2 Makabeo

Toko faha-5

5 Nisy tsaho tsy marina niely fa hoe maty i Antiokosa; ka naka miaramila tsy latsaka ny arivo i Jasona, dia tonga namely tampoka an'i Jerosalema. Niezaka niaro ny manda ireo mponina, kanefa azon'i Jasona ihany ny tanana nony farany; dia lasa niery tao amin'ilay toera-mafy i Menela.

6 Novonoin'i Jasona ho faty ka tsy nananany antra akory ireo mpiray firenena aminy; ary noheveriny fa ny andro iray nandresena ny mpiray firenena no loza amin'antambo goavana indrindra; fahavalo fa tsy hoe mpiray firenena no nataony ho nahombiazany.

7 Kanefa sady tsy afa-nandrombaka fahefana izy no nahazo henatra tamin'ny teti-dratsy nafitsony, hany ka voatery indray izy nandositra tany amin'ny faritr'i Hamana.

8 Izao no niafaran'ny toe-paharatsiana niainan'i Jasona: voafonja tao amin'i Hareta mpanjakan'i Arabia izy, nandositra nifindrafindra tanana, nenjehin'ny olon-drehetra, nankahalaina ho mpandika lalana, voailika ho mpanabotry tanindrazana sy mpamono mpiray firenena, ka dia noroahina hatrany Ejipta.

9 Avy tao izy no nankany Gresy, satria nanantena hahita fialofana tao amin'ny Sparsiata, izay iray fiaviana amin'ny Jiosy ; nanesitany olona betsaka handao tanindrazana i Jasona, ka mba maty an-tany hafa koa.

10 Namela faty maro hiampatrampatra tamin'ny tany tsy nisy mpandevina izy, ka mba tsy nisy mpisaona koa: tsy nahazo mpikarakara fandevenana izy ary tsy nomen-toerana teo am-pasandrazana.

11 Rehefa nahafantatra izany zava-niseho tany Jerosalema izany ny mpanjaka, dia noheveriny fa efa nikomy i Jodea. Ka nisafoaka toa biby masiaka izy no niala tany Ejipta; ary nomban-tafika naka ny tananan'i Jerosalema.

12 Nodidiany ny miaramilany handavo tsy hananana antra izay azon'ny tanany, sy hamono hahafaty an'izay miakatra eny ambony tafon-trano.

13 Naringany na tovolahy na anti-dahy, naripany ny zaza amam-behivavy, ary novonoiny ho faty ny tovovavy mbamin'ny zaza mbola minono.

14 Nandritra ny telo andro fotsiny dia fianakaviana valopolo no nahita loza: ny efapolo maty novonoina; ary toraka izay no namidy ho andevo.

15 Tsy mbola afa-pon'izany halozana izany anefa i Antiokosa, fa sahy nitsofoka koa tao amin'ilay tempoly masina indrindra eran-tany; ka i Menela, izay mpivadika amin'ny lalana sy amin'ny tanindrazana, no mpitari-dalana azy.

16 Nalain'io mpanjaka io tamin'ireto tanany maloto ny fitaovana masina; notsoahany ny fanomezana napetraky ny mpanjaka hafa mba hanitarana io toerana io sy hampitombo haja amam-boninahitra azy.

17 Nobohizin'ny fiavonavonam-po i Antiokosa, ka tsy nandinika fa ny fahotan'ireo mponin'i Jerosalema no nahatezitra ny TOMPO vetivety ihany, ka izany no tsy niahiany an'izany tempoly izany.

18 Fa raha tahiny kosa tsy meloka tamin'ny fahotana maro ireo, dia ny tenan'i Antiokosa, vantany vao tonga teo, no tsy maintsy voakapoka sy voasakana tamin'izao hasahiany izao, tahaka an'i Heliodora izay nirahin'i Seleokosa mpanjaka mba hizaha ny rakitry ny tempoly.

19 Kanefa tsy noho ny tempoly no nifidianan'ny TOMPO ilay vahoakany; fa noho ny vahoakany no nifidianany an'ilay tempoly.

20 Noho izany, sady niara-nidiran-doza tamin'ny vahoaka io tempoly io no nanana anjara, taty aoriana, tamin'ny fanambinana azon'ny vahoaka. Ny hatezeran'ilay TOMPOn'izao rehetra izao no nahatonga ny tempoly ho nilaozany; fa naverina tamin'ny voninahiny manontolo koa io tempoly io, rehefa nihavana tamin'ny vahoakany indray ilay TOMPO ambony indrindra.

