IsaiĆ
Toko faha-35
1 Aoka hiravoravo ny taniefitra sy ny tany karankaina! Aoka hifaly ny tany ngazana ka hamony voninkazo meva toy ny lisy.2 Aoka ho rakotra voninkazo izy ka hitotorebika sy handihy ary hihorakora-pifaliana! Satria nomen'ny TOMPO azy ny voninahitr'i Libano mbamin'ny famirapiratan'ny tendrombohitra Karmela sy ny famirapiratan'ny lemak'i Sarona. Amin'izay no hahitana ny voninahitry ny TOMPO sy ny famirapiratan'ilay Andriamanitsika.
3 Ampaherezo ny tanana miraviravy ary hatanjaho ny lohalika malemy.
4 Lazao amin'izay kivy hoe: "Mahereza, aza matahotra; indro ny Andriamanitrareo tonga hitondra famaizana ka hanasazy ny fahavalonareo; Izy mihitsy no tonga hamonjy anareo."
5 Dia hahiratra ny mason'ny jamba ary handre ny sofin'ny marenina.
6 Hitsambikina toy ny diera ny mandringa, hiteny an-kafaliana ny lelan'ny moana , satria hiboiboika any an-taniefitra ny rano ary hisy ranon-driaka any amin'ny tany ngazana.
7 Ny tany karakaina hanjary farihy, ny tany mangentana hiboiboika loharano. Ary eo amin'ny toerana famitsahan'ny amboadia dia hanirian'ny volotara sy ny zozoro.
8 Any no hisy arabe voamboatra hantsoina hoe "lalana voatokana". Tsy hahazo handalo eo izay maloto ary tsy hitonantonana eo ny mpanompo sampy; fa ny Tompo dia hisava izany lalana izany, ho an'ny vahoakany ihany.
9 Tsy hahitana liona io lalana io sady tsy hiakaran'ny biby masiaka; tsy hisy ho hita eo ireny fa izay nafahan'ny Tompo no handeha eo.
10 Izany no lalana hiverenan'ireo navotan'ny TOMPO, ka hahatongavany ao Tsiona amin'ny fihobiana; haravoana mandrakizay no ho eny amin'ny endriny, hafaliana sy haravoana no hanenika azy fa handositra kosa ny alahelo aman-tsento.
Toko faha-36
1 Tamin'ny taona faha-14 nanjakan'i Hezekia no nahatongavan'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria hanafika ny tanana mimanda rehetra tany Joda ka nahazoany ireny.2 Ary ny mpanjakan'i Asiria izay tao Lakisy, dia naniraka ny dekany notronin'ny miaramila marobe hankany amin'i Hezekia mpanjaka, any Jerosalema. Nijanona takaikin'ny lakan-drano mankany amin'ny dobo ambony ilay iraka, teo amin'ny lalana mankamin'ny sahan'ny Mpanasa lamba.
3 Dia i Eliakima, zanakalahin'i Hilkia sady mpiandraikitra ny lapa, no niainga hitsena azy niaraka tamin'i Sebna mpitantsoratra ary i Joa, zanakalahin'i Asafa sady mpitondra tenin'ny mpanjaka.
4 Dia hoy ilay deka tamin'izy telo lahy: "Ndeha lazaonareo amin'i Hezekia ny hafatry ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asiria, manao hoe: -Mba inona moa izao toky ianteheranao izao?
5 Noheveriko fa vitan'ny kobaka am-bava ny anao ny tetika sy herim-po hoenti-miady! Koa iza no itokianao no mba sahy mikomy amiko izato ianao?
6 I Ejipta ve? Io volotara vaky manindrona sy mandrobaka ny tanan'izay mitehina aminy io ve ? Fa toy izany ny Farao mpanjakan'i Ejipta amin'izay rehetra matoky azy.
7 Angamba ianao hamaly ahy fa ny TOMPO Andriamanitrareo no itokianareo. Kanefa dia ianao indrindra, ry Hezekia, no nanafoana ny toeram-pisoronana aman' alitarany ka nandidy ny mponin'i Joda sy Jerosalema mba tsy hiankohoka afa-tsy eo anoloan'ny alitaran'i Jerosalema ihany?"
8 "Koa aoka hifanamby amin'ny andriamanjakan'i Asiria izay tompoiko ianao, fa homeko soavaly roa arivo ianao raha manana olona afaka hitaingina ireo.
9 Hataonao ahoana moa no hampandositra ny komandy iray amin'ireo manamboninahitry ny tompoko ireo, na dia izay bitika indrindra aza, raha tahiny ka i Ejipta no itokianao hahazoana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?
10 Ary ankehitriny, moa hamely sy handrava ity tany ity ve ilay mpanjaka tompoiko raha tsy sitraky ny TOMPO izany? Tsia, fa ny TOMPO mihitsy no nanome baiko azy hamely sy handrava ity tany ity."
11 Dia hoy i Eliakima sy i Sebna ary Joa tamin'ilay deka asirianina: "Mba teny aramianina re atao aminay , satria azonay ihany izany; fa aza itenenana hebreo izahay noho ny amin'ireo olona eny ambony manda mihaino antsika."
12 Fa hoy ny navalin'ilay deka hoe: "Moa ho an'ny tomponao sy ho anao ihany va no nanirahan'ny Tompoko ahy hilaza izany teny izany fa tsy ho an'ny olona izay mipetraka eny ambony manda koa? Fa ho voatery tahaka anareo izy atsy ho atsy hihinana ny dikiny sy hisotro ny fivalanan-dranony."
13 Dia nijaridina ilay deka, ka nihiaka mafy tamin'ny teny hebreo hoe: "Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asiria,
14 fa izao no lazainy:"Aza mety ho fitahin'i Hezekia ianareo, fa tsy afaka hamonjy anareo izy tsy akory.
