Jôba

Toko faha-9

31 tonga dia harobokao indray ao anaty fotaka , ka haloan'ny fitafiako toa zava-maharikoriko.

32 Fa tsy olombelona tahaka ahy Andriamanitra ka ho azoko valiana sy iarahana miseho amin'ny fitsarana.

33 Raha mba nisy ahay mpanelanelana izay nametra-tanana taminay roa tonta ,

34 dia ho nesoriny tamiko ny karavasin'Andriamanitra ka ho nitsahatra ny fampihorohoroany ahy;

35 ho niteny aminy tsy amin-tahotra aho. Noho ny toe-javatra tsy toy izany, dia honjohonjoko izaho irery.

Toko faha-10

1 Koa satria maharikoriko ahy ny fiainana, dia tsy hitana ela intsony ny fitarainako aho fa tezitra anaty ka voatery hiteny.

2 Izany no hitenenako amin'Andriamanitra hoe: Aza manameloka ahy, fa ampahafantaro ahy kosa ny alahelonao amiko.

3 Mahafaly anao ve ny mampahory ahy ka tsy hiraharaha ny asan'ny tananao, fa homba kosa ny tetiky ny olon-dratsy?

4 Mijery zavatra tahaka ny fijerinay olombelona azy ve Ianao na manomban-javatra tahaka ny fanombananay olombelona azy?

5 Moa fohy tahaka ny anay ve ny fiainanao, ka voafetra ho taona vitsivitsy monja?

6 Koa nahoana no mitady ny fahadisoako Ianao ary mikatsaka ny fahotako?

7 Fantatrao tsara ange fa tsy meloka aho, ary tsy misy olona afa-miala eo am-pelatananao.

8 Ny tananao izay nanao sy namolavola ahy no indro fa mitady hanimba ankehitriny.

9 Tadidio fa notefenao toy ny fanaka tanimanga aho ary haverinao ho amin'ny vovoka indray.

10 Ianao no namorona ahy tao an-kibon'i neny toy ny famela ronono handry ao anaty tavoara.

11 Koa notafinao hoditra sy nofo aho ary norarinao taolana sy hozatra.

12 Nomenao aina ombam-pitiavana aho, ka ny fiahianao no niaro ny aiko.

13 Saingy nisy tsiambaratelo nafeninao ahy, dia izao zavatra fantatro fa tao an-tsainao izao:

14 raha vantany vao nanota aho, dia hahatratra ahy ambodiomby Ianao ka tsy hamela mihitsy ny hadisoako.

15 Koa lozako raha tahiny ka meloka aho; fa na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia tsy ho sahy hiandrandra akory, satria safo-kenatra sady fadiranovana.

16 Raha mba mitraka aho, dia hihaza ahy toy ny liona ianao, ka ny asanao mahatalanjona no hamelezanao ahy indray.

17 Totoafo ny fanafihana ataonao amiko; ataonao avo roa heny ny fahatezeranao amiko, ary tafika mifanontona no mamely ahy.

18 Nahoana no navoakanao tao an-kibon'i neny aho? Toy izay aho mba maty tao tsy nisy mpahita,

19 ka vao niala tao an-kibo dia nentina ho any am-pasana tahaka ny tsy ary akory.

20 Fotoana vitsy sisa iainako ankehitriny. Koa atsaharo amin'izay ny famelezanao ahy mba hahazoako maka aina kely,

21 alohan'ny handehanako tsy hiverina intsony any amin'ny tanin'ny haizina sy alo-pahafatesana;

22 any ny mangiran-dratsy na somambisamby dia toy ny alina izay anjakan'ny alo-pahafatesana sy ny korontana, any ny hazavana dia tahaka ny alina mikitroka.

Toko faha-11

1 Dia nandray fitenenana i Tsofara avy any Nahama ka nanao tamin'i Joba hoe:

2 Tsy mba ho valiana ve ny teny maro toy izany? Tsy hoe be vava manko no manana ny marina!

3 Ny rediredinao ve no hampangina ny olona? Ka dia haneso tsy hisy mpanakiana ianao!

4 Nambaranao aza hoe: "Madio ny teny nalahatro; Andriamanitra no mahita fa tsy manan-tsiny aho".

5 Fa raha mba nety niteny ahay Andriamanitra ka nanaiky hisoka-bava hamaly anao mivantana,

6 dia ho nambarany anao ny zava-miafin'ny fahendrena izay tsy takatry ny saintsika olombelona; ary dia hiaiky ianao fa maro ny fahotanao no odian'Andriamanitra tsy hita akory.

7 Moa azonao takarina ve ny zava-dalina momba an'Andriamanitra na koa azonao fantarina ve ny fahatanterahan'ilay Tsitoha?

8 Avo tahaka ny lanitra izany, ka hataonao ahoana? Ary lalina noho ny toeran'ny maty izany, ka ho fantatrao ve?

9 Malalaka noho ny tany izy ary midadasika noho ny ranomasina.

10 Raha sendra mandalo Andriamanitra ka misambotra olo-meloka sy mampanao fitsarana azy, iza no hahasakana Azy amin'izany?

11 Fa fantatr'Andriamanitra ny mpamoron-dainga; hitany ny ratsy, na dia tsy tomoriny akory aza.

12 Amin'izay ny olona tsy ampiampy saina aza dia mety hahazo fahendrena indray na dia toetram-borikidia aza izy fony vao teraka.

13 Fa ianao kosa, tsy maintsy mitodika amin'Andriamanitra ka manatsotra ny tananao hivavaka aminy.

14 Raha misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany; aza avela hanan-toerana eo aminao ny tsy fahamarinana.

15 Koa tsy hanan-tsiny ianao sady hitraka, tsy misy hampihozongozona sy hampahatahotra anao.

16 Fa hohadinoinao ny fahorianao lasa, na toa rano nandalo sisa no hahatsiarovanao azy.

17 Hamirapiratra noho ny mitataovovonana ny andronao; ny haizina hanjary tahaka ny maraim-baovao.

18 Hatoky ianao satria manantena; ka na very laza sy afa-baraka aza dia handry tsy amin'ahiahy ianao.

19 Tsy hisy hanelingelina ny fialan-tsasatrao, fa maro aza no hila sitraka aminao.

20 Fa hihajamba kosa ny mason'ny olon-dratsy ka tsy hahita lalan-kivoahana. Ny fialana aina no sisa azony antenaina.

Toko faha-12

1 Dia namaly i Joba ka nanao hoe:

2 Marina fa ianareo no feon'ny vahoaka; ary dia hiara-maty aminareo ny fahendrena.

3 Kanefa mba manan-tsaina toa anareo koa aho ka tsy manaiky ho ambany noho ianareo. Fa iza no tsy mahalala izay lazainareo?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8941