JeremiĆ
Toko faha-49
2 Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO: "Indro avy ny andro hampandrenesako akoran'ady ao Raba, renivohitry ny Hamonita. Dia ho tonga tanana aolo sy rava izy ary ireo tanana miankina aminy ho kilan'ny afo; ka ho lasan'i Israely indray, hoy Aho, ny fananana efa azy fahiny."3 Ry olon'i Hesbona, manaova hira fitomaniana hoe: "Rava ny tanana Hay! "Manaova antso vonjy ianareo, ry tanana miankina amin'i Raba. Mitafia gony ho fisaonana ary manaova hira fitomaniana sady miveziveze etsy sy eroa ao anaty fefy, fa lasan-ko babo ny andriamanitra Milkoma mbamin'ny mpisorony sy ireo filoham-bahoakany.
4 Adray, ry Raba, tanana mpikomy! Ahoana no ireharehanao amin'ny lohasahanao, dia ireo lohasahanao mahavokatra be, sy itokianao amin'ireo tahirinao hoe: "Iza moa no ho sahy hanafika ahy?"
5 Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao: "Indro Aho hahatonga fampihorohoroana aminao avy amin'ny olona rehetra manodidina anao. Horoahina hizotra eo anoloanareo avy ianareo ka tsy hisy hamory izay mandositra.
6 Rehefa afaka izany vao haveriko avy any am-pahababoana ny Hamonita. Izany no teny hentitra avy amikoTOMPO."
7 Fanambarana momba an'i Edoma. Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: "Tsy misy olon-kendry intsony ve aoTemana ? Efa very saina ve ireo matsilo saina? Sa efa vasoka ny fahendreny?
8 Miverena lalana, mandosira, ry olon'i Dedana, misitriha any anaty lava-bato any, satria ny loza, ry taranak'i Hesao , no ataoko mihatra aminareo; izao ny fotoana irotsahako an-tsehatra hamely anareo.
9 Koa raha tonga any aminareo ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela sampahony ho tsimponina izy. Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafapony.
10 Izaho no haka ny fanananareo ry taranak'i Hesao, Haharihariko ny fierenareo, ka tsy ho afa-miafina intsony ianareo. Ringana ianareo, mpiray firenena samy taranak'i Hesao; ringana ny mpiara-belona aminareo, ka tsy hisy olona hanao hoe:
11 Ankino amiko ny kambotinareo fa izaho no hamelona azy; ary mahazo matoky ahy ny mpitondratenanareo."
12 Izao tokoa no lazain'ny TOMPO: "Indro fa izay tsy tokony hisotro amin'ny tsangambava aza, tsy maintsy nisotro ihany; koa ianao ve no ho afaka, ry Edoma? Tsia, tsy ho afaka ianao, tsy maintsy hisotro amin'ny tsangambava ianao!
13 Eny, Izaho TOMPO dia mianiana amin'ny tenako ary hentitra ny teny ambarako fa i Botsera renivohitrao dia hampahonena ka ho tonga oha-pandatsana ary ho rava ka ho tonga oha-panozonana; ary ireo tanana lehibe mpifanila aminy dia ho rava mandrakizay."
14 Nahare hafatra avy amin'ny TOMPO aho tamin'ny alalan'ny iraka izay nalefany ho any amin'ireo firenen-kafa nanao hoe: "Mivoria ianareo! Mandehana hamely an'i Edoma! Mitsangana hanafika azy!
15 Indro hataoko bitika ianao, ry Edoma raha mitaha eo amin'ny samy firenena, ka hataon'ny olona tsinontsinona.
16 Mampangovitra ny olona ianao sady mihevi-tena ho ambony kanefa mamita-tena. Ary ianao izay mipetraka eny an-tsefatsefaky ny harambato ka mamikitra eny antampon-kavoana, na dia mametraka ny akaninao ho avo toy ny an'ny voromahery aza ianao, dia havarimbariko avy eny. "Izany no teny hentitry ny TOMPO.
17 "Ho toerana mahonena i Edoma, ka hampahonena sy hampivarahontsana izay rehetra mandalo azy ny fahavoazany.
18 Fa ho rava tahaka an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ireo tanana manodidina azy izy, hoy ny TOMPO. Tsy hisy honina ao aminy ary tsy hisy olona hivahiny any intsony."
19 Hoy koa ny TOMPO: "Indro Aho ho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan'i Jordana ka mirifatra mankany amin'ny fonenany; ka ao anatin'ny indray mipi-maso no hampandosirako ireo Edomita. Ary hapetrako hifehy ao Edoma ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?"
20 Noho izany, henoy ary ny tetika novolavolain'ny TOMPO hamelezana an'i Edoma sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponina ao Temana: ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin'ny olona farany indrindra. Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.
21 Hihorohoro ny tany noho ny fidoboky ny fianjerany; hatrany amin'ny Ranomasin'ny Volotara no manako ny antso vonjy ataony.
22 Indro toa voromahery hipaoka no manidina sy misodisody eo ambonin'i Botsera. Amin'izany andro izany dia hangitakitaka toy ny vehivavy miteraka na dia ny lehilahy mahery fo aza.
23 Fanambarana ny amin'i Damasy. "Very hevitra ny ao Hamata sy Harpada! Kivy izy fa nandre ny vaovao ratsy. Manahy sy mitebiteby ny fony ka tsy azo notonena.
24 Efa ketraka ny olon'i Damasy ka nihodina mba handositra; satria tora-kovitra ireo sady mangitakitaka sy mitaintaina toy ny vehivavy raha miteraka.
