Hôsea

Toko faha-4

7 Arakaraka ny nahabetsaka ny mpisorona no vao mainka nanotany tamiko; ka dia hampodiko ho henatra ny voninahiny.

8 Ny sorona ataon'ny vahoakako ho fanalana ny fahotana no hanina ivelomany; ka satriny ihany ho diso ireny.

9 Kanefa hitovy ny hanjo ny mpisorona sy ny laika; hofaiziko noho ny fitondrantenany izy, ary hatsingeriko aminy ny ratsy nataony.

10 Hihinana ihany izy fa tsy ho voky, hivaro-tena ihany izy fa tsy hanan-janaka, satria Izaho TOMPO efa tsy nahoany intsony.

11 Ny fijangajangana sy ny fahamamoana no mahavery hevitra azy.

12 Mila saina amin'ny tapa-kazony ny oloko; ary ny tehiny no manoro hevitra azy. Fa rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka eo aminy ka mampania azy. Koa dia lasa nivaro-tena niala tamin'Andriamaniny izy.

13 Mihinana ny sorona aterina amin-tsampy eny an-tampon-tendrombohitra izy, ary mandoro ditin-kazo manitra eny amin'ny havoana, dia eny ambanin'ny hazo oaka, sy ny hazo be ravina ary ny terebinta satria tsara alokaloka ireny Koa izany no mahatonga ny zanakavavinareo hivaro-tena sy ny vinantovavinareo hanitsakitsa-bady.

14 Tsy hofaiziko ny zanakavavinareo raha mivaro-tena izy, na ny vinantovavinareo, raha manitsakitsa-bady izy. Satria ireny mpisorona ireny aza no mitondra mpivarotena any amin'ny takona, ka mihinana ny sorona aterina amin-tsampy miaraka amin'ireny vehivavy ireny. Fa hoy ny ohabolana hoe: Izay vahoaka tsy misy fahaiza-manavaka dia vahoaka mamery ny tenany.

15 Na dia mivaro-tena aza ianao, ry Israely, dia aoka tsy hanota toy izany koa i Joda. Aza mankany Gilgala na miakatra any Bety-Avena ianao; ary aza mianiana hoe: Velona ny TOMPO...!

16 Fa mafy hatoka toy ny ombivavy tsy mety ziogaina i Israely. Koa nahoana ny TOMPO no hitondra azy toy ny zanak'ondry andrasana eny an-kijana?

17 Tafaray amin'ny sampy i Efraima, ka avelao izy

18 hanapitra ny fibobohany hampahery mijangajanga azy; fa tia fahafaham-baraka ireo filohany.

19 Faohin'ny tadio mitambolimbolina izy ka ho menatra noho ireo sorona nataony.

Toko faha-5

1 Henoy izao, ry mpisorona sy ianareo mpitondra israelita, ary atongilano ny sofinareo, ry fianakavian'ny mpanjaka: Hihatra aminareo izao ny fitsarana, fa tonga fandrika tao Mitsepa ianareo sy harato voavelatra tao Tabora,

2 ary lavaka lalina tao Setima. Fa Izaho kosa, hoy ny TOMPO, hanome famaizana ho anareo rehetra.

3 Izaho dia mahalala an'i Efraima, ary tsy takona amiko i Israely; satria ianao, ry Efraima, efa tonga mpivarotena ankehitriny, ka voaloto noho izany i Israely.

4 Fa tsy mamela azy hiverina amin'Andriamaniny ny asa nataon'ny Israelita. Rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka ao aminy ka tsy mahalala ny TOMPO izy.

5 Vavolombelona manameloka azy ny avonavon'i Israely. Solafa-keloka i Israely sy i Efraima ka lavo miaraka aminy koa i Joda.

6 Mitondra omby aman'ondry hatao sorona izy no tonga hitady ny TOMPO nefa tsy hahita Azy; fa efa nanalavitra azy ireo Izy.

7 Namadika ny TOMPO izy fa niteraka zazasary. Ankehitriny, iray volana latsaka dia ho levona izy mbamin'ny fananany.

8 Tsofy ao Gibeha ny anjomara ary tsofy ao Rama ny trompetra. Velomy ao Bety-Avena ny akoram-panairana. Tandremo ny ao an-damosinao, ry Benjamina!

9 Ho tonga taniefitra i Efraima amin'ny andro famaizana; zavatra tsy maintsy ho to no ambarako amin'ireo fokon'i Israely.

10 Fa tahaka ny mpamindra sisin-tany ireo mpifehy an'i Joda; ka hataoko mandriaka aminy ny fahatezerako.

11 Ampahorina i Efraima, voahitsakitsaka ny zony satria ninia nanenjika zava-manodoka izy.

12 Ho toy ny fositra Aho amin'i Efraima ary ho toy ny olitra amin'ny taranak'i Joda.

13 Hitan'i Efraima ny aretiny ary tsapan'i Joda ny feriny; ka nankany amin'i Asiria i Efraima ary nandefa iraka tany amin'ilay mpanjaka lehibe; nefa tsy nahasitrana anareo izy sady tsy nahafaka ny ferinareo, ry olon'i Efraima.

