Daniela Grika
Toko faha-14
30 Tsapan'ny mpanjaka fa norahonana mafy izy, koa dia voatery nanolotra azy an'i Daniela.31 Natsipin'ireo Babilonianina tao an-davaky ny liona i Daniela ary nijanona tao nandritra ny enina andro.
32 Nisy liona fito tao an-davaka izay nomena fatin'olona roa sy ondry roa isan'andro. Nefa tamin'ity, dia tsy nomena na inona na inona ireo mba hihinana ny an'i Daniela.
33 Sendra tao amin'ny tanin'i Joda kosa i Habakoka mpaminany tamin'izay. Avy nahandro lasopy izy ka nanao izany tao anaty lovia tsatokaty niaraka tamin'ny poti-mofo ary nitondra izany ho an'ny mpijinja any an-tsaha.
34 Dia hoy ilay anjelin'ny TOMPO tamin'i Habakoka: -Ento any amin'i Daniela ny sakafo eny aminao iny, fa any Babilona ao an-davaky ny liona izy izao.
35 Fa hoy ny navalin'i Habakoka: -TOMPO o, tsy mbola nahita an'i Babilona aho ary tsy fantatro akory izany lavaka izany.
36 Dia noraisin'ilay anjely tamin'ny volony izy, ka nentiny tahaka ny tadio hatrany Babilona ary napetrany teo amoron'ny lavaka.
37 Niantsoantso kosa i Habakoka nanao hoe: -Ry Daniela o, ry Daniela o, indro raiso ny sakafo nalefan'Andriamanitra ho anao!
38 Ka hoy i Daniela: -Notsarovanao tokoa aho, Andriamanitra o! Fa tsy mba nilaozanao izay tia anao !
39 Dia nitsangana i Daniela ka nihinana, fa ilay anjelin'ny Tompo kosa namerina an'i Habakoka tany amin'ny taniny.
40 Ny andro fahafito, dia tonga hitomany an'i Daniela ny mpanjaka. Saingy raha nankeo amin'ny lavaka izy ka nijery ny tao anatiny, dia nahita an'i Daniela mipetraka soa aman-tsara.
41 Niantso mafy ny mpanjaka ka nanao hoe: -Lehibe Ianao, ry TOMPO Andriamanitr'i Daniela! Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao irery ihany!
42 Dia nasain'ny mpanjaka nesorina tao an-davaka izy. Fa ireo izay nikendry hahafaty azy kosa no nasainy natsipy tao, ka voarapaky ny liona vetivety foana teo imasony.
1 Makabeo
Toko voalohany
1 I Aleksandra Lehibe, zanakalahin'i Filipo mpanjaka masedonianina, dia niainga avy ao Masedonia izay taniny mba hiantafika. Tamin'izay no nandreseny an'i Dariosa amperoran'ny Persianina sy Medianina, ka nanitarany fanjakana tamin'i Gresy aloha, ary koa nahatonga azy ho amperora nandimby an'i Dariosa.2 Dia niantafika imbetsaka i Aleksandra Lehibe, ka nahazo tanana mimanda maro sy namono ireo mpanjaka tompon-tany.
3 Tongany hatrany amin'ny faran'ny tany, ka firenena maro no nahazoany babo. Rehefa nilamina ny tany teo ambany fahefany, dia niavonavona am-po sy nibohibohy izy.
4 Namory tafika mahery tokoa izy, ka nampanaiky faritany amam-pirenena sy mpanjaka maro izay nanjary mpandoa hetra ho azy.
5 Avy eo dia nilamaka tao am-pandriana i Aleksandra Lehibe, ary nanandindona azy ny ho faty;
6 ka nantsoiny hanatona azy ny manamboninahiny, dia ireo andriambaventy namany hatry ny fahazazany, ary nozarainy tamin'ireo ny fanjakany dieny mbola tsy maty izy.
7 Naharitra 12 taona no nanjakan'i Aleksandra Lehibe, dia nodimandry izy.
8 Samy nandray fahefana teo amin'ny zarataniny avy ireo manamboninahiny.
9 Samy nisatroka ny fehiloha maha mpanjaka azy avy izy rehetra, taorian'ny nahafatesan'i Aleksandra; toy izany koa no nataon'ireo zanany nandimby azy nandritra ny taona maro, ary nampitomboiny be ny faharatsiana teto an-tany.
10 Nisy taranaka anankiray tsy mpivavaka, nipoitra avy amin'ireo mpanjaka ireo, dia i Antiokosa Epifana zanakalahin'i Antiokosa mpanjaka. Natao antoka tany Roma izy io, dia tonga mpanjaka tamin'ny taona faha-137 nisian'ny fanjakana grika tao Siria.
11 Tamin'izany andro izany, nisy andian'olom-poana avy amin'i Israely ka nahatarika hafa maro fony nanao hoe: "Ndeha isika hikambana amin'ireo firenena manodidina antsika, fa niharam-pahavoazana isika, hatrizay nitokanantsika lavitra an'ireo izay."
