Jôela
Toko faha-3
3 Hampiseho zava-mahagaga eny amin'ny lanitra sy ety amin'ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitambolina.4 Ho maizina ny masoandro ary ho mena toy ny ra ny volana mialoha ny hiavian'ny andron'ny TOMPO izay andro lehibe sady mahatahotra.
5 Ary na iza na iza hiantso ny anaran'ny TOMPO dia ho voavonjy. Fa eo an-tendrombohitra Tsiona sy ao Jerosalema, araka ny voalazan'ny TOMPO, dia hisy sisa afaka, dia izay nantsoiny hoanisan'ireo velona aina.
Toko faha-4
1 Amin'izany andro izany indrindra, hoy ny TOMPO, dia haveriko amin'ny toetrany taloha i Joda sy i Jerosalema.2 Hangoniko ny hafa firenena rehetra ka hampidiniko avokoa ho eo amin'ny lohasaha atao hoe Ny TOMPO no mitsara. Eo no hitsarako azy noho izay rehetra nataony tamin'i Israely vahoakako sy fananako, ka nampielezany azy tany amin'ny firenen-kafa sy nizarazarany ny taniko.
3 Nanaovany an-tsapaka ny vahoakako; ka zazalahy no namidiny ho takalona mpivarotena, ary zazavavy no namidiny hahazoana divay hosotroina.
4 Ianareo kosa, ry i Tiro sy i Tsidona, mbaminareo rehetra faritr'i Filistia, inona no tadiavinareo hatao amiko? Moa hamaly faty Ahy va ianareo? Raha izany no tadiavinareo hatao amiko, dia hatsingeriko haingana eo an-dohanareo.
5 Nalainareo ny volafotsiko sy ny volamenako ary ny raki-tsarobidiko ka nentinareo any amin'ny tempolinareo.
6 Ary ny mponin'i Joda sy i Jerosalema kosa dia namidinareo tamin'ny Grika mba hampanalavirina ny taniny.
7 Fa hampodiko avy amin'ny tany izay nivarotanareo azy izy ka hatsingeriko ho eo an-dohanareo ny ratsy izay nataonareo.
8 Koa hamidiko amin'ny mponin'i Joda ny zanakalahy sy ny zanakavavinareo. Ireo indray hivarotra azy amin'ny Sabeanina izay firenena any lavitra. Izaho TOMPO no miteny izany.
9 Antsoantsoy any amin'ny hafa firenena izao: Miomana hiady, vonony ny miaramilanareo; aoka ny mpiady rehetra hiara-manainga.
10 Tefeo ho sabatra ny lelan'angadinombinareo ary ho lefona ny antsim-barinareo; aoka na dia ny osa aza mba hihiaka hoe: Mahery aho.
11 Tongava faingana ianareo rehetra any amin'ny firenena manodidina any ka mivoria ao amin'io lohasaha io. Ampidino ao, TOMPO o, ireo maherinao mba hamely azy.
12 Aoka hiara-manainga ireo hafa firenena ka hiakatra ao amin'ny lohasaha atao hoe ny TOMPO no mitsara. Eo Izaho TOMPO no hipetraka hitsara ny hafa firenena rehetra manodidina.
13 Arosoy ny antsim-bary hijinjana azy toy ny fijinja ny vokatra masaka Avia ianareo hanosihosy azy toy ny fanosy ny voaloboka izay mameno ny famiazana. Mihoatra ny vata fanantazana azy ny divay; eny, be tokoa ny faharatsian'ireo olona ireo.
14 Vahoaka tsy hita isa no tonga ao amin'ny lohasaha Fitsarana fa efa antomotra ny androm-pahatezeran'ny TOMPO.
15 Mihamaizina ny masoandro sy ny volana ary tsy mamiratra intsony ny kintana.
16 Avy ao Tsiona ny TOMPO no manerona, ary avy ao Jerosalema Izy no manandra-peo. Mihorohoro ny tany aman-danitra! Fa ny TOMPO no fialofan'ny vahoakany sy fiarovana ho an'ny Israelita.
17 Ary hiaiky ianareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay monina ao Tsiona tendrombohitro masina. Dia ho tanana masina i Jerosalema, ka tsy hidiran'ny hafa firenena intsony.
18 Amin'izany andro izany dia hamokatra divay vao ny tendrombohitra, handriaka ronono ny biby fiompy eny an-kavoana. Hikoriana rano avokoa ny sakeli-dranon'i Joda. Ary hisy loharano hifantsitsitra avy ao an-tranon'ny TOMPO ka hanondraka ny lohasahan'i Sitima.
19 Ho tonga tany lao i Ejipta ary ho taniefitra foana i Edoma noho ny herisetra nataony tamin'ny taranak'i Joda, dia ny nandatsahany ran'ny tsy manan-tsiny teo amin'izany tany izany.
20 Eny, hambarako ho tsy manan-keloka izy. Fa i Joda sy i Jerosalema dia honenana mandrakizay ary Izaho TOMPO kosa dia honina ao Tsiona.
