Baròka
Toko faha-4
29 satria Izy nahatonga izao loza izao taminareo no ho avy hamonjy anareo, ka hampifaly mandrakizay anareo. "30 Mahereza, ry Jerosalema! Andriamanitra Izay nanome anarana anao no ho avy hampionona anao.
31 Hidiran-doza kosa ireo nanisy ratsy anao ka nifaly tamin'ny fianjeranao
32 Hidiran-doza ireo tanana izay nanandevo ny zanakao, indrindra fa ilay tanana izay nandray azy ho babo:
33 araka izay nifaliany tamin'ny fianjeranao sy nihobiany tamin'ny fahavoazanao no hahalelovany koa amin'ny faharavany;
34 ho esoriko aminy ny reharehany ho anisan'ny tanana be mponina indrindra, ary hiova ho fisaonana ny fianjonanjonany;
35 satria Ilay Andriamanitra mandrakizay dia handefa afo hamely azy ka handrava azy maharitra, ary ho fonenan'ny fanahy ratsy izy mandritra ny fotoana ela.
36 Ry Jerosalema o, mba mitodiha any amin'ny fiposahan'ny masoandro ary mitazana manodidina anao, dia ho hitanao ny hafaliana entin'Andriamanitra aminao.
37 Indreny tamy ireo zanakao hitanao nandeha ho babo; tonga avy any rehetra any ireo, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, nangonin'ny feon'ilay Andriamanitra masina, ka ravo tokoa miatrika ny voninahiny.
Toko faha-5
1 Ry Jerosalema o, avelao ny akanjom-pahoriana manala baraka anao ka iakanjoy mandrakizay ny fanamiam-boninahitra avy amin'Andriamanitra.2 Itafio toy ny lamba matevina roa sosona ny famonjena avy amin'Andriamanitra ho anao. Aoka ny voninahitr'ilay Andriamanitra Mandrakizay no ho toy ny satroboninahitra apetrakao eo an-dohanao.
3 Satria hasehon'Andriamanitra amin'ny tany tontolo ambanin'ny lanitra ny famirapiratana izay atafiny anao.
4 Ary ny anarana mandrakizay izay homeny anao dia hatao hoe: " Fiadanam-pamonjena, sy famirapiratam-pitiavam-bavaka."
5 Miarena, ry Jerosalema, mijoroa eo antampon-kavoana, mitodiha any amin'ny fiposahan'ny masoandro ary mitazana manodidina anao; jereo ny zanakao miangona avy any rehetra any, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, noho ny feon'ilay Andriamanitra Masina, ka ravo tokoa fa notsarovan'Andriamanitra.
6 Nandeha an-tongotra no nandaozany anao sady natositosik'ireo fahavalony; lanjaina amim-boninahitra kosa, toy ny mpanjaka amin'ny sezafiandrianana, no amerenan'Andriamanitra azy aminao.
7 Fa nobaikoin'Andriamanitra hietry ny tendrombohitra avo rehetra sy ny dongom-pasika tsy hita fetra; nasainy nototofana ny hadilalana mba hitovy tantana ny tany , satria ny vahoaka Israely dia tiany handeha milamina omban'ny voninahiny.
8 Nobaikoin'Andriamanitra ihany koa ny ala sy ny hazo mani-pofona rehetra hanome alokaloka ho an'ny vahoaka Israely.
9 Fa hotantanan'Andriamanitra io vahoaka io, omban-kafaliana sy hazavain'ny voninahiny, satria namindrany fo sy novonjeny.
Taratasin'i JeremiÃ
1 Noho ny ota izay nataonareo tamin'ny TOMPO no hitondran'i Nebokadnetsara mpanjakan'ny Babilonianina anareo ho babo any Babilona.2 Rehefa tonga any ianareo, dia hijanona maharitra any, mandritra ny taona maro hatramin'ny taranaka fito mifandimby. "Rehefa afaka izany, dia hataoko izay hamoahana anareo soa aman-tsara" hoy ny TOMPO.
3 Ankehitriny dia hahita andriamanitra hazo voarakotra volamena sy volafotsy any Babilona ianareo. Lanjaina eny an-tsoroka ireny amin'ny filaharambe ary maharaiki-tahotra ny hafa firenena.
4 Koa tandremo tsara mba tsy ho tonga tahaka ireo hafa firenena ianareo. Tandremo! Aza manaiky ho azon'ny fivavahany,
5 raha mahita ny vahoaka miankohoka mitehi-tany eo aloha sy eo aorian'ireny andriamanitra ireny ianareo! Fa izao no lazao anakampo: "TOMPO o, Ianao ihany no tsy maintsy hotsaohina".
6 Fa ny TOMPO efa nilaza hoe: "Ny anjeliko no hiaraka aminareo, ka hiaroanareo."
7 Ny lelan'ireo andriamanitra ireo dia nosokirin'ny mpahay taozavatra tanaty vatan-kazo. Na dia voarakotra volamena sy volafotsy aza ireny, dia fitaka ihany fa tsy mahay miteny.
