JeremiĆ
Toko faha-44
19 Dia nanampy koa ireo vehivavy ka nanao hoe:-Ary raha nanolotra zava-manitra mifangaro ho an'i Hastoreta mpanjakavavin'ny lanitra izahay, moa tsy neken'ny vadinay ve izany? Fantany tsara fa manao mofo maneho ny sariny izahay sady manolotra fanatitra divay ho azy.20 Ary hoy i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra, dia ireo lehilahy sy vehivavy izay namaly azy teo:
21 -Moa tsy efa nanolotra ireny fanatitra ireny tany an-tananan'i Joda sy teny an-dalamben'i Jerosalema tokoa ve ny tenanareo sy ny ray aman-dreninareo ary ny mpanjakanareo sy ny mpitondra anareo mbamin'ny sarambabem-bahoaka? Koa heverinareo va fa tsy hitan'
22 Tsia, tsy lefitry ny TOMPO intsony ny fanao ratsy sy ny zavatra maharikoriko vitanareo. Noho izany, dia rava sy nampahonena ny taninareo ary tsy nisy mponina intsony, ka tonga oha-panozonana tahaka izay misy ankehitriny.
23 Izao loza izao no mihatra aminareo dia noho ny nanoloranareo zava-manitra mifangaro ho an'ny andriamani-kafa sy nanotanareo tamin'ny TOMPO: tsy nihaino izay nolazainy taminareo manko ianareo sady tsy nanaraka ny lalanany sy ny didiny ary ny fampitandremany.
24 Ary hoy koa i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra teo, indrindra tamin'ny vehivavy rehetra teo: "Mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianareo Jodeanina rehetra aty Ejipta.
25 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Ny anareo vehivavy manokana, izay voalazanareo dia tanterahinareo; ka nilaza ianareo fa hanefa ny voady nataonareo tamin'i Hastoreta mpanjakavavin'ny lanitra ary hanolotra zava-manitra mifangaro sy divay ho azy. Koa efao ny voadinareo ary ataovy izay efa nampanantenainareo!
26 Kanefa henoy tsara kosa izay ambarako aminareo, ry Jodeanina rehetra izay monina aty Ejipta, fa Izaho TOMPO no miteny izao: Indro mianiana amin'ny tenako Aho fa tsy hisy lehilahy jodeanina intsony manerana an'i Ejipta, hanonona ny anarako hoe: "Velona ny Tompo ANDRIANANAHARY, ka mianiana aho...!"
27 Indro himasoako aminareo ny hahatonga loza fa tsy soa. Koa ny Jodeanina rehetra izay aty Ejipta dia ho ringan'ny ady sy ny mosary mandra-pahalany ritra azy.
28 Olom-bitsy no afaka hitsoaka amin'ny ady sy hiverina avy aty Ejipta ho any amin'ny tanin'i Joda. Koa izay sisa velona rehetra amin'ny Jodeanina tonga nialokaloka taty Ejipta dia hahafantatra izay ho to teny na Izaho na izy.
29 Eto amin'ity toerana ity indrindra no hirotsahako an-tsehatra, hoy ny teny hentitra ambarako, ka hanomezako famantarana ho anareo. Ho fantatrareo amin'izay fa ho tanteraka tokoa ny loza nambarako taminareo.
30 Ary izao lazaiko izao no famantarana: Indro hatolotro eo an-tanan'ireo fahavalo mitady hahafaty azy ny Farao Hofra mpanjakan'i Ejipta tahaka izay nanolorako an'i Tsedekia mpanjakan'i Joda ho eo an-tanan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona izay fahavalo nitady hahafaty azy."
Toko faha-45
1 Fony i Baroka zanakalahin'i Neria nanao an-tsoratra ny hafatra izay notononin'i Jeremia , dia taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda tamin'izay; ka hoy ny teny nataon'i Jeremia mpaminany tamin'i Baroka:2 -Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely momba anao, ry Baroka.
3 Idiran-doza aho, hoy ianao, fa ampian'ny TOMPO alahelo indray ny fahoriako; efa sasatry ny misento aho fa tsy mba misy hitsaharana!
