Jôba

Toko faha-15

29 Na oviana na oviana io olon-dratsy io dia tsy ho tonga mpanankarena mihitsy, satria tsy haharitra ela ny fananany; ary ny fahombiazany tsy hitatra amin'ny tany.

30 Tsy ho afaka amin'ny haizim-pahafatesana izy; fa ho tahaka ny solofon-kazomain'ny afo no handevonan'ny fofonain'Andriamanitra azy.

31 Diso hevitra izy raha hitoky amin'ny fitaka, satria ny nataony ihany no hivaly aminy.

32 Ho tanteraka alohan'ny fahafatesany izany, dia toy ny ravin-kazo tsy hihamaitso intsony,

33 na toy ny voaloboka hanintsana voambola manta, na toy ny oliva mampiraraka ny voniny.

34 Fa ho momba ny ankohonan'ny olon-dratsy. Ho levon'ny afo ny tranon'ny mpandray tsolotra.

35 Izay torontoronina loza dia miteraka fahoriana; fa ny kibony manotri-pitaka hahavoa azy ihany.

Toko faha-16

1 Dia namaly i Joba ka nanao hoe:

2 Kabary efa mankaleo ahy izany reko izany: mpampionona mahasorena ianareo rehetra, dia ianareo izay manontany ahy hoe:

3 Hifarana rahoviana izany teny foana izany? Sa inona no manesika anao hamaly toy izany?

4 Afaka hiteny tahaka anareo koa aho, raha ianareo no mba teo amin'ny toerako. Hanaovako kabary tsara lahatra ianareo; ary hanifikifi-doha ho fangorahana anareo aho.

5 Hiteny aho hankaherezako anareo, fa ny fampiononana lazaiko no hitonianareo.

6 Kanefa na dia miteny aza aho, dia tsy mihamaivana ny fahoriako; ary na dia mangina koa aza aho, dia tsy misinda akory izany.

7 Ankehitriny dia nandreraka ahy Andriamanitra, fa naringany avokoa ny ankohonako rehetra.

8 Ireo ketrona nataony amiko no vavolombelona, ary ny fahiazako no miampanga sy manameloka ahy.

9 Am-pahavinirana no amiraviran'Andriamanitra ahy; manao haza lambo ahy Izy sy mikitro-nify amiko ary mivandravandra miseho ho fahavaloko.

10 Misanasana vava handrahona ahy ny olona, ka mamely tehamaina sady manevateva ahy ary koa miara-mioko hamely ahy.

11 Efa natolotr'Andriamanitra amin'ny tsivalahara aho ary navelany ho eo an-tanan'ny olon-dratsy.

12 Tonga nanakotaba ahy Andriamanitra, tamin'iny aho nilamina tsara iny; noraisiny tamin'ny hatoko aho ka naronjiny ary nataony lasibatry ny zana-tsipikany.

13 Misavoana manodidina ahy hatraiza hatraiza ireny. Trobarany tsy ananany antra ny voako; ka mifafy amin'ny tany ny ranon'aferoko.

14 Ratra miampy ratra no afitsony ahy ary toy ny mpiady mahery no iantsampazany amiko.

15 Nanjaitra lamba fisaonana aho, mba hanaronako ny hoditro; ary nahosiko tanaty vovoka ny handriko.

16 Ny tavako efa tera-menan'ny fitomaniana; ary alo-pahafatesana no teo amin'ny masoko.

17 Kanefa tsy voaloton-kerisetra ny tanako; ary ny fivavahako dia madio hatrany.

18 Ry tany o, miraraka ny rako ka aza rakofanao izany, fa aoka ho re hatraiza hatraiza ny fitarainako.

19 Dieny izao dia misy vavolombeloko any an-danitra; ary any amin'ny sehatra ambony any misy mpiaro ahy.

20 Na dia mihomehy ahy aza ny namako, dia tomany kosa no ijereko an'Andriamanitra.

21 Enga anie ilay mpiaro ahy no hanelanelana ny tenako olombelona sy Andriamanitra, toy ny fanaon'ny olona samy olona ety an-tany.

22 Hanelanelana anie izy, fa miserana ny taona vitsy iainako; ary hizotra ny lalana ho amin'ny varo-tsy mifody aho.

Toko faha-17

1 Torovana ny aiko ary madiva hilentika ny androko; ny fasana sisa no miandry ahy.

2 Moa tsy ireo mpaneso ve no manodidina ahy, ka ny filany sotasota no tsy ahitako tory?

3 Andriamanitra o, meteza ho hany mpiantoka ahy, fa iza moa ankoatra Anao no hety hanao izany?

4 Efa nataonao very saina ireo sakaizako, koa tsy havelanao hirehareha amiko.

5 Ireo no tonga amin'ilay ohabolana hoe: Manan-kozaraina amin'ny namana, kanefa dia mahajery voamason-janaka.

6 Izaho no ambentin-kiran'ny olona sy fandrorany an-tava hatrany.

7 Efa jembin'ny alahelo ny masoko, ary efa hoatra ny aloka sisa ny tenako.

8 Ankona noho izany ny olo-mahitsy, ary tezitra ny tsy manan-tsiny satria olona mpihatsara velatsihy no ahitany ahy.

9 Fa hoy izy: "Aoka ny marina hifikitra amin'ny lalany, ary aoka ny madio tanana hitombo fiezahana."

10 Avia ka miverena avokoa, ianareo sakaizako. Fa tsy hahita izay olon-kendry eo aminareo aho.

11 Lasa ny androko; foana ny fikasako, dia izay zavatra nirin'ny foko fatratra.

12 Fa ny alina ataon'ny sakaizako ho andro; ary rehefa tonga ny haizina, dia lazainy fa antomotra ny mazava.

13 Inona indray no mbola antenaiko, afa-tsy ny toeran'ny maty ho fonenako? Ao amin'ny haiziny no hamelarako fandriana!

14 Hoy aho amin'ny fasana: "Ianao noraiko", ary amin'ny olitra: "Ianareo no reniko sy anabaviko"

15 Fa aiza ary ny fanantenako? Iza no mbola mahita azy?

16 Miara-midina amiko any amin'ny toeran'ny maty izany, ary hiara-mihitsoka amiko eo amin'ny vovoka.

Toko faha-18

1 Dia niteny indray Bildada avy any Soha ka nanao hoe:

2 Rahoviana no hatsahatrareo roa lahy izany teny izany? Mieritrereta aloha ianareo; izay isika vao miresaka!

3 Nahoana no ataon'i Joba ho donto toy ny biby isika telo lahy? Sa olona tery saina ve isika eo imasonareo?

4 Ary ianao kosa, ry Joba, izay mampahory tena amin'ny fahatezeranao, noho ny aminao ve no hahalao ny tany sy hampifindra toerana ny vatolampy?

5 Eny, ho faty tokoa ny jiron'ny olon-dratsy, ary tsy hirehitra intsony ny lelafony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9298