EksĂ´dy
Toko faha-32
28 Nankatoavin'ny Levita ny tenin'i Mosesy, ka Israelita telo arivo eo ho eo no maty tamin'izany andro izany.29 Dia hoy i Mosesy tamin'ny Levita: -Androany dia voatokana ho amin'ny fanompoana ny TOMPO ianareo, satria novonoinareo na dia ny zanakareo sy ny rahalahinareo aza. Homen'ny TOMPO anareo anio anie ny fitahiana.
30 Nony ampitso dia hoy i Mosesy tamin'ny vahoaka israelita: -Nanao heloka bevava ianareo. Koa hiakatra ho any an-tendrombohitra any amin'ny TOMPO aho izao; angamba hahazo famelana ny helokareo aho.
31 Dia niverina tany amin'ny Tompo i Mosesy ka nanao hoe: -Indrisy, TOMPO o! Efa nanao heloka bevava ity vahoaka ity fa nanao andriamani-bolamena.
32 Koa ankehitriny raha sitrakao dia avelao ny helony, raha tsy izany dia vonoy ny anarako ao amin'ny bokim-piainana izay nosoratanao.
33 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Tsia, tsy misy hovonoiko ao amin'ny bokiko afa-tsy ny anaran'ireo izay nanota tamiko ihany.
34 Koa ankehitriny mandehana, ento any amin'ny toerana izay natoroko anao io vahoaka io; indro ny anjeliko hiaraka aminao. Fa amin'ny andro iray hamaizako azy, dia hanafay azy aho noho ny helony.
35 Koa namely ny Israelita ny TOMPO satria nangataka tamin'i Aharona ireo mba hanao sarivongana ombilahikely ho azy.
Toko faha-33
1 Nibaiko an'i Mosesy ny TOMPO hoe: -Mandehana, miala amin'ity toerana ity ianao sy ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta, ka mankanesa any amin'ny tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba fa homeko ny taranany.2 Hirahiko ny anjeliko mba hitari-dalana anareo; horoahiko ny Kanahanita sy ny Amorita, ny Hetita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.
3 Amin'izay ianareo dia ho afaka hiditra amin'io tany izay tondra-dronono sy tantely io. Saingy tsy hiara-mandeha aminareo ny tenako, fandrao haringako eny an-dalana ianareo satria vahoaka mafy hatoka.
4 Nony ren'ny vahoaka izany teny fandrahonana izany, dia nisaona izy, ka tsy nisy olona nitondra haingo intsony.
5 Ny TOMPO manko efa nandidy an'i Mosesy mba hilaza amin'ny Israelita hoe: Vahoaka maditra mafy hatoka ianareo rehetra! Koa raha hiara-mandeha aminareo Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handevona anareo. Koa esory aminareo aloha ireo haingonareo, dia ho fantatro amin'izay ny hataoko aminareo.
6 Noho izany, raha vao niala tao an-tendrombohitra Horeba ireo Israelita, dia nanaisotra ny haingony.
7 Isak'izay nilasy an-toby ny Israelita, dia nalain'i Mosesy ny tranolay masina ka naoriny teny ivelan'ny toby, teny lavidavitra. Nantsoina hoe Tranolay fihaonana izany, satria izay rehetra te hanontany ny TOMPO dia mivoaka ny toby ka mankao amin'izany tranolay izany.
8 Rehefa mankany i Mosesy, dia mitsangana avokoa ny olona mankeo am-baravaran'ny tranolainy avy, ka mijery an'i Mosesy ambara-pidiny ao amin'ny tranolay masina.
9 Rehefa tafiditra i Mosesy, dia nidina ny andry rahona ka nijanona teo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana ary niresaka tamin'i Mosesy ny TOMPO.
10 Raha vao hitan'ny Israelita rehetra ny andry rahona nijanona teo am-baravaran'ny tranolay masina, dia samy niankohoka amin'ny tany teo am-baravaran'ny tranolay avy ny tsirairay.
11 Ary ny TOMPO niteny nifanatrika tamin'i Mosesy tahaka ny olona miresaka amin'ny sakaizany. Taorian'izay dia niverina ho an-toby i Mosesy; fa i Josoa, zanakalahin'i Nona sady zatovo mpanompon'i Mosesy, no mbola nijanona tao anatin'ny tranolay masina.
12 Hoy i Mosesy tamin'ny TOMPO: -Jereo ange, TOMPO o! Ianao nandidy ahy mba hitarika ity vahoaka ity, nefa tsy nanondro izay tianao halefa hanampy ahy. Ianao ihany no nilaza fa fantatrao mihitsy aho ary nahazo fanambinana teo imasonao.
13 Koa raha mahazo fanambinana teo imasonao tokoa aho, dia mba ampahafantaro ahy izay fikasanao. Ho fantatro Ianao amin'izay; sady ho tena nahazo fanambinana teo imasonao aho. Tsarovy koa fa ity firenena ity dia vahoakanao.
14 Dia namaly ny TOMPO hoe: -Izaho mihitsy no handeha hiaraka aminao, ka hanome anao fiadanana!
15 Fa hoy indray i Mosesy taminy: -Raha tsy Ianao mihitsy no handeha hiaraka aminay, dia aza mibaiko anay hiala eto.
16 Raha toa manko tsy hiaraka aminay Ianao, ahoana no hahafantarana fa nahazo fanambinana teo imasonao ny tenako sy ny vahoakanao? Satria ny fiarahanao aminay ihany no mampiavaka anay amin'ireo vahoaka hafa rehetra eto ambonin'ny tany.