12 Noheverina ho tsara harahina izany teny izany,
13 ka ny sasany tamin'ny vahoaka dia dodona ery nanatona ny mpanjaka; izy kosa nanome lalana hanarahany ny fanaon'ny firenen-kafa.
14 Dia namboatra toerana fanaovana fanatanjahan-tena tao Jerosalema ireo olona ireo, araka ny fomban'ny firenen-kafa.
15 Nofoanany koa ny mariky ny famorana azy , ary nialany ny fanekem-pihavanana masina mba hikambanany amin'ny firenen-kafa. Dia nivaro-tena izy hanao ny ratsy.
16 Nony efa hitan'i Antiokosa fa mafy orina ny fanapahany, dia nihevitra izay hanjakany amin'i Ejipta izy mba ho tonga mpanjaka amin'ny fanjakana roa tonta.
17 Ka niditra tany Ejipta izy nitondra tafika goavana, nomban-kalesy aman'elefanta sy mpitaingin-tsoavaly mbamin'ny sambo vaventy maro.
18 Nanomboka ady tamin'i Ptolemeo mpanjakan'i Ejipta izy; nefa raiki-tahotra io teo anoloany, ka nitsoaka nandositra ary miaramilany maro no niampatrampatra maty.
19 Azon'i Antiokosa ny tanana mimanda tao Ejipta ary nofaohiny ny babo eran'io tany io.
20 Rehefa avy nandresy an'i Ejipta izy tamin'ny taona faha-143 , dia niakatra nomban-tafika goavana hamely an'i Israely sy i Jerosalema.
21 Tamin'izay i Antiokosa dia nisolantsolana niditra tao an-tempoly; ka nalainy avokoa ny alitara volamena, ny fitoeran-jiron'ny fanazavana mbamin'ny kojakoja rehetra momba azy,
22 ny latabatra fasiana ny mofo atolotra ho an'Andriamanitra, ny jogy fandrarahan-divay, ny tsatokaty, ny fitaovana fandoroana vovo-javamanitra , ny efitra lamba, ary ny fehiloha. Nendahany hatraiza hatraiza ny peta-bolamena manontolo nandravaka ny rindrina anoloana teo amin'ny tempoly,
23 nalainy koa ny volamena sy volafotsy ary ny fanaka sarobidy mbamin'ny raki-tsoa niafina azony nokarohina.
24 Nentiny avokoa izany rehetra izany, dia lasa nody any amin'ny taniny izy. Namono olona betsaka tokoa izy ary namoaka teny feno avonavona mihoa-pampana.
25 Fisaonana lehibe no teo amin'ny Israelita manerana ny faritra manontolo nonenany.
26 Velon-taraina ny manampahefana aman-doholona; niraviravy tanana ny zatovovavy sy zatovolahy, nihamatroka ny bikan'ny vehivavy.
27 Ny vao nampaka-bady dia re nidradradra; ny avy nampakarina dia namarin-dranomaso nipetraka tao an'efitrano fampakarana.
28 Nihorohoro ny tany noho izay nanjo ny mponin'i Israely, fa safo-kenatra avokoa izay rehetra taranak'i Jakoba.
29 Roa taona taorian'izany ny mpanjaka no nandefa mpamory hetra ho any amin'ny tananan'i Jodea; dia tonga tao Jerosalema izy io, nomban-tafika goavana.
30 Nanao teny malefaka hamitahana ny mponina izy ka noraisin'ny olona tamin-toky. Kanjo nodainany tampoka ny tanana ka nianjadian'ny loza mafy; ary nahafatesany betsaka ny Israelita.
31 Nobaboiny ny tanana, nodorany tamin'ny afo, noravany ny trano sy ny manda manodidina.
32 Nentin'ny miaramila ho babo ny zaza amam-behivavy ary nalainy ho fananana koa ny biby fiompy.
33 Avy eo dia nohodidinin'ny Sirianina manda avo sy matevina ny Tananan'i Davida, sady nasiany tilikambo mafonja, ka nataony toera-mafy ho azy.
34 Karazan'olon-dratsy, tsy manam-pinoana ary tsy mpanara-dalana, no napetrany tao sy niorinamafy teo.
35 Fiadiana sy sakafo no natobiny tao; dia nangoniny koa ny remby azony tao Jerosalema ka napetrany tao; ary izany toera-mafy izany dia nataony fandrika goavana.
36 Eny, tonga fanotrehana izany hamelezana ny tempoly, sady asan-devoly mamohehatra hamelezana lalandava an'i Israely.
37 Teo amin'ny manodidina ny tempoly no nandrarahan'ireo fahavalo ireo ny ain'ny olona tsy manan-tsiny ka nandotoany io toeramasina io.