Salamo
Toko faha-109 (108)
14 Hampahatsiahivina ny TOMPO anie ny heloky ny rainy ary tsy mba ho voakosoka ny fahotan-dreniny,15 fa samy hotsarovan'ny TOMPO mandrakariva izany! Hofoanany eto amin'ity tany ity anie ny fahatsiarovana an'ireo olona ireo!
16 Izy io tsy mba nahalala namindrafo, fa nanenjika sy nanao izay hahafaty ny ory ary koa ny malahelo mbamin'ny rera-po.
17 Tia manozona izy, ka aoka hiantontany; tsy tia mitsodrano izy, ka aoka hidifiany!
18 Ny ozona no tahaka ny lamba itafiany; ka dia hanenika ny tenany tahaka ny rano anie izany ary ho ao anatin'ny taolany tahaka ny tsoka!
19 Ho toa akanjo mandrakotra azy anie ny ozona, ho toa etra mamatotra azy lalandava!"
20 TOMPO o, izany no ataon'ny mpiampanga ahy teo aminao; izany no afitsok'ireo olona mpanendrikendrika ahy.
21 Kanefa, ry TOMPO Andriamanitro o, hasoavy aho. Sarobidy ny fitiavanao, koa afaho re aho
22 satria mahantra sy malahelo sady misy ratram-po ato anatiko.
23 Lasa toa aloka miserana aho; voaroaka toa valala kopahina.
24 Fatra-pifady hanina aho ka mangozohozo ny lohaliko sady mahia kaozatra ny tenako.
25 Dia tonga fandatsan'ireo olon-dratsy aho, ka vao mijery ahy izy dia mihifikifi-doha.
26 TOMPO Andriamanitro o, mba ampio aho; vonjeo aho araka ny fitiavanao.
27 Aoka ho fantatry ny olon-dratsy fa asanao izao; sady Ianao, TOMPO o, no nanao izany ho ahy.
28 Izy manozona ahy, Ianao kosa mitsodrano; ka ny mpamely ahy ho menatra, izaho mpanomponao kosa hifaly.
29 Ny amin'ireo mpiampanga lainga ahy anie dia ny fahafaham-baraka no ho toa akanjo itafiany ary ny henatra no ho toa lamba mandrakotra azy!
30 Ho fatra-pisaotra ny TOMPO izany vavako; eny, eo afovoan'olona maro no hiderako Azy
31 noho Izy mijoro hiaro ny zon'ireo fadiranovana mba hamonjy azy amin'izay manameloka ho faty.
Toko faha-110 (109)
1 Salamo nataon'i Davida. Ny TOMPO Andriamanitra dia niteny hentitra tamin'ny Mpanjaka Tompoko hoe: "Mipetraha amin'ny sezafiandrianana eto ankavanako. Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao."2 Avy eo Tsiona anie ny TOMPO Andriamanitra no hanitatra ny fahefam-pitondranao! Enga anie hiharan'ny fanapahanao eo anivon'ireo fahavalonao manodidina Anao!
3 Miaramila voafantina no miaraka aminao amin'ny andro amorianao ny tafikao. Eny amin'ny tendrombohitra masina no hanatona Anao ireo zatovolahinao toy ny ando napoitran'ny mazavatsinanana.
4 Nataon'ny TOMPO Andriamanitra taminao sady tsy mba hiverenany intsony izao tenim-pianianana izao: "Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban'i Melkitsedeka."
5 Andriamanitra o, efa eo ankavananao ilay Tompo Mpanjaka; dia mpanjaka maro no haripany amin'ny andro fahatezerany.
6 Hampiharany famaizana ireo firenena ka hataony feno faty ny toeram-piadiana; filoha maro no haripany manerana ny tany.
7 Dia ny sakeli-drano ao an-dohasaha no hisotroan'ity Mpanjaka eny an-dalana. Izany sy izany no hampitraka Azy ho mpandresy.
Toko faha-111 (110)
1 Haleloia!Hoderaiko amin'ny foko manontolo ny TOMPO
eo amin'ireo olo-mahitsy tafavory sy tafangona.
2
Lehibe ny asa ataon'ny TOMPO
ka tsapan'izay rehetra mankafy an'ireny.
3
Madera sady malaza ny zava-bitany;
maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
4
Tiany hotsaroana ny zava-mahagaga nataony.
Miantra sy mamindrafo ny TOMPO.
5
Omeny sakafo ireo matahotra Azy;
tsaroany lalandava ny fanekem-pihavanany.
6
Ny vahoakany nanehoany ny hery ampiasainy,
fony nomeny azy ny tanin'ireo hafa firenena.
7
Mahatoky sy ara-drariny ny asa vitany;
azo antoka avokoa ny fandaharany:
8
mafy orina hatrany ka ho mandrakizay ireny,
mahatoky sy mahitsy no nanaovany azy.
9
Nandefasany fanafahana ny vahoakany
sy nandraiketany fanekem-pihavanana mandrakizay.
Andriamanitra masina sy mahatahotra Izy.
10
Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahendrena :
malina tsara izay rehetra mankato izany. Maharitra mandrakizay ny fiderana ny TOMPO.
Toko faha-112 (111)
1 Haleloia!Sambatra ny olona izay manaja ny TOMPO
sady finaritra tokoa mankato ny didiny.
2
Hahery eto amin'ity tany ity ny zanany;
omban'ny Tompo fitahiana ireo olo-mahitsy:
3
fananana sy harena no ao an-tranony.
Maharitra hatrany koa ny asa fiantrany:
4
na dia ao anatin'ny haizina aza dia iposahan'ny hazavana ireo olo-mahitsy
izay miantra sy mamindrafo ary mitandro ny fahamarinana;
5
tsara ny miantra sy ny mampisambotra
ary ny mitantana asa fihariana amim-pahitsiana.
6
Tsy hihontsona na oviana na oviana ny olo-marina;
haharitra mandrakizay ny fahatsiarovana azy.
7
Ny fandrenesana loza dia tsy mba atahorany;
ny fony mitombina matoky ny TOMPO.
8
Mahery fo izy ka tsy mba hatahotra
ary dia hahita ny fahavalony resy.
9
Malala-tanana izy manome ny mahantra;
maharitra hatrany ny asa fiantrany,
ka hitraka hombam-boninahitra izy.
10
Mahita izany kosa ny olon-dratsy ka sosotra;
hikitro-nify izy sady ho rera-po.
Ho foana ireo fanirian'ny olon-dratsy.
Toko faha-113 (112)
1 Haleloia! Ry mpanompon'ny TOMPO, midera, eny, midera ny anaran'ny TOMPO.2 Hisaorana anie ny anarany hatrizao ka ho mandrakizay!
3 Hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, hoderaina anie ny anaran'ny TOMPO!
4 Ambonin'ny firenen-drehetra ny TOMPO; ambonin'ny lanitra ny voninahiny.
5 Iza no tahaka ny TOMPO Andriamanitsika? Mipetraka eo an-tseza fiandrianany ao ambony Izy