Ezekiela

Toko faha-41

7 Nitombo hatrany ny velaran'ny efitra isaky ny rihana fa nihena kosa ny hatevin'ny rindrina manodidina. Noho izany, arakaraky ny niakarana no nampalalaka ny toerana ao anatiny. Avy any amin'ny rihana ambany no niakarana ho ao amin'ny rihana antenatenany ary avy eo no niakarana ho any amin'ny rihana farany ambony.

8 Ary hitako fa ireo trano fanampiny dia nisy vodirindrina telo metatra natovona manodidina ny tempoly.

9 Ny rindrina ivelany amin'ireo trano fanampiny ireo dia nisy roa metatra sy sasany ny hateviny. Ny toera-malalaka teo anelanelan'ireto trano fanampiny ireto

10 sy ireo efitra hafa manodidina ny tempoly dia nisy folo metatra.

11 Varavarana roa ka ny iray tery atsimo ary ny iray tery avaratra no nivoahana ireo trano fanampiny hankeo amin'ny toera-malalaka. Ny sakan'io toera-malalaka io kosa dia roa metatra sy sasany manodidina.

12 Teo andrefan'ny tempoly dia nisy trano iray manatrika io toera-malalaka io. Mirefy 45 metatra ny lavany sy 35 metatra ny sakany ary roa metatra sy sasany ny hatevin'ny rindrina.

13 Nandrefy ny tempoly ralehilahy ka dimampolo metatra ny halavany. Nisy dimampolo metatra koa ny halavan'ilay toera-malalaka nisy ilay trano teo andrefana mbamin'ny rindriny.

14 Ny sakan'ny tempoly mitodika miantsinanana sy ny toera-malalaka teo an-daniny roa dia nahatratra dimampolo metatra ny halehibeny.

15 Norefesin-dralehilahy koa ny halavan'ilay trano tao ivohon'ny tempoly miaraka amin'ny lalantsara teo an-daniny roa ka nisy dimampolo metatra. Ny lalantsara fidirana sy ny efitrano malalaka ary ny efitrano anatiny indrindra tao amin'ny tempoly dia samy norakofana hazo fisaka avokoa;

16 toy izany koa ny varavaran-kely makarakara sy ireo trano heva fanampiny mirihana telo manodidina ny tempoly. Voapetaka hazo avokoa hatreo amin'ny fototra ka hatreny amin'ny varavaran-kely. Voarakotra latsy kosa ny varavaran-kely.

17 Ny teo ivelan'ny tempoly sy ny tao anatiny, manomboka eo am-baravarana fidirana ka hatrany amin'ny efitrano farany anatiny, dia noravahana avokoa ny rindrina,

18 ka nasiana sokitra mampiseho kerobima sy rofia. Ny rofia no manelanelana ny kerobima. Ny kerobima tsirairay dia manana tarehy roa:

19 ka ny anankiray tarehin'olona mitodika amin'ny rofia etsy an-daniny, ary ny anankiray tarehin-diona mitodika amin'ny rofia etsy an-kilany. Natao toy izany avokoa ny manodidina ny tempoly manontolo.

20 Voasikotra eny amin'ny rindrina ny kerobima manomboka eo amin'ny tany ka hatrany ambony varavarana.

21 Miralafy ny tolam-baravaran'ilay efi-trano malalaka. Manoloana ny Toeramasina Indrindra dia tazana ho misy zavatra mitovitovy

22 amin'ny alitara hazo izay mirefy iray metatra sy sasany ny haavony ary iray metatra ny sakany. Misy zorony sy fanambaniny ary sisiny hazo. Ka hoy ralehilahy tamiko: "Io no latabatra eo anatrehan'ny TOMPO."

23 Varavarana kopa-droa no idirana ho ao amin'ilay efitrano malalaka; ary varavarana kopa-droa hafa koa no idirana ho ao amin'ny Toeramasina Indrindra.

