JeremiĆ
Toko faha-42
4 Dia hoy i Jeremia mpaminany taminy: -Efa reko izany, koa handeha hivavaka amin'ny TOMPO Andriamanitsika aho araka izay efa nangatahinareo tamiko; avy eo dia hatoroko anareo ny valin-tenin'ny TOMPO fa tsy hisy hafeniko anareo.5 Ary namaly an'i Jeremia ireo hoe: -Aoka ny TOMPO no ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika! Mianiana izahay fa araka ny teny anirahan'ny TOMPO Andriamanitrao aminay tokoa no hataonay.
6 Naniraka anao hanontany ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Koa hotanterahinay izay rehetra asainy hataonay, na tianay na tsy tianay; ary handeha tsara ho anay ny zavatra rehetra, satria mankato ny feon'ny TOMPO Andriamanitsika izahay.
7 Nony afaka folo andro, dia tonga tamin'i Jeremia ny valin-tenin'ny TOMPO.
8 Koa nampiantso an'i Johanana zanakalahin'i Karea sy ireo olon-kafa mpifehy ny andia-miaramila izay niaraka taminy mbamin'ny vahoaka rehetra na kely na lehibe i Jeremia,
9 ary nanao taminy hoe: -Naniraka ahy hitondra ny fangatahanareo tamin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely ianareo, ka izao no valin-teniny:
10 "Raha hiverina hipetraka ao amin'ity tany ity ianareo, dia haoriko indray ny vahoakanareo fa tsy horavako intsony; hamboleko indray ianareo fa tsy hongotako , ary hanenenako ny loza izay efa namelezako anareo.
11 Koa aza matahotra ny mpanjakan'i Babilona intsony. Eny, Izaho TOMPO no manao teny hentitra hoe: Aza matahotra azy fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo teo am-pelatanany.
12 Hampirisika azy aho hamindrafo aminareo ary hamela anareo hiverina any an-taninareo."
13 Hoy ihany i Jeremia: -Kanefa mety tsy hanaraka ny baikon'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hilaza tsy hipetraka amin'io tany io,
14 fa handeha any Ejipta mba tsy hahita ady sy tsy handre ny feon'ny anjomara ary tsy ho faty mosary intsony, dia hipetraka any!
15 Ny amin'izay kosa dia mihainoa ny tenin'ny TOMPO ankehitriny ianareo izay sisa tavela amin'ny fanjakan'i Joda, fa izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Raha mikiry hankany Ejipta ianareo ka mandeha hialokaloka any,
16 dia any no hahatratra anareo ny ady izay atahoranareo ary any no hanaraka anareo ny mosary izay ahinareo mafy ka hahafaty anareo.
17 Izay rehetra mikiry hankany Ejipta mba handeha hialokaloka any dia ho fatin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ka tsy hisy ho afaka amin'ny loza izay halefako hamely azy."
18 Dia niteny indray i Jeremia hoe: -Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Tahaka ny nanosahako ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin'ny mponin'i Jerosalema no hanosahako ny fahavinirako aminareo koa, raha mankany Ejipta ianareo. Dia hahatsiravina sy hampahonena ianareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana, ary tsy hahita ity toerana ity intsony."
19 Dia mbola nampian'i Jeremia hoe: -Ny TOMPO mihitsy no miteny aminareo sisa tavela amin'ny fanjakan'i Joda mba tsy hankany Ejipta. Aoka ho fantatrao tokoa fa vavolombelona aminareo aho androany.
20 Nanao hevitra kinangananga ianareo, raha naniraka ahy hanontany ny TOMPO Andriamanitrareo, ary nangataka ahy hivavaka ho anareo, ka nanao tamiko hoe: "Ampahafantaro anay avokoa izay rehetra nolazain'ny TOMPO Andriamanitsika, fa hataonay izany".
21 Nefa androany raha nitondra ny valin-teny avy amin'ny TOMPO Andriamanitsika aho, dia tsy mihaino Azy ianareo ny amin'izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo.
22 Noho izany, dia aoka ho fantatrareo tokoa fa ho fatin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo any amin'io tany izay tianareo haleha hialokalofana io!
