IsaiĆ 

Toko faha-40

3 Misy feo miantso hoe: "Misava lalana any an-taniefitra ho an'ny TOMPO, mamakia arabe any an-tany karakaina ho an'Andriamanitsika.

4 Aoka hasondrotra ny lohasaha rehetra ary aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra! Aoka hovana ho lembalemba ny tany be havoana ary ho saha midadasika ny tany mikitoantoana!

5 Dia hiseho ny voninahitry ny TOMPO, ka hiara-mahita izany ny olona rehetra. Fa ny vavan'ny TOMPO mihitsy no efa niteny."

6 Misy feo manao hoe: "Miantsoa."fa hoy ny famaliko azy: "Inona no antso hataoko? "Dia niteny indray izy hoe: "Izao no antso hataonao: Mihelina toy ny ahitra ny olona rehetra, toy ny voninkazo eny an-tsaha ny faharetany:

7 Mihamaina ny ahitra, mihamalazo ny voninkazo rehefa seranan'ny fofonain'ny TOMPO. -Mihelina toy ny ahitra tokoa ny olona-.

8 Eny, mihamaina ny ahitra, mihamalazo ny voninkazo, fa ny tenin'Andriamanitsika no haharitra mandrakizay."

9 Ry vahoakan'i Tsiona nanankinana vaovao mahafaly o, miakara eny an-tendrombohitra avo; ry vahoakan'i Jerosalema nanankinana vaovao mahafaly o, ingao mafy ny feonao ka aza matahotra. Lazao amin'ireo ao tananan'i Joda hoe:"Indro Andriamanitrareo.

10 Indro ny TOMPO ANDRIANANAHARY tonga amin-kery sady manana ny fahefana hanjaka. Ny vahoaka, hoentiny miaraka aminy, no ho karamany sady eo anoloany ho valin-kasasarany.

11 Tahaka ny mpiandry ondry miandry ny andian'ondriny Izy ka manangona ireny amin'ny baikon-tanany; trotroiny eo an-tratrany ny zanak'ondry ary roahiny miadana ny ampianahany."

12 Iza no nahafatra ny ranomasina teo am-pelatanany na naharefy ny lanitra tamin'ny irain-jehiny? Iza no nahangona ny vovotany tamin'ny vata famarana tokana ary nandanja ny tendrombohitra sy ny havoana tamin'ny mizana anankiray monja?

13 Iza no naharefy ny Fanahin'ny TOMPO, iza no nahatakatra ny fikasany ?

14 Iza no nakany hevitra ka nampatsilo Azy na nampianatra Azy ny fahaiza-mitsara,sy nanoro Azy ny fahalalana ary nampahafantatra Azy ny fahaiza-manavaka?

15 Eo anatrehan'ny TOMPO, indreo ny firenena fa toy ny rano indray mitete avy amin'ny siny, na toy ny fasika madinika iray eo ambony mizana; ary indreo ny mponina any amin'ny nosy fa ingaina toy ny vovotany maivan-kely.

16 Ny biby fihaza ao Libano amin'ny TOMPO tsy ampy hatao sorona dorana manontolo; ary ny hazo ao anatin'ny alany tsy ampy hatao kitay amin'izany.

17 Toy ny tsinontsinona ny firenen-drehetra eo anatrehan'ny TOMPO; toy ny tsy misy sady zava-poana ireny aminy.

18 Koa ampitovinareo amin'iza moa Andriamanitra? Endrik'inona no ampanahafinareo Azy?

19 Raha ny sampy no tenenina dia mpanao taozavatra no nandrendrika azy, mpanefy firavaka no nandrakotra azy takela-bolamena ary nandrenty azy rojo volafotsy.

20 Ny mahantra izay tsy afaka mandany toy izany dia mifidy vatan-kazo tsy mety lo, ary mitady mpandrafitra mahay mba hanangana sampy tsy hihozongozona.

21 Moa tsy fantatrareo na efa renareo ve, moa tsy nambara taminareo hatrany am-piandohana ve, ary moa tsy noeritreretinareo ve ilay mpanangana ny fanorenan'ny tany?

22 Izy no mipetraka amin'ny sezafiandrianana eo ambonin'ny habakabaka izay andohalambon'ny tany; ka toy ny vitsika no fijeriny ny olona avy eny. Izy no nanenjana ny lanitra toy ny lambabe ary namelatra azy toy ny lay hitoerany.

23 Izy no mahatonga ny mpitondra ho tsinontsinona sy maha zava-poana ny mpifehy ny tany.

24 Vao tonga eo amin'ny toerany ireny, vao manomboka miely patrana, vao miorim-paka amin'ny tany, dia tsofin'ny fofonain'ny TOMPO ka mihamalazo; ary indreny fa voapaoka toy ny mololo indaosin'ny tadio.

25 Koa hampitovinareo amin'iza Aho ary hoharinareo amin'iza, hoy ilay Andriamanitra masina?

26 Atopazo eny an-danitra ny masonareo ka jereo: Iza no nahary ny kintana? Tsy iza fa Ilay mamoaka azy isan-tokony toy ny andian-tafika hanao matso sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy. Lehibe loatra ny heriny ary tena hentitra ny fahefany ka tsy misy mitsoaka an-daharana ireo.