25 Ahoana re no dia ilaozana ity tanana malaza sady tananam-pifaliana ity !
26 Noho izany, dia ho faty eny an-kianja eny ny zatovony; ary ny miaramilany rehetra ho ripaka amin'izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn'izao rehetra izao.
27 Handrehetako afo ao an-tananan'i Damasy ka handevona ny lapan'i Bena-Hadada."
28 Fanambarana ny amin'ny Arabo ao Kedara sy ireo fanjakan'i Hatsora izay resin'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona. Izao no lazain'ny TOMPO: "Mitsangana ianareo, ka miakara hamely an'i Kedara , Ravao avokoa izay rehetra an'ny olona any an-taniefitra.
29 Aoka horobaina ny lainy sy ny ondry aman'osiny, ny fialofany sy ny entany rehetra! Ary aoka ho entina ny ramevany! Aoka izy hiantsoantsoana hoe: "Fampihorohoroana hatraiza hatraiza ".
30 Ry olon'i Hatsora, mandosira lavitra ka misitriha any anaty lava-bato, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Fa manana fikasana hamely anareo i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona, ary nanomana tetika hahavoa anareo.
31 Mitsangana ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ka miakara hamely firenena tsy manana ahiahy fa mihevitra ho miaina am-pilaminana, ka tsy manana varavarana na hidy sady mitoka-monina.
32 Ho entin'ny fahavalony ho babo ny ramevany sy ny ondry aman'osiny marobe. Haparitako any amin'ny vazantany rehetra ireo mponina voaharatra fihirifana ireo. Hitondrako fandravana hatraiza hatraiza izy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
33 Hanjary fonenan'ny amboahaolo i Hatsora ka ho toerana mampahonena mandrakizay. Tsy hisy honina ao aminy ary tsy hisy olona hivahiny any intsony.
34 Hafatry ny TOMPO azon'i Jeremia mpaminany ho an'ny Helamita, tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Tsedekia mpanjakan'i Joda.
35 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: "Hopotehiko ny tsipikan'i Helamafa izany no loharanon'ny heriny.
36 Avy any atsimo sy avaratra ary avy any atsinanana sy andrefana no handefasako ny rivotra efatra hamelezana an'i Helama. Haeliko any amin'ny vazantany rehetra izy, ka tsy hisy firenena izay tsy ahitana Helamita mpitsoa-ponenana.
37 Hampihorohoroiko ny Helamita eo anatrehan'ny fahavalony, dia eo anatrehan'izay mitady hahafaty azy. Amin-katezerana mirehitra no andefasako loza hamely azy. Ho enjehiko amin'ny ady ireo mandra-paharingako azy.
38 Hofoanako tsy hisy ao Helama ny mpanjaka sy ny mpitondra ambony mba hametrahako ny seza fiandrianako ao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
39 Nefa indray andro any ny Helamita dia haveriko avy any am-pahababoana ihany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO."
Toko faha-50
1 Hafatra nataon'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany ho an'i Babilona sy i Babilonia.2 Ambarao amin'ny firenena ny vaovao, ampahafantaro amin'ny alalan'ny famantarana, ampahafantaro fa aza afenina ary lazao hoe: Azo i Babilona, henatra moa izao ho an'ny sampiny ary haketsahana ho an'ireo andriamani-tsiiziny! Henatra moa izao ny an'i Bela, ary haketsahana ho an'i Merodaky.
3 Fa misy firenena iray avy any avaratra miakatra hamely an'i Babilona , ka hanova ny taniny ho lao tsy hisy mponina intsony; fa na olona na biby fiompy dia samy lasa nitsoaka avokoa.
4 Amin'izany andro sy fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia hiara-tonga ny Israelita sy ny Jodeanina, ka sady mitomany izy no mandeha hitady Ahy TOMPO Andriamaniny.
5 Hanontany ny lalana mankany Tsiona ireo, ka himasoany hizorana izany. Ho avy izy ka fanekem-pihavanana mandrakizay izay tsy hohadinoiny na oviana na oviana no hifamatorany mafy amiko TOMPO.
6 Andian' ondry very ny vahoakako fa ny mpiandriny no nandiso lalana azy, ka nampirenireny azy teny an-tendrombohitra. Nifindrafindra tendrombohitra sy havoana izy ka nanadino ny vala fandriany.
7 Izay fahavalo rehetra nahita azy dia nandripaka azy avokoa sady nanao hoe: "Tsy misy mahadiso antsika izao, satria ireo no meloka eo anatrehan'ny TOMPO izay fonenam-pamonjena sy fanantenan-drazany."
8 Hoy ny TOMPO: "Mandosira lavitra an'i Babilona , ilaozy i Babilonia ka manaova hitsin-dalana toy ny osilahy mialoha ny ondry aman'osy.
9 Fa firenena lehibe manao andiany no hotairiko sy halefako hanafika an'i Babilona. Ho tonga avy any avaratra ireny ka hilahatra hiady aminy sy hahazo azy. Tsy hivena mihitsy ny zana-tsipikany fa ho toy ny miaramila zatra ady ka tsy hiverim-potsiny.
10 Horobaina ny tanin'ny Babilonianina ary ho afa-po ireo rehetra mandroba azy, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO.
11 Mahazo mifaly sy miravo ianareo izao, ry mpamotika ny fananako ! Mahazo mifalihavanja ianareo toy ny vantotr'ombivavy eny amin'ny ahi-maitso sy afa-mikiaka toy ny soavaly mpihazakazaka.
12 Nefa mba jereo ange ity tanindrazanareo: tafalatsaka lalina anaty henatra, tototry ny fahafaham-baraka. Indro izy nanjary farany amin'ny firenena, lasa taniefitra sy tany hay ary tanety ngazana."