Salamo
Toko faha-105 (104)
14 Nefa tsy nisy navelan'Andriamanitra hampahory azy fa nampitandrina mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:15 Aza kasihina ireo voahosotro ary aza asian-dratsy ireo mpitondra hafatro.
16 Niantso mosary ho amin'ny tany Izy ka nanafoana ny sakafo rehetra.
17 Nefa naniraka olona hialoha an'ireo Izy, dia i Josefa izay namidy handevozina.
18 Nogiazana tady ny tongony ary norohizana rojo vy ny vozony ,
19 mandra-pahatanterahan'ny zavatra nambarany; ny tenin'ny TOMPO no naneho azy ho tsy manan-tsiny !
20 Nanome baiko hamahana azy ny mpanjaka; eny, nampanafaka azy ny mpifehy vahoaka.
21 Notendreny ho lehiben'ny fitondram-panjakana izy sy ho mpanapaka ny taniny manontolo ,
22 mba hisarika ny andriambaventy hanaraka ny heviny sy hanolo-pahendrena an'ireo loholom-bahoaka.
23 Taorian'izany, dia tonga tany Ejipta i Jakoba mianakavy ary nifindra monina tao amin'ny tanin'i Hama.
24 Nohamaroin'Andriamanitra tokoa ny vahoakany ary nataony mahery noho ny mpampahory azy.
25 Ny fon'ireo Ejiptianina novany hankahala ny vahoakany sy hanao kendry tohina amin'ireo mpanompony.
26 Kanjo nirahiny i Mosesy mpanompony sy i Aharona ilay voafidiny :
27 Izy roa lahy no naneho teo amin'ny Ejiptianina ireo famantarana nambaran'ny Tompo mialoha ary nahavita zava-mahagaga teo amin'ny tanin'i Hama.
28 Dia nahatonga haizim-pito Andriamanitra ka nanjary maizina izany tany izany ary tsy nisy nahatohitra ny teniny.
29 Novany ho ra ny oniny ka maty avokoa ny trondrony ;
30 nataony feno sahona ny tanin'ny Ejiptianina hatrany amin'ny efitranon'ny mpanjakany.
31 Niteny Andriamanitra, dia tonga ny fihitra sy moka nihanaka tamin'ny faritany manontolo.
32 Havandra no narotsany ho solon'ny orana ary koa varatra izay nandoro ny tanetiny.
33 Nosimbany ny voalobony sy ny aviaviny ary nopotehiny ny hazo tamin'ny faritaniny.
34 Niteny Izy, dia tonga ny valala sy ny kijeja tsy hita isa
35 ka nihinana ny ahitra rehetra an-tanety sy nihinana ny vokatr'ireo tanimboliny.
36 Novonoin'Andriamanitra ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tamin'io tany io, dia ireo santatry ny hery tamin'ny ankohonana ejiptianina.
37 Fa navoakany kosa ilay vahoakany nomban'ny volafotsy sy volamena ; ka tsy nisy tamin'ireo fokony izay hoe narisarisa na iray aza.
38 Ravoravo ny Ejiptianina rehefa niala ny Israelita, satria efa nianjadian'ny tahotra azy loatra.
39 Dia novelarin'Andriamanitra ny rahona hanalokaloka ny vahoakany, ary najorony koa ny afo hanazava azy nony alina.
40 Nangataka ireo, dia nandefasany papelika; ary mofo avy any an-danitra no namokisany azy.
41 Nosokafany ny vatolampy, dia nigororoana ny rano ka zary renirano nizotra teny an-tany hay.
42 Eny, tsaroan'Andriamanitra ny teniny masinana taony tamin'i Abrahama mpanompony.
43 Dia navoakany ny vahoaka voafidiny, ka niravo sy nanao horakora-pifaliana;
44 nomeny azy ny tanin'ireo hafa firenena ka izay nisasaran'izy ireny no lasany,
45 mba hitandremany ny didiny sy hankatoavany ny Lalanany. Haleloia!
Toko faha-106 (105)
1 Haleloia! Midera ny TOMPO ianareo fa tsara Izy:-eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany !2 Iza no afaka hilaza ny asa lehibe vitan'ny TOMPO ka hampanako ny fiderana manontolo sahaza Azy?
3 Sambatra izay mitandrina ny rariny ka manao ny hitsiny amin'ny fotoana rehetra.
4 TOMPO o, mba tsarovy aho, rehefa anehoanao fitia ny vahoakanao; mba tolory famonjena aho, rehefa mamonjy azy Ianao.
5 Aoka hahita ny fandrosoan'ireo voafidinao aho ary hiombom-pifaliana amin'ny vahoakanao sy hiara-miravoravo amin'ireo voatokana ho Anao!
6 Efa nanota toy ny razanay izahay, eny, efa nivaona sy nanao ratsy.
7 Fony tany Ejipta ny razanay, dia tsy nahatakatra ny asanao mahagaga; tsy nahatsiaro ny halehiben'ny fitiavanao izy, koa teo akaikin'ny Ranomasin'ny Volotara dia nikomy taminao Avo Indrindra.
8 Nefa noho Izy TOMPO dia novonjeny ny razanay mba hampahafantarany ny heriny lehibe.
9 Norahonany ny Ranomasin'ny Volotara ka maina niaraka tamin'izay; dia toy ny mandeha amin'ny tany maina no nitondrany azy hitety ny fanambanin'ny ranobe.
10 Novonjeny tsy ho azon'ny mpankahala ireo ary nafahany tsy ho voatanan'ny fahavalo.
11 Voarakotry ny rano kosa ireo mpandrafy ka tsy nisy niangana na iray aza ;
12 ka dia mba nino ny tenin'Andriamanitra sy nihira fiderana Azy ny razanay.
13 Vetivety anefa dia hadinon'ireo razanay ny asa nataon'Andriamanitra ka tsy andriny akory ny fandaharany.
14 Voan'ny fitsiriritana tany an-taniefitra ireo ary nihantsy an'Andriamanitra tany an-tany hay.
15 Dia nome ny azy ny hena notakiny ka nataony voky sy leony mihitsy ireo.
16 Tao an-toby kosa dia nisy nialona i Mosesy sy i Aharona ilay voatokana ho an'ny TOMPO.
17 Koa nivavany tany nitelina an'i Datana sady nanarona ny tarik'i Abirama.
18 Afo no nandoro ny tarik'izy roa lahy, lelafo no nandevona ireo olon-dratsy ireo.