BarĂ²ka

Toko faha-3

17 Aiza ireo mpilalao ny voro-manidina? Aiza ny mpanan-karena tsy hita fetra fa manangona ny volafotsy sy ny volamena izay ametrahan'ny olona ny fitokiany?

18 Aiza ireo mpahay taozavatra izay misahirana miasa ny volafotsy kanefa tsy hita soritra akory ny asany?

19 Levona ireny, ary efa tafidina any amin'ny toeran'ny maty; ka ny hafa no nitsangana nisolo azy.

20 Nahita masoandro ireo tanora herotrerony ary nonina teto ambonin'ny tany, nefa tsy nahafantatra ny lalana mankany amin'ny fahalalana.

21 Tsy fantany ny sakeli-dalana ahatrarana azy, ka tsy nahazo na inona na inona taminy izy. Ny zanaka nateraka koa nanalavitra ny lalana nalehan'ireo rainy.

22 Tsy mba re nolazaina tao Kanahana sady tsy mba hita tany Temana ny fahendrena.

23 Na dia ireo taranak'i Hagara izay nikaroka ny hairaha teto an-tany aza, na ireo mpivarotra avy any Midiana sy Temana, na ireo mpitantara angano sy ireo filozofa dia samy tsy nisy nahita ny lalana mankany amin'ny fahendrenana nahatadidy ny sakeli-dalany.

24 Ry Israely o, akory ity halehiben'ny tontolo, izay tranon'Andriamanitra, akory ny halalaky ny fonenany!

25 Midadasika tsy misy fetra izy, sady avo tsy hay refesina!

26 Teo no teraka ireo rapeto, ireo olo-malaza tamin'ny andro fahagola, ranjanana be sady zatra ady.

27 Tsy ireny anefa no nofidin'Andriamanitra, ary tsy ireny no natorony ny lalam-pahalalana.

28 Maty izy noho ny tsy fahaiza-mandanjalanja; eny, maty izy noho ny hadalany.

29 Iza no niakatra tany an-danitra mba hisambotra ny Fahendrena, sy hampidina Azy avy any amin'ny rahona?

30 Iza no nita ny ranomasina mba hahita Azy ka hahazo Azy natakalo volamena voafantina?

31 Tsy misy mahafantatra ny lalana mankany amin'ny Fahendrenana mba maniry hizotra amin'izay sakeli-dalany.

32 Fa Andriamanitra Izay mahalala ny zava-drehetra no mahafantatra tsara ny Fahendrena; tamin'ny fahiratan-tsainy no nahitany Azy. Nanorina ny tany ho mafy mandrakizay Izy sady nameno azy biby manan-tongotra efatra.

33 Maniraka ny hazavana Izy, dia mandeha io; ampodiny indray izany dia manaiky Azy amin-kovitra.

34 Mamiratra eo amin'ny toerany ny kintana sady falifaly tokoa;

35 miantso azy Andriamanitra, dia valiany hoe "Indreto izahay!" Samy mamirapiratra amin-kafaliana ireo mba ho an'Ilay nahary azy.

36 Io mpahary io no Andriamanitsika, ary tsy misy hafa mitovy aminy.

37 Efa hitany avokoa ny lalana mankany amin'ny fahalalana; ary izany lalana izany no natorony ny taranak'i Jakoba mpanompony, dia ny vahoakan'i Israely malalany.

38 Hatramin'izay no nisehoan'ny fahendrena teto ambonin'ny tany sy niainany teo anivon'ny olombelona.

Toko faha-4

1 Ny Fahendrena dia ao amin'ilay boky mirakitra ny didin'Andriamanitra: ny Fahendrena dia lalana izay maharitra mandrakizay. Izay rehetra mifikitra aminy dia hankany amin'ny fiainana; fa izay mandao azy kosa dia hankany amin'ny fahafatesana.

2 Miverena, ry taranak'i Jakoba! Mifikira amin'ny lalana, mizora ho amin'ny famirapiratana eo anoloan'ny fahazavany!

3 Aza omena ho an'ny hafa ny voninahitrareo, na ho an'ny firenen-kafa ny tombontsoanareo.

4 Sambatra isika, ry vahoakan'i Israely noho isika nampahafantarina izay zavatra sitrak'Andriamanitra!

5 Mahereza, ry vahoakako izay mitana ny anaran'i Israely!

6 Namidy tamin'ny firenen-kafa ianareo, nefa tsy handringanana anareo izany. Fa ny nanoloran'Andriamanitra anareo ho eo an-tanan'ny fahavalonareo dia noho ianareo nihantsy ny fahatezerany.