4 Noho izany, dia izao no hafatry ny TOMPO asainy ampitaiko aminao: "Eo am-pandravana izay naoriko Aho izao ary eo am-panongotana izay namboleko; ary korontaniko ny tany tontolo.
5 Koa ianao ve sahy hitaky tombontsoa ho an'ny tenanao manokana? Tsia, aza mitaky na inona na inona; fa indro Aho hahatonga loza ho amin'ny olombelona rehetra. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Kanefa izao no tombontsoa hanananao: Hataoko velona aina ianao any amin'ny toerana rehetra halehanao."
Toko faha-46
1 Hafatra izay nampitondrain'ny TOMPO an'i Jeremia mpaminany momba ireo firenen-kafa.2 Fanambarana momba an'i Ejipta sy ny tafiky ny Farao Nekao, mpanjakan'i Ejipta. Tao Karkemisy teo amoron'ny ony Eofrata i Nekao no resin'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanakalahin'i Josia mpanjakan'i Joda.
3 Manome baiko ny manamboninahitra hoe: "Omany ny ampinga kely sy lehibe ary mandrosoa hiady.
4 Afatory ny lasely, ary taingeno ny soavaly! Anaovy ny satro-by fiarovan-doha ka milahara! Arangarangao ny lefona; iakanjoy ny akanjo vy fiarovan-tratra."
5 Ahoana izao zavatra hitako izao? Raiki-tahotra izy ka mihemotra. Resy ireo miaramila mahery fo sady mitsoaka mandositra, ka tsy misy miherika akory. Fihorohoroana hatraiza hatraiza , hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
6 Tsy afa-mandositra ny faingam-pandeha ary tsy mahavonjy tena ny mahery fo; fa any avaratra eo amoron'ny ony Eofrata izy no ho tafintohina ka hianjera.
7 Iza ary ity tahaka an'i Neily tondraka, na ireo sampany misy rano misamboaravoara?
8 I Ejipta no tahaka an'i Neily tondraka, na ireo sampany misy rano misamboaravoara, fa hoy izy hoe: "Hiakatra hanafotra ny tany aho, ary handringana ny tanana sy ny mponina ao aminy.
9 Manafiha amin'izay, ry soavaly, ary miriota mafy, ry kalesy! Aoka hiainga ny mahery fo, dia ireo olon'i Kosy sy Poto izay mpitondra ampinga kely sy ireo olon'i Loda izay mirongo tsipika !"
10 Kanefa, ho an'ny TOMPO ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao, ity andro ity dia ho andro famaizana mba hanafaizany ny fahavalony. Ka ny sabatra dia handripaka sy hiletra azy ary himamo amin'ny ran'ireo; satria toa sorona vonoina hatolotra amin'ny Tompo ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao no any amin'ny tany avaratra manamorona ny ony Eofrata.
11 Ry Ejipta mahonena, miakara hatrany Gilehada ka maka balsama ho anao... Nefa tsy ilaina ny hampitomboanareo ny fitsaboana satria tsy misy fanafody hahasitrana ny ferinao.
12 Ren'ny firenen-kafa ny henatrao fa nanenika ny tany ny tolokonao. Nifamingana ny samy mahery fo ka niara-nianjera izy roa tonta.
13 Hafatra nampitondrain'ny TOMPO an'i Jeremia mpaminany fony i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona tonga nanafika an'i Ejipta :
14 Ambarao any Ejipta ny vaovao ary ampandreneso ao Migdola sy ao Memfisa ary aoTahapanehesa , ka ataovy hoe: "Mivonona hiady ary miomana, fa efa ripaky ny ady ny manodidina anao."
15 Fa inona no miseho? Mianjera amin'ny tany ny ombilahy masina ianteheranao! Tsy nahatohitra izy fa voatosiky ny TOMPO
16 Izay mampivembena miaramila maro sy mampianjera azy hifanindry. Dia nifampiresaka ireo hoe: "Andeha isika hiverina any amin'ny firenentsika, dia any amin'ny tany nahaterahantsika, mba ho afaka amin'ny ady mandoza."
