JeremiĆ
Toko faha-50
13 Ny fahaviniran'ny TOMPO no nahatonga an'i Babilona tsy honenana intsony fa hampahonena tanteraka. Ho gaga izay rehetra mandalo azy, ka hivarahontsana noho ny voina rehetra nanjo azy.14 Ianareo rehetra mpitifitra amin'ny tsipika, milahara manodidina an'i Babilona. Amelezo azy ny zana-tsipikanareo ka aza tsitsina mihitsy satria meloka eo anatrehan'ny TOMPO izy.
15 Manaova akoran'ady manodidina mba hampikoizana azy. Indro fa nitolo-batana izy! Rava ny tilikambom-piarovany ary nianjera ny mandany. Izany no famalian'ny TOMPO! Koa valionareo i Babilona; araka ny nataony tamin'ny hafa no mba ataovinareo aminy koa.
16 Foany ao Babilona ireo mpamafiny sy ireo mpijinjany amin'ny fararano; manoloana ny ady mahatsiravina, dia aoka samy hody any amin'ny fireneny avy izy ary samy handositra any amin'ny taniny avy!
17 I Israely dia toy ny ondry very izay nenjehin'ny liona. Ny mpanjakan'i Asiria no voalohany nihinana taminy; avy eo dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona nanapatapaka ny taolany.
18 Noho izany, dia izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Hirotsaka an-tsehatra hamely ny mpanjakan'i Babilona sy ny taniny Aho, tahaka izay nirotsahako an-tsehatra namely ny mpanjakan'i Asiria fahiny.
19 Fa i Israely kosa haveriko amin'ny kijana fiandrasana azy, ka hirao-bilona any Karmela sy any Basana; ary eo an-tendrombohitr'i Efraima sy ao Gilehada no hahafa-po sy hahavoky azy.
20 Izaho TOMPO dia manao teny hentitra hoe: Amin'izany andro izany, na dia hotadiavina aza ny fahadisoan'i Israely sy ny helok'i Joda, dia hanjavona tsy ho hita intsony; satria havelako heloka ireo sisa notsimbiniko ho velona.
21 Tafiho ny tanin'i Merataima! Tafiho izy sy ny mponina ao Pekoda. Vonoy ho faty ireo ka aringano hatramin'ny olona farany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tanteraho izay rehetra voadidiko!
22 Tabataban'ady no tao amin'io tany io, ary fandringanana goavana!
23 Andray! Potika sy torotoro i Babilona, ilay tantanam-pamontsanana ny tany tontolo. Andray! Tonga taniefitra mahonena izy eo anivon'ny firenena maro.
24 Namelarako fandrika ianao, ry Babilona, ka voan'izany, nefa tsy fantatrao akory. Tratra sy voasambotra ianao, satria Izaho TOMPO no niadianao."
25 Novohan'ny TOMPO ny trano fitehirizany, ka nalainy tao ireo fiadiana izay anehoany ny fahavinirany. Ao amin'ny tanin'i Babilona dia izany no asan'ny Tompo ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao.
26 Hatrany am-paran'ny tany, avia avokoa ianareo rehetra hamely azy. Sokafy ny fitehirizam-bokany ka avangongoy ho antonta iray ny remby; fa aringano tanteraka ny tanana: ao ka tsy hisy tavela intsony!
27 Vonoy ho faty ny miaramilany rehetra; aoka hidina any an-toeram-pamonoana ireo! Idiran-doza ireo fa tonga ny androny dia ny fotoana hamalian'ny Tompo azy.
28 Injany ireo mpandositra afa-nitsoaka avy any Babilonia mitondra ny vaovao ao Tsiona: namaly faty an'i Babilona ny TOMPO Andriamanitsika, namaly faty azy noho ny tempoliny masina Izy.
29 Antsoy ny mpandefa zana-tsipika, dia ireo rehetra mpanenjana tsipika, ka vorio hamely an'i Babilona. Aoka ireo hitoby manodidina azy ka tsy hamela ny mponiny ho afa-miala. Aoka hovaliana araka ny ratsy nataony izy ka izay rehetra nataony tamin'ny hafa no mba ampiharo aminy kosa! Satria izy niavonavona tamin'ny TOMPO, dia tamin'ilay Masin'i Israely.
30 "Noho izany dia ho faty eny an-kianja eny ireo zatovony, ary ho ringana ireo miaramilany rehetra amin'izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
31 Indro Aho hifanandrina aminao ry Babilona mpiavonavona, Izaho Tompo ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany. Fa tonga ny andronao izao, dia ny fotoana hamaliako anao.
32 Mivembena ary mianjera ilay mpiavonavona, fa tsy misy manarina azy. Rehetako afo ireo tananany ka handevona izay rehetra manodidina azy izany."
33 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: "Samy nampahorina ny Israelita sy ny Jodeanina; ary izay rehetra namabo azy dia mitana azy an-keriny, fa tsy manaiky handefa azy.
34 Nefa Izaho mpanavotra azy dia mahery: TOMPOn'izao rehetra izao no anarako. Horaisiko an-tanana tokoa ny adiny mba hampiadana ny taniny sy hampikorontana kosa ny mponin'i Babilona "
35 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: "Hisy ady hamely ny Babilonianina, mbamin'ny mponina ao an-drenivohitra sy ny mpitondrany ary ny olon-kendriny!
36 Hisy ady hamely ny mpimasiny , ka ho very saina ireo! Hisy ady hamely ny maherifony, ka ho ketraka izy!
37 Hisy ady hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin'ny olona rehetra samy hafa firenena ao aminy, ka halemy toy ny vehivavy izy! Hisy ady hamely ny haren-tsarobidiny, ka ho voaroba ireo!
