Bena-SirĂ ka

Toko faha-40

27 Ny fanajana ny TOMPO dia tahaka ny saha mahavokatra; ary miaro tsaratsara kokoa izany noho ny voninahitra isan-karazany.

28 Anaka, aoka tsy ho fiaina-mpangataka no hataonao; aleo ny ho faty toy izay ny ho mpangata-dava.

29 Ny fiainan'olona manandrandra ny sakafon'ny hafa dia tsy mba azo heverina velively ho fiainana; fa mandoto fanahy amin'ny hanin'ny hafa izy, kanefa zavatra tokony ho fadina mihitsy izany amin'ny olona manam-pahalalana sy tsara taiza.

30 Eo am-bavan'izay tsy manan-kenatra dia toa mamy ny sakafo nangatahiny; fa ao an-kibony dia handoro hoatra ny afo izany.

Toko faha-41

1 Ry fahafatesana o, akory ity hangidin'ny fahatsiarovana anao ho an'ny velona am-piadanana ao anatin'ny fananany, ho an'ny olona afaka ahiahy sy ambinina amin'ny zava-drehetra sady mbola matanjaka no manao izay mahafinaritra azy !

2 Ry fahafatesana o, sitrako ny tendrinao ho an'ny olona mahantra sy mihareraka na efa tratra antitra sy vesaran'ahiahy isan-karazany na mikomy sy tsy mahay mandefitra intsony.

3 Anaka, aza atahorana ny fotoana voatendry hahafatesanao; tsarovy ireo nialoha anao sy izay ho avy any aoriana.

4 Tendry ampiharin'ny TOMPO amin'izay miaina rehetra izany; ka nahoana moa no ho lavinao ny sitrapon'ilay Avo Indrindra? Na folo taona no efa niainanao na zato taona na arivo taona, dia tsy horaharahaina izany any amin'ny toeran'ny maty any.

5 Zaza maharikoriko toetra ny zanaky ny mpanota izay miaina ao an-tranon'ny tsy mpivavaka.

6 Ho rava no alehan'ny lovan'ireo zanaky ny mpanota, ary fahafaham-baraka no miraikitra amin'ny taranany.

7 Ny ray tsy mpivavaka dia homen-janany tsiny, satria io rainy io no mahatonga azy ho afa-baraka.

8 Mampalahelo ianareo, ry olona tsy mpivavaka izay efa nahafoy ny lalanan'Andriamanitra Avo Indrindra.

9 Raha teraka ianareo, dia teraka hiharan'ny ozona; raha ho faty ianareo, dia ny ozona no ho anjaranareo.

10 Izay rehetra avy amin'ny tsinontsinona dia hiverina amin'ny tsinontsinona; toy izany no alehan'ny tsy mpivavaka izay manomboka iharan'ny ozona ka miafara amin'ny faharavana.

11 Misaona ny olona noho ny hanjo ny vatana, fa tsy ho levona kosa ny lazan'ny mpivavaka.

12 Imasoy tokoa ny hanan-daza tsara fa haharitra hanjohy anao izany, mihoatra noho ny vongam-bolamena arivo.

13 Andro azo isaina ny hoe fiainana sambatra, fa ny laza tsara kosa maharitra mandrakizay.

14 Tandremo amim-piadanana, rey anaka, ny fampianarako: ny fahendrena afenina sy ny rakitra tsy hita, inona no tombontsoa azo avy amin'izy roa tonta?

15 Aleo olona manafina ny hadalany toy izay olona manafina ny fahendreny.

16 Ho lazaiko aminareo ny zavatra tokony hahamenatra, satria tsy tsara fitahiry avokoa ny karazan-kenatra; sady tsy tombana mahatoky hatrany no ataon'ny besinimaro amin'ny zava-drehetra.

17 Manana henatra ny amin'ny fitondrantena ratsy eo anatrehan'ny ray aman-dreny na ny amin'ny filazana lainga eo anatrehan'ny lehibe sy manampahefana;

18 manana henatra ny amin'ny fanaovan-keloka eo anatrehan'ny mpitsara sy ny olon-dalana, na ny amin'ny fandikana lalanan'Andriamanitra eo anatrehan'ny fiangonana sy ny vahoaka; manana henatra ny amin'ny famitahana eo anatrehan'ny namana aman-tsakaiza,

19 na ny amin'ny fanaovana halatra eo anatrehan'ny mpiara-monina. Ataovy henatra ny mandrava fianianana na fifanekena, ny manatsotra tanana hangataka mofo fiantrana na ny manda hanome izay angatahina aminareo,

20 ny tsy mamaly an'izay miarahaba anareo na ny mifantoka mijery vehivavy janga;

21 ataovy henatra ny tsy miraika amin-kavana, na ny maka ny anjara izay nomena ny hafa, ny mifantoka mandinika vehivavy vadin'olona ,

22 na ny mivarilena amin'ny mpanompovavinareo sy ny tamana eo akaikin'ny fandriany. Ataovy henatra ny manao teny mandatsa eo anatrehan'ny sakaizanareo; indrindra aza manao fandatsana, rehefa avy nanome zavatra azy.

