IsaiĆ 

Toko faha-37

19 ary nodorany tamin'ny afo sy nosimbany aza ny andriamanitr'ireny firenena ireny satria tsy tena Andriamanitra ireo fa zavatra nataon-tanan'olona, eny, vato aman-kazo ihany.

20 Fa ankehitriny kosa, ry TOMPO Andriamanitray o, vonjeo tsy ho azon'ny tanan'i Saneheriba izahay mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ety an-tany fa Ianao irery ihany no TOMPO."

21 Ary i Isaia, zanakalahin'i Amotsa, dia naniraka hankany amin'i Hezekia nanao hoe: "Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely ho valin'ny vavaka nataonao ny amin'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria.

22 Izao no teny tononin'ny TOMPO hamelezana azy: Manao tsinontsinona sy maneso anao ny tanana kanton'i Tsiona, ry Saneheriba; mihifikifi-doha ho fanamavoana anao ny tananan'i Jerosalema.

23 Fa iza moa no voatevatevanao sy nompanao?Ary iza no nanaovanao lela miakatra sy niandranandranan'ny masonao? Tsy iza fa Izaho Ilay Masin'i Israely!

24 Tamin'ny alalan'ny mpanomponao no nanevatevanao Ahy Tompo. Hoy ianao hoe: "Izaho Saneheriba dia ny kalesiko marobe no niakarako teny an-tampon-tendrombohitra hatreo afovoan-tanin'i Libano mba hikapa ny sedera mijoalajoala sy ny kipreso voafantina eo aminy. Hiakarako ao ny tendrombohitra faran'izay avo sy ny tahirin'ala ny matevina indrindra.

25 Izaho no efa nihady vovo fantsakana sy nisotro ny ranon'ny firenen-kafa ; ary horitiko ny sakeli-drano rehetra any Ejipta raha vao migadona any ny faladiako!"

26 Moa tsy fantatrao va, ry Saneheriba, fa efa hatry ny ela no nanomanako an'izao zava-nitranga tato ho ato izao? Efa hatramin'ny ela be no namolavolako azy, ary ankehitriny dia manatanteraka azy Aho. Voatendriko handrava ireo tanana mimanda ianao ka hahatonga azy ho korontam-bato.

27 Dia miraviravy tanana ny mponina ao aminy, sady raiki-tahotra no safo-kenatra; toy ny vilona any an-tsaha izy ireo sy tahaka ny ahi-maitso eny an-jaridaina ary tahaka ny zava-maniry eny an-tampon-trano ka main'ny rivotra avy any atsinanana.

28 Fantatro avokoa ny momba anao, ry Saneheriba, na mipetraka ianao na mitsangana, na mivoaka ny trano ianao na miditra, sy rehefa tezitra misafoaka amiko.

29 Eny, efa tezitra nisafoaka tamiko tokoa ianao ary efa tafakatra an-tsofiko ny fireharehanao; koa hasiako farango ny oronao ary hasiako lamboridy ny vavanao,dia hampivereniko any an-taninao ianao amin'izay lalana niavianao ihany.

30 Izao kosa no famantarana ho anao, ry Hezekia: Amin'ity taona ity dia hihinana izay vary maniry ho azy ny olona; ary amin'ny taona manaraka dia mbola ho toy izany koa. Fa amin'ny taona fahatelo kosa dia hamafy vary sy hijinja ianareo ary hamboly voaloboka sy hihinana ny vokatra avy aminy.

31 Ary izay sisa velona amin'ny taranak'i Joda dia ho toy ny hazo hamaka lalina indray ary ho feno voa ny rantsany;

32 satria ao Jerosalema no hipoiran'ny sisa tavela, ary ao an-tendrombohitra Tsiona no hiarenan'ny sisa velona. "Dia hoy ihany i Isaia hoe: "Izany no hataon'ny TOMPOn'izao rehetra izao noho ny fitia miredareda manesika Azy.

