JeremiĆ
Toko faha-39
6 Tao koa no nampamonoany ho faty ireo zanak'i Tsedekia roa lahy teo imason-drainy sy ireo andrianan'i Joda rehetra.7 Avy eo dia nasainy nopotsirina voamaso i Tsedekia sady norohizany rojo vy mba hoentina any Babilona.
8 Ankoatra izany, dia nodoran'ny Babilonianina ny lapan'ny mpanjaka sy ny tranon'ny olona tao Jerosalema sady noravany ny mandan'ny tanana.
9 Ary ny mponina sisa tao an-tanana sy ireo olona nitolo-batana ary ny mpahay tao zavatra sisa dia nalefan'i Nebozaradana lehiben'ny mpiambina ho sesitany tany Babilona.
10 Kanefa nisy ihany ampahany tamin'ny vahoaka mahantra, dia ireo olona tsy mananana inona na inona, no navelany teo amin'ny tany sady notolorany tanim-boaloboka sy tanimboly.
11 Ary i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona nanome baiko an'i Nebozaradana lehiben'ny mpiambina ny amin'i Jeremia kananao hoe:
12 Ndeha alaovy izy, ary tandremo tsara mba tsy hisy hanisy ratsy azy,fa ataovy izay angatahany aminao!
13 Ary i Nebozaradana lehiben'ny mpiambina nifanaraka tamin'i Nebosazbany izay lehilahy tena mahatoky ny mpanjaka sy i Nergala-Saretsera lehiben'ny etamazaoro sy ny sisa rehetra manamboninahitry ny mpanjaka,
14 ka nampaniraka haka an'i Jeremia tao an-kianjan'ny trano fiambenana, dia nanolotra azy teo an-tanan'i Gedalia, zanaka lahin'i Ahikama sady zafikelin'i Safana. Ary i Gadalia kosa dia namela an'i Jeremia hody any aminy. Dia niaina teo anivon'ny vahoaka i Jeremia.
15 Fa fony mbola voatana tao an-kianjan'ny trano fiambenana i Jeremia, dia nisy kosa tenin'ny TOMPO taminy nanao hoe:
16 "Mandehana lazao amin'i Hebeda-Meleka etiopianina hoe: 'Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'iIsraely: Indro efa nambarako tamin'ny mponin'ity tanana ity ny loza fa tsy ny soa. Noho izany dia hotanterahiko izay nolazaiko ary ho tsapanao tsy ho ela izany.
17 Nefa amin'ny andro izay hahatongavan'izany loza izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hafahako ianao, ka tsy hatolotro eo an-tanan'ireo olona atahoranao.
18 Havotako tokoa ianao mba tsy ho faty an'ady, ka ho voavonjy ny ainao, satria natoky Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.'"
Toko faha-40
1 Ary tonga tamin'i Jeremia indray ny teny avy amin'ny TOMPO taorian'ny namotsoran'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina azy hiala tao Rama. Fa nigadra niaraka tamin'ny olon'i Jerosalema sy ny olon'i Joda izay efa hoentin-kobabo any Babilona i Jeremia.2 Teo izy no nalain'ny lehiben'ny mpiambina ka nilazany hoe: "Ny TOMPO Andriamanitrao no nanambara mialoha izao loza manjo ity tanana ity izao.
3 Ary ankehitriny dia notanterahin'ny TOMPO tokoa izay nambarany, noho ny nanotanareo taminy sy tsy nankatoavanareo izay nolazainy. Izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
4 Ankehitriny, indro vahako izao ny gadra eny an-tananao; koa raha tianao ny handeha hiaraka amiko hankany Babilona, dia andao fa izaho no hiahy anao. Nefa raha tsy tianao izany,dia mijanona. Hevero ho eo anatrehanao ny tany manontolo, koa mandehana amin'izay toerana tianao haleha."
5 Ary raha mbola nihazohazo teo i Jeremia,dia hoy i Nebozaradana taminy: "Mahazo miverina any amin'i Gedalia, zanakalahin'i Ahikama sy zafikelin'i Safana ianao, fa izy no voatendrin'ny mpanjakan'i Babilona hitondra ireo tananan'i Joda. Mipetraha miaraka aminy eo anivon'ny vahoaka,ka mandehana amin'izay toerana tianao haleha."Dia nomen'ny lehiben'ny mpiambina vatsy sy fanomezana i Jeremia, ary navelany handeha.