Hamôsa
Toko voalohany
1 Tenin'i Hamosa izay anankiray tamin'ireo mpiompy tao Tekoa. Roa taona talohan'ny horohorontany, dia fahitana no nahafantarany an'ireo teny manakiana ny fanjakan'i Israely ireo, fony mpanjaka tao Joda i Hozia ary mpanjaka tao Israely i Jerobohama zanakalahin'i Joasy.2 Hoy i Hamosa hoe: Avy ao Tsiona ny TOMPO no manerona ary avy ao Jerosalema Izy no manandra-peo. Dia malahelo ny saha fiandrasana biby fiompy ary maina ny tampon'i Karmela.
3 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny mponin'i Damasy, fa indrindra ity anankiray ity: Novakivakiny tamin'ny hersa vy ny mponin'i Gilehada. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
4 Handefasako afo ny lapan'i Hazaela mpanjaka, ka ho levon'izany koa ny trano-fiarovan'i Bena-Hadada mpanjaka.
5 Hopotehiko ny hidim-bavahadin'i Damasy; haringako ny mponina ao an-dohasahan-keloka sy ilay mpitana tehim-panjakana ao an-dapam-pilibana; ary ny vahoakan'i Siria ho lasan-ko babo any Kira. Izaho Tompo no miteny.
6 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny mponin'i Gaza, fa indrindra ity anankiray ity: nentiny ho babo avokoa ny iray tanana manontolo mba hatolony ho an'ny Edomita. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
7 Handefasako afo ny tananan'i Gaza ka ho levon'izany ireo lapany.
8 Dia haringako ny mponina ao Asdoda sy ilay mpitana tehim-panjakana ao Askelona; ary hahodiko hamely an'i Hekrona ny tanako ka ho faty izay sisa amin'ny Filistinina. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no miteny.
9 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny mponin'i Tiro, fa indrindra ity anankiray ity: Natolony ho babo ho an'ny Edomita avokoa ny iray tanana manontolo, fa tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana nataony tamin'i Israely. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy.
10 Handefasako afo ny tananan'i Tiro ka ho levon'izany ireo lapany.
11 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny mponin'i Edoma, fa indrindra ity anankiray ity: Nenjehiny hotrobarana sabatra ny Israelita rahalahiny sady tsy nananany antra akory; tsy nisy fetra ny fahatezerany namiravira, ary nitahiry lolom-po mandrakariva izy. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
12 Handefasako afo ny tananan'i Temana ka ho levon'izany koa ireo lapa ao Botsera.
13 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny Hamonita, fa indrindra ity anankiray ity: Notatahany ny kibon'ireo bevohoka tao Gilehada mba hanitarana faritany. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
14 Handefasako afo ny tananan'i Raba ka ho levon'izany ireo lapany; sady hisy akoran'ady amin'ny andro iadiana ka hahery vaika toy ny tafio-drivotra ny fifamelezana.
15 Ho lasan-ko babo ilay mpanjakany sy ireo manamboninahitra miaraka aminy. Izaho Tompo no miteny.
Toko faha-2
1 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny mponin'i Moaba, fa indrindra ity anankiray ity: Nodorany ho sokay ny taolan'ilay mpanjakan'i Edoma. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:2 Handefasako afo ny tanin'i Moaba ka ho levon'izany koa ireo lapa ao Kiriota; ho faty ao anatin'ny kotaba ny Moabita, ho faty ao anatin'ny akoran'ady sy ny feon-trompetra.
3 Haringako ilay mpitsara ao aminy ary hovonoiko miaraka aminy koa ireo manamboninahiny rehetra. Izaho Tompo no miteny.
4 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny mponin'i Joda, fa indrindra ireto: Nanao tsinontsinona ny fampianarako izy ary tsy nitandrina ny didiko sady nanaiky ho voafitaky ny andriamanitra sampy izay efa notompoin'ireo razany. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
5 Handefasako afo ny tanin'i Joda ka ho levon'izany koa ireo lapa ao Jerosalema.
6 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny mponin'i Israely, fa indrindra ireto: Namidiny ho andevo ny olon-tsotra raiki-trosa mba hamerenana ny volany; ary namidiny ho andevo ny mahantra satria tsy nahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.
7 Hitsahiny eo ambony vovo-tany ny lohan'ny osa, ary aviliviliny ny fitarainan'ny mpandefitra eo amin'ny fitsarana. Olona mianaka, dia mifandimby mandry amin'ny zatovovavy iray ihany mba hanevatevana ny anarako masina.
8 Lamba nomen'ny mahantra ho antoka no itsilailaizany eny akaikin'ny alitara rehetra eny; ary divay azo avy amin'ny sazy no sotroiny ao an-tempolin'ireo andriamaniny.
9 Izaho anefa no nandringana ny Amorita teo anatrehany, dia olona ranjanana tahaka ny hazo sedera ary matanjaka tahaka ny hazo oaka; eny, nopotehiko avokoa na ny fotony na ny voany.
10 Izaho koa no nampiakatra anareo avy tany Ejipta sady nitari-dalana anareo efapolo taona tany an-taniefitra mandra-pahazoanareo ny tanin'ny Amorita.
11 Taoriana dia nisy natsangako ho mpaminany ny zanakalahinareo, ary nisy nantsoiko ho Nazirita ny zatovonareo; ka mba tsy izany tokoa ve, ry taranak'i Israely? Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
12 Kanjo nampisotroinareo divay ireo Nazirita; ary ny mpaminany noraranareo tsy hampita ny hafatr'Andriamanitra.