Taratasin'i JeremiĆ
Toko faha-5
33 Ary raha asian-tsoa na asian-dratsy ireo andriamanitra ireo, dia tsy afaka mamaly izany, tahaka ny tsy ahazoany manome fahefana ny mpanjaka iray na manaisotra izany.34 Tahaka izany koa no tsy ahaizany manome vola olona iray mba hampanan-karena azy. Ary raha misy manao voady amin'izy ireo ka tsy manefa izany, dia tsy itakiany na inona na inona.
35 Tsy afaka mamonjy olona amin'ny fahafatesana koa izy nahanaisotra ireo osa amin'ny vahohon'ny mahery.
36 Tsy manan-kery hampahiratra ny jamba izy, na hanafaka olona iray amin'ny fahoriany.
37 Tsy mahay mamindrafo amin'ny mpitondra tena izy na hanaosoa amin'ny kamboty.
38 Ireo tapa-kazo voarakotra volamena na volafotsy ireo dia tahaka ireo vato miendaka avy amin'ny tendrombohitra. Koa henatra ho an'izay manompo azy!
39 Ahoana moa no hiheveranana hihamboana fa andriamanitra ireo?
40 Ankoatra izany, ireo mpisorona babilonianina ihany no manala baraka azy; fa raha mahita moana iray ireny, dia mitondra azy hankeo amin'i Bela andriamaniny, ka mangataka azy mba hampiteny ilay moana, toy ny hoe afaka hahare zavatra iny i Bela.
41 Nefa ny tsy fahombiazany dia tsy mbola maharesy lahatra azy mba handao ireny andriamaniny ireny; koa izany no tena fahadalany !
42 Ary ireo vehivavy kosa dia mietra tady; ary indreo maka toerana eny an-dalambe mba handoro ampombo.
43 Raha asain'ny mpandalo ny iray amin'ireny ka iarahany mandry, dia mandatsa ny vehivavy namany izy ho tsy nisy namaha tady satria tsy mba noheverina ho mendrika izany haja izany.
44 Fitaka avokoa anefa izay rehetra atao momba ireo andriamanitra ireo. Ahoana moa no hiheverana na hihamboana fa andriamanitra ireo?
45 Mpanao sary sokitra sy mpanefy firavaka no nanamboatra azy, ka tsy mety hanjary zavatra hafa fa dia izay tian'ny mpahay taozavatra hanaovana azy ihany.
46 Ireo nanamboatra azy aza tsy ho ela velona kokoa noho ny hafa;
47 Koa ahoana ireo zavatra nataony no ho andriamanitra? Noho izany dia fitaka sy latsa no navelan'ireny olona ireny ho an'ny taranany.
48 Raha mananontanona ireo sampy ireo ny ady sy ny loza, dia mifanontany ireo mpisorona mba hahalalany izay hiafenany miaraka aminy.
49 Zavatra tsy maharo tena amin'ny ady na amin'ny loza ireny; koa ahoana no tsy ahatakaran'ny olona fa tsy andriamanitra ireny?
50 Izany no hahafantarana fa fitaka fotsiny ireo tapa-kazo voarakotra volamena na volafotsy ireo; hiharihary amin'ny firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra fa tsy andriamanitra ireo fa asan-tanan'olona ihany; tsy misy izay asan'andriamanitra akory ao aminy.
51 Noho izany, iza no tsy hahalala fa tsy andriamanitra ireo?
52 Tsy hahatsangana mpanjaka ho an'ny tany iray izy naha halatsaka ranonorana ho an'ny olombelona ,
53 sady tsy afaka mitsara ny raharaha momba ny tenany na mamonjy ny iharan'ny tsy rariny : tsy mahefa na inona na inona fa tahaka ny goaika izay mihevaheva eo anelanelan'ny lanitra sy ny tany izy.
54 Raha sendra hain-trano ny tempolin'ireo andriamanitra hazo voarakotra volamena na volafotsy ireo, dia handositra sy hiavo-tena ny mpisorony; izy kosa ho levona eo afovoan'ny afo tahaka ireo andry hazo.
55 Raha misy mpanjaka fahavalo miaraka amin'ny andian-tafiny hamely azy, dia tsy hahatohitra azy izy.
56 Ahoana ary no hiekena sy hiheverana fa andriamanitra ireo? Tsy afaka mandositra ny mpangalatra aman-jiolahy mihitsy ireo andriamanitra hazo voarakotra volamena na volafotsy ireo.
57 Raha maka sy mandroba ny volamena sy volafotsy ary ny fitafiana mandrakotra azy manko ireny ka lasa mitondra ny hazany, dia tsy afaka miaro tena akory ireo andriamanitra ireo!
