Daniela Grika
Toko faha-3
34 Koa noho ny amin'ny lazanao, dia aza mahafoy anay tanteraka ary aza foananao ny fanekem-pihavananao.35 Aza esorinao aminay ny fitiavanao noho ny amin'i Abrahama sakaizanao sy i Itsehaka mpanomponao ary i Israely voatokana ho Anao.
36 Samy nampanantenainao ireo fa homenao taranaka maro tahaka ny kintana eny amin'ny lanitrana toy ny fasika eny amoron-dranomasina.
37 Kanefa, TOMPO o, noho ny helokay dia tonga firenena bitika indrindra amin'ny firenen-drehetra izahay ary vahoaka voaetry ankehitriny eto ambonin'ny tany tontolo.
38 Amin'izao fotoana izao dia tsy anananay na filoha na mpaminany na mpitarika; tsy afa-manao sorona dorana manontolo izahay na sorona hafa amam-panatitrana fandoroana vovo-javamanitra, na toerana fanaterana ny voaloham-bokatra mba handraisanay famelan-keloka aminao.
39 Kanefa raiso izahay, TOMPO o, amin'izao avonavonay efa torotoro sy fanahinay feno fietrena izao,
40 raiso tahaka ny ondrilahy sy ombilahy izay fanaonay sorona dorana manontolo; ho toy ny zanak'ondry matavy an'arivony anie ny sorona atolotray Anao ankehitriny; ary hanaraka Anao hatrany anie izahay, satria tsy ho menatra izay matoky Anao.
41 Ankehitriny no amehezanay tena hanaraka Anao amin'ny fonay manontolo, ka sady hanaja Anao izahay no hitady ny fanatrehanao.
42 Koa aza avela ho afa-baraka izahay, fa ento araka ny fiantranao sy araka ny indrafonao tsy hita lany.
43 Vonjeo araka ny asanao mahagaga izahay, ka ny anaranao, Tompo o, no omeo voninahitra.
44 Enga anie ho menatra sy ho afa-baraka izay rehetra manisy ratsy anay mpanomponao ; enga anie tsy hisy fahefana ananany intsony ary ho voamontsamontsana ny heriny.
45 Aoka ho fantany fa Ianao no hany Tompo Andriamanitra sady omem-boninahitra amin'ny tany tontolo! "
46 Fa ireo mpanompon'ny mpanjaka, izay nanipy azy telo lahy tao amin'ny fatana fandrendrehana, dia tsy nitsahatra nisorona ny afo tamin'ny tara sy ditin-kazo ary hoto aman-kitay;
47 koa nijoalajoala tany amin'ny 24 metatra sy sasany ambonin'ny fatana ny lelafo.
48 Nidedadeda aoka izany nanodidina ny fatana ny afo ka nandoro hatramin'ireo Babilonianina nanakaiky izany.
49 Fa nidina tao amin'ny fatana niaraka tamin'i Hazaria sy ireo namany ny anjelin'ny TOMPO ka nanosika ny lelafo ho any ivelan'ny fatana.
50 Dia nisy toa rivotra malefaka nitsoka teo afovoan'ny fatana, ka tsy nahakasika na nandratra azy ireo kely akory ny afo.
51 Koa toy ny vava iray ihany izy telolahy tao anaty fatana no indray nidera sy nankalaza ary nisaotra an'Andriamanitra ka nanao hoe:
52 "Hisaorana anie Ianao, ry Tompo Andriamanitry ny razanay, fa mendrika dera sy laza mandrakizay. Hisaorana anie ny anaranao izay masina sy be voninahitra fa mendrika dera sy laza mandrakizay.
53 Hisaorana anie Ianao an-tempolinao masina sy be voninahitra, fa mendrika dera sy voninahitra mandrakizay.
54 Hisaorana anie Ianao Izay mipetraka eo ambonin'ny kerobima sy mijery ny fanambanin'ny hantsana, fa mendrika dera sy laza mandrakizay.
55 Hisaorana anie Ianao eo amin'ny sezafiandriananao, fa mendrika dera sy laza mandrakizay.
56 Hisaorana anie Ianao eo ambonin'ny andohalambon'ny lanitra, fa mendrika dera sy voninahitra mandrakizay.
57 Misaora ny TOMPO ianareo rehetra asany ; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
58 Misaora ny TOMPO, ianareo lanitra; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
59 Misaora ny TOMPO, ianareo anjeliny; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
60 Misaora ny TOMPO ianareo rano mivangongo any ambonin'ny lanitra ; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
61 Misaora ny TOMPO, ianareo rehetra herin'ny lanitra; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
62 Misaora ny TOMPO, ianareo masoandro sy volana; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
63 Misaora ny TOMPO, ianareo kintan'ny lanitra ; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
64 Misaora ny TOMPO, ianareo orana aman'ando rehetra; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
65 Misaora ny TOMPO, ianareo rivotra rehetra; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
66 Misaora ny TOMPO, ianareo afo sy hafanana; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
67 Misaora ny TOMPO, ianareo hatsiaka sy hafana-migaingaina; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
68 Misaora ny TOMPO, ianareo ando amam-patrakala; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
69 Misaora ny TOMPO, ianareo andro sy alina; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
70 Misaora ny TOMPO, ianareo hazavana sy haizina; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
71 Misaora ny TOMPO, ianareo fanala sy hatsiaka; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
72 Misaora ny TOMPO, ianareo rano mandry sy oram-panala; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
73 Misaora ny TOMPO, ianareo tselatra sy rahona; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
74 Aoka ny tany hisaotra ny TOMPO; aoka izy hidera sy hankalaza Azy mandrakizay!
75 Misaora ny TOMPO, ianareo tendrombohitra sy havoana; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
76 Misaora ny TOMPO, ianareo rehetra zava-maniry amin'ny tany; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
77 Misaora ny TOMPO, ianareo ranomasina sy ony; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
78 Misaora ny TOMPO, ianareo loharano; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
79 Misaora ny TOMPO, ianareo hazandrano na vaventy na madinika; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
80 Misaora ny TOMPO, ianareo voro-manidina; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
81 Misaora ny TOMPO, ianareo biby dia sy fiompy ; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
82 Misaora ny TOMPO, ianareo zanak'olombelona; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
83 Misaora ny TOMPO, ianareo Israelita; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.