EksĂ´dy
Toko faha-34
20 Kanefa ny lahy voalohan-teraky ny borikivavy dia hosoloinareo zanakondry na zanakosy lahy, na hovonoinareo ka haolanareo ny tendany. Ary ny zanaka lahimatoanareo kosa dia havotanareo. Aza mankao amin'ny Toeramasina mitondra tanam-polo.21 Manana andro enina isan-kerinandro ianareo hiasanareo, fa amin'ny andro fahafito dia hitsahatra amin'ny raharahanareo ianareo na dia amin'ny fotoam-pamafazana sy fijinjana aza.
22 Ankalazao ny fetin'ny Pentekosta amin'ny fotoana hijinjanareo ny santa-bary, ary ny fetim-bokatra amin'ny fararano.
23 Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra ao aminareo no hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitr'i Israely.
24 Fa haka ny tanin'ny firenen-kafa Aho mba hanitarana ny faritaninareo, nefa tsy hisy olona hihevitra handrombaka ny taninareo mandritra ny intelo isan-taona hiakaranareo hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo.
25 Aza ampiarahina amin'ny mofo misy leviora ny sorona alatsa-dra, ary aza avela ho tra-maraina ny henan'ny sorona atao harivan'ny fetin'ny Paska.
26 Haterinareo ao an-tranoko ny santa-bokatry ny taninareo satria Izaho no TOMPO Andriamanitrareo; nefa aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
27 Mbola nandidy an'i Mosesy koa ny TOMPO hoe: -Soraty ireto didy ireto fa fototry ny fanekempihavanana ataoko aminao sy ny vahoaka israelita.
28 Dia nijanona tao niaraka tamin'ny TOMPO efapolo andro sy efapolo alina i Mosesy, nefa tsy nihinana na nisotro; ary izy no nanoratra tamin'ny vatofisaka roa ny didy folo, fototry ny fanekempihavanana.
29 Dia nidina avy eny an-tendrombohitra Sinay indray i Mosesy, nitondra teny an-tanany ny vatofisaka roa misy ilay raki-tsoratry ny fanekempihavanana; tsy fantany anefa fa namirapiratra ny tarehiny noho ny niresahany tamin'Andriamanitra.
30 Koa raha nahita ny tarehin'i Mosesy namirapiratra i Aharona sy ny Israelita rehetra, dia natahotra ny hanatona azy.
31 Niantso an-dry zareo i Mosesy, koa nanatona i Aharona sy ny lehiben'ny vahoaka, dia niresaka taminy.
32 Avy eo dia nanatona koa ny Israelita sisa rehetra, ka nampitain'i Mosesy taminy ny baiko rehetra izay nandidian'ny TOMPO azy tao an-tendrombohitra Sinay.
33 Rehefa vitan'i Mosesy ny teny nataony, dia nosaronany voaly ny tarehiny.
34 Hatreo dia esorin'i Mosesy ny voaly manarona ny tarehiny isaky ny tonga eo anatrehan'ny TOMPO izy hiresaka aminy. Rehefa mivoaka ny tranolay hampita ny baiko voarainy ho an'ny Israelita izy,
35 dia azon'izy ireo jerena ny tarehiny mamirapiratra. Avy eo dia saronany voaly indray ny tarehiny mandra-piveriny hiresaka amin'Andriamanitra.
Toko faha-35
1 Novorin'i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe: -Ireto no zavatra nandidian'ny TOMPO hotanterahinareo:2 misy andro enina hiasanareo isan-kerinandro, fa ny andro fahafito dia sabata, andro fitsaharana hatokanareo ho an'ny TOMPO. Koa izay olona rehetra manao raharaha amin'io andro io dia hovonoina ho faty.
3 Na aiza na aiza honenanareo, dia tsy azonareo atao na dia ny mandrehitra afo aza amin'ny andro sabata.
4 Nanohy nampita ny baiko avy amin'ny TOMPO ihany i Mosesy ka niteny tamin'ny Israelita tafangona teo nanao hoe:
5 -Angony ny fanomezana avy aminareo ho an'ny TOMPO; izay rehetra manome an-tsitrapo no aoka hitondra fanomezana isan-karazany ho an'ny TOMPO: dia volamena, volafotsy, halimo,
6 volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, rongony madinika, volon'osy,
7 hoditr'ondry miloko mena, hoditra mafy, hazo mimoza,
8 solika hampiasaina amin'ny fitoeran-jiro, ilomanitra hafangaro amin'ny ilomasina fanokanana sy amin'ny vovo-javamanitra hodorana,
9 vato berila sy vatosoa hafa hatao amin'ny efoda sy ny saron-tratran'ny mpisorombe.