17 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Hotanterahiko na dia izay vao nolazainao teo aza. Nahazo fanambinana teo imasoko manko ianao sady efa fantatro mihitsy.
18 Hoy koa i Mosesy tamin'ny Tompo: -Avelao ary aho mba hahita ny voninahitrao.
19 Dia novalian'ny TOMPO hoe: -Handalo eo anatrehanao Aho ka haneho aminao ny hatsaram-poko manontolo sady hanambara ny anarako hoe Ny TOMPO. Fa hiantra izay tiako hiantrana Aho, ary hamindrafo amin'izay tiako hamindrana fo.
20 Kanefa ianao tsy mahazo mijery Ahy miatrika, satria tsy misy olona hijery Ahy miatrika ka ho velona.
21 Fa eto akaikiko eto, hoy Izaho TOMPO, dia misy toerana an-karambato hijanonanao.
22 Rehefa mandalo mamirapiratry ny voninahitro Aho, dia hafeniko eo an-tsefatsefaky ny harambato ianao, ary hosaronako amin'ny tanako mandra-pandaloko.
23 Avy eo vao hoesoriko ny tanako, ka ho azonao jerena avy ao ivohoko Aho, satria tsy azo jerena ny tavako.
Toko faha-34
1 Nandidy an'i Mosesy ny TOMPO hoe: -Manamboara vatofisaka roa toy ny teo aloha; hosoratako amin'ireo ny teny mitovy amin'izay voasoratra tamin'ireo vatofisaka voalohany efa nopotipotehinao.2 Mivonona ianao ho amin'ny rahampitso maraina; ka vao maraina dia miakara any an-tampon'ny tendrombohitra Sinay, ary andraso eo Aho.
3 Aoka tsy hisy olona hiaraka aminao! Aoka koa tsy hisy olona ho hita mihitsy eny an-tendrombohitra manontolo; ary aoka tsy hisy biby handrasana eny akaiky eny na iray aza, na ondry aman'osy na omby.
4 Dia nanamboatra vatofisaka roa mitovy amin'ny teo aloha i Mosesy. Ny ampitso vao maraina dia niakatra teny Sinay araka ny baiko nomen'ny TOMPO azy izy, sady nitondra ireo vatofisaka roa.
5 Nidina tao tamin'ny andry rahona ny TOMPO, ka nijanona tao niaraka tamin'i Mosesy. Nambarany azy ny anarany hoe Ny TOMPO.
6 Avy eo dia nandalo teo anatrehan'i Mosesy IZY sady mbola nanambara hoe: Izaho no TOMPO, TOMPO Andriamanitra mamindrafo sy miantra, mahari-po sy be fitiavana sady mahatoky.
7 Maneho ny fitiavako hatramin'ny taranaka faharivo Aho, ka mahalefitra ny heloka amam-pahadisoana ary ny ota; nefa kosa tsy manamarina izay meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka amam-parany hatramin'ny zafiafy sy zafindohalika.
8 Dia niankohoka haingana nitehi-tany i Mosesy mba hitsaoka ny TOMPO,
9 sady niantso hoe: -Tompo o, efa nahazo fanambinana teo imasonao ihany aho, koa miangavy anao mba hiara-dia aminay. Maditra mafy hatoka ity vahoaka ity, nefa mba avelao ny heloka amam-pahotany, ka raiso ho vahoakanao izahay.
10 Ary hoy ny TOMPO hoe: -Hanao fanekempihavanana aminareo Aho. Eo anatrehan'ny vahoakanao manontolo no hanaovako zava-mahagaga tsy mbola nisy toa azy teto ambonin'ny tany manontolo sy tamin'ny firenena rehetra; ho hitan'ireo Israelita rehetra manodidina anao fa tena mampitolagaga ny asa hotanterahiko amin'ny alalanao.
11 Tandremo tsara izay rehetra andidiako anareo anio, dia horoahiko eo anoloanareo ny Amorita sy ny Kanahanita, ny Hetita sy ny Perizita ary ny Hivita sy ny Jebosita.
12 Tandremo tsara mba tsy hanao fanekempihavanana amin'ny mponina amin'ny tany izay hidiranareo, fa ho fandrika ho anareo izany.
13 Fa ravao ny alitarany, poteho ny tsangambatony, ary kapao ireo tsato-kazo fanajany an'i Asera.
14 Aza miankohoka amin'andriamani-kafa ianareo, satria Izaho TOMPO dia antsoina hoe Ilay mpitandro hasina, ka Izaho irery ihany no ho Andriamanitrareo.
15 Koa aza manao fanekempihavanana mihitsy amin'ny mponina amin'izany tany izany. Rehefa manao fanompoam-pivavahana sy manolotra sorona amin'ireo andriamaniny manko izy, dia hanasa anareo handray anjara, ka hihinana amin'ireo sorona fanaony koa ianareo.
16 Ary haka vady amin'ny zanany vavy ireo zanakalahinareo, ka ireo vehivavy ireo dia hitarika ny zanakalahinareo hanaraka ny fanompoam-pivavahana fanaony amin'ireo andriamaniny.
17 Aza manao andriamanitra sarivongana ho anareo.
18 Ankalazao ny fetin'ny mofo tsy misy leviora; mandritra ny fito andro voatondro amin'ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Fa volana Abiba toy izany no nialanareo tany Ejipta.
19 Ahy ny voalohan-teraka rehetra, ary anatin'izany ny bibinareo; ka ny voalohan-teraky ny omby na ondry na osy dia tsy maintsy atolotra Ahy.