Toko faha-43
1 Rehefa tapitra voalazan'i Jeremia avokoa tamin'ny vahoaka rehetra teo ny tenin'ny TOMPO Andriamaniny araka izay nanirahany azy ho lazainy aninkeheo,2 dia namaly i Hazaria zanakalahin'i Hosaia sy i Johanana zanakalahin'i Karea ary ireo lehilahy mpirehaka rehetra ka nanao tamin'i Jeremia hoe: -Mpandainga ianao fa tsy naniraka anao hisakana anay tsy handeha hialokaloka any Ejipta ny TOMPO Andriamanitsika.
3 I Baroka, zanakalahin'i Neria, no nanome saina anao hamely anay, fa tiany ho voatolotra eo an-tanan'ny Babilonianina izahay mba hamonoany anay ho faty na hitondrany anay ho babo any Babilona.
4 Noho izany, tsy nanaiky hipetraka tany Joda araka izay nambaran'ny TOMPO azy i Johanana zanakalahin'i Karea sy ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila mbamin'ireo olona niaraka taminy.
5 Fa nentin'i Johanana zanakalahin'i Kareha sy ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila kosa ny vahoaka sisa tavela tao amin'ny fanjakan'i Joda, izany hoe ny olona rehetra voaroaka tany amin'ireo firenena manodidina ka niverina honina tao Joda indray,
6 dia lehilahy mpiady sy zaza amam-behivavy ary ireo zanakavavin'ny mpanjaka; ireo olona rehetra ireo dia izay napetrak'i Nebozaradana lehiben'ny mpiambina tamin'i Gedalia, zanakalahin'i Ahikama sy zafikelin'i Safana. Nentiny niaraka taminy koa i Jeremia mpaminany sy i Baroka zanakalahin'i Neria.
7 Tsy nihaino ny feon'ny TOMPO ireo, fa lasa nankany Ejipta, ary tonga hatrany Tahapanehesa.
8 Dia tonga tamin'i Jeremia tao Tahapanehesa ny baikon'ny TOMPO hoe:
9 "Maka vato lehibe vitsivitsy ka aleveno ao amin'ny gorodona rarivato eo am-pidirana mankao an-dapan'ny Farao ao Tahapanehesa eo imason'ny lehilahy jodeanina.
10 Dia ambarao amin'ireo hoe: Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Indro Aho haniraka hampaka an'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona izay mpanompoko, ka eto ambonin'ireto vato izay nalevina eto ireto no haoriko ny seza fiandrianany, ary eto no hamelarany ny trano lain'ny mpanjaka."
11 Ho avy hamely ny tany Ejipta izy, ka izay olona natao ho amin'ny areti-mandringana dia hianjadian'ny areti-mandringana, izay natao ho amin'ny fahababoana dia hianjadian'ny fahababoana, ary izay natao ho azon'ny sabatra dia hovonoina ho faty amin'ny sabatra.
12 Hodorany amin'ny afo ny tempolin'ireo andriamanitry ny Ejiptianina, hodorany koa ireo andriamanitry ny Ejiptianina na ho entiny ho babo any aminy. Tahaka ny hitsimponan'ny mpiandry ondry ny haofotsy amin'ny fitafiany no handrobany an'i Ejipta. Avy eo dia hiala am-pilaminana izy.
13 Hotorotoroin'i Nebokadnetsara koa ireo vato mitsangana ao Heliopoly ary horavany amin'ny afo ireo tempolin'ny andriamanitry ny Ejiptianina."
Toko faha-44
1 Nisy hafatra tonga tamin'i Jeremia ho an'ny Jodeanina rehetra izay nonina tany Ejipta tao an-tananan'i Migdola sy i Tahapanehesa sy i Memfisa ary tao amin'ny faritanin'i Patrosa. Ka hoy i Jeremia taminy:2 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Hitanareo ny loza rehetra izay nampihariko tamin'i Jerosalema sy ireo tanana hafa rehetra tany Joda. Ankehitriny ireny dia efa lao sady tsy misy mponina intsony ao aminy,
3 satria nampahasosotra Ahy ny mponina tao tamin'ireo ratsy nataony, fa nandeha nanao sorona sy nanompo ireo andriamani-kafa izay tsy misy ifandraisana aminy na aminareo na amin'ny razanareo akory izy.