10 Ary aoka ny mpahay taozavatra kinga rehetra ao aminareo hivory mba hanatanteraka izay rehetra nodidian'ny TOMPO:
11 dia ny fonena-masina miaraka amin'ny tranolay sy ny rakotra hiaro azy, ny farango, ny hazo fisaka, ny barany, ny andry miaraka amin'ny faladiany;
12 ny Vatamasina sy ny baony ary ny sarony; ny efitra lamba,
13 ny latabatra voatokana sy ny baony ary ny fitaovana rehetra miaraka aminy mbamin'ny mofo fanolotra an'Andriamanitra;
14 ny fitoeran-jiro sy ny fitaovana miaraka aminy, ny jiro sy ny solika fandrehitra,
15 ny alitara fandoroana vovo-javamanitra sy ny baony, ny ilomasina fanokanana, ny vovo-javamanitra hodorana, ny varavarana lamba eo amin'ny fidirana mankao amin'ny fonena-masina;
16 ny alitara fanaovana sorona sy ny makarakarany halimo ary ny baony mbamin'ny fitaovana rehetra miaraka aminy; ny kovetabe sy ny faladiany,
17 ny temitry ny kianja miaraka amin'ny andry sy ny faladiany, ny varavarana lamba eo am-bavahadin'ny kianja;
18 ny tsimatra momba ny fonena-masina sy ny fefin'ny kianja miaraka amin'ny tady mifandraika aminy;
19 ny lamba fandrakofana ny fanaka ao amin'ny Toeramasina ary ny fanamiana voatokana hiakanjoan'i Aharona sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany.
20 Dia nandao an'i Mosesy ny vahoaka israelita rehetra.
21 Nony avy eo, dia tonga avokoa izay olona rehetra nentanin'ny fony sy malala-tanana, ka samy nitondra fanomezana ho an'ny TOMPO mba hanamboarana ny Tranolay fihaonana, hanaovana fanompoam-pivavahana sy hanamboarana ny fanamiana voatokana.
22 Tonga ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra malala-tanana nitondra firavaka volamena isan-karazany, fisisika, kavina, peratra na vakana, ka nanolotra azy ho an'ny TOMPO araka ny fihetsika fanolorana izany.
23 Ireo rehetra nanana volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, rongony madinika, na volon'osy, na hoditr'ondry miloko mena na hoditra mafy ihany koa dia samy nitondra ny azy.
24 Ireo nanavaka volafotsy na halimo ho an'ny TOMPO koa dia samy nitondra ny azy; izay nanana hazo mimoza azo ampiasaina amin'ny fanatanterahana ny asa dia nitondra ny azy.
25 Samy nitondra ny kiran-drongony madinika sy ny volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky izay efa nofolesin'ny tanany koa ireo vehivavy kinga.
26 Nisy koa vehivavy kinga hafa nazoto namoly volon'osy.
27 Ireo lehiben'ny vahoaka israelita kosa nitondra ny vato berila sy ny vatosoa hafa hatao amin'ny efoda sy ny saron-tratran'ny mpisorombe,
28 mbamin'ny ilomanitra sy ny solika hatao amin'ny jiro sy ho an'ny ilomasina fampiasa amin'ny fanokanana ary ny vovo-javamanitra hodorana.
29 Ny Israelita malala-tanana rehetra, na lahy na vavy, dia nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an'ny TOMPO mba ho enti-manao ireo asa izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.
30 Hoy i Mosesy tamin'ny Israelita: -Jereonareo fa nofidin'ny TOMPO i Betsalela, zanakalahin'i Ory sady zafikelin'i Hora, avy amin'ny fokon'i Joda,
31 ary nofenoiny ny Fanahiny mba ho tena kinga sy marani-tsaina, ka mahalala ny haitao isan-karazany:
32 hainy ny manao vinavinan'asa, ny miasa volamena sy volafotsy ary halimo,
33 ny mandidy ny vatosoa sy mandrafitra azy, ny manao sokitra ny hazo, izany hoe hainy atao ny asa kanto samihafa.
34 Nomen'ny TOMPO azy ny fahaiza-mampianatra, tahaka izay nomeny an'i Oholiaba, zanakalahin'i Ahisamaka, avy amin'ny fokon'i Dana.