Jôba

Toko faha-18

6 Ny hazavana hihamaizina ao an-tranony; ary ho faty koa ny fanaovan-jirony.

7 Hiambakavaka ilay famindrany matoky iny, ary ho lavon'ny foto-pisainany ihany izy;

8 satria ny tongony no hitarika azy ho amin'ny harato, ka dia handroso ho voasingotra avy hatrany izy.

9 Ho azon'ny fandrika ny ombalahintongony, ary hangeja azy mafy ny tadivavarana.

10 Miafina eo amin'ny tany eo ny tady hamingana azy; ary efa misy longoa mitoto-bozaka eny an-dalany.

11 Manemitra azy hatraiza hatraiza ny horohoro ary manara-dia azy amin'izay alehany.

12 Lanin'ny mosary ny fahavitrihan'ny olon-dratsy ary mitoetra eo anilany ny fahantrana.

13 Eny, laniny tsikelikely ny sombin-kodiny, ary kikisan'ny areti-mandoza ny rantsam-batany.

14 Ho esorina amin'ny fonenany azo antoka izy ka ho entina eo anatrehan'ilay mpanjaka Rafahafatesana.

15 Tsy misy mpipetraka ny tranony ka azo itoerana, dia ho fafazana solifara ny faritra fonenany.

16 Fa ho tonga toy ny hazo efa ho faty izy; mihamaina ny fakany avy ao ambany ary mihamalazo ny raviny avy any ambony.

17 Ho foana eto amin'ity tany ity ny fahatsiarovana ny olon-dratsy, ary efa hadino hatrany ivelany ny anarany.

18 Hakifika hiala amin'ny mazava hankamin'ny haizina izy ary ho roahina hiala amin'izao tontolon'ny velona izao.

19 Ho lany tamingana tsy hamela taranaka izy ary tsy hisy ho velona ny ao amin'ny fonenany.

20 Igagan'ny any Andrefana ny fahavoazany, sady mampihorohoro ny any Atsinanana.

21 Toy izany, hoy ireo, no miandry ny fonenan'ny mpanao ratsy; izao no manjo ny toerana izay tsy niekena an'Andriamanitra.

Toko faha-19

1 Dia namaly i Joba ka nanao hoe:

2 Hafiriana no mbola hampahorianareo ahy ka handrerahanareo ahy amin'ny fitenenana?

3 Efa impolo kely izao no nanevatevanareo ahy, ka tsy menatra ve ianareo mampahory ahy toy izao?

4 Fa raha nisy tokoa aza fahadisoako, dia ahy samirery ihany ny amin'izany.

5 Nefa raha mihevitra ny hirehareha amiko kosa ianareo ka hanao ny fahoriako ho porofon'ny maha meloka ahy,

6 dia fantaro fa Andriamanitra no nahatonga izao fahavoazako izao sady nanarona ahy tamin'ny haratony.

7 Raha miantso mafy aho hoe: "Loza!", dia tsy misy mamaly ahy. Raha mba miantso vonjy aho, dia tsy mahazo rariny.

8 Bahanan'Andriamanitra ny lalako mba tsy hahafahako mandeha; ary amin'ny sakeli-dalana alehako dia nasiany haizina hiraparapako.

9 Efa nataony afa-boninahitra aho ary nesoriny teo an-dohako ny satroboninahitro.

10 Toa trano narodany hatraiza hatraiza aho ka potika ary nongotany toa fanongotra hazo ny fanantenako.

11 Dia nirehitra tamiko ny fahatezerany, ka nataony toy ny fahavalo aho.

12 Tafangona avokoa ireo andia-miaramilany ka nitady lalana hahatrarana ahy ary nitoby nanao fahirano ny laiko.

13 Ny rahalahiko efa nampanalavirina ahy. Ireo nahafantatra ahy tsy te hahalala intsony.

14 Ny havako akaiky efa nihatakataka tamiko, ireo sakaizako efa nanadino ahy.

15 Ny vahiny nampiantranoiko sy ny mpiasako dia nihevitra ahy ho olon-kafa; eny, tonga tsy fantany intsony aho.

16 Antsoiko ny mpanompoko fa tsy mamaly na dia efa nitalahoako fatratra aza.

17 Tsy mahatanty ny fofonaiko intsony ny vadiko ary tofoka ahy koa ireo mpiray tampo amiko.

18 Mamingavinga ahy hatramin'ny ankizy kely; fa raha mitsangan-kamindra aho, dia esoiny.

19 Tsiravina amiko ireo sakaiza nitokiako; ary nivadika tamiko avokoa ny olon-tiako.

20 Taolana mifono hoditra sisa aho ankehitriny; ary ny akanjo-nifiko no hany entiko mandositra.

21 Iantrao dia iantrao aho, ry sakaizako isany, fa ny tanan'Andriamanitra no namely ahy.

22 Nahoana no manenjika ahy tahaka an'Andriamanitra koa ianareo ka tsy sasatry ny mampijaly ahy?

23 Tiako raha mba voasoratra ny teniko, ka ho voasokitra any ho any.

24 Enga anie ka ho voasokitra amin'ny fandraby izany sady harahina loko firaka isaky ny literaka haharitra mandrakizay eo amin'ny vatolampy.

25 Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy; ka hitsangana farany eo amin'ny tany Izy.

26 Rehefa mihintsana izao hoditro izao ka ho afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra.

27 Eny, izaho mihitsy no hijery Azy, ka ny masoko no hahita fa tsy ny hafa. Efa sasa-miandry izany ny foko ato anaty.

28 Hoy ianareo hoe: "Ahoana no fanenjika azy, hahitana izay anton-javatra hitsarana azy?"

29 Koa matahora ny sabatra ianareo, fa ho valian-tsabatra ny di-dohanareo; ary ho fantatrareo fa misy fitsarana.

Toko faha-20

1 Dia niteny i Tsofara avy any Nahama ka nanao tamin'i Joba hoe:

2 Noho izany, ny fieritreretako no manosika ahy hamaly ary koa ny fahamaimaizana misy ato amiko.

3 Nandre lesona manevateva ahy aho, nefa ny saiko mahita ny havaly izany.

4 Moa tsy fantatrao ve fa hatramin'ny ela, hatrizay nampitoerana ny olona teto an-tany,

5 dia vetivety ny fireharehan'ny olon-dratsy ary mihelina ihany ny fifalian'ny tsy mpivavaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8998