Salamo
Toko faha-106 (105)
19 Dia nanamboatra ombilahikely tao Horeba ny razanay, ka niankohoka teo amin'ny sarivongan-tsampy.20 Ny voninahitr'Andriamanitra dia nosoloiny sarivongan'ombilahy homana ahitra.
21 Hadino ny Andriamanitra mpamonjy azy, Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
22 dia ireo zava-mahagaga tao amin'ny tanin'i Hama ary koa ireo zava-mahatalanjona teo amin'ny Ranomasin'ny Volotara.
23 Dia nilaza Andriamanitra fa handringana azy; kanjo i Mosesy ilay voafidiny dia nanelanelana teo anatrehany ka nisakana ny hatezerany tsy hamongotra.
24 Avy eo tsy nasiany lanjany akory ilay tany mahafinaritra ary tsy ninoany velively ny fampanantenan'Andriamanitra;
25 fa nikomy tao an-dainy izy ary tsy nihaino intsony izay nolazain'ny TOMPO.
26 Koa nanangan-tanana hianiana Andriamanitra fa handringana an'ireo razanay any an-taniefitra ,
27 hampiely ny taranany any amin'ny hafa firenena ka hamela azy ho faty any an-tany rehetra any.
28 Tao Pehora dia nanolo-tena ny razanay hanompo ny sampy Bahala sady nihinana ny hena natao sorona ho an'ny andriamanitra maty.
29 Nampahatezitra ny TOMPO izy tamin'izany, koa namely azy tampoka ny areti-mandringana.
30 Saingy nijoro i Pinehasa nanelanelana,dia nitsahatra ilay areti-mandringana:
31 koa izany asa soa izany dia hahatsiarovana azy eo amin'ny taranaka mifandimby ary mandrakizay.
32 Nampahatezitra ny Tompo koa ny razanay teo akaikin'ny loharanon'i Meriba, ka nampahita faisana an'i Mosesy
33 izay tofoka loatra tamin'ny nafitsok'ireo ka nahavoaka teny tsy voahevitra.
34 Tsy naringan'ny razanay ny Kanahanita,na dia nasain'ny TOMPO nataony aza izany.
35 Niharoany ny hafa firenena sady nianarany ny fanaony;
36 ary notompoiny ny sampin'ireny ka tonga fandrika ho azy izany.
37 Nataony sorona ho an'andriamani-tsiizy ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
38 Novonoiny ho faty ny ankizy tsy manan-tsiny izay nataony sorona ho an'ny sampin'i Kanahana; ka nandotoany ny tany ireo olona nalatsa-dra ireo.
39 Nozimbainy tamin'ny nataony koa ny tena ny fony izy nivadika tamin'ny Tompo Andriamaniny.
40 Koa nirehetan'ny fahatezeran'ny TOMPO ilay vahoakany ary naharikoriko Azy tokoa ireo voatokana ho fananany.
41 Natolony ho eo an-tanan'ny hafa firenena izy, ary tonga nanompo vahoaka mpankahala azy,
42 noporetin'ireo fahavalony izy ary niforitra teo ambany fahefany.
43 Imbetsaka izy no nafahan'ny Tompo, saingy nikiry tamin'ny fikomiany ka nilentika tanaty heloka hatrany.
44 Hitany ny fijalian'ireo ary reny ny fitarainany.
45 Dia tsaroany ny fanekem-pihavanany hitsimbinana azy; be fitiavana Izy ka nanjary niova hevitra taminy.
46 Izay rehetra namabo ny razanay dia nataony nahay nangoraka azy.
47 TOMPO Andriamanitray o, vonjeo izahay ka angony avy any amin'ny hafa firenena, mba hideranay ny anaranao masina ary hifalianay amin'ny fankalazana Anao.
48 Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr'i Israely hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay! Ary aoka ny vahoaka rehetra tafangona hilaza hoe: Amen! Haleloia!
Toko faha-107 (106)
1 Midera ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany !2 Aoka hiredona izany ny navotan'ny TOMPO, dia ireo navotany ho afaka teo an-tanan'ny mpampahory
3 ka nangoniny avy tany amin'ny tany rehetra atsinanana sy andrefana, avaratra sy atsimo !
4 Tao ireo nirenireny tany an-taniefitra aman-tany foana, tsy nahita tanana honenana akory,
5 noana sy nangetaheta, sady reraka aina koa tao anatiny.
6 Dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO izy fa ory ka nafahany tamin'ny fahatereny,
7 nentiny tamin'ny lala-mahitsy hahatongavana an-tanana honenana.
8 Aoka izy hidera ny TOMPO noho ny fitiavany sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona,
9 fa ny main'ny hetaheta nomeny hosotroina ary ny reraky ny hanoanana novokisany soa!
10 Tao ireo nipetraka tao am-ponja maizim-pito, voagejam-pahoriana sy voagadra vy,
11 satria nikomy tamin'ny tenin'Andriamanitra sady naniratsira ny anatr'ilay Avo Indrindra.
12 Dia nofolahiny tamin'ny fahoriana ny fony; potraka izy, nefa tsy nisy mpanarina.
13 Dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO izy fa ory ka nafahany tamin'ny fahatereny,
14 navoaka ny tamin'ny haizim-pito sady novahany fatorana.
15 Aoka izy hidera ny TOMPO noho ny fitiavany sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona,
16 satria ny vavahady varahina novakiny ary ny hidy vy notapatapahiny !
17 Tao ireo adala toetra nijaly tokoa noho ny hadisoana sy ny heloka vitany,
18 ka nomonamonainan'ny sakafo rehetra ary efa teo ambavahaonan'ny fahafatesana.
19 Dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO izy fa ory ka nafahany tamin'ny fahatereny,
20 nandefasany ny teniny, dia sitrana ary notsoahany tao anaty lavaka.