24 Ireo varavarana kopa-droa ireo dia samy nisy lela-varavarana roa avy.

25 Nisy sarina kerobima sy rofia voasokitra tahaka ny teny amin'ny rindrina teo amin'ny varavaran'ny efitrano malalaka. Teo ivelany kosa dia nisy tatao hazo teo ambonin'ny varavarana fidirana.

26 Ary ny rindrina eo an-daniny roa amin'ny lalantsara fidirana dia nahitana varavaran-kely misy karakara vy sy sarin-drofia voasokitra.

Toko faha-42

1 Taorian'izany dia nentin-dralehilahy nianavaratra ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny tamin'ireo efitrano tery avaratra manoloana ny toera-malalaka sy ny trano teo ivohon'ny tempoly.

2 Izany orin-trano tery avaratra tery izany dia dimampolo metatra ny halavany ary 25metatra ny sakany:

3 ny lafiny anankiray dia nanatrika ny toera-malalaka izay misy velarana folo metatra teo amin'ny kianja anatiny; ny lafiny tao am-badika kosa dia nanatrika ny lampivato teo amin'ny kianja ivelany. Nisy lalantsara mirihana telo tao anatin'io orin-trano io.

4 Manoloana ireo efitrano ireo taty amin'ny kianja anatiny, dia nisy lalana izay mirefy dimy metatra ny sakany ary dimampolo metatra ny halavany. Avy any avaratra no fidirana amin'io orin-trano io.

5 Ny efitrano ambony dia tery kokoa noho ireo ambaniny, satria nangalana bebe kokoa ho lalantsara ny noho ny efitrano antenatenany sy ny efitrano ambany.

6 Nifanongoa ny efitrano mirihana telo, saingy tsy nisy andry tahaka ireo trano hafa teo an-kianja; fa arakaraka ny niakarana ambony kokoa no nahatery ny efitrano.

7 Teo amin'ny lafiny manatrika ny kianja ivelany, ny rindrina mira zotra amin'ireo efitrano dia nisy 25 metatra ny halavany,

8 satria 25 metatra rahateo ny halavan'ireo efitrano ireo mitambatra. Fa tary amin'ny lafiny manatrika ny tempoly dia nisy dimampolo metatra ny halavany.

9 Teo ambanin'ireo efitrano ireo, tamin'ny lafiny atsinanana no nisy fidirana iray ho an'ny olona avy any amin'ny kianja ivelany.

10 Teo amin'ny fiandohan'ny tambohon'ny kianja no nisy io fidirana io.Tamin'ny ilany atsimo dia nisy efitrano tahaka ireo koa, manatrika ny toera-malalaka sy ny trano teo ivohon'ny tempoly.

11 Nisy lalana teo anoloany. Nitovy endrika tamin'ireo efitrano tery avaratra ihany ireto efitrano ireto na momba ny refiny sy ny firindrany na momba ny fahazoana miditra sy mivoaka ny efitrano.

12 Tahaka izany koa ireo varavaran'ny efitrano amin'ity orin-trano atsimo ity. Teo am-piandohan'ilay lalana no nisy varavarana manatrika ny rindrina izay miaro ny Toeramasina.Avy ao atsinanana no fidirana amin'io varavaranaio.

13 Ary hoy ralehilahy tamiko: "Ireo efitrano avaratra sy efitrano atsimo izay manoloana ny kianja ireo dia efitrano voatokana. Ao amin'ireo efitrano ireo manko ny mpisorona izay manatona ny TOMPO no mihinana ny zava-masina indrindra. Eny, voatokana io faritra io, ka ao no ametrahana ny zava-masina indrindra, dia ireo fanatitra vokatry ny tany sy ireo biby natao sorona ho fanalana ny ota sy ho fanonerana.

14 Ankoatra izany, ireo mpisorona izay niditra tao amin'ny Toeramasina dia tsy mahazo mandeha any amin'ny kianja ivelany avy hatrany; fa tsy maintsy ao amin'ireo efitrano ireo no amelany ny fanamiana masina izay nentiny nanompo ny TOMPO, ary ao koa no iakanjoany ireo fitafiany hafa alohan'ny hankanesany any amin'ny toerana misy ny sarambabem-bahoaka."