21 Volafotsy 48 taonina no nalain'i Antiokosa tao an-tempolin'i Jerosalema, dia niverina haingana ho any Antiokia izy. Nentanim-piavonavonana izy sady nobohizin'ny fieritreretam-pony ka nihevitra ho afa-mampiantsambo amin'ny tany maina sy ho afa-mampamindra miaramila eny ambony ranomasina.

22 Nametraka mpandraharaha hampahory ny vahoaka jiosy izy; tao Jerosalema dia nametrahany an'i Filipo izay avy any Frijia sady masiaka mihoatra noho ilay nanendry azy,

23 ary tao an-tendrombohitra Gerizima dia nametrahany an'i Andronika. Ankoatra ireo, dia teo i Menela izay ratsy lavitra noho ny hafa ary nanandra-tena ho ambonin'ireo mpiray firenena aminy. Nanao an-dolompo tamin'ireo Jiosy tia tanindrazana tokoa i Antiokosa,

24 hany ka nalefany tany Jerosalema koa i Apolony ilay filohan'ireo mpikarama an'ady tao Mizia. Nomban-tafika nisy antokony 22 izy io ary nomena didy hamono ho faty ireo lehilahy matanjaka rehetra sy hivarotra ny zaza amam-behivavy ho andevo.

25 Nody niseho ho havana i Apolony fony tonga tao Jerosalema, nijanona tsy naninon-tsy naninona izy mandra-pahatongan'ny andro masina sabata; kanjo nanararaotra ny fitsaharan'ny Jiosy tamin'ny asa izy, dia nampanao matso ny miaramilany.

26 Ka izay rehetra nivoaka ny trano hizaha izany, dia nasainy no vonoina ho faty avokoa; ary niara-nirohotra nankao an-tanana izy sy ny miaramilany ka nandripaka olona maro.

27 I Joda Makabeo kosa dia niaraka tamin'ny lehilahy folo hafa ka nihataka nankany an-taniefitra; nanao toe-piainan'ny bibidia izy sy ny namany tany an-tendrombohitra tany. Mba tsy handotoany tena no tsy nihinanany afa-tsy zava-maniry ihany.

Toko faha-6

1 Andro vitsivitsy taorian'izany, dia nirahin'i Antiokosa mpanjaka ilay Atenianina atao hoe Geronta mba hanery ny Jiosy handao ny fivavahan-drazany sy hitsahatra tsy hanaraka ny lalanan'Andriamanitra intsony.

2 Nasaina koa io Geronta io hanimbazimba ny tempolin'i Jerosalema ka hanokana azy ho an'i Zeosa , andriamanitr' i Olimpa; ilay tempoly any an-tendrombohitra Gerizima kosa dia nasaina natokany ho an'i Zeosa mpandray vahiny, araka izay anjara voatendry ho an'ireo mponin'izany faritra izany.

3 Namohehatra sy tsy hay leferina mihitsy ny nidiran'izany loza izany, na dia ho an'ny sarambabem-bahoaka aza.

4 Ny tempoly manko nataon'ny mpanompo sampy feno filerana amam-pomba ratsy; nisy lehilahy niray tamim-behivavy teo amin'ny kianja masina; hatramin'ny zavatra voarara avy aza no nentina hankao an-tempoly.

5 Biby maloto, voararan'ny lalanan'Andriamanitra, no nandrakotra ny alitara fisoronana.

6 Tsy azo natao intsony ny mankalaza ny sabatana ny fety fanaon'ny razantsika na ny mitonon-tena fotsiny hoe Jiosy aza.

7 Isam-bolana, amin'ny andro fitsingerenan'ny nahaterahan'ny mpanjaka, dia nangidy tokoa ny fanerena ny Jiosy handray anjara amin'ny sakafon-tsorona ; ary rehefa migadona ny fetin'i Dionisy , dia noterena ny olona hitondra fehiloha ravin-java-maniry ka hanaraka ny filaharana fanao ho fanajana io andriamanitra sampy io.

8 Noho ny famokisana nataon'ny mponin'i Ptolemaida, dia nisy didy navoaka toy izao: ny tanana grika manolotra an'i Jodea dia hampihatra izany hevitra izany amin'ny Jiosy sady hanery azy handray anjara amin'ny sakafon-tsorona;

9 ary nasaina hovonoina ho faty izay manda tsy hanarakany fomba amam-panao grika. Ka efa tsinjo mialoha raha teo ny loza hitranga.

