Salamo
Toko faha-117 (116)
2 Fa lehibe tokoa ny fitiavany antsika ary mandrakizay ny fahamarinany. Haleloia!
Toko faha-118 (117)
1 Midera ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany !2 Aoka ny Israelita hilaza hoe: -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
3 Aoka ny taranak'i Aharona hilaza hoe: -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
4 Aoka ireo mpanaja ny TOMPO hilaza hoe: -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
5 Tao an-katerena aho no niantso ny TOMPO, ka novaliany aho, nomeny halalahana.
6 Miandany amiko izy ka tsy hatahotra aho; hahavita inona amiko ny olombelona ?
7 Miandany amiko ny TOMPO ka manampy ahy; ireo mpankahala ahy hitako fa resiny.
8 Aleo mialoka amin'ny TOMPO toy izay mialoka amin'ny olombelona;
9 aleo mitoky amin'ny TOMPO toy izay mitoky amin'ny mpifehy.
10 Nanodidina ahy avokoa ireo hafa firenena, fa ny anaran'ny TOMPO no nandringanako azy.
11 Nitangorona tamiko ireo, indray nanarona ahy, fa ny anaran'ny TOMPO no nandringanako azy.
12 Nanodidina ahy toa renitantely ireo, kanjo nalaky maty toy ny afo-mololo, fa ny anaran'ny TOMPO no nandringanako azy.
13 Natosik'ireo aho mba ho lavo, fa ny TOMPO no nanampy ahy.
14 Ny TOMPO no heriko sy reharehako, satria Izy no mampandresy ahy.
15 Feo fihobiana sy horakora-pandresena no ao an-dain'ny olona afaka: "Naneho hery ny tanan'ny TOMPO,
16 nanandratra anay ny tanan'ny TOMPO, naneho hery ny tanan'ny TOMPO."
17 Tsy ho faty aho fa ho velona mba hitanisa ny asan'ny TOMPO.
18 Nofaizin'ny TOMPO tokoa aho, kanefa tsy nafoiny ho faty.
19 Vohay ny vavahady fidiran'ny olo-marina mba hidirako hidera ny TOMPO.
20 Ity no vavahady mankao amin'ny TOMPO; ny olo-marina no aoka hiditra eo!
21 Hidera Anao aho, TOMPO o, fa novalianao ary Ianao no nahazoako fandresena.
22 Ny vato nolavin'ny mpanao trano no efa tonga vatofehizoro.
23 Avy amin'ny TOMPO izany ka mahagaga eo imasontsika.
24 Ity no andro nataon'ny TOMPO mba hifaliantsika sy hiravoantsika.
25 Miangavy re, TOMPO o, omeo fandresena izahay ; miangavy re, TOMPO o, omeo fanambinana izahay.
26 Hotahina amin'ny anaran'ny TOMPO anie ilay avy. Ianareo koa rarinay fitahiana avy ato an-tranon'ny TOMPO.
27 Ny TOMPO no Andriamanitra, ka hanazava antsika anie Izy! Milahara mitana sampan-drofia, ka manatona ny zoron'ny alitara.
28 Andriamanitro Ianao ka hoderaiko, eny, Andriamanitro ka hasandratro.
29 Midera ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: -Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
Toko faha-119 (118)
1 Sambatra ny mahitsy fitondrantena, dia izay manaraka ny lalanan'ny TOMPO.2 Sambatra izay mitandrina ny baikony, ka mitady Azy amin'ny fony manontolo.
3 Eny, tsy mba manao ratsy ireo fa manaraka ny sori-dalan'Andriamanitra.
4 Ianao namoaka ny fepetranao, TOMPO o, mba ho tandremana fatratra.
5 Enga anie ny fitondrantenako ho matotra amin'ny fitandremana ny lalananao;
6 dia tsy ho menatra aho mandinika ny didinao rehetra.
7 Hidera Anao amin-kitsimpo aho mianatra ny fitsarana ara-drariny navoakanao.
8 Ny lalananao no tiako ho tandremana, koa aza afoinao na oviana na oviana aho.
9 Raha maninona ny tanora no hadio toetra? Raha mitandrina ny teninao.
10 Amin'ny foko manontolo no itadiavako Anao, koa aza avela handao ny didinao aho.
11 Raketiko ato am-poko ny hafatrao mba tsy hanotako aminao.
12 Hisaorana anie Ianao, TOMPO o! Ampianaro ahy ny lalananao.
13 Tanisain'ny molotro avokoa ny fitsipika naloaky ny vavanao.
14 Ny mizotra araka ny baikonao no mahafaly ahy noho izay harena.
15 Ny fepetranao hosaintsainiko, ny sori-dalanao hodinihiko;
16 ny lalananao firavoako, ny teninao fitadidiko.
17 Asio soa aho mpanomponao ho velona sy hitandrina ny teninao.
18 Ampahirato ny masoko hahita ny zava-mahagaga amin'ny lalananao.
19 Vahiny eto an-tany aho; aza afenina ahy ny didinao.
20 Matimaty ery aho maniry ny fitsipikao amin'ny fotoan-drehetra.