15 Rehefa vitan-dralehilahy ny fandrefesana ny trano anatiny ao amin'ny tempoly, dia nentiny nivoaka ny vavahady atsinanana aho. Dia nandrefy ny manodidina ny tempoly izy.

16 Ilay volotara fandrefesana no nandrefesany azy, ka ny lafiny atsinanana dia nisy 250 metatra ny halavany.

17 Norefesiny toy izany koa ny lafiny avaratra sy atsimo ary andrefana ka samy 250 metatra avy ny halavany.

20 Toy izany no nandrefesany ny tamboho manodidina ny tempoly tamin'ny lafiny efatra. Efamira ny tamboho manodidina 250 metatra avy ny lafiny efatra; ary io tamboho io no natao hampisaraka ny toerana voatokana ho an'Andriamanitra sy ny toerana hafa.

Toko faha-43

1 Ary nentin-dralehilahy hankeo amin'ny vavahady atsinanana aho.

2 Koa hitako tonga avy any atsinanana ny voninahitr'ilay Andriamanitr'i Israely; narahina feo tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina izany ary nanazava ny tany tamin'ny famirapiratany.

3 Io fahitana io dia mitovy amin'ireo fahitana hitako fony Andriamanitra tonga handrava an'i Jerosalema sy fony aho teo amoron'ny ony Kebara ; koa lavo nihohoka nitehi-tany aho.

4 Ary ny voninahitry ny TOMPO dia niditra tao an-tempoly avy eo amin'ny vavahady atsinanana.

5 Ary ny Fanahin'Andriamanitra nanainga ahy avy amin'ny tany ka nitondra ahy hankeo amin'ny kianja anatiny; ary hitako nameno ny tempoly ny voninahitry ny TOMPO.

6 Dia reko nisy niteny tamiko avy tao an-tempoly, kanefa ilay lehilahy nitarika ahy dia teo anilako ihany.

7 Ary hoy ny TOMPO tamiko: "Ry ilay taranak'olombelona, ity toerana ity no misy ny seza fiandrianako, eto no fametrahako ny tongotro. Eto no honenako mandrakizay eo anivon'ny Israelita. Na ny vahoakan'i Israely na ny mpanjakany dia tsy hanala baraka ny anarako masina intsony amin'ny fanompoan-tsampy sy amin'ny fandevenana ny fatin'ireo mpanjakany eto.

8 Napetraky ny mpanjakany teo anilan'ny tokonana sy tolam-bavahadin'ny tempoliko ny tokonana sy tolam-bavahadin'ny lapany, hany ka rindrina iray sisa no nanelanelana ny tranony sy ny tranoko. Nanala baraka ny anarako tamin'ireo zavatra maharikoriko nataony izy, hany ka naringako tamim-pahatezerana.

9 Ankehitriny kosa hariany lavitra Ahy ny fanompoan-tsampiny sy ny fatin'ireo mpanjakany; ka dia honina mandrakizay eo aminy Aho.

10 "Ianao, ry ilay taranak'olombelona, visavisao amin'ny Israelita ny tempoly. Aoka ho menatra ny amin'ny helony izy ary handinika izao drafi-panorenana izao.

11 Raha menatra ny amin'izay rehetra nataony tokoa izy, dia asehoy azy ny sarin'ny tempoly miaraka amin'ny fitsitokotokoan'ny trano ary koa ireo vavahady miditra sy mivoaka, izany hoe ny drafitra ankapobeny. Ataovy an-tsoratra eo ambany masony avokoa ny lalana sy fepetra amam-pitsipika tsy maintsy arahiny mba hahafahany mitandrina sy mampihatra azy.

12 Izao no foto-pitsipika momba ny tempoly: ny faritra manontolo eo an-tampon-tendrombohitra sy manodidina dia tena voatokana ho an'Andriamanitra. Eny, izany no foto-pitsipika momba ny tempoly."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9446