33 Izao kosa no lazain'ny TOMPO ny amin'ny mpanjakan'i Asiria: "Tsy hiditra amin'ity tanana ity izy, na handefa zana-tsipika hamelezana azy na hiady aminy omban'ny ampinga na hanangana tovon-tany hanafihana azy.

34 Ny lalana izay niaviany ihany no hiverenany, fa tsy hiditra amin'ity tanana ity izy. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.

35 Harovako i Jerosalema ary ho vonjeko noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko"

36 Dia niainga hankao an-tobin'ny Asirianina ilay anjelin'ny TOMPO ka nisy 185 ny antoko-miaramila naripany; ary raha vao nifoha ny sisa velona tamin'ny maraina, dia nahita fa efa maty avokoa ireo.

37 Koa niainga teo i Saneheriba mpanjakan'i Asiria mba handeha hiverina any Ninive ary nijanona tany.

38 Kanjo raha iny izy niankohoka tao amin'ny tempolin'i Nisroka andriamaniny iny indrindra, no avy namono azy tamin'ny sabatra ny zanany roa lahy, dia i Adrameleka sy i Saretsera; avy eo lasa nandositra any amin'ny tany Ararata izy mirahalahy fa i Esara-Hadona zanakalahin'i Saneheriba no nanjaka nandimby azy.

Toko faha-38

1 Tamin'izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekia. Tonga nitsidika azy i Isaia mpaminany, zanakalahin'i Amotsa, ary nilaza taminy ny tenin'ny TOMPO hoe: "Ataovy ny fara hafatrao amin'ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona."

2 Dia nitodika tany amin'ny rindrina i Hezekia ka nivavaka tamin'ny TOMPO,

3 ary nanao hoe: "TOMPO o, tsarovy fa nitondra tena tamim-pahamarinana sy tamin-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao! " Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekia.

4 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Isaia nandidy

5 handeha hilaza amin'i Hezekia hoe: "Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao, ka hampiako15 taona ny andro hiainanao.

6 Ny tenanao sy i Jerosalema dia hafahako eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria; ary ity tanana ity dia harovako noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko."

7 Dia novaliany hoe: "Izao no famantarana omen'ny TOMPO anao mba hahalalanao fa hotanterahiny tokoa izay nolazainy.

8 Ny tohatr'i Ahaza , izay azon'ny masoandro anikeheo, dia efa nidinan'ny aloka; indro fa hampihemorin'ny TOMPO ambaratonga folo izany aloka izany. "Dia azon'ny masoandro indray ny ambaratonga folo izay efa nidinan'ny aloka teo.

9 Ity tononkalo ity dia nosoratan'i Hezekia mpanjakan'i Joda, rehefa avy narary izy ka sitrana tamin'ny aretiny:

10 Hoy aho anakampo hoe: Amin'izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy hahalasanako! Eo am-baravaran'ny fonenan'ny maty no hamaranako ny taonako sisa rehetra.

11 Hoy koa aho hoe: Tsy hahita ny TOMPO intsony aho eto amin'ny tanin'ny velona; ary any amin'ny fiafaran'ny zavatra rehetra dia tsy hahita endrik'olona intsony aho.

12 Fa nongotanao ny fonenako ka nafindranao lavitra ahy toy ny lain'ny mpiandry ondry. Ahoronao toy ny tenona ny fiainako ka efa ho tapaka ny haraka. -Indray andro monja, TOMPO o no anaperanao ny aiko;

13 ka alohan'ny maraina, dia ho vita ny amiko.-Toy ny liona mihitsy ny TOMPO nanapatapaka ny taolako rehetra. -Indray andro monja, TOMPO o, no anaperanao ny aiko.-

14 Koa mikiakiaka toa sidintsidina aho ary mitoloko toa voromahailala. Tsy mahajery lanitra intsony ny masoko,-Tompo o, tena trotraka aho, ka aoka mba hiantohanao.-

15 Inona ary no holazaiko sy hoteneniko amin'ny TOMPO? Eny, Izy no nanao an'izao. Handeha mijoretra aho amin'ny taonako sisa rehetra fa mangidy amiko loatra izao.