17 Fa ny Farao mpanjakan'i Ejipta kosa dia omeo anaram-bosotra hoe: "Rabetabataba tsy misy vokany."
18 -Teny hentitra no ataon'ilay Mpanjaka Izay antsoina hoe "TOMPOn'izao rehetra izao": Velona aho ka mianiana fa ho tonga ny fahavalo. Azo antoka tahaka ny fisian'i Tabora amin'ny samy tendrombohitra izany; azo antoka tahaka ny fisian'i Karmela izay mandondo
19 Ry mponina any Ejipta o, mifeheza entana mba handeha any amin'ny fahababoana. Fa hodorana ny tananan'i Memfisa, ka ho lao tsy hisy mponina intsony.
20 Toa ombivavy kely tsara tarehy i Ejipta! Kinanjo tamy avy any avaratra ny fihitra hanaikitra azy!
21 Voakarakara toa ombilahy kely mifahy ireo miaramila mpikarama an'ady tao Ejipta. Nefa, na ireo koa aza, mihemotra ka samy lasa nandositra avokoa. Tsy misy mahajoro nony tonga ny andro mahory izay hirotsahako an-tsehatra hamely azy.
22 Toy ny fitsaitsaikan'ny menarana no fialan'ny tafika ejiptianina, raha vao tonga hamely azy ny fahavalo izay toy ny mpikapa hazo mandrangaranga famaky.
23 Kapain'ireo ny alany, na dia matevina aza, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Fa marobe noho ny andiam-balala izy ka tsy tambo isaina.
24 Rakotra henatra ny mponin'i Ejipta: eo an-tanan'ny vahoaka avy any avaratra no efa nanolorana azy!
25 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely an'i Amona andriamanitr'i Teba , hamely an'i Ejipta sy ny andriamaniny ary ny mpanjakany, eny, hamely ny Farao sy izay rehetra miantehitra aminy.
26 Hatolotro eo an-tanan'ireo mitady hahafaty azy izy, dia i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona mbamin'ireo miaramilany. Rehefa afaka izany, vao hiverina amin'ny laoniny toy ny taloha i Ejipta. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO. "
27 "Aza matahotra kosa ianareo, ry taranak'i Jakoba mpanompoko. Aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin'ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakao avy any amin'ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak'i Jakoba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.
28 Ry taranak'i Jakoba mpanompoko, aza matahotra ianareo, satria Izaho no miaraka aminareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hofongorako ny firenen-kafa rehetra izay nanelezako anareo; ianareo kosa tsy mba ho fongorako, na dia tsy maintsy faiziko araka ny hitsiny ihany aza fa tsy havelako ho afa-maina!"
Toko faha-47
1 Hafatry ny TOMPO izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany momba ny Filistinina , talohan'ny hamelezan'ny Farao an'i Gaza.2 Izao no lazain'ny TOMPO: "Misy ranotrambo mipoitra avy any avaratra , ary tonga ranon-driaka misamboaravoara ka manafotra ny tany sy izay rehetra eo aminy, dia ireo tanana sy ny mponina ao aminy. Mikiakiaka ny olona; ary manao hira fitarainana ny mponina rehetra amin'ny tany.
3 Mikatrokatroka ny kitron'ireo soavaly matanjaka mirodorodo ny kalesy ary mikotrokotroka ny kodiarany; ka manadino zanaka ny ray aman-dreny satria efa miraviravy tanana.
4 Tonga ny andro fandravana ny Filistinina rehetra, hany ka tsy misy olona sisa tavela intsony mba hanampy an'i Tiro sy i Tsidona. Ravan'ny TOMPO tokoa ny Filistinina, dia ireo sisa velona avy any amin'ny nosy Kaftora.
5 Voaharatra ny lohan'ny ao Gaza fa misaona ary mangina tanteraka ny ao Askelona. Ianareo sisa tamingan'ny rapetonolona, mandra-pahoviana ianareo no hiteti-tena ?