Hôsea

Toko faha-10

15 Toy izany no hanjo anareo, ry vahoakan'i Israely, noho ny haratsiana mihoa-pampana vitanareo. Vao maraina ny andro, dia ho faty ny mpanjakan'i Israely.

Toko faha-11

1 Fony mbola tanora i Israely, dia notiaviko, hoy Izaho Tompo; ary zanako izy ka nantsoiko hiala tany Ejipta.

2 Nefa arakaraka ny niantsoako azy no vao mainka nanalavirany Ahy. Nanatitra sorona ho an'i Bahala izy ary nandoro vovo-javamanitra ho an'ny sampy.

3 Izaho no nampiana-mandeha an'i Efraima sady nitondra azy an-trotroana. Kanefa tsy fantany fa Izaho no nikarakara azy.

4 Notahitahiko ny fitarihana azy tamin'ny mahazakam-pitiavana; ary ho azy Aho dia toy ny reny izay manainga ny zanany hatehika amin'ny takolaka sady niondrika namahana azy.

5 Tsy hiverina any Ejipta ny vahoakan'i Israely; fa i Asiria kosa no hanjaka aminy, satria tsy nety niverina tamiko izy.

6 Hisy ady mafotaka ao an-tananany, ka handrava ny fiarovany ary hahatonga fandripadripahana; izany no vokatry ny politikan'i Israely.

7 Minia miodina amiko ny vahoakako; ary antsoina mba hanatona Ahy ilay Avo izy fa tsy misy mety miainga izy rehetra.

8 Hataoko ahoana anefa no hahafoy anao, ry Efraima, na hamadika anao, ry Israely? Hataoko ahoana koa no hahafoy anao ho tahaka an'i Adma sy i Tseboima? Onena anao ny foko ato amiko fa indray miontana ny fitiavako.

9 Tsy hanampatra fahatezera-mirehitra Aho na ho avy handringana an'i Efraima; tsy olombelona Aho fa Andriamanitra dia Ilay Masina eo aminao; ka tsy ho avy amim-pahatezerana mafy Aho.

10 Ny TOMPO Izay hierona tahaka ny liona no harahin'ireo voasesitany hody. Ary rehefa mierona ny TOMPO, dia ireo zanany no hihazakazaka hanatona avy any ampitan-dranomasina any.

11 Avy any Ejipta koa izy no hanatona amin-kovitra toa voronkely, ary avy any Asiria no hanatona amin-kovitra toa domohina; ka dia hoentiko miverina any an-tranony indray izy. Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.

Toko faha-12

1 Hodidinin'ny olon'i Efraima lainga Aho ary mamely fitaka manodidina Ahy ny firenen'i Israely. I Joda kosa mbola miaraka amin'Andriamanitra sady mbola matoky an'Ilay Masina Indrindra.

2 Mamatsy diloilo an'i Ejipta i Efraima; ka rivotra no ivokisany amin'izany. Manao fifanekena amin'i Asiria izy dia manenji-drivotra avy atsinanana. Tontolo andro no ampitomboiny ny lainga sy ny herisetra.

3 Manana ady amin'i Joda ny TOMPO. ka hanafay ny firenen'i Jakoba noho ny fitondrantenany ary hamaly azy araka ny ratsy nataony.

4 Fony i Jakoba mbola tany an-kibon-dreniny no efa nisongona ny rahalahiny; ary rehefa lehilahy lehibe izy, dia nitolona tamin'Andriamanitra.

5 Anjely no nitolomany ka nandresy azy. Nitomany i Jakoba sady nifona taminy. Tao Betela no nahitany an'Andriamanitra ka nitenenan'Andriamanitra taminy.

6 Teo ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao, ny TOMPO araka ny anarana ahatsiarovana Azy,

7 no niteny tamin'i Jakoba hoe: Miverena amiko Andriamanitrao ianao! Tandrovy ny fitiavana sy ny rariny; ary Izaho Andriamanitrao no itokio hatrany.

8 Mizana mandainga tahaka ny an'ny Kanahanita no hazoninao, ry Efraima; ka tia manambaka ianao

9 sady miteny hoe: Efa nangoron-karena aho ka nahazo fananana be. Ary tsy misy hahitana heloka mandiso ahy amin'izay asa rehetra nisasarako.

10 Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao, hatry ny fony ianao tany Ejipta; ary hampitoetra anao an-day indray Aho, tahaka ny tamin'ny andro izay nihaonako taminao.

11 Niteny tamin'ireo mpaminany Aho fahizay ka nampitombo ny fahitana; ary tamin'ny alalan'ny mpaminany koa no nanaovako fanoharana. 12 Raha olona mpanao ratsy tokoa ny mponin'i Gilehada ka lasa tsinontsinona, tao Gilgala kosa omby mifanesy no natolotra hatao sorona, ka ny alitarany dia tonga korontam-bato eny am-bavasahan'ny tanimboly.

13 Tany Mezopotamia ambony no nandosiran'i Jakoba; fa mba hahazoany vady, dia nanompo olona i Israely. Eny, lasa mpiandry ondry izy mba hahazoam-bady.

14 Fa mpaminany kosa no nentin'ny TOMPO nampiakatra an'i Israely niala tany Ejipta, ary mpaminany no nataony mpiandry azy.