8 Ho azy ireo dia alaina ny volamena, tahaka ny ho an'ny tovovavy jefy mihitsy,
9 ka hanaovana satro-boninahitra hapetraka eo an-dohany. Mety ho tonga aza ny fakan'ireo mpisorony indray io volafotsy sy volamena io mba hampiasainy ho an'ny tenany manokana,
10 na mba hanomezany ho an'ireo vehivavy janga voatokanao. Ireo andriamanitra hazo voarakotra volamena na volafotsy ireo dia ampiakanjoina tahaka ny olona.
11 Nefa tsy mahay miaro tena amin'ny harafesina na olitra izy. Raha nampiakanjoina fitafiana mihaja izy,
12 dia tsy maintsy fafana ny tavany noho ny vovoky ny tempoliny izay niangona matevina teo.
13 Tahaka ny mpifehy faritany, dia mba mitana tehim-pahefana koa izy, nefa tsy afaka hampamono ho faty izay nanao hadisoana taminy.
14 Ny sasany mitana lefom-pohy na famaky eny an-tanany nefa tsy afaka miaro tena amin'ny miaramila na ny mpangalatra. Miharihary amin'izany fa tsy andriamanitra ireny; ka aza manaja azy akory.
15 Ny vilia, rehefa vaky, dia tsy ilaina intsony;
16 ny andriamanitra izay apetrak'ireny olona ireny ao amin'ny tempoly dia toy ny vilia vaky ka tsy ilaina akory. Rakotry ny vovoka ingain'ny tongotry ny olona mitsidika azy ny masony.
17 Raha misy olona iray nanao heloka tamin'ny mpanjaka, dia hidina an-tranomaizina toy ny voaheloka ho faty; tahaka izany koa no ataon'ny mpisorona hiarovana ny mpangalatra tsy handroba ireo andriamanitra ireo: asiany varavarana nohamafisina misy hidiny sy karetsaka ny tempoly.
18 Mandrehitra jiro ao ny mpisorona, ka ataony maro noho izay ilain'ny tenany aza, nefa tsy afaka mahita iray amin'ireny akory ireo andriamaniny.
19 Mampahatsiaro ny anankiray amin'ireo andry ao amin'ny tempoliny izany: boboka hono ny ao anatiny. Kikisan'ny bibikely avy ao amin'ny tany ireny andriamanitra hazo ireny, tahaka ny ikikisany ny fitafiany koa; nefa tsy tsapan'ireo andriamanitra ireo akory izany.
20 Maintin'ny setroka miparitaka ao amin'ny tempoly ny tavany.
21 Tonga mba hiteronterona eny amin'ny vatany na eny an-dohany ireo ramanavy sy ny sidintsidina mbamin'ny vorona hafa; ary hita eny mbamin'ny saka aza.
22 Izany no hahafantaranareo fa tsy andriamanitra ireny; ka aza manaja azy akory.
23 Ny amin'ny volamena izay narakotra mba handravahana azy, dia tsy hainy ampamirapiratina ka olona no manadio ny matromatroka eo. Fa fony narendrika tao amin'ny lafaoro aza ireny, dia tsy nandre na inona na inona akory!
24 Novidina lafo izy ireo nefa tsy manam-pofonaina velively.
25 Ary satria tsy afaka mandeha izy, dia tsy maintsy entina eny an-tsoroka. Izany no manaporofo amin'ny olona rehetra fa tsy misy vidiny izy.
26 Raha misy iray amin'ireo andriamanitra ireo mianjera amin'ny tany, dia tsy maintsy arenina; nony efa tafatsangana izy, dia tsy afaka mamindra ho azy. Ary raha mitongilana izy, dia tsy afaka miarina. Toy ny aterina amin'ny maty ny fanomezana atolotra an'ireo andriamanitra ireo.
27 Fa ny biby novonoina atolotra ho sorona ho azy dia amidin'ny mpisorona indray ho amin'ny tombontsoany. Na koa ny vadin'ireo mpisorona dia manao azy ho varangan-kena fa tsy manome azy ho an'ny mahantra sy ny kilemaina.
28 Ny vehivavy maloto azon'ny fadim-bolana na tera-bao aza dia sahy mikasika ny biby natao sorona. Koa fantaro amin'ireo ohatra ireo fa tsy andriamanitra ireny, ka aza manaja azy akory.
29 Avy aiza moa no hiantsoana ireo zavatra vita hazo norakofana volamena sy volafotsy ireo hoe andriamanitra, kanefa vehivavy no manao fanompoana azy ?
30 Ao amin'ny tempolin'ireo andriamanitra ireo no mipetraka ny mpisorony, ka voatriatra ny fitafiany, voaharatra ny volon-dohany sy ny volom-bavany ary mihanjahanja ny lohany.
31 Mikiakiaka toy ny biby izy eo anatrehan'ireo andriamaniny, toy ireny misakafo amin'ny fisaonana ireny!
32 Avy eo dia endahany ny fitafian'ireo andriamaniny ireo mba hampitafiany ireo vadiny aman-janany avy.