10 Ohatra, nisy vehivavy roa nampamora ny zanany, ka naiditra fitsarana. Voasazy ho taritaritina ampahibemaso eran'ny tanana izy roa vavy, sady nahantona tamin'ny nonony avy ny zanany, ary farany navarina avy any an-tampon'ny manda.

11 Nisy koa Jiosy hafa niara-nankany amin'ny zohy akaikin'i Jerosalema mba hankalaza an-tsokosoko ny andro sabata. Voampanga tamin'i Filipo ireo, ka nodoram-belona tao; tsy sahiny akory ny niaro tena, noho ny fanajana ny fahamasinan'izany andro izany.

12 Mihanta amin'izay hanana ity boky ity ho eo am-pelatanany ary aho mba tsy hety ho kivian'izany loza izany; aoka hihevitra kosa izy mba tsy ho fandravana fa ho fanabeazana ny firenentsika no nisian'ireo fanenjehana ireo.

13 Raha tsy avelan'Andriamanitra hitoetra ela tsy voasazy manko ny mpanota, fa ampiharany haingana ny famaizana, dia mariky ny hatsarampo lehibe izany.

14 Raha hanasazy ny firenen-kafa manko ilay TOMPO ambony indrindra, dia andrasany amim-paharetana tokoa izay hahatrarany mitafotafo ny fatran'ny haratsiany. Fa tsy toy izany kosa no heverin'Andriamanitra ho tokony hitondrana antsika;

15 tsy avelany hahatratra ny faratanjon'ny fahotantsika isika, vao hosaziny amin'ny fotoana farany.

16 Noho izany, tsy manala ny famindrampony amintsika na oviana na oviana Andriamanitra; tsy mandao ny vahoakany Izy, na dia manabe azy amin'ny zava-manahirana aza.

17 Ampy ho antsika ny mampahatsiaro izany zava-marina izany; ary manaraka ireo teny vitsivitsy ireo, dia aoka hiverenantsika ny tantara.

18 Tamin'ireo lohandohan'ny mpahay lalana, dia nisy an'i Elehazara; lehilahy efa nandroso taona izy io ary niendrika olona manan-kaja tokoa. Dia nosokafana an-keriny ny vavany hanerena azy hihinana henakisoa.

19 Kanefa naleony maty ombam-boninahitra toy izay velona omban-kenatra; naloany ny hena, dia nandroso an-tsitrapo nanatona ny toeram-pamonoana izy.

20 Izany no tokony hatao manoloana ny zava-mitranga: nahihatra aman'aina aza, dia aoka hanan-kerimpo handa ny sakafo voararan'ny lalanan'Andriamanitra tsy ho hanina.

21 Nifankahazo tamin'i Elehazara hatry ny ela kosa ireo lehilahy voatendry hitantana izany sakafon-tsorona manohitra ny lalana izany. Ka nalainy mangingina i Elehazara nampirisihiny hampitondra hena avelan'ny lalana ho haniny sy handrahoin'ny tenany ihany; dia eo am-pihinanana izany izy no mihatsaravelatsihy toa mihinana ny hena natao sorona, araka ny nandidian'ny mpanjaka.

22 Rehefa vitan'i Elehazara izany, dia ho afaka amin'ny fahafatesana izy ary hahita vokatsoa amin'ny fangorahana ateraky ny fisakaizany taminy efa elabe.

23 I Elehazara kosa nanapa-kevitra tamim-pahendrena, araka izay mendrika ny taonany sy ny haja amam-boninahitra maha anti-dahy sy mahafotsy volo azy ary koa mendrika ny toe-piainana lavorary narahiny hatramin'ny fahazazany ary indrindra indrindra mendrika ilay lalana masina naorin'Andriamanitra. Noho izany, ny handefasana azy faingana any amin'ny toeran'ny maty no nangatahiny.

24 Ka hoy izy hoe: -Tsy mety tokoa raha olona be taona toa ahy izao no hoe mihatsaravelatsihy; fandrao dia heverin'ny zatovo maro fa nanaraka ny fomban'ny vahiny i Elehazara nony efa sivifolo taona.

25 Amin'izany izy ireo, noho ny tenako mihatsaravelatsihy mba hanalava kely ny androm-piainako, dia ho diso lalana; ka ho voatototra henatra sy fahafaham-baraka ny fahanterako.

26 Ary na midify ny sazin'olombelona aza aho ankehitriny, dia tsy afa-miala ny fitsaran'ilay Andriamanitr'izao rehetra izao, na velona aho na maty.

27 Noho izany, raha amim-kerimpo no andaozako ity fiainana ity ankehitriny, dia hiseho ho mendrika ny fahanterako aho;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9605