4 Tsy nitsaha-naniraka ireo mpaminany mpanompoko tany aminareo Aho hiangavy anareo mba tsy hanao intsony ireny zavatra maharikoriko nankahalaiko ireny.
5 Kanefa tsy nihaino na nanongilan-tsofina akory ianareo hiala tamin'ny ratsy fanaonareo ka tsy hanolotra sorona amin'ireo andriamani-kafa.
6 Koa natosako taminareo ny fahavinirako sy ny fahatezerako, ka nandoro ny tananan'i Joda sy ny lalamben'i Jerosalema; eny, rava sy mampahonena ireny araka izay hita amin'izao androizao."
7 Dia notohizan'i Jeremia hoe: "Ary ankehitriny dia izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Ahoana no dia anaovanareo ratsy lehibe hahavoa ny tenanareo? Moa tianareo haringana avokoa angaha ny vahoakan'i Joda mba tsy hisy sisa tavela na lehilahy na vehivavy na tanora na zaza madinika?
8 Moa mitady hampahasosotra Ahy va ianareo amin'ny asan-tananareo sy ny fanoloranareo sorona ho an'ireo andriamani-kafa ao amin'ny tany Ejipta izay ialokalofanareo? Sa tianareo haringana ny tenanareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana any amin'ny firenen-kafa rehetra eran-tany!
9 Hadinonareo angaha ireo ratsy nataon'ny ray aman-dreninareo, nataon'ny mpanjaka sy ireo mpitondran'i Joda ary nataon'ny tenanareo sy ny vadinareo tao amin'ny tanin'i Joda sy teny an-dalamben'i Jerosalema?
10 Mandraka androany dia tsy mbola nisy na iray aza nanenina na nanaja Ahy ka nanaraka ny lalanako sy ny fitsipiko izay nomeko anareo sy ny razanareo."
11 Ary nofaranan'i Jeremia hoe: "Noho izany, dia izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Indro Aho manandrina anareo ka hahatonga loza handringana ny mponin'i Joda rehetra.
12 Halaiko ireo Jodeanina sisa tavela izay nanapa-kevitra handeha hialokaloka any Ejipta, ka ho lany ritra izy rehetra. Any amin'io tany io no hahalavo any sy hahalany ritra azy amin'ny ady sy ny mosary; eny, toy izany no hahafaty azy na ny kely na ny lehibe. Dia hatao ohatra filazan-javatra maharikoriko sy mampivarahontsana na filazana ozona sy latsa ireo.
13 Hirotsaka an-tsehatra hamely izay monina any Ejipta Aho, tahaka izay namelezako ny mponina tao Jerosalema tamin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.
14 Ary ireo Jodeanina sisa tavela izay tonga hialokaloka tany Ejipta dia tsy hisy ho afa-mandositra na mitsoaka, tsy hisy ho tafaverina any Joda izay niriny fatratra hiverenana mba honenana; tsy hisy hiverina any Joda ireo, afa-tsy izay vitsivitsy nieren-doza ihany."
15 Ireo lehilahy rehetra izay nahalala fa manolotra zava-manitra mifangaro ho an'ireo andriamani-kafa ny vadiny, ary koa ireo vehivavy rehetra izay tafangona nanao fivoriam-be teo, izany hoe ireo olona rehetra izay nipetraka tany Ejipta tao Patrosa, dia namaly an'i Jeremia hoe:
16 -Na dia amin'ny anaran'ny TOMPO aza no ilazanao aminay izany teny izany, dia tsy hihaino anao izahay.
17 Fa ny zavatra rehetra efa tapakay ihany no hataonay: dia ny hanolotra zava-manitra mifangaro sy divay ho an'ny andriamanibavy Hastoreta mpanjakavavin'ny lanitra, tahaka izay efa nataon'ny tenanay sy ny ray aman-dreninay sy ny mpanjakanay ary ireo mpitondra anay tany amin'ireo tananan'i Joda sy teny amin'ny lalamben'i Jerosalema; fa voky hanina izahay tamin'izany sady nambinina ary tsy nidiran-doza.
18 Nefa hatramin'izay tsy nanoloranay fanatitra zava-manitra mifangaro sy divay ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra izay, dia tsy manana na inona na inona intsony izahay sady matin'ny ady sy ny mosary.