Jôba

Toko faha-27

1 Mbola nanohy ny teniny ihany i Joba ka nanao hoe:

2 Velona Andriamanitra Izay tsy manome rariny ahy, velona ilay Tsitoha Izay mameno ahy fahoriana mangidy ka manao izao fianianana izao aho:

3 raha mbola misy koa aina kely ato amiko ary eo am-bavoroko ny fofonain'Andriamanitra,

4 dia tsy hiteny fitaka ny molotro ary tsy hilaza lainga ny lelako.

5 Sanatria amiko ny hihevitra fa manana ny marina ianareo! Hizingiziniko mandra-pahafatiko kosa fa tsy manan-tsiny ny tenako.

6 Hazoniko mafy ny fahamarinako ka tsy havelako hiala: Mandry ny eritreritro ka tsy misy hampahamenatra ahy akory na dia ny amin'ny androko iray monja aza.

7 Ny anjaran'ny ratsy fanahy anie no ho an'ny fahavaloko! Ary ny anjaran'ny olon-dratsy kosa no ho an'ny mpifanandrina amiko!

8 Fa hanantena inona ireo tsy mivavaka, raha esorin'Andriamanitra ny ainy?

9 Hihaino ny fitarainany ve Andriamanitra raha sendra zoim-pahoriana izy?

10 Raha mba nahita fahafinaretana teo anilan'ilay Tsitoha izy, dia ho niantso an'Andriamanitra mandrakariva.

11 Hampiseho anareo ny asan-tanan'Andriamanitra aho, ary tsy hanafina ihany koa ny hevitr'ilay Tsitoha.

12 Satria efa tsapanareo rehetra izany, koa nahoana no miteniteny foana ianareo?

13 Izao no anjara natokan'Andriamanitra ho an'ny ratsy fanahy sy lova atolotr'ilay Tsitoha ho an'ny olon-dozabe:

14 Na mitombo isa aza ny taranany, dia ho fatin-tsabatra; ary ny zanany tsy hanan-kohanina.

15 Izay sisa velona haripaky ny pesta, ary ny mpitondra tenany tsy hitomany azy.

16 Na dia mahangona volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary fitafiana miavosa tahaka ny fotaka,

17 dia aoka izy hanangona; fa ny marina no hiakanjo ny fitafiana ary ny olom-banona no handray ny volafotsy.

18 Mora simba ny trano aorin'ny olon-dratsy fa toy ny kitranotranon'ny mpiandry voly.

19 Mbola manana harembe izy, nony mandry indray maka faramparany ; saingy tsy eo intsony ireny rehefa mihiratra ny masony.

20 Mamely azy toy ny riaka ny horohoro, ary indray alina no ipaohan'ny tadio azy.

21 Indaosin'ny rivotra avy any atsinanana izy, ka ongotany mafy hiala amin'ny toerany.

22 Asian'io rivotra io tsy ananany antraizy ka voatery mandositra ny fisafoahany.

23 Mitehaka noho ny fahavoazany kosa ny olona sady manakora azy nandao fonenana.

Toko faha-28

1 Misy ny tany fitrandrahana volafotsy ary ny toerana fanadiovana volamena.

2 Ny vy dia alaina avy amin'ny tany, ary ny varahina avy amin'ny vato narendrika.

3 Mampisava ny haizina ny mpitrandraka; ka hatrany amin'ny fanambanin'ny tany no ikarohany ny vato miafina ao anatin'ny haizim-pito mangitsokitsoka.

4 Mihady lavaka lavitry ny fonenana izy; ka any amin'ny toerana tsy fandalovan'olona no ihantonany sy itsingevahevany amin'ny tady.

5 Ny vohon-tany no mamokatra hanina fa ny ao ambany kosa toa navadibadiky ny afo.

6 Ny vatony no fitoeran'ny safira ary ny vovony no ahitam-bolamena.

7 Tsy fantatry ny papango ny lalana mankany sady tsy hitan'ny masom-boromahery.

8 Tsy mbola nodiavin'ny biby masiaka izany, ary tsy mba falehan'ny liona.

9 Nefa sahy mihady ny vato mainty ihany ny olona ka misava ny tendrombohitra hatrany ifotony.

10 Anokafany lalana ao anaty vatolampy mba hahitany ny zava-tsarobidy rehetra.

11 Hainy ny manampina ny loharano tsy hikorianan'ny renirano; ka avoakany eo amin'ny mazava ny harena miafina rehetra.

12 Fa ny Fahendrena , aiza kosa no hahitana azy? Aiza no toerana ipoiran'ny fahalalana?

13 Tsy misy olona mahalala ny hasarobidiny, satria tsy hita ao amin'ny tanin'ny velona izy.

14 Fa hoy ny hantsana anaty rano be: "Tsy aty izy." ary hoy ny Ranomasina: "Tsy ato amiko izy."

15 Tsy mahatakalo azy ny vongam-bolamena madio ary tsy mahavidy azy ny antontam-bolafotsy.

16 Tsy mifandanja aminy na ny volamena avy any Ofira na ny berila sarobidy mbamin'ny safira aza.

17 Tsy mitaha aminy na ny volamena na ny fitaratra. Ary ny vazy tena volamena tsy mahatakalo azy.

18 Tsy misy antony aminy na ny voahangy na ny kristaly, fa mihoatra noho ny perla ny fahazoam-pahendrena.

19 Tsy azo ampitahaina akory ny topaza avy any Etiopia; ary tsy mifandanja aminy na dia ny volamena madio aza.

20 Fa avy aiza ary ny fahendrena? Aiza no toerana ipoiran'ny fahalalana?

21 Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izany, ary takona amin'ny vorona eny an-danitra koa aza.

22 Hoy Rafahafatesana sy Rafandravana hoe: "Eny, renay siosio fotsiny ny aminy."

23 Fa Andriamanitra no mahalala ny lalana mankany, ary Izy ihany no mahafantatra ny misy azy.

24 Fa mahatsinjo hatrany am-paran'ny tany Izy ary mahita izao rehetra ambanin'ny lanitra izao.

25 Rehefa nametra ny lanjan'ny rivotra sy nandraikitra ny fatran'ny rano Izy

26 ary nandrindra lalana ho an'ny orana sy nanori-dalana ho an'ny kotroka,

27 dia nahita ny Fahendrena ka nanambara ny hatsarany nony avy nandinidinika azy ary koa namotopototra ny aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9774