:
6 -Mahita antsika ny TOMPO Andriamanitra ary hangoraka antsika marina tokoa Izy; i Mosesy mihitsy manko, ao amin'ilay tononkira nananarany an-kitsirano ny Israelita, no nilaza hoe: "Hangorahan'ny TOMPO ireo mpanompony."
7 Rehefa maty toy izany ilay voalohany, dia nampandrosoina hampijaliana ny faharoa. Nohodiranambam-bolony aloha ny lohan'io, dia nanontaniana izy hoe: -Hihinana ity henakisoa ity ve ianao toy izay hampijaliana amin'ny vatana manontolo isaky ny rantsam-batana?
8 Ary namaly tamin'ny tenin-drazany izy nanao hoe: -Tsia! Noho izany, dia niharan'ny fampijaliana tahaka ilay voalohany koa izy.
9 Nony efa hiala aina izy, dia niteny tamin'ny mpanjaka hoe: -Ianao mahavanon-doza io, manala anay amin'ny fiainana ankehitriny ianao. Ilay Mpanjakan'izao tontolo izao kosa hanangana anay ho amin'ny fiainam-baovao maharitra mandrakizay , satria maty noho ny fankatoavana ny lalanany izahay.
10 Nanarakaraka an'io, dia nampijaliana indray ny fahatelo. Vao nasain'ny mpamono natranga ny lelany, dia natrangany avy hatrany; ary tsy nangovitra izy nanatsotra ny tanany.
11 Ary tamin-kerimpo no nitenenany hoe: -Andriamanitra no nahazoako ireto tanako ireto; noho ny fankatoavana ny lalanany, dia tsy ifikirako ireto ary antenaiko ho azo avy amin'Andriamanitra indray rahatrizay.
12 Na ny tenan'ny mpanjaka, na ireo nanotrona azy, dia samy gaga tamin'ny herimpon'io tovolahy io izay tsy nihontsona akory tamin'ny fijaliany.
13 Maty io, dia fampijaliana toy izany koa no nahatra tamin'ny fahefatra.
14 Nony efa ambavahaona izy, dia niteny hoe: -Sambatra izay manam-panantenana, rehefa maty novonoin'ny olombelona! Nampanantena manko Andriamanitra fa hanangana anay ho velona avy any amin'ny maty. Raha ianao kosa, dia tsy mba ho amin'ny fiainana no hitsangananao avy any amin'ny maty.
15 Nentina indray ny fahadimy, dia nampijalina.
16 Fa nibanjina ny mpanjaka io, ka nanao hoe: -Na dia olona mety maty aza ianao, dia manam-pahefana amin'ny olombelona sy manao izay tianao. Kanefa aza heverinao fa nilaozan'Andriamanitra ny firenenay!
17 Ianao kosa mahandrasa fa hahita ny fahefany lehibe sy ny hampijaliany anao mbamin'ny taranakao.
18 Nanarakaraka io, dia nentina ny fahenina. Rehefa ho faty izy, dia niteny hoe: -Aza diso hevitra ianao, fa izahay ihany no mitarika izao fahoriana manjo anay izao noho ny nanotanay tamin'Andriamanitra; ka loza mahatsiravina no nihatra taminay.
19 Saingy ianao sahy niady tamin'Andriamanitra io, dia aza mihevi-tena ny ho afa-potsiny.
20 Mahagaga mihoatra noho izay azo lazaina sady mendrika ho tsaroana fatratra ilay reniny. Nahita ireto zanany fito mirahalahy maty tanatin'ny indray andro monja izy, kanefa nahazaka izany tamin-kerimpo satria notohanan'ny fanantenana ao amin'ny TOMPO.
21 Samy nampirisihiny tsirairay avy izy ireo tamin'ny fitenin-drazany. Feno fisainana matotra izy, ka fientanentam-behivavy omban'ny herimpon-dehilahy no nilazany taminy hoe:
22 -tsy fantatro Izay nisehoanareo tao an-kiboko; tsy Izaho no nanome fanahy amam-piainana anareo; tsy Izaho no nanambatra ireo ampahan-javatra mamorona ny tenanareo.
23 Ilay Mpahary izao tontolo izao no namorona ny olombelona hatramin'ny nahatorontoronina azy sady Izy no foto-piavian'ny zava-drehetra; noho izany, mbola hamindrafo aminareo Izy, ka hamerina aminareo ny fanahy amam-piainana satria fitiavanareo ny lalanany no anaovanareo sorona ny tenanareo ankehitriny.
24 Nataon'i Antiokosa fa naniratsira azy ravehivavy ary no heveriny ho fanevatevana azy ireo teniny ireo. Koa niezahany ho resen-dahatra ilay faralahy mbola velona, nampanantenainy tamim-pianianana fa hataony tonga sambatra sy manan-karena raha mandao ny fomba amam-panaon'ny razany, dia horaisiny ho "sakaizan'ny mpanjaka" ary hanankinany andraikitra ambony.
