Jôba

Toko faha-21

27 Tandremo fa fantatro ny hevitrareo sy izay eritreretinareo ny amiko,

28 fony ianareo miteniteny hoe: "Aiza izao ny tranon'ny mpampahory, aiza ny lay fonenan'ny olon-dratsy?"

29 Mba anontanio kosa ange ny mpitety tany, ary mahaiza mamantatra ny zavatra ambarany hoe:

30 Raha avy ny loza, afaka ihany ny olon-dratsy, raha tonga ny fahatezerana, dia voaaro izy.

31 Zovy no mba sahy hitsikera ny toetrany na hampanonitra azy ny ratsy nataony?

32 Rehefa maty izy, dia entina halevina, ary mbola ambenina aza ny fasany.

33 Ho maivana aminy ny tany izay manototra azy ao an-dohasaha, fa vahoaka maro no nitanjozotra taoriany ary olona tsy hita isa no nisesy teo anoloany.

34 Koa tsy misy antony amiko izay fampiononanareo, fa lainga avokoa no raketin'ny valinteninareo.

Toko faha-22

1 Dia niteny i Elifaza avy any Temana ka nanao tamin'i Joba hoe:

2 Mba mahasoa an'Andriamanitra ve ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany izy raha hendry.

3 Mampaninona an'ilay Tsitoha moa ny fahamarinanao? Inona no soa azony na dia mahatoky aza ianao ?

4 Ny fanajanao Azy ve no hiarovany anao sy hiandaniany aminao amin'ny fitsarana?

5 Tsia, satria be loatra ny faharatsianao ary tsy hita fetra ny helokao.

6 Fa naka antoka tsy an-drariny tamin'ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny hany fitafiana teny an-kodiny.

7 Tsy nanome rano ho an'ny mangetaheta ianao ary tsy nahafoy mofo kely ho an'ny noana.

8 Fa ny be sandry no navelanao hahazo ny tany ary ny mpiandranandrana no nekenao hitoetra eo.

9 Noroahinao hitondra tanam-polo ny mpitondra tena ary norobainao ny teo an-tanan'ny kamboty.

10 Izany no mahatonga anao ho voahodidim-pandrika sy ho voafahiranon-korohoro tampoka.

11 Na hoe rakotry ny haizina ianao ka tsy mahita na inona na inona intsony; fa rendrika ao anaty onjan-drano.

12 Tsy any an-danitra avo any ve Andriamanitra? Igagana ny halaviran'ny kintana ambony indrindra.

13 Ka hoy ianao hoe: "Inona no fantatr'Andriamanitra? Afa-maninteraka ny raho-mainty ve Izy mba hitsara antsika?

14 Takon'ny raho-matevina Izy ka tsy mahita, rehefa mandehandeha mitety ny lanitra."

15 Tianao hizorana ve ny lalam-pahagola izay falehan'ireo olon-dratsy,

16 dia ireo voailika alohan'ny fotoana ka lasan'ny riaka hatramin'ny fanorenany?

17 Eny, ireo olon-dratsy ireo indrindra no nanao tamin'Andriamanitra hoe: "Miala aminay! Fa afaka ny hanao inona aminay moa ilay Tsitoha?"

18 Kanefa Izy no nampanankarena ny ankohonany. Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny olon-dratsy.

19 Ny marina mahita ny fahavoazany ka faly ary ny tsy manan-tsiny mba maneso azy hoe:

20 Indreo fa ringana ny fahavalontsika! Efa kilan'ny afo avokoa ny fananany.

21 Ifankazaro sy ihavano re Andriamanitra dia hiverina aminao ny fahasambarana.

22 Mbola raiso ny fampianarana omeny anao ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.

23 Miverena am-panetren-tena amin'ilay Tsitoha, ampanalaviro ny lainao ny tsy fahamarinana.

24 Ario amin'ny tany ny vongam-bolamenanao na avelao eny amin'ny vaton-driaka;

25 fa ilay Tsitoha no ho volamenanao sy ho volafotsy miavosa ho anao.

26 Koa dia hifaly amin'ilay Tsitohaianao ary hanandra-tava mitoky amin'Andriamanitra.

27 Raha mivavaka aminy ianao, dia ho henoiny; ary ho efainao aminy ny voadinao.

28 Fa ho tanteraka aminao izay ka sainao hatao; ary ny mazava hamiratra eo amin'ny lalanao.

29 Fa Andriamanitra manetry ny miavonavom-pisainana, nefa kosa mamonjy ny manetry tena.

30 Satria manafaka na dia ny olo-meloka aza Izy; eny, ny fahadiovan'ny tananao no hanafaka azy.

Toko faha-23

1 Dia namaly i Joba ka nanao hoe:

2 Ankehitriny vao tena mangidy ny fitarainako na dia efa nampanginiko aza ny tolokoko.

3 Satriko ho fantarina mihitsy izay hahitako an'Andriamanitra! Dia ho nataoko izay hahatongavana hatrany amin'ny toeram-pitsarany.

4 Halahatro eo anatrehany ny adiko, ka hataoko be ao am-bavako ireo porofo.

5 Dia ho fantatro izay teny havaliny ahy, ary ho azoko tsara izay holazainy amiko.

6 Hiezaka mafy ve Izy hifandahatra amiko?Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy.

7 Amin'izay dia olo-mahitsy no hifanazava aminy, ary hanafaka ahy mandrakizay Izy mpitsara ahy.

8 Nefa raha miantsinanana aho, dia tsy any Izy; ary miankandrefana aho, saingy tsy mahita Azy.

9 Sahirana any avaratra ve Izy ka tsy tazako, na koa miery any atsimo ka tsy tsikaritro!

10 Na izany aza, fantany tsara ny lalana falehako; fa raha mizaha toetra ahy Izy, dia hivoaka madio toy ny volamena aho.

11 Nifikitra tamin'ny sori-dalany ny diako; eny, nizotra ny lalany Aho fa tsy nivilivily.

12 Tsy nanda izay didy nambarany aho;fa tao am-poko no nitahirizakoizay rehetra naloaky ny vavany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9537