15 Nampalahelo mafy an'Andriamanitra i Efraima ka dia hailiky ny Tompony hianjady aminy ny vokatry ny ra nalatsany, ary hatsingeriny hanody azy ny fanevatevana nataony.

Toko faha-13

1 Rehefa niteny i Efraima, dia nampatahotra ny besinimaro izy ka nahery tao Israely. Fa ny nanompoany an'i Bahala no nahameloka sy nahafaty azy.

2 Ankehitriny mikiribiby manota izy, ka mandrendrika volafotsy hanaovana sarivongan-tsampy araka ny hakingany mamorona azy. Asan'ny mpahay taozavatra avokoa ireny kanefa dia lazainy hoe: Anolory sorona izy! Olombelona no mitsaoka ombilahikely!

3 Ho toy ny rahona vao maraina izy ary ho toy ny ranon'ando ka ho levona vetivety; eny, ho toy ny akofa paohin-drivotra hiala amin'ny famoloana izy ary ho toy ny setroka mivoaka amin'ny varavarankely.

4 Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao, hatry ny fony ianao tany Ejipta; ary ianao dia tsy mahafantatra andriamani-kafa ankoatrako sy mpamonjy afa-tsy Izaho.

5 Izaho no mpiandry anao; fony ianao tany an-taniefitra tany amin'ny tany karankaina.

6 Nony mby teo amin'ny ahi-maitso ianao dia afa nivoky tokoa. Eny, voky ianao, ka niavonavom-po; izany no nanadinoanao Ahy.

7 Koa tonga toy ny liona Aho aminareo Israelita, ary koa tahaka ny pantera mamitsaka amoron-dalana.

8 Toy ny famelin'ny orsa very zanaka no amelezako anareo, ka rotehiko ny tratranareo. Toy ny fandrapaky ny liom-bavy no andrapahako anareo; ny bibidia no hamiravira ny fatinareo.

9 Ny maharingana anao, ry Israely, dia noho ianao manohitra Ahy Izay hany mahavonjy anao.

10 Aiza ary izao ny mpanjakanao izay tokony hamonjy anao? Amin'ny tanananao rehetra, aiza koa ireo mpitondra anao? Fa ianao ihany no nanao hoe: Omeo mpanjaka sy filoha aho.

11 Koa tamim-pahatezerana no nanomezako mpanjaka anao, ary tamim-pahavinirana no nanesorako ireny indray.

12 Voatana an-tsoratra ny helok'i Efraima, tsara tahiry ny fahotany.

13 Tahaka ny an'ny vehivavy hiteraka no fanaintainana mahazo azy. Kanefa dia zaza adaladala: tsy mety mivoaka avy ao an-kibo izy, na dia efa tonga aza ny fotoany.

14 Izaho TOMPO ve hanavotra ireo olona ireo tsy ho voagejan'ny fahafatesana, ka hanafaka azy amin'ny toeran'ny maty? Rafahafatesana o, aiza ny aretina fandringananao? Ry toeran'ny maty o, aiza ny loza fandripahanao? Tsy hana-maso miantra Aho.

15 Fa na dia miroborobo aza i Efraima eo anivon'ireo mpiray firenena aminy, dia hiakatra avy any an-taniefitra ny rivotra avy atsinanana; ka ny TOMPO no handefa izany. Dia ho ritra ny loharanony ary ho tankina ny fantsakany. Hobaboina ny tahiriny, dia ny fanaka sarobidy rehetra.

Toko faha-14

1 Hozakain'ny mponin'i Samaria ny vokatry ny heloka nataony fa nikomy tamin'Andriamaniny izy. Ho faty an'ady ireo, ho voatorotoro ny zaza; ary hotatahina kibo ny vehivavy bevohoka.

2 Ry Israelita o, mba miverena amin'ny TOMPO Andriamanitrareo, fa ny helokareo no nahalavo anareo.

3 Miverena amin'ny TOMPO ka milaza aminy hoe: Avelao avokoa ny helokay; ary ho solon'ny vantotr'ombilahy fanolotray dia raiso tsara ireto teninay ireto:

4 Tsy i Asiria no hahavonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay; ary tsy amin'ny sampy asan-tananay intsony no hitenenanay hoe: Ry Andriamanitray o!'; fa Ianao no mamindrafo amin'ny kamboty.

5 Izaho TOMPO dia hanasitrana an'ilay Israely amin'ny fiodinany. Ho tia azy amim-po malalaka Aho; fa efa nialan'ny fahatezerako izy.

6 Ho tahaka ny ando mahasoa azy Aho; dia hamony tahaka ny lisy izy ary hamaka tahaka ny hazon'i Libano.

7 Hisandrahaka rantsana izy, ka ho tsara tarehy toy ny hazo oliva ary hamerovero toy ny alan'i Libano.

8 Ho avy indray i Israely, ka hitoetra eo ambany fiarovako. Hamboly vary indray izy, ka hiroborobo tahaka ny voaloboka sy halaza tahaka ny divay avy any Libano.

9 Hataon'i Efraima inona intsony izay sampy? Izaho TOMPO no mamaly vavaka azy sady mitandrina azy. Izaho no toy ny kipreso, hazo maitso mandavan-taona. Izaho no hahazoany vokatra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.1037