Daniela

Toko faha-12

8 Izaho Daniela dia nandre izany nefa tsy nahafantatra ny heviny, ka nanontany hoe: Tompoko, hanao ahoana no hiafaran'ireo zavatra ireo?'

9 Fa namaly izy hoe: Ry Daniela, mandehana fa efa voahorona hiafina ireo teny ireo sady voaisy tombokase tsy ho azo sokafana mandra-piavin'ny fotoana farany.

10 Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hosedraina; ny olon-dratsy kosa tsy hisy hahafantatra ny heviny ka mbola hanao ratsy ihany, fa ny hendry no hahafantatra.

11 Ary manomboka amin'ny fotoana hampitsaharana ny sorona fanao isan'andro ka hampidirana ilay fanimbazimbana mahatsiravina dia hisy 1290 andro.

12 Sambatra izay hiandry ka hahatratra ny 1335 andro.

13 Fa ianao, ry Daniela, mizora hatramin'ny farany; dia hiala sasatra ianao ka hitsangana handray ny valisoanao amin'ny andro farany.

Hôsea

Toko voalohany

1 Ny teny izay nampitain'ny TOMPO tamin'i Hosea zanakalahin'i Beery tamin'ny andron'i Hozia sy i Jotama sy i Ahaza ary i Hezekia mpanjakan'i Joda, sy tamin'ny andron'i Jerobohama zanakalahin'i Joasy sady mpanjakan'i Israely.

2 Fony nanomboka niteny tamin'ny alalan'i Hosea ny TOMPO, dia nanao taminy hoe: Mandehana maka vady mpivarotena tokoa sy zanaka avy amin'ny fivarotan-tenany; fa ny mivarotena miala amin'ny TOMPO no ataon'ny mponina eto amin'ny tany.

3 Dia nandeha naka an'i Gomera zanakavavin'i Diblaima i Hosea; ary nitoe-jaza taminy ravehivavy ka niteraka zazalahy.

4 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Hosea: Ataovy hoe Jizrehela ny anarany, satria tsy ho ela ny hanafaizako ny taranak'i Jeho noho ny ra latsaka tao Jizrehela; ary hofaranako ny fanjakan'ny taranak'i Israely.

5 Amin'izany andro izany dia homontsaniko eo amin'ny lemak'i Jizrehela ny herin'i Israely ara-tafika.

6 Nitoe-jaza indray i Gomera ka niteraka zazavavy; ary hoy ny TOMPO tamin'i Hosea: Ataovy hoe Lo-Rohama ny anarany, satria tsy haneho fitiavana intsony amin'ny taranak'i Israely Aho; eny, hotsoahiko aminy tanteraka ny fitiavako.

7 Fa hotiaviko kosa ny taranak'i Joda ka hovonjeko. Izaho TOMPO Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin'ny tsipika na amin'ny sabatra na amin'ny ady, na koa amin'ny soavaly na amin'ny mpitaingin-tsoavaly, fa amin'ny anarako.

8 Rehefa nisara-nono i Lo-Rohama, dia nitoe-jaza indray i Gomera ka niteraka zazalahy.

9 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Hosea: Ataovy hoe Lo-Hamy ny anarany, satria tsy vahoakako ianareo, ary tsinontsinona Aho aminareo.

Toko faha-2

1 Kanefa, indray andro any, ny isan'ny Israelita dia ho marobe tsy tambo isaina toy ny fasika amin'ny ranomasina. Ary eo amin'ny toerana izay nilazana taminy hoe: Tsy vahoakako ianareo, no hanambarana aminy kosa hoe: Zanak'ilay Andriamanitra velona.

2 Dia hiray hina ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Israely ka hifidy filoha tokana ary hanenika ny taniny: fa ho lehibe ny andron'i Jizrehela.

3 Ny mpiray firenena aminareo raha lehilahy, dia ilazao hoe: Hamy ary raha vehivavy, dia ilazao hoe: Rohama.

4 Miampanga an'i Israely reninareo; eny, miampanga azy, hoy Izaho TOMPO, fa izy tsy vadiko intsony ary Izaho tsy vadiny intsony. Aoka hoesoriny hiala amin'ny tavany ny mariky ny fivarotan-tenany ary hoesoriny tsy ho eo an-tratrany ny famantaram-panitsakitsaham-bady!

5 Fandrao hampitanjahiko izy ka hampihanjahanjaiko toy ny tamin'ny andro nahaterahany. Hovako toy ny taniefitra sy toy ny tany karankaina izy, ary hataoko matin-ketaheta.

6 Tsy ho tia ireo zanany Aho satria zanaky ny fivarotan-tena ireny.

7 Eny, efa nivaro-tena ny reniny; ilay torontoronina azy ireo efa lany henatra rehefa nanao hoe: Hanaraka ireo lehilahy sakaizako aho, dia ny mpanome mofo sy rano ahy ary koa volon'ondry sy kiran-drongony mbamin'ny menaka sy zava-pisotro.

8 Noho izany, Izaho TOMPO hamefy tsilo ny lalany ka hanampina izany; ary tsy hahita izay halehany izy.

9 Na dia hiezaka hanenjika ireo lehilahy sakaizany aza izy, dia tsy hahatratra azy akory; hitady ireo izy nefa tsy hahita, ka hiteny anakampo hoe: Ndeha hody amin'ny vadiko voalohany aho, fa niadana kokoa aho tamin'izay noho ny ankehitriny.