6 Ary i Jeremia nankany amin'i Gedalia zanakalahin'i Ahikama tao Mitsepa, ka niara-nipetraka taminy teo anivon'ny vahoaka izay sisa velona teo amin'ny tany.
7 Mbola nisy andia-miaramila jodeanina tavela tany an-tsaha; henon'ireo lehibeny sy ireo olom-peheziny fa ny mpanjakan'i Babilona efa nanendry an'i Gedalia, zanakalahin'i Ahikama hitondra ny tany sy nanankina taminy ny mahantra, dia izay lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy nentina ho babotany Babilona.
8 Koa nanatona an'i Gedalia tao Mitsepa niaraka tamin'ny olom-peheziny ary ireo lehiben'andia-miaramila ireo, fa ireto avy izy: i Jismahela zanaka lahin'i Netania, i Johanana sy i Jonatana samy zanakalahin'i Karea, i Seraia zanakalahin'i Tanehometa, ireo zanakalahin'i Hofay avy any Netofa, ary i Jazania avy any Maheka.
9 Dia nanizingizina tamin'ireo sy tamin'ny olom-peheziny i Gedalia nanao hoe: "Aza matahotra hanompo ny Babilonianina ianareo; monena amin'ny tany ary maneke ny mpanjakan'i Babilona, fa hahasoa anareo izany.
10 Hipetraka eto Mitsepa aho mba hisolo tena anareo eo anatrehan'ny Babilonianina izay tonga eto amintsika; fa ianareo kosa manangona divay sy voankazo ary diloilo ka manaova tahiry, ary monena amin'izay tanana hidiranareo."
11 Tahaka izany koa ireo Jodeanina nitoetra tany amin'ny Moabita sy ny Hamonita sy ny Edomita ary tany amin'ny faritra rehetra hafa, dia samy nahare fa misy ampahany amin'ny vahoaka navelan'ny mpanjakan'i Babilona ao amin'ny fanjakan'i Joda ary nankininy tamin'i Gedalia zanakalahin'i Ahikama sy zafikelin'i Safana.
12 Koa ireny Jodeanina rehetra ireny dia niverina avy any amin'ny toerana izay nandroahana azy, ka tonga tany amin'i Gedalia tao Mitsepa, any amin'ny tanin'i Joda. Dia nanangona divay sy voankazo be dia be ireny.
13 Indray andro dia tonga nihaona tamin'i Gedalia tao Mitsepa i Johanana zanakalahin'i Karea sy ireo olon-kafa lehiben'ny andia-miaramila izay mbola tany an-tsaha.
14 Nanontany an'i Gedalia izy hoe: -Moa fantatrao tsara ve fa i Bahalisa, mpanjakan'ny Hamonita, dia naniraka an'i Jismahela, zanakalahin'i Netania, hamono anao?Nefa tsy nino azy i Gedalia.
15 Na izany aza dia tonga nihaona mangingina tamin'i Gedalia tao Mitsepa ihany i Johanana ka nanao taminy hoe: -Aoka aho handeha hamely an'i Jismahela, zanakalahin'i Netania fa tsy hisy olona hahalala akory. Nahoana no havelanao hovonoiny ho faty ny tenanao? Fa raha matiny ianao, dia hiparitaka indray ny Jodeanina rehetra efa tafangona eto aminao; ary izay hany sisa amin'ny fanjakan'i Joda dia ho levona.
16 Nefa namaly an'i Johanana i Gedaliaka nanao hoe: -Aza manao izany zavatra izany! Fa tsy marina izay voalazanao momba an'i Jismahela.
Toko faha-41
1 Kanjo tamin'ny volana fahafiton'io taona io ihany dia tonga tany amin'i Gedalia tao Mitsepa, niaraka tamin'ny olona folo lahy i Jismahela, zanakalahin'i Netania sy zafikelin'i Elisama; fianakavian'ny mpanjaka io Jismahela io sady anisan'ny manamboninahiny. Koa raha mbola teo am-pihinanana niaraka tamin'i Gedalia iny indrindra,2 dia nitsangana i Jismahela sy ireo folo lahy niaraka taminy, ka namely an'i Gedalia tamin'ny sabatra ary nahafaty azy; kanefa izy no voatendrin'ny mpanjakan'i Babilona hitondra ny tany.
3 Avy eo dia novonoin'i Jismahela ho faty koa ireo Jodeanina rehetra hitany tao Mitsepa niaraka tamin'i Gedalia, mbamin'ireo miaramila babilonianina izay tao.