38 Hisy ady hamely ny reniranony, ka ho ritra ireo! Satria tany be sarivongan-tsampy io, dia sary mahatsiravina sady mahatonga izay manompo azy hirediredy.
39 Noho izany dia ny kary sy ny amboadia no honina ao Babilona; ary ny vorombe koa no hipetraka ao. Fa tsy honenan'olona intsony izy mandrakizay ary tsy hitoerany intsony amin'ny taona mifandimby.
40 Tahaka ny nandravako an'i Sodoma sy i Gomora, mbamin'ireo tanana teny akaikiny, no hataoko amin'i Babilona , hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO, ka tsy hisy olona honinana hivahiny any intsony.
41 Indro misy vahoaka tonga avy any avaratra dia firenen-dehibe iray; ary mpanjaka maro no miainga avy any am-paran'ny tany.
42 Mampirangaranga tsipika sy lefona ireo miaramilany lozabe sady tsy mamindrafo. Mirohondrohona toy ny ranomasina ny feony. Mitaingin-tsoavaly izy, ary milahatra toy ny andian-tafika hiady mba hamely anao, ry Babilona!
43 Ren'ny mpanjakan'i Babilona izany vaovao izany, ka miraviravy tanana izy sady tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka.
44 Hoy ny TOMPO: "Indro Aho ho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan'i Jordana sy mirifatra mankany amin'ny fonenany; ka ao anatin'ny indray mipi-maso no hampandosirako ny Babilonianina. Ary hapetrako ao Babilona ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?"
45 Noho izany, henoy ary ny tetika novolavolain'ny TOMPO hamelezana an'i Babilona sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponin'i Babilonia. Ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin'ny olona farany indrindra! Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.
46 Mihorohoro ny tany mandre ny vaovao hoe: "Azo i Babilona". Ary hatrany amin'ireo firenena no manako ny antso vonjy ataony.
Toko faha-51
1 Izao no lazain'ny TOMPO: "Indro misy tafio-drivotra mpandrava asaiko mitsoka hamely an'i Babilona sy hamely ny mponina ao aminy.2 Olona hafa firenena no halefako amin'i Babilona ka hanaparitaka azy toy ny akofa, ary hahatonga ny taniny ho foana. Amin'izany andro mandoza izany dia hipoitra hatraiza hatraiza ireo mpamely azy."
3 -Aoka tsy ho afaka hanenjan-tsipika intsony ao Babilona ireo mpitifitra amin'ny tsipika! aoka izy tsy ho afaka hisalotra intsony ny akanjo vy fiarovan-tratra!-Aza avela hisy ho afa-mitsoaka ny tovolahiny; ataovy ringana ny tafiny manontolo!
4 Eny amin'ny tanin'i Babilona dia hiampatrampatra ireo maratra,ary eny an-dalambeny no hitsitsitra ireo maty an'ady.
5 Satria manenika an'i Babilonia ny fahotany tamin'ilay Masin'iIsraely.-Ilay Andriamanitra TOMPOn'izao rehetra izao kosa tsy mba namela an'i Israely sy i Joda ho mpitondratena.-
6 Mandosira hiala an'i Babilona ka samia manavo-tena ianareo, fandrao hiara-devona aminy noho ny sazim-pahotany ; fa fotoana famalian'ny TOMPO azy izao ka valiany araka ny sahaza azy izy.
7 I Babilona dia tsatokaty volamena teo an-tanan'ny Tompo. Nahamamo ny tany manontolo izy; ny divainy efa nisotroan'ny firenenano nahavery saina ireny.
8 Kanjo tampoka no nianjeran'i Babilona sy nahamontsamontsana azy. -Manaova hira fisaonana ho azy, maka balsama hatao amin'ny feriny. Angamba ho sitrana ihany izy?
9 -Efa nitsabo an'i Babilona izahay saingy tsy nety sitrana izy. Aoka hilaozantsika izy, ka samia mody any an-tanintsika avy! Satria goavana ny fanamelohana mihatra aminy fa mahatakatra ny lanitra sy ny rahona.
10 Naneho fanafahana antsika ny TOMPO. Andao ho tantaraintsika any Tsiona izay nataon'ny TOMPO Andriamanitsika.
11 Nikasa handrava an'i Babilona ny TOMPO, ka mampirisika ny mpanjakan'i Medianina hanatanteraka izany. Famaizan'ny TOMPO azy izany, famaizana noho ny amin'ny tempoliny masina. Koa ranito ny zana-tsipikanareo, ary fenoy ny tranon-jana-tsipika.
12 Atsangano ny fanevam-panairana hanafihana ny mandan'i Babilona. Hateveno mafy ny fiambenana ka apetraho ny mpiambina sy ny mpitily. Tanteraky ny TOMPO izao ny fikasany, dia izay efa nambarany momba ny mponin'i Babilona.
13 Ry Babilona izay mipetraka eo amoron'ny ony lehibe sady manana harena sarobidy o, tonga ny fiafaranao fa feno ny fatranao.
14 Ny TOMPOn'izao rehetra izao dia nianiana tamin'ny tenany hoe: "Handefa olona hibosesika ao aminao Aho, ka ho maro toy ny valala ireny, ary hanao akoran'ady hamelezana anao."
15 Tamin-kery no nanaovan'Andriamanitra ny tany , tamim-pahendrena no nanorenany izao tontolo izao, ary tamim-pahaizana no namelarany ny habakabaka.
16 Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy eny am-paravodilanitra, ary andatsahan'ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan'ny rivotra avy amin'ny fitoerany.