58 Koa aleo mpanjaka iray manana fahasahiana amin'ny ady na fitaovana iray mahasoa ny Tompony na varavarana iray miaro izay ao an-trano na andry hazo iray ao an-dapan'ny mpanjaka... eny, aleo izany rehetra izany toy izay ireo andriamanitra fitaka ireo.
59 Ny masoandro sy ny volana ary ny kintana dia manome ny hazavany ka manatontosa izay nanirahana azy hanasoa.
60 Ny tselatra ihany koa raha manjelatra dia maneho fa manao zavatra izy; tahaka izany koa ny rivotra izay mitsoka hatraiza hatraiza.
61 Toy izany koa ny rahona: rehefa omen'Andriamanitra baiko handrakotra ny tany izy dia miara-manatanteraka ny baiko voarainy.
62 Fa ny endrika nomena ireo andriamanitra ireo kosa dia tsy mba mampahatsiaro akory na ny endrika ivelany na ny tanjak'ireo hery voajanahary.
63 Izao notsoahina amin'izany: tsy azo atao ny mihevitra na mihambo azy ireny ho andriamanitra satria hita fa tsy afaka mitsara na manao soa amin'ny olombelona izy.
64 Koa fantaro ary fa tsy andriamanitra ireny, ka aza manaja azy akory.
65 Tsy manan-kery hanozona na hitahy ny mpanjaka izy,
66 na hampiseho amin'ny vahoaka zava-mahagaga avy any an-danitra, na hamirapiratra toy ny masoandro, na hanazava toy ny volana.
67 Na dia ny bibidia aza dia ambony noho ireo satria manana fitaovana ho enti-mandositra hahitana fialofana na hamonjeny tena.
68 Izany rehetra izany no maneho fa tsy andriamanitra ireo ka tsy tokony hajainareo akory.
69 Eo an-tanimbolim-boatango dia tsy maharo na inona na inona ny kalom-pody. Tahaka izany koa ny andriamanitr'ireo olona ireo, izay andriamanitra tapa-kazo voarakotra volamena na volafotsy.
70 Azo ampitahaina amin'ny lobolobo misy tsilo eo an-jaridaina koa izy izay azon'ny voronkely rehetra hiteronteronana, na koa oharina amin'ny faty natsipy ao amin'ny maizina any am-pasana.
71 Raha hitanareo ireo fitafiany mihaja sy ireo lambany rongony madinika tratry ny fahalovana, dia ho fantatrareo fa tsy andriamanitra ireny. Ary na ny tenany aza amin'ny farany dia ho lanin'ny olitra sy hianjadian'ny henatra eo amin'ny tany.
72 Aleo ny olo-marina tsuy manan-tsampy toy izay ireo nohamboina ho andriamanitra ireo, satria tsy mba hitondra henetra izy ireo.
Daniela Grika
Toko faha-3
1 Ary izy telo lahy, i Hanania sy i Hazaria ary i Misaela , dia nandehandeha tao anaty lelafo nanao hira fiderana sy fisaorana ny TOMPO Andriamanitra.25 Raha mbola nitsangana tao afovoan'ny afo i Hazaria, dia nanao izao vavaka izao:
26 "Ry TOMPO Andriamanitry ny razanay o, Hisaorana sy hoderaina anie Ianao, ary homem-boninahitra mandrakizay anie ny anaranao!
27 Satria marina Ianao amin'izay rehetra nataonao. Marina avokoa ny asanao, mahitsy ny lalanao ary ara-drariny ny fitsaranao.
28 Eny, didim-pitsarana tsy miangatra ny anao tamin'izay rehetra nanafaizanao anay, dia ny tenanay sy i Jerosalema, ilay tanana masin'ny razanay; satria araka ny marina sy ny hitsiny no nanaovanao izany rehetra izany, dia noho ny amin'ny helokay ihany.
29 Fa nahavita heloka izahay sy nanao ratsy ka nihataka taminao, ary diso tamin'ny zavatra rehetra.
30 Tsy nankato ny didinao izahay, ka tsy nitandrina na nahatanteraka izany araka ny nandidianao anay mba hahitanay soa avy aminy.
31 Izay rehetra nanafaizanao anay sy izay rehetra nataonao taminay dia araka ny fitsaranao ara-drariny.
32 Natolotrao izahay ho eo an-tanan'ny fahavalo izay olon-dratsy mahatsiravina sady mpikomy aminao, ary ho eo ambany fahefan'ny mpanjaka iray faran'izay tsy marina indrindra eto an-tany.
33 Ary ankehitriny mikombom-bava izahay mpanomponao sy mpivavaka aminao fa sady menatra no afa-baraka.