15 Ary aza mety hotarihiny hitoky amin'ny TOMPO raha ilazany fa ny TOMPO no hamonjy anareo ka hisakana ahy tsy haka ity tanana ity.
16 Aza mihaino an'i Hezekia ianareo, fa izaho mpanjakan'i Asiria kosa miteny aminareo hoe: Manaova fanekem-pihavanana amiko ianareo ary samia mibaboka aty amiko; dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny ary samy hisotro ny rano avy ao amin'ny lava-pantsakany avy,
17 Ho avy aho atsy ho atsy hitondra anareo ho any amin'ny tany tahaka ny anareo, dia tany be varim-bazaha hanaova-mofo sy tany be voaloboka hanaovan-divay.
18 Koa aza mety ho voafitak'i Hezekia fotsiny ianareo amin'ny hoe hamonjy anareo ny TOMPO. Moa nisy nahavonjy ny taniny tsy hiharan'ny fahefako ve ireo andriamanitry ny firenen-kafa?
19 Aiza ny andriamanitr'i Hamata sy i Arpada? Aiza ny andriamanitr'i Sefarvaima? Moa nisy nahavonjy an'i Samaria tsy ho azoko ve ireo andriamaniny ?
20 Tsy nisy tamin'ny andriamanitr'ireo tany ireo nahavonjy ny taniny tsy hiharan'ny fahefako; koa ahoana no hahafahan'ny TOMPO hamonjy an'i Jerosalema tsy hiharan'ny fahefako?"
21 Fa nangina ny vahoaka teo ary tsy nisy namaly na dia teny indraim-bava aza, satria izany no baikon'i Hezekia mpanjaka.
22 Ary i Eliakima zanakalahin'i Hilkia sady lehiben'ny lapa sy i Sebna mpitantsoratra ary i Joa zanakalahin'i Asafa sady mpitondra tenin'ny mpanjaka dia niverina nankany amin'i Hezekia, rehefa avy nandriatra fitafiana, ka nitatitra taminy ny tenin'ilay deka asirianina.
Toko faha-37
1 Raha vao nandre izany tatitra izany i Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany ka nitafy gony ary lasa niditra tao an-tranon'ny TOMPO.2 Avy teo izy naniraka an'i Eliakima mpiandraikitra ny lapa sy i Sebna mpitantsoratra ary ireo mpisorona tranainy indrindra izay samy nitafy gony, mba hankany amin'i Isaia mpaminany zanakalahin'i Amotsa,
3 hanao aminy hoe: "Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fahafaham-baraka ho antsika ity andro ity! Tonga amin'ny fitenenana hoe: "Efa ho teraka ny zaza nefa tsy misy hery hiterahana azy ny reniny."
4 Angamba ho ren'ny TOMPO Andriamanitrao ny tenin'ilay deka asirianina izay nirahin'ny mpanjakan'i Asiria tompony hanevateva an'Andriamanitra velona; ka ho faizin'ny TOMPO Andriamanitrao izy noho izany. Fa manandrata vavaka ianao ho an'ireo sisa tavela amin'ny vahoakany."
5 Rehefa tonga tany amin'i Isaia ireo irak'i Hezekia mpanjaka,
6 dia nilazany hoe:-Ambarao amin'ny TOMPOnareo izao hafatry ny TOMPO izao: Aza matahotra eo anatrehan'ny teny renao nanevatevan'ireo manamboninahitry ny mpanjakan'i Asiria Ahy.
7 Fa indro Aho hanoro hevitra azy hiverina any amin'ny taniny, rehefa handre siosio izy; ary any no hampamonoako azy ho fatin-tsabatra."
8 Dia niverina ilay deka, ka nankany Libna izay nataon'ny mpanjakan'i Asiria fahirano tamin'izay; satria reny fa efa nandao an'i Lakisy ny mpanjaka.
9 Kanjo henon'i Saneheriba fa efa an-dalana hamely azy i Tirihaka mpanjakan'i Etiopia; koa rehefa nahare izany izy, dia naniraka hankany amin'i Hezekia
10 mpanjakan'i Joda indray izy, mba hitondra izao hafatra izao: "Aoka tsy ho voafitaky ny Andriamanitra itokianao ianao amin'ny filazany fa i Jerosalema dia tsy hatolotra ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria.
11 Indro ianao mihitsy no efa nandre ny nanaovan'ireo mpanjakan'i Asiria ny tany hafa rehetra sy ny nandravany azy; ka dia ianao kosa ve no ho voavonjy?
12 Fony nandrava an'i Gozana sy i Harana ary i Retsefa mbamin'i Telasara renivohitry ny Hedenita ireo razako, moa nahavonjy ireny firenena ireny ve ny andriamaniny?
13 Aiza izao ny mpanjakan'i Hamata sy i Arpada ary i Lahira, aiza izao ny mpanjakan'i Sefarvaima sy i Hena ary i Hiva ?"
14 Ary noraisin'i Hezekia ny taratasy nentin'ireo iraka asirianina ka novakiny; avy teo izy dia niakatra tao an-tranon'ny TOMPO ka namelatra izany taratasy izany teo anatrehan'ny TOMPO,
15 ary nivavaka tamin'ny TOMPO nanao hoe:
16 Ry TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely o, Ianao Izay mipetraka eo ambony kerobima , Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany, satria Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
17 TOMPO o, mba atongilano ny sofinao ka mihainoa; TOMPO o, mba ahirato ny masonao ka mijere; ary aoka ho renao ny teny rehetra izay nampitondrain'i Saneheriba hanevatevana Anao Andriamanitra velona.
18 TOMPO o, marina fa ireo mpanjakan'i Asiria dia nandringana ny hafa firenena sy nandrava ny taniny;