7 Demony no nanoloranareo sorona fa tsy ilay Andriamanitra Mpahary anareo, ka dia nampisafoaka Azy ianareo.

8 Hadinonareo Andriamanitra mandrakizay izay nanome hanina anareo; ary nampalahelovinareo i Jerosalema izay reny nitaiza anareo.

9 Fa ny fahatezeran'Andriamanitra dia efa hitan'i Jerosalema nihatra taminareo, ka nampiteny azy hoe: "Mihainoa ahy ianareo tanana mpifanila amin'i Tsiona, fahoriana lehibe no nikapohan'Andriamanitra ahy ;

10 satria hitako ny fahababoana nampiharin'Ilay Andriamanitra Mandrakizay, tamin'ireo zanako lahy sy zanakovavy.

11 Faly ery aho nitaiza azy ireny! Kanjo tamin-dranomaso amam-pahoriana no namelako azy handeha!

12 Aoka tsy hisy olona hifaly raha mahita ahy mpitondratena sy nilaozan-janaka maro! Indro aho tonga tsy misy mponina noho ny fahadisoan'ny zanako izay nihataka tamin'ny lalanan'Andriamanitra.

13 Tsy niraharaha ny baikon'Andriamanitra izy, tsy nizotra ny lalana voasoritry ny didiny, ary tsy nanaraka ny sakeli-dalana izay nanabeazany azy amin'ny fahamarinany.

14 Ianareo tanana mpifanila amin'i Tsiona, tongava hijery, tsarovy ny fahababoana nampiharin'ilay Andriamanitra Mandrakizay tamin'ireo zanako lahy sy zanakovavy.

15 Firenena avy lavitra no nalefany hamely azy, dia firenena tsy valahara sady hafahafa fiteny, olona tsy mahalala manaja ny antitra na mamindrafo amin'ny ankizy madinika.

16 Satria nifaoka ireo zanakalahy izay tsy foin'ny mpitondratena izy, ary namela azy ho irery voasaraka tamin-janakavavy."

17 "Anaka, inona no azoko atao mba hanampiana anareo?

18 Ilay nahatonga izao loza izao taminareo no hany afaka hamonjy anareo teo an-tanan'ny fahavalonareo.

19 Mandehana, rankizy, mandehana! Fa izaho tafajanona manirery eto.

20 Nesoriko ny akanjo fitondrako amin'ny androm-pifaliana fa nanaovako ny fitafiana fisaonana. Hiantso vonjy amin'ilay Andriamanitra Mandrakizay aho mandritra ny andro sisa hiainako.

21 Mahereza, anaka, miantsoa an'Andriamanitra; dia hamonjy anareo amin'ny famoretana sy ny vahohon'ny fahavalo Izy!

22 Izaho manko dia ilay Andriamanitra Mandrakizay no iandrasako ny famonjena anareo. Efa nampifaly ahy sahady Ilay Masina: fantatro fa tsy ho ela intsony dia ho tonga hamindrafo aminareo Ilay Mandrakizay mpamonjy anareo.

23 Tamim-pahoriana aman-dranomaso no namelako anareo handeha! Nefa Andriamanitra hamerina anareo ho eo amiko mandrakizay ao anatin'ny haravoana amam-pifaliana.

24 Ankehitriny ireo tanana mpifanila amin'i Tsiona dia mahita fa any am-pahababoana ianareo. Nefa ho hitan'izy ireo tsy ho ela intsony fa Ilay Mandrakizay Andriamanitrareo dia ho tonga hamonjy anareo amim-boninahitra lehibe sy mamirapiratra.

25 Anaka, zakao am-paharetana ny vokatry ny fahatezeran'Andriamanitra. Manenjika anareo ny fahavalo; nefa vetivety dia ho hitanareo lavo izy ka ho hitsahinareo amin'ny hatony.

26 Ry zanako mankamamy ahy, nandia lalan-tsarotra ianareo satria nalain'ny fahavalo an-keriny toy ny biby fiompy nangalarina.

27 Mahereza, anaka, miantsoa an'Andriamanitra; fa Izy nahatonga anareo ho babo dia tsy afaka hanadino anareo.

28 Ianareo ihany no nanan-kevitra hanalavitra an'Andriamanitra. Koa ezaka im-polo heny no ataovy izao mba hiverenana aminy sy hikatsahana Azy;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9968