Toko faha-42

1 Ataovy henatra ny manao tati-bolana sy ny manambara tsiambaratelo. Dia ho henatra marim-pototra ny anao amin'izay ka hahazoanao sitraka amin'ny olona rehetra. Ireto zavatra ireto kosa dia aza ananan-kenatra ary aza ijeren-tavan'olona ka hanotanao:

2 Aza menatra ny manoa ny lalanan'ilay Avo Indrindra sy manoa ny fanekem-pihavanana nataony, na ny mamoaka didim-pitsarana manafaka ny tsy mpivavaka rehefa hita fa manana ny rariny izy.

3 Aza menatra ny manao kaontim-bola amin'ny sakaizanao sy ny mpiray dia aminao, na ny mizara ny lova iombonana miaraka amin'ny hafa.

4 Aza menatra ny mampiasa mizana sy vato marina na ny mandray soa be na kely

5 na ny mahazo tombony amin'ny varotra atao. Aza menatra koa ny manafay mafy ny zanakaona ny mikapoka ho loa-drany tehezan'ny mpanompo malaina.

6 Raha tsy azo antoka ny vadinao, dia mety raha asiana tombokase ny entana; ary raha misy tana-maro fandrairay, dia ataovy tsara hidy ny zavatra.

7 Raha misy vola ankininao amin'olona, dia isao sy lanjao; ary ataovy an-tsoratra izay omenao sy izay raisinao.

8 Aza menatra ny manafay ny olona adala sy ketrinana ny antidahy voky taona mbola revo amin'ny filibana. Dia hasehonao fa tsara taiza tokoa ianao sady hankatoavin'ny olona rehetra.

9 Ny manan-janakavavy, ho an'ny rainy, dia mampanahy azy na tsy miloa-bava aza izy; ary tsy ahitany torimaso ny fanahiana azy. Raha mbola tanora izy, dia atahorany fandrao hihoatra ny taona fanambadiana; rehefa nisy nampakatra indray izy, dia atahorany fandrao hanjary halan-dralehilahy.

10 Raha mbola virijiny izy, dia ahiny fandrao ho voakolikoli-na tovolahy ka hanana anaka mbola ao an-tranon-dray; rehefa manam-bady indray izy, dia ahiny fandrao hivadika amin'ny lalam-panambadiana; ary raha tamana an-tranom-bady izy, dia ahiny fandrao hitoetra tsy hanan-janaka.

11 Raha maditra ny zanakavavinao, dia ambeno mafy izy fandrao hahatonga anao hihomehezan'ny fahavalonao sy ho ambentin-dresaky ny ao an-tanana ary hampisy fitangorongoronan'olona; ka eo amin'ny fivorian'ny besinimaro, dia hataon-janakao safo-kenatra ianao.

12 Tsy tokony hisehoseho amin-dehilahy ny zanakavavinao na hiditriditra ao amin'ny efitranom-behivavy ,

13 satria ny vehivavy no mamoaka ny haratsiam-panahim-behivavy toy ny ivoahan'ny fositra avy amin'ny fitafiana.

14 Aleo ny haratsiam-panahin-dehilahy toy izay ny fandambolambom-behivavy! Ny zanakavavy tsy mahalala menatra dia manala baraka ny rainy.

15 Hotsahiviko izao ny asan'ny TOMPO ary hovisavisaiko izay hitako. Ny tenin'ny Tompo no nampisy ireo asany; ary izay naraikitry ny fandaharany dia tanteraka araka ny hevi-pitiavany.

16 Toy ny masoandro mamirapiratra izay mibanjina ny zava-drehetra, no ahitana ny voninahitry ny Tompo manenika ny asa rehetra nataony.

17 Na ireo anjelin'Andriamanitra aza dia tsy afaka hamisavisa mihitsy ny zava-mahagaga rehetra nataony: naorin'ny Tompo Mpifehy ny tontolo ireny mba hampijoro mafy izao rehetra izao ao anatin'ny voninahiny.

18 Mahalala ny halalin'ny ranomasina ny TOMPO ary mahalala ny halalin'ny fon'olombelona ka mahafantatra ny zava-miafina ao anatiny, satria ilay Avo Indrindra no manana ny fahalalana isan-karazany ka mijery tsara ny famantarana izay manamarika ny fizaram-potoana.

19 Manambara ny zavatra lasa sy ho avy Izy ary mampiharihary ny zava-miafina lalina.

20 Ny hevitry ny olona tsy mba misy midify Azy; ary ny teny ataony tsy mba misy takona Azy.

21 Narindran'ny TOMPO ireo asa lehibe izay novolavolain'ny fahendreny, satria efa nisy talohan'ny taona rehetra Izy ary haharitra mandrakizay mandrakizay; tsy nampiana na inona na inona ny tenany sady tsy nanesorana na inona na inona, ary tsy mba nila mpanolotsaina na iza na iza.

22 Endrey! Mahavariana ny asany rehetra hatramin'ny pitikafo kely indrindra izay azon'ny olona banjinina.

23 Velona ireo zavatra rehetra ireo ary maharitra mandrakizay avokoa sady manaiky amin'izay rehetra ilana azy.

24 Mifandraika tsiroaroa avy ny zava-drehetra ary tsy nisy nataon'Andriamanitra tsy tomombana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0492