16 -TOMPO o, fantatrao izay nanjo ahy ka namelona ahy indray Ianao; naverinao ny heriko ary notahirizinao ny aiko.

17 Indro niova ho fahasambarana ilay fahoriako nangidy dia nangidy. Fatra-pitia ahy Ianao ka tsy namela ahy ho faty; fa narianao any ivohonao ny heloko rehetra.

18 Any amin'ny toeran'ny maty tokoa dia tsy misy afaka midera Anao; ireo nindaosin'ny fahafatesana tsy mba afaka mankalaza Anao; izay tafidina any am-pasana tsy hanantena ny toetranao mahatoky.

19 Ny velona ihany no afaka hidera Anao, dia tahaka ahy izao anio izao sy tahaka ireo ray aman-dreny izay hampahalala ny zanany fa tena mahatoky tokoa Ianao.

20 TOMPO o, efa namonjy ahy Ianao. Koa hankalaza Anao izahay miaraka amin'ny feon-dokanga ao an-tranonao, TOMPO o , amin'ny androm-piainanay rehetra.

Toko faha-39

1 Tamin'izany fotoana izany i Merodaky-Baladana, zanakalahin'i Baladana sady mpanjakan'i Babilona, no nandre fa narary i Hezekia ary efa sitrana. Dia nandefa iraka hitondra taratasy sy fanomezana ho azy izy.

2 Ary faly i Hezekia tamin'ny fahatongavan'ireto iraka; dia nasehony azy ny trano fitahirizana zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena ary zava-manitra sy menaka mamerovero; nasehony azy koa ny trano fitobian'ny fitaovam-piadiana rehetra mbamin'ny zavatra hafa isan-karazany tao amin'ny fitoeran-drakiny. Tsy nisy zavatra nafeniny azy na ny tao an-dapany na ny tao amin'ny fanjakany manontolo.

3 Taorian'izany dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka i Isaia mpaminany ka nanontany azy hoe:-Inona no nolazain'ireny olona ireny? Avy aiza hono izy no nankaty aminao? Dia novalian'i Hezekia hoe:-Avy any Babilona lavitra any izy no nankaty amiko.

4 Ka hoy indray i Isaia:-Inona avy anefa no hitany tato an-dapanao? Dia hoy ny navalin'i Hezekia:-Izay rehetra ato an-dapako dia hitany avokoa. Tsy nisy zavatra nafeniko azy ny tao amin'ny fitoeran-drakitro manontolo.

5 Dia hoy i Isaia tamin'i Hezekia: "Henoy ny tenin'ny TOMPOn'izao rehetra izao:

6 Indro ho avy ny andro hitondrana any Babilona izay rehetra ato an-dapanao sy izay rehetra nangonin'ireo razanao hatramin'izao.Tsy hisy tavela eto na inona na inona, hoy Izaho TOMPO.

7 Ary na dia ny sasany amin'ireo taranakao aza dia ho entina any koa ho mpanompo hanao raharaha ao an-dapan'ny mpanjakan'i Babilona ".

8 Ary hoy i Hezekia tamin'i Isaia: "Tsara ny tenin'ny TOMPO izay nambaranao." Fa hoy izy manko anakampo hoe: "Hisy fiadanana sy fandriampahalemana izany amin'ny androko."

Toko faha-40

1 Ampaherezo, ampaherezo ny vahoakako, hoy ilay Andriamanitrareo.

2 Omeo toky i Jerosalema ka antsoantsoy aminy fa tapitra ny asa an-terivozona sady vita ny sazy nahatra taminy; ary efa nandray indroa heny tamin'ny tanan'ny TOMPO izy ho avotry ny fahotana rehetra nataony."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9483