10 Saingy tsy fantany fa Izaho no nanome azy vary sy divay ary menaka vao sady nampanankarena azy volafotsy sy volamena izay nampiasainy ho an'i Bahala.

11 Koa halaiko aminy indray ny variko raha fararano, ary ny divaiko amin'ny fotoam-piotazana. Hoesoriko aminy ny volon'ondriko sy ny kiran-drongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.

12 Ankehitriny no hampitanjahako azy eo imason'ireo lehilahy sakaizany, ka tsy hisy hahafaka azy amin'izany famaizako izany.

13 Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ireo fety fanaony isan-taona, ireo voaloham-bolany sy ireo sabatany ary ireo fety hafa fankalazany.

14 Hosimbako ny voalobony sy ny aviaviny izay nataony hoe: Izany no karama nomen'ny lehilahy sakaizako ahy. Hovako ho kirihitr'ala ireny ka hataon'ny bibidia sakafo.

15 Hofaiziko izy noho ireo andro nandoroany vovo-javamanitra mifangaro ho an'ireo Bahala isan-karazany: niravaka peratra sy firavaka izy, ka nanaraka ireo lehilahy sakaizany; fa Izaho TOMPO kosa nohadinoiny, hoy ny teny hentitra ambarako.

16 Koa Izaho no hitaona azy indray sy hitondra azy ho any an-taniefitra ary hanao teny manohina ny fony.

17 Avy any no hamerenako aminy ny tanimboalobony; ary ho tonga varavaram-panantenana ny lohasahan'i Hakora. Any no hamaliany Ahy an-kira toy ny tamin'ny androm-pahatanorany, dia tamin'ny andro niakarany niala avy tany Ejipta.

18 Rehefa mby amin'izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ilay Israely reninareo dia hiantso Ahy hoe vadiko fa tsy hoe Bahalako na tompoko intsony.

19 Tsy havelako hotononiny ny anaran'ireo Bahala ka tsy hotsaroana mbamin'ny anarany.

20 Koa amin'izany andro izany, dia hanao fanekempihavanana ho an'ny vahoakako Aho, dia amin'ny biby eny an-tsaha, amin'ny voromanidina, amin'ny biby mandady; hofoanako tsy hisy amin'ny tany intsony ny tsipika sy ny sabatra ary ny ady, ka dia hataoko mandry feizay ny mponiny.

21 Hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, ry Israely; hofofoiko ho vadiko amin'ny rariny sy ny hitsiny, ary amin'ny fitiavana sy ny indrafo. 22 Hofofoiko ho vadiko amin'ny fahamarinana ianao ka hiaiky Ahy ho TOMPO.

23 Rehefa mby amin'izany andro izany, dia ho TOMPO hamaly izay ilaina Aho, hoy ny teny hentitra ambarako: Izaho no hamaly izay ilain'ny lanitra; ny lanitra hamaly izay ilain'ny tany,

24 ny tany hamaly izay ilain'ny vary aman-divay sy menaka vao; ary ireo kosa hamaly an'i Jizrehela.

25 Eo amin'io tany io i Jizrehela, no hataoko miorim-ponenana; ho tiako i Lo-Rohama ary i Lo-Hamy hitenenako hoe: Vahoakako ianao; ary izy kosa hamaly Ahy hoe: Andriamanitro Ianao.

Toko faha-3

1 Hoy ny TOMPO tamiko: Mandehana indray ka tiava io vehivavy izay tiavin'ny lehilahy sakaizany io sady tena mpanitsakitsa-bady. Tiavo izy tahaka ny itiavako ny Israelita, na dia mihodina ho amin'ny andriamani-kafa aza izy sady tia ampempam-boaloboka.

2 Koa novidiko sekela volafotsy dimy ambin'ny folo sy orza enin-jato litatra ny vadiko.

3 Ary hoy aho taminy: Mandritra ny andro maromaro dia hijanona ato an-tranoko ianao, ka tsy hivaro-tena na hanitsakitsaka ahy amin'ny olon-kafa intsony. Izaho koa ho toy izany aminao.

4 Koa andro maro no hijanonan'ny Israelita tsy hana-mpanjaka na filoha, sorona na tsangam-bato, efoda na terafima.

5 Aorian'izany ny Israelita dia hitady indray ny TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, ka hiverina amin-kovitra amin'ny TOMPO sy amin'ireo zava-tsoa homeny.

Toko faha-4

1 Manana ady amin'ny mponin'ity tany ity ny TOMPO, ry Israelita; ka henoy izao teniny izao: Tsy misy toetra mahatoky eto amin'ity tany ity, tsy misy fitiava-namana, na fahalalana an'Andriamanitra.

2 Fa mitombo ny fanozonana olona sy ny famitahana azy ary ny famonoana azy ho faty, mbamin'ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady; mifandimby ny ra latsaka.

3 Noho izany, fadiranovana ny tany; reraka ny mponina rehetra ao mbamin'ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina; ary na ny trondron-dranomasina aza dia ringana koa.

4 Tsy iza no ampangaina sy kianina, fa ny tenanao mpisorombe no ifandaharako, hoy ny Tompo.

5 Ho tafintohina antoandro ianao; ny mpaminany koa amin'ny alina dia hiara-tafintohina aminao; hataoko ringana i Israely reninao.

6 Ho ringana ny vahoakako noho ny tsifisian'ny fahalalana Ahy. Satria efa nanda ny fahalalana Ahy ianao, ka dia mba holaviko tsy ho mpisorona intsony. Nanadino ny lalanan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko koa ny zanakao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9813