14 Vao mainka aza Izaho TOMPO ho tahaka ny liona mamely anareo ary ho toy ny liona tanora hamely ny taranak'i Joda. Izaho dia Izaho no handratra ny rembiko, ka handeha hitondra azy ary tsy hisy haharombaka azy amiko.

15 Handeha hody any amiko Aho, hoy ny TOMPO, mandra-piaikin'i Efraima sy i Joda ho diso ka hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana mafy izy, dia hikatsaka Ahy fatratra.

Toko faha-6

1 Hoy ianareo roa tonta hoe: Ndeha hiverina amin'ny TOMPO isika; fa Izy no nahatonga ny ratrantsika, nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no nikapoka antsika nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.

2 Rehefa afaka roa andro, dia hovelominy indray isika; amin'ny andro fahatelo dia hatsangany indray isika ho velona eo anatrehany.

3 Amin'izay aoka hiaiky ny TOMPO isika; eny, aoka hiezaka hiaiky Azy isika! Azo antoka toy ny mazava atsinanana ny firotsahany hanao izany. Fa toy ny oram-baratra no hiaviany amintsika, dia toy ny oran-dohataona manamando tany.

4 Ny TOMPO kosa mamaly anareo hoe: Inona no hataoko aminao, ry Efraima? Inona no hataoko aminao, ry Joda? Fa ny fitiavanareo Ahy dia toy ny zavona maraina na tahaka ny ranon'ando izay levona vetivety!

5 Koa ny hafatr'ireo mpaminany no ikapohako anareo; ny vavako no milaza fa entiko hovonoina ianareo. Ary ny didim-pitsarako ny aminareo dia hipoitra tahaka ny hazavan'ny andro.

6 Fitiavana no sitrako fa tsy sorona; ary ny fiekena Ahy ho Andriamanitra dia tiako noho ny sorona dorana manontolo.

7 Tao Adama kosa ianareo no nandika ny fanekempihavanana, tao ianareo no namadika Ahy.

8 I Gilehada dia tananan'ny mpanao ratsy, izay mamela dian-dra amin'ny falehany.

9 Tahaka ny jiolahy manotrika no ataon'ny andia-mpisorona ka amonoany olona ho faty eny an-dalana mankany Sekema; zava-mahatsiravina izany!

10 Zava-maharikoriko no hitako tao amin'ny fanjakan'i Israely. Ny fivarotan-tenan'i Efraima no ao ka mahaloto an'i Israely.

11 Ny aminao koa, ry Joda, dia efa voatendry ny fijinjana anao. Rehefa Izaho TOMPO kosa hanarina indray ny vahoakako

Toko faha-7

1 ka te hanasitrana an'i Israely, dia miseho amiko ny heloky ny Efraimita sy ny haratsian'ny olon'i Samaria. Fa manao fisolokiana ireo; miditra an-trano ny mpangalatra, manendaka an-dalambe ny jiolahy.

2 Ary tsy mba misy mieritreritra fa tsaroako avokoa ny haratsiany. Ankehitriny mangeja azy ny asa ratsy fanaony, ka mby eo anatrehako izany.

3 Manafim-paharatsiana sy fiokoana izy no mamalifaly ny mpanjaka sy ny mpifehy.

4 Samy mpanitsakitsa-bady avokoa izy, ka toy ny lafaoro voafana loatra izay tsy soronan'ny mpanendy mofo intsony hatramin'ny namolavolany ny koba ka mandra-pibontsiny.

5 Amin'ny andro fankalazana ny fetin'ny mpanjakany dia ny herin'ny divay no mamparary ireo mpifehy; ka olona mpaniratsira no raisin'ny mpanjaka tanana,

6 rehefa manatona azy ny mpifehy. Tahaka ny lafaoro tokoa ny fo feno fitaka ananan'ireo: mandritra ny alina dia matory ny fahatezerany; ary nony maraina dia mirehitra tahaka ny afo midedadeda.

7 Mahamay toa lafaoro izy rehetra ka mandringana ireo filohany. Lavo avokoa ireo mpanjakany, nefa tsy mba nisy niantso Ahy akory.

8 Miharoharo amin'ny firenen-kafa i Efraima ka toy ny endi-mofo tsy voavadika.

9 Tsentsefin'ny vahiny ny heriny nefa tsy fantany akory izany; ary mihafotsy ny volon-dohany, nefa tsy fantany akory izany.

10 Vavolombelona manameloka azy ny avonavon'i Israely. Kanefa izy tsy niverina tamiko TOMPO Andriamaniny; ary, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mba nitady Ahy izy.

11 I Efraima dia tahaka ny domohina izay adaladala sady tsy manan-tsaina; miantso an'i Ejipta izy, ary mankany Asiria.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9279