Jôba
Toko faha-28
28 Dia hoy Andriamanitra tamin'ny olona: "Ny fanajana ny Tompo, izany no Fahendrena; ary ny fialana amin'ny ratsy no fahalalana."
Toko faha-29
1 Dia mbola nandahatra ihany i Joba ka nanao hoe:2 Iza re no hamerina amiko indray ireny volana taloha izay niainako teo ambany fiarovan'Andriamanitra,
3 fony mbola nirehitra teo ambony lohako ny jirony ka ny fahazavany no nitari-dalana ahy tamin'ny alina?
4 Tao anatin'ny andro fanambinana aho tamin'izay ary narovan'ny fisakaizan'Andriamanitra ny fonenako,
5 fony mbola niaraka tamiko ilay Tsitoha ary nanodidina ahy ireo zanakalahiko.
6 Tamin'izay no nilomanosako tao anatin'ny harena miavosa sy nikorianan'ny diloilo ho ahy avy amin'ny vato famiazana oliva.
7 Raha nankeny am-bavahadin'ny tanana aho ka nandray ny toerako teo an-kianja ,
8 dia nahita ahy ny tanora ka nitsoatsoaka, ary ny antitra nitsangana ka nijaridina teo.
9 Nangina tsy nahateny ny lehibe fa nitampim-bava fotsiny.
10 Tankina koa ny feon'ireo mpanapaka ka toa niraikitra tamin'ny lanilany ny lelany.
11 Izay nandre dia nidera ahy; ary izay nahita dia samy nankasitraka.
12 Satria novonjeko ny mahantra izay nitaraina tamiko ary koa ny kamboty tsy nanan-kianteherana.
13 Tonga tamiko ny tsodranon'ny miala aina ary dia nampifalifaliako ny fon'ny mpitondratena.
14 Ny fahamarinana no akanjo fanaovako, ny fitandroako ny rariny no ihaingoako tahaka ny lamba sy toy ny fehiloha.
15 Nanjary maso ho an'ny jamba aho ary tongotra ho an'ny malemy.
16 Eny, efa tonga ray ho an'ny mahantra aho; ary nandray an-tanana ny olan'ireo vahiny.
17 Nomontsaniko ny vala noranon'ny olon-dratsy hanafahako izay voagejan'ny nifiny.
18 Dia hoy aho hoe: "Ato amin'ny akaniko no hialako aina toy ny feniksa ka hahamaro ny androm-piainako indray.
19 Tahaka ny hazo manana faka azon-drano aho, sady manana ny ravin-drantsana izay handrian'ny ando amin'ny alina.
20 Ho havaozina tsy tapaka ny voninahitro ary ho toy ny tsipika voahenjana ny heriko."
21 Nihaino ahy tamim-panantenana ny olona, ka samy nangina teo am-pandraisana ny hevitro.
22 Rehefa niteny aho dia tsy nisy namaly intsony, ary nanenika azy tsikelikely ny teniko.
23 Niandry ahy toy ny fiandry ranonorana izy, ary toy ny mitanatana vava miandrandra ny oran-dohataona.
24 Raha nisy nila ho ketraky ny hakiviana ireo, dia notolorako tsiky fampaherezana ary nampamiratako ny fahazavan'ny tavako.
25 Nitarika azy sy nanoro lalana azy aho, ka nahavatra niara-nitoetra taminy toy ny mpanjaka milasy miaraka amin'ny tafiny na toy ny olona mampionona ny tra-pahoriana.
Toko faha-30
1 Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy ireo tanora kokoa noho izaho, dia ny zanak'ireo olona nolaviko fahiny tsy ho naman'ny alika mpiandry ondriko.2 Sady inona moa no azoko andrasana amin'izay olona efa tra-pahosana?
3 Anan'ny hanoanana sy ny fahantrana izy ka mitady hohanina any an-tany hay izay faritra mampalahelo sady karankaina.
4 Mitsongo anan-dia akaiky kirihitra izy ary mivelona amin'ny kifakafakan-javatra.
5 Voaroakan'ny mpiara-monina ireo karazan'olona ireo sady voakora toy ny mpangalatra,
6 ka mitady fialofana eny an-tehezan-tevana, any an-dava-johy na any an-dava-bato.
7 Mivangongo anaty ambiaty izy ka mitrena ao anaty kirihitra.
8 Karazan'olona adala sy kentrina izy, ka noroahina tamin'ny kapoka mba hiala ny tany nonenany.
9 Ary dia ny tenako indray ankehitriny no ataon'ny taranak'ireo olona ireo an-kira sady efa tonga ambentin teniny hatrany.
10 Maharikoriko azy aho ka halaviriny; ary tsy menatra ny mandrora ny tavako izy.
11 Fa noketrahin'Andriamanitra aho mba hangaihay, ka nahintsan'ireo olona ireo ny lamboridy izay nihazonako azy.
12 Faikan'olona no mihahohaho eo ankavanako ka mitady hamingana handavo ahy , ary manangana tovon-tany hanatrarany ahy.
13 Mandrava ny lalan-kalehako ireo, ary samy miady fo hamery ahy ka tsy mila ampiana akory amin'izany.
14 Toy ny fiditra amin'ny fefy banga no fibosesiny anaty korontana hamely ahy.
15 Lasibatry ny fampitahorana aho, ka toy ny rivotra mipaoka ny voninahitro izany; dia nanjavona tahaka ny rahona izay mba fanantenako handresy.
16 Ankehitriny miempo ato anatiko ny aiko ary mangeja ahy ny androm-pahoriana.
17 Ny alina mikiky ny taolako ho afaka amiko ary ny fanaintainako tsy manam-pitsaharana.
18 Naka an-keriny ny akanjoko Andriamanitra ka manakenda ahy toy ny vozon-dobaka tery.
19 Nazerany tao amin'ny fotaka aho ka naetriny toy ny vovoka aman-davenona.
20 Miantso Anao aho, Andriamanitra o, nefa tsy valianao akory; mitsangana hivavaka eo anoloanao aho, nefa dia jerenao fotsiny.
21 Tonga masiaka amiko Ianao ka mandrafy ahy amin'ny herinao.
22 Avelanao hindaosin'ny rivotra aho ka atambolimbolin'ny tafiotra mahery.
23 Eny, fantatro fa hoentinao any amin'ny fahafatesana aho, dia any amin'ilay fonenana ifamotoanan'ny olombelona rehetra.
24 Kanefa nahoana Ianao no hanainga tanana hamely izay efa mila ho trotraka, dia ny olona tra-pahoriana ka miantsoantso vonjy?