4 Roa andro taorian'ny namonoana an'i Gedalia ho faty, dia tsy mbola nisy olona nahalala izany ihany.
5 Koa nisy olona valopolo lahy avy any Sekema sy Silao ary Samaria, samy voaharatra ny volombavany sady voatriatra ny fitafiany ary voatetitetikany tenany. Nitondra koba sy vovo-javamanitra mba hatao fanatitra ao an-tranon'ny TOMPO izy.
6 Dia nivoaka hitsena azy avy tao Mitsepa i Jismahela sady nitomany teny am-pandehanana. Nony tonga teo aminy izy, dia nanao taminy hoe: -Mandrosoa ao amin'i Gedalia zanakalahin'i Ahikama ianareo.
7 Kanjo raha vao tonga tao afovoan'ny tanana ireo, dia naringan'i Jismahela sy ny olony, ary natsipiny tao an-dava-drano ny fatiny.
8 Nisy folo lahy tamin'ireo anefa niteny tamin'i Jismahela hoe: -Aza vonoina izahay fa manana tahirin-tsakafo miafina any an-tsaha, dia varim-bazaha sy orza ary diloilo sy tantely.Koa tsy nampamonoin'i Jismahela niaraka tamin'ireo namany izy folo lahy.
9 Ny lava-drano izay nasain'i Jismahela nanipazana ny fatin'ireo olona novonoiny dia lava-drano lehibe izay nasain'i Asa mpanjaka noloahana fony izy niady tamin'i Bahasa mpanjakan'i Israely. Nofenoin'i Jismahela faty izany.
10 Avy eo dia nentin'i Jismahela ho babo ny sisa tamin'ny mponina tao Mitsepa mbamin'ireo zanakavavin'ny mpanjaka, izany hoe ny olona rehetra napetrak'i Nebozaradana lehiben'ny mpiambina tamin'iGedalia; ka nitondra ireo babo ireo i Jismahela no lasa nankany amin'ny Hamonita.
11 Ary ren'i Johanana, zanakalahin'i Karea mbamin'ireo lehiben'ny andia-miaramila niaraka taminy ny ratsy rehetra efa nataon'i Jismahela.
12 Koa nanangona ny miaramilany rehetra izy ary niainga hanafika an'i Jismahela, ka nahatratra azy teo akaikin'ny farihin'i Gibehona.
13 Nony nahita an'i Johanana sy ireo lehiben'ny andia-miaramila niaraka taminy ny olona rehetra teo amin'i Jismahela, dia faly.
14 Ary ny olona rehetra izay nentin'i Jismahela ho babo avy tao Mitsepa dia niverina ilalana ka nanatona an'i Johanana.
15 Fa i Jismahela niaraka tamin'olona valo lahy kosa dia nandositra teo anatrehan'i Johanana ka nankany amin'ny Hamonita.
16 Taorian'izany i Johanana sy ireo lehiben'ny andia-miaramila niaraka taminy dia niandraikitra ny olona sisa rehetra izay nentin'i Jismahela ho babo avy tao Mitsepa taorian'ny namonoany ho faty an'i Gedalia zanakalahin'i Ahikama; ireo olona sisa rehetra ireo dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amam-behivavy ary ny tandapa, izay nentina niverina avy tany Gibehona.
17 Ary nandeha izy rehetra ka nijanona nitoby tao Kimehama akaikin'i Betlehema. Fa nikasa hankany Ejipta izy,
18 satria natahotra ny Babilonianina hatramin'ny namonoan'i Jismahela an'i Gedalia izay notendren'ny mpanjakan'i Babilona hitondra ny tany.
Toko faha-42
1 Tamin'izay ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila, indrindra i Johanana zanakalahin'i Karea sy i Hazaria zanakalahin'i Hosaia, ary koa ny vahoaka rehetra teo na kely na lehibe,2 dia nanatona an'i Jeremia mpaminany ka niteny taminy hoe: -Mba ekeo re ny fiangaviana ataonay eto anatrehanao, ka mivavaha amin'ny TOMPO Andriamanitrao ho anay rehetra sisa tavela ireto satria vitsy kely izahay araka izao hitanao maso izao.
3 Mangataha amin'ny TOMPO Andriamanitrao mba hatorony anay ny lalana tokony hizoranay sy ny zavatra tokony hataonay.