25 tsy noraharahain-drazazalahy akory anefa ireo fandrisihana ireo; ka ny reniny no nantsoin'ny mpanjaka sy nasainy nanome hevitra an'ity zatovo hamonjena azy.
26 Nikirizany ela ravehivavy, vao nanaiky hitaona an-janany.
27 Nihilana teo aminy tokoa ity reniny ka afaka nanodoka ilay mpanjaka masiaka, satria fitenin-drazany no nilazany hoe: -Anaka, mamindra fo amiko, izaho izay nitondra anao folo volana tao am-bohoka, nampinono anao telo taona, nikarakara anao ary namelona sy nanabe anao hatramin'izao taona izao.
28 Koa mihanta aminao aho, jereo ny lanitra sy ny tany, diniho izay rehetra ao aminy; dia fantaro fa Andriamanitra no nahary izany avy amin'ny tsinontsinona ary toy izany no nisian'ny taranak'olombelona.
29 Aza matahotra io mpamono io ianao, fa aoka ho mendrika an'ireo rahalahinao, ka ekeo ny ho faty mba hahitako anao miaraka amin'ireo rahalahinao rehefa mby amin'ny andro hanehoan'ny TOMPO famindrampo.
30 Mbola mamarana ny azy eo ny reniny, no niteny razazalahy hoe: -Fa inona no andrasanareo? Tsy ekeko ny didin'ny mpanjaka; ny didy raketin'ny lalana, izay nomen'Andriamanitra ny razanay tamin'ny alalan'i Mosesy, no ekeko.
31 Ary ianao ry Antiokosa, izay fototr'izao loza isan-karazany mamely anay Hebreo, dia tsy ho afa-mandositra ny famalian'Andriamanitra.
32 Izahay manko no mijaly, dia noho ny fahotanay.
33 Ary ny TOMPO, ilay velona, na maneho vetivety ny hatezerany aminay aza mba hanafaizany sy hananarany anay, dia mbola hihavana indray aminay mpanompony.
34 Ianao kosa, ry ilay mpanimbazimba fivavahana sy ilay mahavanon-doza indrindra amin'ny olombelona rehetra, aza miavonavona tafahoatra! Raha manainga tanana hamely ny mpanompon'Andriamanitra ianao, dia aza miantehitra amin'ny fanantenana tsy azo antoka.
35 Mahita ny tontolo ilay Andriamanitr'izao rehetra izao, ka tsy mbola mandositra ny fitsarany akory ianao.
36 Ireo rahalahiko izao dia maty satria nandala ny fanekem-pihavanan'Andriamanitra, ka nizaka fampijaliana vetivety hahazoana ny fiaina-maharitra mandrakizay; ianao kosa ho tsarain'Andriamanitra ka hivesatra ny sazy tandrifin'ny fiavonavonanao.
37 Raha ny amiko, toy ny nataon'ireo rahalahiko, dia amoizako ny aiko amam-batako ny lalanan'ny razako, ary mihanta amin'Andriamanitra aho mba hiantra faingana ny vahoakany, fa hampijaly sy hampangirifiry anao ka hahatonga anao hiaiky fa Izy irery no Andriamanitra.
38 Enga anie ka ny tenako sy ireo rahalahiko no ho farany hianjadian'ny hatezeran'ilay Andriamanitr'izao rehetra izao; fa ara-drariny no nirehetan'izany tamin'ny firenenay.
39 Nisafoaka kosa ity mpanjaka, hany ka nasiany mafy noho ireo taloha razazalahy; fa tsy zakan'i Antiokosa ny vingavingain'olona.
40 Tsy voalotom-panompoan-tsampy akory sady nitoky tanteraka tamin'ny TOMPO no fomba nahafatesan'ilay tovola hy.
41 Farany, dia maty nanarakaraka ireo zanany koa ny reniny.
42 Aoka ho ampy ireo ny amin'ny sakafon-tsorona fanompoan-tsampy sy ny fampijaliana mihoa-pampana.
Toko faha-8
1 Tamin'izay i Joda Makabeo sy ireo namany no niditra an-tsokosoko isan-tanana, ka niantso ny mpiray firenena hankeo aminy; izay nifikitra tamin'ny fivavahana jiosy dia notaominy homba azy, ka antokon-tafika sahabo ho enina no tafavory.2 Nitalaho tamin'ny TOMPO izy ireo mba hitsinjo ity vahoakany izay hosihosen'ny olona rehetra, mba hangoraka ity tempoly izay zimbazimbain'ny mpanompo sampy,
3 ary mba hiantra izato tanana ravana sy mila ho voafongotra. Nitalahoany koa ny TOMPO mba hihaino ny ran'ireo voavono ho faty izay mitaky famaliana ,
4 mba hahatsiaro ny namonoana ho faty tsy an-drariny an'ireo zaza tsy manan-tsiny, ary mba hamely ny mpaniratsira ny anarany. Izany no hanehoan'Andriamanitra fa tsy tia ratsy Izy.