Salamo

Toko faha-113 (112)

6 kanefa miondrika mba hitazana izay eny an-danitra sy ety an-tany,

7 manarina ny malahelo hiala amin'ny vovoka sy manandratra ny mahantra hiala amin'ny fako

8 mba hampiray toerana azy amin'ny mpifehy, dia ireo mpifehy mitondra ny vahoakany;

9 mahatonga ny momba ho heni-kafaliana Izy satria manome azy trano honenana sy zaza maro.

Toko faha-114 (113A)

1 Haleloia! Fony niala tany Ejipta ireo Israelita, taranak'i Jakoba, ka nandao an'ilay firenena lozabe sady hafa fiteny,

2 dia tonga Toeramasin'ny TOMPO i Joda ary faritany anjakany i Israely.

3 Ny ranomasina nahita ny Israelita ka nandositra; ny ony Jordana nanjary niorika ;

4 ny tendrombohitra niantsambotra toa ondrilahy ary ny havoana nitsambikina toa zanak'osy.

5 Ahoana ianao, ry ranomasina, no mandositra, ary ianao, ry ony Jordana, no manjary miorika?

6 Ahoana ianareo, ry tendrombohitra,no miantsambotra toa ondrilahy, ary ianareo, ry havoana, no mitsambikina toa zanak'osy?

7 Aoka ianao, ry tany, hientanentan-kafaliana eo anoloan'ny Tompo, dia ny Andriamanitr'i Jakoba,

8 fa manova ny vatolampy ho farihy Izy, mahatonga ny karaobato ho loharano !

Toko faha-115 (113B)

1 Aza izahay, ry TOMPO o, aza izahay fa Ianao ihany no omem-boninahitra, noho ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky.

2 Ahoana no ilazan'ireo hafa firenena hoe: Mba aiza ity Andriamanitrareo ?

3 Ilay Andriamanitray dia any an-danitra, ka efany avokoa izay tiany hatao.

4 Ny sampin'ny hafa firenena kosa dia volafotsy amam-bolamena; zavatra notefen'olombelona ireny:

5 manam-bava fa tsy miteny; mana-maso fa tsy mahita;

6 manan-tsofina fa tsy mandre; manana orona fa tsy manambolo;

7 manan-tanana fa tsy mandray; manan-tongotra fa tsy mandeha; ary ny tendany tsy mahaloa-peo.

8 Ho tahaka azy anie izay manao azy sy izay rehetra mitoky aminy !

9 Ry fokon'i Israely o, matokia ny TOMPO. -Heriny sy ampingany Izy !

10 Ry taranak'i Aharona o, matokia ny TOMPO. -Heriny sy ampingany Izy!

11 Ry mpanaja ny TOMPO o, matokia ny TOMPO. -Heriny sy ampingany Izy!

12 Maha tsiaro antsika ny TOMPO ka mita hy: -Hotahiny anie ny fokon'i Israely! -Hotahiny anie ny taranak'i Aharona!

13 -Hotahiny anie ny mpanaja AZY! -Hotahiny anie na ny kely na ny lehibe !

14 Hohamaroin'ny TOMPO anie ny ankohonanareo, dia ny anareo sy ny an'ny zanakareo!

15 Hitahy anareo anie ny TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany!

16 Ny lanitra dia an'ny TOMPO; ny tany kosa nomeny ny olombelona!

17 Tsy ireo maty no hidera ny TOMPO na ireo mitsitra any an-toera-mangina;

18 fa isika velona no misaotra ny TOMPO manomboka izao ka ho mandrakizay. Haleloia!

Toko faha-116 (114-1

1 Tiako ny TOMPO noho Izy mihaino ny feoko fony aho mitalaho aminy.

2 Manongilan-tsofina amiko Izy ka hantsoiko, raha mbola velona koa aho.

3 Ny fahafatesana toa efa nitana ahy am-patorana; ny toeran'ny maty toa efa nangeja harato ahy, tojo fahoriana sy tebiteby aho,

4 ka niantso ny TOMPO nanao hoe: "Miangavy aho, TOMPO o, mba vonjeo re aho!"

5 Miantra sy marina ny TOMPO, mamindrafo ny Andriamanitray.

6 Miaro ny olon-tsotra ny TOMPO; reraka aho ka novonjeny.

7 Milamina indray, ry fanahiko, fa ny TOMPO efa nanisy soa anao.

8 Ianao tokoa, TOMPO o, no nanafaka ahy tsy ho faty; ka ny masoko tsy hitomany, ny tongotro tsy ho solafaka.

9 Dia hiaina eo anatrehanao aho eto amin'ity tany ivelomanay ity.

10 Natoky aho, na dia efa nahateny aza hoe : "Fara fahoriana tokoa aho!"

11 Taitra loatra aho ka loa-bolana hoe: "Mpandainga avokoa ny olombelona !"

12 Inona no havaliko ny TOMPO noho ny soa rehetra nataony tamiko?

13 Hitondra fanatitra divay aho ka hanao antso avo ny lazan'ny TOMPO.

14 Hanefa ny voadiko amin'ny TOMPO aho eo anatrehan'ny vahoakany tafangona.

15 Tsy sitraky ny TOMPO velively ny hahafatesan'ny mpivavaka aminy.

16 TOMPO o, mpanomponao aho; eny, mpanomponao tokoa aho sady zanaky ny mpanompovavinao, ka novahanao ny fatorako.

17 Hanolotra sorom-piderana aho ary hanao antso avo ny lazan'ny TOMPO.

18 Hanefa ny voadiko amin'ny TOMPO aho eo anatrehan'ny vahoakany tafangona,

19 dia eo an-kianjan'ny tranon'ny TOMPO, eo afovoanao, ry Jerosalema. Haleloia!

Toko faha-117 (116)

1 Midera ny TOMPO, ry firenena rehetra; Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9237