27 Ry vahoaka Israely, firenen'i Jakoba, nahoana ianao no miteny sy manamafy hoe:"Tsy hitan'ny Tompo akory izay mahazo ahy, lalovan'Andriamanitra fotsiny ny zoko?"

28 Tsy fantatrao sady tsy efa renao va fa ny TOMPO dia Andriamanitra mandrakizay? Izy no namorona ny tany manontolo. Tsy mba reraka Izy na sasatra, ary tsy misy fetra ny fahalalany.

29 Manome hery ny reraka Izy ary manatanjaka ny malemy.

30 Ny tanora aza dia mihareraka sy mety sasatra, ny mahery tompon-daka aza dia mety ho solafaka.

31 Fa izay matoky ny Tompo kosa dia hahazo hery vaovao hatrany, ka hisidina ambony toy ny voromahery. Hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra, handeha izy nefa tsy ho reraka.

Toko faha-41

1 Ry mponina any amin'ny nosy lavitra, mangina ka henoy Aho, hoy ny TOMPO. Ary ianareo firenena, misikina herim-po. Misehoa aloha vao miteny ary andeha isika hiara-kiatrika fitsarana.

2 Tsy Izaho ve no nampipoitra ilay Mpanafaka avy any atsinanana any, ka niantso azy hanainga ny diany, sy nampilavo lefona ny firenena teo anatrehany ary nampilefitra ireo mpanjaka? Nataon'ny sabany lasa vovoka ireny ary naelin'ny zana-tsipikany toy ny akofa entin'ny rivotra.

3 Nanenjika ireny izy, ka tsy nandia tany akory no namakivaky soamantsara ny laharany.

4 Tsy izaho ve no nanao sy nahatanteraka izany sady niantso ny taranaka hatrany am-piandohana? Izaho no TOMPO teo am-piandohana ary Izaho ihany no ho Izy any am-piafarana.

5 Nahita izany ka raiki-tahotra ny mponina any amin'ny nosy lavitra; manatona amin-kovitra sy tonga koa ny avy any am-paran'ny tany.

6 Misy lehilahy mifanampy amin'ny asa ka mifampiteny hoe: "Mahereza !"

7 Ny mpanefy vy mampahery ny mpanefy firavaka; ary ny mpandama amin'ny tantanana kosa mampirisika ny mpively amin'ny riandriana sady loa-bolana ny amin'ny solohoto hoe: "Tsara ity!" Dia homboany amin'ny fantsika ny sampy mba tsy hihozongozona.

8 Ianao kosa, ry Israely mpanompoko, firenen'i Jakoba izay nofidiko, taranak'i Abrahama sakaizako ,

9 ianao izay nalaiko avy tany am-paran'ny tany sady nantsoiko avy amin'ny faritra lavitra indrindra, ianao no itenenako hoe: "Mpanompoko ianao; Izaho no nifidy anao ka tsy manary anao."

10 Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho, aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa; ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.

11 Indro ho menatra sy ho afa-baraka izay rehetra naneso anao. Hanjary tsinontsinona sy ho levona ny mpanohitra anao.

12 Hotadiavinao ireo mpisetrasetra anao fa tsy ho hitanao; hanjary tsinontsinona sy zava-poana ireo mpiady aminao.

13 Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay mitantana anao amin'ny tanan-kavananao sady mamerimberina aminao hoe: "Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao."

14 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Aza matahotra ianao, ry vahoaka Israely, firenen'i Jakoba, lazaina hoe mora vonoina toa kankana. Izaho TOMPO mihitsy no tonga hamonjy anao, Izaho ilay Masin'i Israely no mpanavotra anao.

15 Indro ianao hataoko toy ny hersa vaovao izay misy nifiny maranitra ; ka ho samatsamahinao ny tendrombohitra ary hataonao lasa akofa ny havoana.

16 Hokororohinao ho entin'ny rivotra izy sy haelin'ny tadio; fa ianao kosa dia Izaho TOMPO no hifalianao ary Izaho ilay Masin'i Israely no hireharehanao.

17 Mitady rano ny mahantra sy ny malahelo nefa tsy mahita mihitsy, ka mainan'ny hetaheta ny lelany. Izaho Tompo kosa hihaino azy; Izaho Andriamanitr'i Israely tsy mba handao azy.

18 Hampiboiboika renirano eny amin'ny havoana mangadihady Aho ary koa loharano eny an-dohasaha, ka hanova ny taniefitra ho farihy ary ny tany karakaina ho mpamoaka rano.

19 Hataoko mitsiry hazo sedera sy mimoza ary rotra sy oliva any an-taniefitra; hasiako kipreso sy hazo kesika ary kirihitr'ala any an-tany hay.

20 Amin'izay dia ho hitan'ny olona sy ho fantany, ary ho tsapany sy ho takany fa Izaho TOMPO, ilay Masin'iIsraely, no namboatra sy nahary izany fanovana izany.

21 Ianareo andriamanitry ny firenen-kafa, alaharo ny kabarinareo, arosoy ny porofonareo, hoy ny TOMPO mpanjakan'i Jakoba.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9171